< 民数記 3 >

1 ヱホバ、シナイ山に於てモーセと語ひたまへる日にはアロンとモーセの一族左のごとくにてありき
Ary izao no taranak’ i Arona sy Mosesy tamin’ ny andro nitenenan’ i Jehovah tamin’ i Mosesy teo an-tendrombohitra Sinay.
2 アロンの子孫は是のごとし長子はナダブ次はアビウ、エレアザル、イタマル
Ny anaran’ ny zanakalahin’ i Arona dia Nadaba lahimatoa sy Abiho ary Eleazara sy Itamara.
3 是すなはちアロンの子等の名なり彼等は皆膏そそがれ祭司の職に任ぜられて祭司となれり
Ireo no anaran’ ny zanakalahin’ i Arona, dia ny mpisorona voahosotra, izay natokana hanao fisoronana.
4 ナダブとアビウはシナイの野にて異火をヱホバの前に献たる時にヱホバの前に死り子なしエレアザルとイタマルはその父アロンの目の前にて祭司の職を爲り
Fa maty teo anatrehan’ i Jehovah Nadaba sy Abiho tamin’ izy nanatitra afo tsy izy teo anatrehan’ i Jehovah tany an-efitr’ i Sinay, sady samy tsy nanan-janaka izy mirahalahy; ary Eleazara sy Itamara no nanao fisoronana teo anatrehan’ i Arona rainy.
5 ヱホバまたモーセに告て言たまはく
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
6 レビの支派を召よせ祭司アロンの前に侍りてこれに事へしめよ
Ento ny firenen’ i Levy hanatona, ka ampitoero eo anatrehan’ i Arona mpisorona mba hanompo azy.
7 彼らは集會の幕屋の前にありてアロンの職と全會衆の職に替り幕屋の役事をなすべきなり
Dia hitandrina ny anjara-raharahan’ i Arona sy ny anjara raharahan’ ny fiangonana rehetra eo anoloan’ ny trano-lay fihaonana izy, ka hanao ny fanompoana ao amin’ ny tabernakely.
8 すなはち彼等は集會の幕屋の諸の器具を看守イスラエルの子孫の職に替りて幕屋の役事をなすべし
Dia hitandrina ny fanaka rehetra momba ny trano-lay fihaonana sy ny anjara-raharahan’ ny Zanak’ Isiraely izy ka hanao ny fanompoana ao amin’ ny tabernakely.
9 汝レビ人をアロンとその子等に與ふべしイスラエルの子孫の中より彼等は全くアロンに與へられたる者なり
Ary homenao an’ i Arona sy ny zananilahy ny Levita; efa nomena azy mihitsy avy amin’ ny Zanak’ Isiraely ireo.
10 汝アロンとその子等を立て祭司の職を行はしむべし外人の近づく者は殺されん
Ary Arona sy ny zananilahy hotendrenao hitandrina ny fisoronany; fa raha olon-kafa no manakaiky, dia hatao maty izy.
11 ヱホバすなはちモーセに告て言たまはく
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
12 視よ我イスラエルの子孫の中なる始に生れたる者すなはち首出の代にレビ人をイスラエルの子孫の中より取り
Indro, Izaho efa naka ny Levita avy tamin’ ny Zanak’ Isiraely ho solon’ ny lahimatoa rehetra izay voalohan-teraka eo amin’ ny Zanak’ Isiraely: dia Ahy ny Levita,
13 首出はすべて吾が有なり我エジプトの國の中の首出をことごとく撃ころせる時イスラエルの首出を人も畜もことごとく聖別て我に歸せしめたり是はわが有となるべし我はヱホバなり
satria Ahy ny lahimatoa rehetra; tamin’ ilay andro namelezako ny voalohan-teraka rehetra tany amin’ ny tany Egypta no nanamasinako ny voalohan-teraka rehetra eo amin’ ny Isiraely ho Ahy, na olona, na biby fiompy: Ahy ireo; Izaho no Jehovah.
14 ヱホバ、シナイの野にてモーセに告ていひたまはく
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy tany an-efitr’ i Sinay ka nanao hoe:
15 汝レビの子孫をその父祖の家に依りその宗族にしたがひて核數よ即ちその一箇月以上の男子を核數べし
Alamino ny Levita araka ny fianakaviany sy ny fokony; ny lahy rehetra eo aminy hatramin’ ny iray volana no ho miakatra no halaminao.
16 是においてモーセ、ヱホバの言に循ひてその命ぜられしごとくに之を核數たり
Ary Mosesy nandamina azy araka ny tenin’ i Jehovah, araka izay efa nandidiana azy.
17 レビの子等の名は左のごとしゲルシヨン、コハテ、メラリ
Ary izao no zanakalahin’ i Levy, araka ny anarany: Gersona sy Kehata ary Merary.
18 ゲルシヨンの子等の名はその宗族によれば左の如しリブニ、シメイ
Ary izao no anaran’ ny zanakalahin’ i Gersona, araka ny fianakaviany: Libny sy Simey.
19 コハテの子等の名はその宗族に依ば左のごとしアムラム、イヅハル、ヘブロン、ウジエル
Ary ny zanakalahin’ i Kehata, araka ny fianakaviany, dia Amrama sy Jizara sy Hebrona ary Oziela.
20 メラリの子等の名はその宗族によればマヘリ、ムシなりレビ人の宗族はその父祖の家に依ば是のごとくなり
Ary ny zanakalahin’ i Merary, araka ny fianakaviany, dia Maly sy Mosy. Ireo no fokon’ ny Levita, araka ny fianakaviany.
21 ゲルシヨンよりリブニ人の族とシメイ人の族出たり是すなはちゲルシヨン人の族なり
Avy tamin’ i Gersona ny fokon’ ny Libnita sy ny Simeita: Ireo no fokon’ ny Gersonita.
22 その核數られし者の數すなはち一箇月以上の男子の數は都合七千五百人
Ary izay nalamina, araka ny isan’ ny lahy rehetra hatramin’ ny iray volana no ho miakatra, dia diman-jato amby fito arivo.
23 ゲルシヨン人の族は凡て幕屋の後すなはち西の方に營を張べし
Ny fokon’ ny Gersonita dia hitoby eo ivohon’ ny tabernakely, dia eo andrefany.
24 而してラエルの子エリアサフ、ゲルシヨン人の牧伯となるべし
Ary ny lohan’ ny fianakavian’ ny Gersonka dia Efiasafa, zanak’ i Laela.
25 集會の幕屋におけるゲルシヨンの子孫の職守は幕屋と天幕とその頂蓋および集會の幕屋の入口の幔と
Ary ny anjara-raharahan’ ny zanak’ i Gersona eo amin’ ny trano-lay fihaonana dia ny tabernakely sy ny lay sy ny firakony sy ny varavarana lamba amin’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana,
26 庭の幕および幕屋と壇の周圍なる庭の入口の幔ならびにその繩等凡て之に用ふる物を守るべき事なり
ary ny fefi-lamban’ ny kianja sy ny vavahady lamba amin’ ny vavahadin’ ny kianja, izay manodidina ny tabernakely sy ny alitara, ary ny kofehy rehetra momba azy.
27 またコハテよりアムラミ人の族イヅハリ人の族ヘブロン人の族ウジエリ人の族出たり是すなはちコハテ人の族なり
Ary avy tamin’ i Kehata ny fokon’ ny Amramita sy ny fokon’ ny Jizarita sy ny fokon’ ny Hebronita ary ny fokon’ ny Ozielita; ireo no fokon’ ny Kehatita.
28 一箇月以上の男子の數は都合八千六百人是みな聖所の職守を守るべき者なり
Ny isan’ ny lahy rehetra hatramin’ ny iray volana no ho miakatra, izay mpitandrina ny anjara-raharaha momba ny fitoerana masìna, dia enin-jato amby valo arivo.
29 コハテの子孫の族は凡て幕屋の南の方に營を張べし
Ny fokon’ ny zanak’ i Kehata dia hitoby eo amin’ ny lafiny atsimo amin’ ny tabernakely.
30 而してウジエルの子エリザパン、コハテ人の族の牧伯となるべし
Ary ny lohan’ ny fianakaviana amin’ ny fokon’ ny Kehatita dia Elisafana, zanak’ i Oziela.
31 彼等の職守は律法の櫃案燈臺諸壇および聖所の役事に用ふる器具ならびに幔等凡て其處に用ふる物を守るべき事なり
Ary ny anjara-raharahany dia ny fiara sy ny latabatra sy ny fanaovan-jiro sy ny alitara roa, ary ny fanaky ny fitoerana masìna, izay fanaovana fanompoam-pivavahana, ary ny varavarana lamba mbamin’ ny zavatra rehetra fanaovana ny fanompoana momba azy.
32 祭司アロンの子エレアザル、レビ人の牧伯の長となり且聖所の職を守る者を統轄るべし
Ary ny lehiben’ ny lohan’ ny Levita dia Eleazara, zanak’ i Arona mpisorona, izay lehiben’ ny mpitandrina ny anjara-raharaha ny amin’ ny fitoerana masìna.
33 又メラリよりマヘリ人の族とムシ人の族出たり是すなはちメラリの族なり
Avy tamin’ i Merary ny fokon’ ny Malita sy ny fokon’ ny Mosita; Ireo no fokon’ i Merary.
34 その核數られし者すなはち一箇月以上の男子の數は六千二百人
Ary izay nalamina, araka ny isan’ ny lahy rehetra hatramin’ ny iray volana no ho miakatra, dia roan-jato amby enina arivo,
35 アビハイルの子ツリエル、メラリの族の牧伯となり此族幕屋の北の方に營を張べし
Ary ny lohan’ ny fianakaviana amin’ ny fokon’ i Merary dia Zoriela, zanak’ i Abihaila; ireo no hitoby eo amin’ ny lafiny avaratra amin’ ny tabernakely.
36 メラリの子孫の管理るべき者職守とすべき者は幕屋の板とその横木その柱その座その諸の器具および其に用ふる一切の物
Ary ny anjara-raharahan’ ny zanak’ i Merary dia ny zana-kazo amin’ ny tabernakely sy ny barany sy ny andriny ary ny faladiany, ary ny fanaka rehetra momba azy, sy ny zavatra rehetra enti-manao fanompoana ao,
37 ならびに庭の周圍の柱とその座その釘およびその繩なり
ary ny tsangantsangan’ ny kianja manodidina sy ny faladiany sy ny tsimany ary ny kofehiny.
38 また幕屋の前その東の方すなはち集會の幕屋の東の方にはモーセとアロンおよびアロンの子等營を張りイスラエルの子孫の職守に代て聖所の職守を守るべし外人の近づく者は殺されん
Ary ny mitoby eo anoloan’ ny tabernakely atsinanany, dia eo anoloan’ ny trano-lay fihaonana, tandrifin’ ny fiposahan’ ny masoandro, dia Mosesy sy Arona ary ny zanany, izay mpitandrina ny anjara-raharaha momba ny fitoerana masìna, dia ny anjara-raharahan’ ny Zanak’ Isiraely; ary raha olon-kafa no manakaiky, dia hatao maty izy.
39 モーセとアロン、ヱホバの言に依りレビ人を悉く核數たるに一箇月以上の男子の數二萬二千ありき
Ny tontalin’ izay nalamina avy tamin’ ny Levita, dia izay nalamin’ i Mosesy sy Arona araka ny didin’ i Jehovah, avy tamin’ ny fokony, ny lahy rehetra hatramin’ ny iray volana no ho miakatra, dia roa arivo amby roa alina.
40 ヱホバまたモーセに言たまはく汝イスラエルの子孫の中の首出たる男子の一箇月以上なる者を盡く數へてその名の數を計れ
Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Alamino ny lahimatoa rehetra eo amin’ ny Zanak’ Isiraely hatramin’ ny iray volana no ho miakatra, ka alao isa ny anarany.
41 我はヱホバなり我ために汝レビ人を取りてイスラエルの子孫の中なる諸の首出子に代へまたレビ人の家畜を取てイスラエルの子孫の家畜の中なる諸の首出に代べし
Ary alao ho Ahy ny Levita ho solon’ ny lahimatoa rehetra eo amin’ ny Zanak’ Isiraely: Izaho no Jehovah; ary ny biby fiompin’ ny Levita ho solon’ ny voalohan-teraka rehetra amin’ ny biby fiompin’ ny Zanak’ Isiraely.
42 モーセすなはちヱホバの己に命じたまへるごとくにイスラエルの子孫の中なる首出子を盡く數へたり
Dia nalamin’ i Mosesy ny lahimatoa rehetra teo amin’ ny Zanak’ Isiraely, araka izay efa nandidian’ i Jehovah azy.
43 その數へられし首出なる男子の一箇月以上なる者はその名の數に依ば都合二萬二千二百七十三人なりき
Ary ny lahimatoa rehetra, araka ny anarany tsirairay hatramin’ ny iray volana no ho miakatra, izay nalamina avy taminy dia telo amby fito-polo sy roan-jato sy roa arivo sy roa alina.
44 すなはちヱホバ、モーセに告て言たまはく
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
45 汝レビ人を取てイスラエルの子孫の中なる諸の首出子に代へまたレビ人の家畜を取て彼等の家畜に代よレビ人はわが所有とならん我はヱホバなり
Alao ny Levita ho solon’ ny lahimatoa rehetra eo amin’ ny Zanak’ Isiraely; ary ny biby fiompin’ ny Levita ho solon’ ny biby fiompiny: Ahy ny Levita; Izaho no Jehovah.
46 またイスラエルの子孫の首出子はレビ人より多きこと二百七十三人なれば是等をば贖ふべき者となし
Ary ny amin’ ny avotry ny telo amby fito-polo sy roan-jato amin’ ny lahimatoan’ ny Zanak’ Isiraely, izay mihoatra isa noho ny Levita,
47 その頭數に依て一人ごとに五シケルを取べし即ち聖所のシケルに循ひて之を取べきなり一シケルは二十ゲラなり
dia hangalanao sekely dimy isan-olona; araka ny sekely masìna no hangalanao azy (gera roa-polo ny sekely iray).
48 汝その餘れる者の贖の金をアロンとその子等に付すべし
Dia homenao an’ i Arona sy ny zanany ny vola ho avotr’ ireo mihoatra isa ireo.
49 是においてモーセ、レビ人をもて贖ひ餘せるところの者の贖の金を取り
Ary Mosesy nandray ny vola izay avotry ny nihoatra isa noho ny voavotry ny Levita;
50 即ちモーセ、イスラエルの子孫の首出子の中より聖所のシケルにしたがひて金千三百六十五シケルを取り
tamin’ ny lahimatoan’ ny Zanak’ Isiraely no nandraisany ny vola, dia sekely dimy amby enim-polo sy telon-jato sy arivo, araka ny sekely masìna;
51 その贖はるる者の金をヱホバの言にしたがひてアロンとその子等に付せりヱホバのモーセに命じたまひし如し
dia nomen’ i Mosesy an’ i Arona sy ny zanany izany vola avotra izany, araka ny tenin’ i Jehovah, dia araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.

< 民数記 3 >