< ネヘミヤ 記 5 >

1 茲に民その妻とともにその兄弟なるユダヤ人にむかひて大に叫べり
Ary nitaraina mafy ny lehilahy sy ny vadiny ny amin’ ny Jiosy rahalahiny.
2 或人言ふ我儕および我らの男子女子は多し我ら穀物を得食ふて生ざるべからず
Fa nisy nanao hoe: Maro izahay mbamin’ ny zanakai-lahy sy ny zanakai-vavy; koa ta-hahazo vary izahay mba hohaninay hivelomanay.
3 或人は言ふ我らは我らの田畑葡萄園および家をも質となすなり旣に饑に迫れば我らに穀物を獲させよ
Ary nisy koa nanao hoe: Ny taninay sy ny tanim-boalobokay ary ny tranonay dia efa nataonay antoka, koa ta-hahazo vary izahay noho ny mosary.
4 或は言ふ我らは我らの田畝および葡萄園をもて金を貸て王の租税を納む
Ary nisy koa indray nanao hoe: Efa nisambo-bola izahay handoavanay ny hetran’ ny mpanjaka, ary ny taninay sy ny tanim-boalobokay no nataonay antoka.
5 然ど我らの肉も我らの兄弟の肉と同じく我らの子女も彼らの子女と同じ視よ我らは男子女子を人に伏從はせて奴隸となす我らの女子の中すでに人に伏從せし者もあり如何とも爲ん方法なし其は我らの田畝および葡萄園は別の人の有となりたればなりと
Kanefa mba tahaka ny nofon’ ny rahalahinay ihany ny nofonay, ary tahaka ny zanany ihany ny zanakay; fa na dia izany aza, indreo izahay manetry ny zanakai-lahy sy ny zanakai-vavy ho andevo, ary ny sasany amin’ ny zanakai-vavy dia efa andevo rahateo; nefa tsy manan-ko enti-manavotra azy izahay, satria lasan’ ny sasany ny taninay sy ny tanim-boalobokay.
6 我は彼らの叫および是等の言を聞て大に怒れり
Dia tezitra indrindra aho, raha nahare ny fitarainany sy izany teny izany.
7 是において我心に思ひ計り貴き人々および牧伯等を責てこれに言けるは汝らは各々その兄弟より利息を取るなりと而して我かれらの事につきて大會を開き
Ary nihevitra tao am-poko aho, ka dia nananatra mafy ny manan-kaja sy ny mpanapaka ka nanao taminy hoe: Samy mampanàna zavatra amin’ ny rahalahinareo avy ianareo. Dia nanendry fiangonan-dehibe aho hitsarana azy.
8 彼らに言けるは我らは異邦人の手に賣れたる我らの兄弟ユダヤ人を我らの力にしたがひて贖へり然るにまた汝等は己の兄弟を賣んとするやいかで之をわれらの手に賣るべけんやと彼らは默して言なかりき
Ary hoy izaho taminy: Izahay araka izay tratry ny nanananay dia efa nanavotra ny Jiosy rahalahinay, izay efa namidy tamin’ ny jentilisa; fa ianareo kosa moa hivarotra ny rahalahinareo va, ka hamidy aminay va izy? Dia sina izy, fa tsy hitany izay havaliny.
9 我また言けるは汝らの爲すところ善らず汝らは我らの敵たる異邦人の誹謗をおもひて我儕の神を畏れつつ事をなすべきに非ずや
Ary hoy koa aho: Tsy tsara izao ataonareo izao; moa tsy tokony handeha amin’ ny fahatahorana an’ Andriamanitsika va ianareo noho ny fanaratsian’ ny jentilisa fahavalontsika?
10 我もわが兄弟および僕等も同じく金と穀物とを貸て利息を取ことをなす願くは我らこの利息を廢ん
Izaho sy ny rahalahiko ary ny zatovoko efa nampanàna vola sy vary taminy; koa masìna ianareo, aoka re hafointsika izany trosa izany;
11 請ふ汝ら今日にも彼らの田畝葡萄園橄欖園および家を彼らに還しまた彼らに貸あたへて金穀物および酒油などの百分の一を取ることを廢よと
eny, masìna ianareo, ampodio aminy anio ihany ny taniny sy ny tanim-boalobony sy ny tanin’ olivany sy ny tranony sy ny ampahazaton’ ny vola sy ny vary ary ny divay sy ny diloilo izay nampisamborinareo azy.
12 彼ら即ち言けるは我ら之を還すべし彼らに何をも要めざらん汝の言るごとく我ら然なすべしと是に於て我祭司を呼び彼らをして此言のごとく行なふといふ誓を立しめたり
Dia hoy ireo: Eny, hampodinay izany, ka tsy haka na inona na inona aminy izahay, fa hanao araka izay lazainao. Dia niantso ny mpisorona aho ka nampianiana ireo hanao araka izany teny izany,
13 而して我わが胸懐を打拂ひて言ふ此言を行はざる者をば願くは神是のごとく凡て打拂ひてその家およびその業を離れさせたまへ即ちその人は斯打拂はれて空しくなれかしと時に會衆みなアーメンと言てヱホバを讃美せり而して民はこの言のごとくに行へり
sady nanakopaka ny lambako teo am-pofoako aho ka nanao hoe: Ho tahaka izany anie no hanakopahan’ Andriamanitra ny olona rehetra izay tsy mahantanteraka izany teny izany hiala amin’ ny tranony sy ny vokatry ny asany; eny, hakopaka ka hofoanana tahaka izany anie izy. Ary ny fiangonana rehetra nanao hoe: Amena; sady nidera an’ i Jehovah izy. Ary dia nanao araka izany teny izany ny olona.
14 且また我がユダの地の總督に任ぜられし時より即ちアルタシヤユタ王の二十年より三十二年まで十二年の間は我もわが兄弟も總督の受べき禄を食ざりき
Ary koa, hatramin’ ny andro nanendrena ahy ho governora amin’ ny tany Joda, dia hatramin’ ny taona faharoa-polo ka hatramin’ ny taona faharoa amby telo-polo nanjakan’ i Artaksersesy, dia roa ambin’ ny folo taona izay, izaho sy ny raha! ahiko tsy mba nihinana izay anjara-fiveloman’ ny governora.
15 わが以前にありし舊の總督等は民に重荷を負せてパンと酒とを是より取り其外にまた銀四十シケルを取れり然のみならずその僕等も亦民を圧せり然ども我は神を畏るるに因て然せざりき
Fa ireo governora fahiny izay teo alohako ireo dia nahavaky tratra ny olona ka nampandoa azy hanina sy divay ary sekely volafotsy efa-polo koa; eny, na dia ny zatovony aza dia nisetrasetra tamin’ ny olona; fa izaho tsy mba nanao izany noho ny fahatahorako an’ Andriamanitra.
16 我は反てこの石垣の工事に身を委ね我儕は何の田地をも買しこと無し我僕は皆かしこに集りて工事をなせり
Eny, izaho naharitra nanao io manda io ihany, sady tsy nividy tany izahay; ary ny zatovoko rehetra dia voangona hanao ny asa.
17 且また我席にはユダヤ人および牧伯等百五十人あり其外にまた我らの周圍の異邦人の中より我らに來れる者等もありき
Ary teo amin’ ny latabatro nisy Jiosy sy mpanapaka dimam-polo amby zato afa-tsy izay nankeo aminay avy tamin’ ny firenena manodidina anay.
18 是をもて一日に牛一匹肥たる羊六匹を備へ亦鶏をも許多備へ十日に一回種々の酒を多く備へたり是ありしかどもこの民の役おもきに因て我は總督の受くべき禄を要めざりき
Ary ny namboarina ho ahy isan’ andro dia omby iray sy ondry matavy enina ary vorona koa, ary indray mandeha isan-kafoloana dia nasiana divay samy hafa betsaka; nefa na dia izany aza, ny anjara-fiveloman’ ny governora dia tsy mba nilaiko, satria nahavesatra ny olona ny fanompoana.
19 わが神よ我が此民のために爲る一切の事を憶ひ仁慈をもて我をあしらひ給へ
Tsarovy aho ka hasoavy, ry Andriamanitro ô, araka izay rehetra nataoko ho an’ ity firenena ity.

< ネヘミヤ 記 5 >