< マラキ書 2 >

1 祭司等よ今この命令なんぢらにあたへらる
Ary ankehitriny, ry mpisorona, dia ho aminareo izao didy izao:
2 萬軍のヱホバいひたまふ汝等もし聽きしたがはず又これを心にとめず我名に榮光を歸せずばわれ汝らの上に詛を來らせん 又なんぢらの祝福を詛はん われすでに此等を詛へり 汝らこれを心にとめざりしに因てなり
Raha tsy hihaino na handatsaka am-po ka hanome voninahitra ny anarako ianareo, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, dia halefako hamely anareo ny ozona, ka hozoniko ny tso-drano ataonareo; eny, efa voaozoko sahady izany, satria tsy nandatsaka am-po ianareo.
3 視よ我なんぢらのために種をいましめん また糞すなはち汝らの犠牲の糞を汝らの面の上に撒さん 汝らこれとともに携へさられん
Indro, hasiako teny mafy ny voa afafinareo, ary hofafazako tain-droroha ny tavanareo, dia ny tain-droroha avy amin’ ny andro firavoravoanareo; ary hailika miaraka aminy ianareo.
4 わが此命令をなんぢらに下し與ふるは我契約をしてレビに保たしめんためなるを汝ら知るべし 萬軍のヱホバこれをいふ
Dia ho fantatrareo fa nampitondra izany didy izany ho aminareo Aho, mba haharetan’ ny fanekeko amin’ i Levy, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.
5 わが彼と結びし契約は生命と平安とにあり 我がこれを彼に與へしは彼に我を畏れしめんが爲なり 彼われを懼れわが名の前にをののけり
Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana; ary nomeko azy ho fahatahorana izany, ka dia natahotra Ahy sy nangovitra teo anatrehan’ ny anarako izy.
6 眞理の法彼の口に在て不義その口唇にあらず 彼平安と公義をとりて我とともにあゆみ又多の人を不義より立歸らせたりき
Ny lalàn’ ny fahamarinana no teo am-bavany, ary tsy mba nisy tsi-fahamarinana teo amin’ ny molony; tamin’ ny fiadanana sy ny fahitsiana no niarahany nandeha tamiko, ary maro no nampialainy tamin’ ny heloka.
7 夫れ祭司の口唇に知識を持べく又人彼の口より法を諮詢べし そは祭司は萬軍のヱホバの使者なればなり
Fa ny molotry ny mpisorona tokony hitahiry fahalalana, ary ny lalàna hotadiavina eo am-bavany, satria irak’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, izy.
8 しかるに汝らは道を離れ衆多の人を法に躓礙かせレビの契約を壞りたり 萬軍のヱホバこれをいふ
Fa ianareo kosa dia efa nivily lalana sady nampahatafintohina olona maro ny amin’ ny lalàna ary namadika ny fanekena amin’ i Levy, hoy Jehovah; Tompon’ ny maro.
9 汝らは我道を守らず法をおこなふに當りて人に偏りし故にわれも汝らを一切の民の前に輕められまた賤められしむ
Ary Izaho kosa dia efa nanolotra anareo ho fanazimbazimba sy ho fanao tsinontsinona eo anatrehan’ ny vahoaka rehetra, noho ny tsy nitandremanareo ny lalako sy ny nizahanareo tavan’ olona ny amin’ ny lalàna.
10 我儕の父は皆同一なるにあらずや われらを造りし神は同一なるにあらずや 我儕先祖等の契約を破りて各々おのれの兄弟にいつはりを行ふは何ぞ
Tsy mpiombon-dray va isika rehetra? Tsy Andriamanitra iray ihany va no nahary antsika? Koa nahoana no samy mivadika amin’ ny rahalahintsika avy isika ka mamadika ny fanekena tamin’ ny razantsika?
11 ユダは誓約にそむけり イスラエル及びエルサレムの中には憎むべき事行はる すなはちユダはヱホバの愛したまふ聖所を褻して他神の女をめとれり
Ny Joda efa namitaka, ary misy fahavetavetana atao ao amin’ ny Isiraely sy ao Jerosalema; fa ny Joda efa nandoto ny fitoera-masin’ i Jehovah, izay tiany, sady efa nanambady ny zanaka-vavin’ ny andriamani-kafa.
12 ヱホバこれをおこなふ人をば主なるものをも事ふる者をもヤコブの幕屋よりのぞきたまはん 萬軍のヱホバに獻物をささぐるものにてもまた然り
Enga anie ka hofongoran’ i Jehovah hiala amin’ ny lain’ i Jakoba ny lehilahy izay manao izany, na iza na iza, sy izay manatitra fanatitra ho an’ i Jehovah, Tompon’ ny maro.
13 つぎに又なんぢらはこれをなせり 即ち涙と泣と歎とをもてヱホバの壇をおほはしめたり 故に彼もはや獻物を顧みずまたこれを汝らの手より悦び納たまはざるなり
Ary faharoan’ izany, dia izao koa no ataonareo: Saronanareo ranomaso sy fitomaniana ary fisentoana ny alitaran’ i Jehovah, ka tsy mba jereny intsony ny fanatitra, ary tsy handray fankasitrahana avy amin’ ny tananareo Izy.
14 汝らはなほ何故ぞやと言ふ そは是はヱホバ汝となんぢの若き時の妻の間にいりて證をなしたまへばなり 彼はなんぢの伴侶汝が契約をなせし妻なるに汝誓約に背きてこれを棄つ
Nefa hoy ianareo: Nahoana? Satria Jehovah no vavolombelona ny aminao sy ny vadin’ ny fahatanoranao izay nofitahinao, na dia namanao sady vady efa vita fanekena taminao aza izy.
15 ヱホバは只一を造りたまひしにあらずや されども彼にはなほ靈の餘ありき 何故にひとつのみなりしや 是は神を敬虔の裔を得んが爲なりき 故になんぢら心に謹みその若き時の妻を誓約にそむきて棄るなかれ
Moa tsy nisy anankiray nanao izany va, nefa mbola nanam-panahy ihany? Fa inona andrefa no notadiavin’ ilay anankiray? Taranaka araka an’ Andriamanitra. Koa dia tandremo ny fanahinareo, ary aoka tsy hisy hamitaka ny vadin’ ny fahatanorany.
16 イスラエルの神ヱホバいひたまふ われは離縁を惡みまた虐遇をもて其衣を蔽ふ人を惡む 故に汝ら誓約にそむきて妻を待遇はざるやう心につつしむべし 萬軍のヱホバこれをいふ
Fa halako ny fisaoram-bady, hoy Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, sy ny fanosenana fampahoriana amin’ ny fitafiany, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro; koa tandremo ny fanahinareo, ary aza mamitaka ianareo.
17 なんぢらは言をもてヱホバを煩勞はせり されど汝ら言ふ 何にわづらはせしやと 如何となればなんぢら凡て惡をなすものはヱホバの目に善と見えかつ彼に悦ばると言ひ また審判の神は安にあるやといへばなり
Efa manasatra an’ i Jehovah amin’ ny teninareo ianareo. Nefa hoy ianareo: Amin’ inona moa no anasaranay Azy? Amin’ ny fanaovanareo hoe: Izay rehetra manao ratsy dia tsara eo imason’ i Jehovah ka ankasitrahany, na amin’ ny hoe: Aiza Andriamanitry ny fitsarana?

< マラキ書 2 >