< レビ記 8 >

1 ヱホバ、モーセに告て言たまはく
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
2 汝アロンとその子等およびその衣服と灌膏と罪祭の牡牛と二頭の牡羊と無酵パン一筐を携へきたり
Alao Arona sy ny zanany ary ny fitafiana sy ny diloilo fanosorana sy ny vantotr’ ombilahy iray hatao fanatitra noho ny ota sy ny ondrilahy roa ary ny harona misy mofo tsy misy masirasira.
3 また會衆をことごとく集會の幕屋の門に集めよ
Ary vorio ny fiangonana rehetra ho eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana.
4 モーセすなはちヱホバの己に命じたまひし如くなしたれば會衆は集會の幕屋の門に集りぬ
Ary Mosesy nanao araka izay nandidian’ i Jehovah azy; dia vory teo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana ny fiangonana.
5 モーセ會衆にむかひて言ふヱホバの爲せと命じたまへる事は斯のごとしと
Ary hoy Mosesy tamin’ ny fiangonana: Izao atao izao no raharaha izay nandidian’ i Jehovah.
6 而してモーセ、アロンとその子等を携きたり水をもて彼等を洗ひ清め
Ary Arona sy ny zanany dia nentin’ i Mosesy nanatona ka nampandroiny tamin’ ny rano.
7 アロンに裏衣を著せ帶を帶しめ明衣を纒はせエポデを着しめエポデの帶を之に帶しめこれをもてエポデを其身に結つけ
Dia nampiakanjoiny ny akanjo lava izy ary nasiany ny fehin-kibo, dia nampiakanjoiny ny akanjo ivelany izy, ary ny efoda dia nataony taminy, dia nasiany ny fehin-kibo momba ny efoda izy, ka nataony fehin’ ny efoda taminy izany.
8 また胸牌をこれに着させその胸牌にウリムとトンミムをつけ
Ary ny saron-tratra dia nataony taminy, ka nataony tao ny Orima sy ny Tomima.
9 その首に頭帽をかむらしめその頭帽の上すなはちその額に金の板の聖前板をつけたりヱホバのモーセに命じたまひし如し
Ary ny hamama dia nataony teo an-dohany; ary ny takela-bolamena, ilay diadema masìna, dia nataony teo anoloana amin’ ny hamama, araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
10 モーセまた灌膏をとり幕屋とその中の一切の物に灌ぎてこれを聖別め
Ary nalain’ i Mosesy ny diloilo fanosorana dia nohosorany ny tabernakely sy izay rehetra tao ka nohamasininy.
11 且これを七度壇にそそぎ壇とその諸の器具および洗盤とその臺に膏そそぎてこれを聖別め
Dia namafazany impito teo ambonin’ ny alitara ny diloilo; ary nohosorany avokoa ny alitara mbamin’ ny fanaka rehetra momba azy ary ny tavy sy ny faladiany hahamasina azy.
12 また灌膏をアロンの首にそそぎ之に膏そそぎて聖別たり
Ary nanidinany teo amin’ ny lohan’ i Arona ny diloilo fanosorana, ka nanosotra azy izy hahamasina azy.
13 モーセまたアロンの子等をつれきたりて裏衣をこれに着せ帶をこれに帶しめ頭巾をこれに蒙らせたりヱホバのモーセに命じたまひし如くなり
Ary dia nentin’ i Mosesy nanatona koa ny zanak’ i Arona ka nampiakanjoiny akanjo lava, ary nasiany fehin-kibo, dia nampisatrohiny, araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
14 また罪祭の牡牛を牽きたりてアロンとその子等その罪祭の牡牛の頭に手を按り
Ary nentiny nanatona koa ny vantotr’ ombilahy izay hatao fanatitra noho ny ota; ary Arona sy ny zanany nametraka ny tànany tamin’ ny lohan’ ny vantotr’ ombilahy izay hatao fanatitra noho ny ota.
15 斯てこれを殺してモーセその血をとり指をもてその血を壇の四周の角につけて壇を潔淨しまた壇の底下にその血を灌ぎて之を聖別め之がために贖をなせり
Dia novonoiny ny, ary nalain’ i Mosesy ny rà, ka notentenany tamin’ ny fanondrony ny tandroky ny alitara teo amin’ ny zorony efatra nanadiovany azy; ary ny rà sisa dia naidiny teo am-bodin’ ny alitara, ka nahamasina azy, mba hanao fanavotana ho azy.
16 モーセまたその臓腑の上の一切の脂肝の上の網膜および兩箇の腎とその脂をとりて之を壇の上に焚り
Dia nalainy ny saboran-tsinainy rehetra sy ny ila-atiny lehibe sy ny voany mbamin’ ny fonom-boany, ka nodoran’ i Mosesy ho fofona teo ambonin’ ny alitara ireo.
17 但しその牡牛その皮その肉およびその糞は營の外にて火に焚りヱホバのモーセに命じたまひし如し
Fa ny hoditry ny vantotr’ ombilahy sy ny henany ary ny tain-drorohany kosa dia nodorany tamin’ ny afo teny ivelan’ ny toby, araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
18 また燔祭の牡羊を牽きたりてアロンとその子等その牡羊の頭に手を按たり
Ary nentiny nanatona ny ondrilahy izay hatao fanatitra dorana; ary Arona sy ny zanany nametraka ny tànany tamin’ ny lohan’ ny ondrilahy.
19 斯てこれを宰してモーセその血を壇の周圍に灑げり
Dia novonoina iny; ary Mosesy nanipy ny rà manodidina tamin’ ny lafin’ ny alitara.
20 而してモーセその牡羊を切さきその頭と肉塊と脂とを焚り
Ary norasainy tsara ny ondrilahy; dia nodoran’ i Mosesy ho fofona ny lohany sy ireo voarasa ireo ary ny saborany.
21 また水をもてその臓腑と脛を洗ひてモーセその牡羊をことごとく壇の上に焚り是は馨しき香のためにささぐる燔祭にしてヱホバにたてまつる火祭たるなりヱホバのモーセに命じたまひし如し
Ary ny taovany sy ny tongony nosasany tamin’ ny rano; dia nodoran’ i Mosesy ho fofona teo ambonin’ ny alitara ny tenan’ ny ondrilahy; fanatitra dorana izany ho hanitra ankasitrahana, dia fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah, araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
22 また他の牡羊すなはち任職の牡羊を牽きたりてアロンとその子等その牡羊の頭に手を按り
Dia nentiny nanatona koa ny ondrilahy anankiray, dia ny ondrilahy fanokanana; ary Arona sy ny zanany dia nametraka ny tànany tamin’ ny lohan’ ny ondrilahy.
23 斯てこれを殺してモーセその血をとり之をアロンの右の耳の端とその右の手の大指と右の足の拇指につけ
Dia novonoiny iny; ary nangalan’ i Mosesy ny rà ka, natentiny teo amin’ ny tendron’ ny ravin-tsofin’ i Arona ankavanana sy tamin’ ny ankihiben-tànany ankavanana ary tamin’ ny ankihiben-tongony ankavanana.
24 またアロンの子等をつれきたりてその右の耳の端と右の手の大指と右の足の拇指にその血をつけたり而してモーセその血を壇の周圍に灑げり
Ary nentiny nanatona koa ny zanak’ i Arona, ka notentenan’ i Mosesy ny rà ny tendron’ ny ravin-tsofiny ankavanana sy ny ankihiben-tànany ankavanana ary ny ankihiben-tongony ankavanana; ary ny rà sisa dia natopin’ i Mosesy manodidina tamin’ ny lafin’ ny alitara.
25 彼またその脂と脂の尾および臓腑の上の一切の脂と肝の上の網膜ならびに兩箇の腎とその脂とその右の腿とを取り
Ary nalainy ny hofany sy ny saborany, dia ny safodrorohany sy ny ila-atiny lehibe sy ny voany roa mbamim’ ny fonom-boany ary ny sorony ankavanana.
26 またヱホバの前なる無酵パンの筐の中より無酵菓子一箇と油ぬりたるパンの菓子一箇と煎餅一箇を取り是等をその脂の上とその右の腿の上に載せ
Ary ilay harona nisy ny mofo tsy misy masirasira, izay teo anatrehan’ i Jehovah, dia nangalany iray tamin’ ny mofo tsy misy masirasira sy iray tamin’ ny mofo voaisy diloilo ary iray tamin’ ny mofo manify ka napetrany teo ambonin’ ny saborany sy ny sorok’ ondry ankavanana.
27 是を凡てアロンの手とその子等の手に授け之をヱホバの前に搖て搖祭となさしめたり
Dia napetrany teo amin’ ny tànan’ i Arona sy ny zanany ireo rehetra ireo ka nahevahevany ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan’ i Jehovah.
28 而してモーセまた之を彼等の手より取り壇の上にて燔祭の上にこれを焚り是は馨しき香のためにたてまつる任職祭にしてヱホバにささぐる火祭なり
Dia nalain’ i Mosesy tamin’ ny tànany indray ireo ka nodorany ho fofona teo ambonin’ ny alitara niaraka tamin’ ny fanatitra dorana; fanati-panokanana ireo ho hanitra ankasitrahana, dia fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah.
29 斯てモーセその胸をとりヱホバの前にこれを搖て搖祭となせり任職の牡羊の中是はモーセの分に歸する者なりヱホバのモーセに命じたまひし如し
Dia nalain’ i Mosesy koa ny tratran’ ondry ka nahevahevany ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan’ i Jehovah; anjaran’ i Mosesy avy amin’ ny ondrilahy fanokanana izany, araka izay efa nandidian’ i Jehovah azy.
30 而してモーセ灌膏と壇の上の血とをとりて之をアロンとその衣服に灑ぎまたその子等とその子等の衣服にそそぎアロンとその衣服およびその子等とその子等の衣服を聖別たり
Ary nangalan’ i Mosesy ny diloilo fanosorana sy ny rà izay teo ambonin’ ny alitara ka nafafiny tamin’ i Arona sy tamin’ ny fitafiany ary tamin’ ny zanany sy tamin’ ny fitafian’ ny zanany koa; dia nanamasina an’ i Arona sy ny fitafiany ary ny zanany sy ny fitafian’ ny zanany koa Izy.
31 斯てモーセまたアロンとその子等に言けるは集會の幕屋の門にて汝等その肉を煮よ而して任職祭の筐の内なるパンと偕にこれを其處に食へ是はアロンとその子等これを食ふべしと我に命ありしにしたがふなり
Ary hoy Mosesy tamin’ i Arona sy ny zanany: Andrahoy eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana ny hena; ary eo no hihinananareo azy mbamin’ ny mofo izay eo amin’ ny haron’ ny fanati-panokanana, araka izay nandidiako hoe: Arona sy ny zanany no hihinana azy.
32 その肉とパンの餘れる者は汝等これを火に焚べし
Ary izay sisa amin’ ny hena sy ny mofo dia hodoranareo amin’ ny afo.
33 汝等はその任職祭の竟る日まで七日が間は集會の幕屋の門口より出べからず其は汝等の任職は七日にわたればなり
Ary tsy hiala eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana hafitoana ianareo, dia mandra-pahatapitry ny andro fanokanana anareo; fa hafitoana no hanokanany anareo.
34 今日行ひて汝等のために罪をあがなふが如くにヱホバ斯せよと命じたまふなり
Tahaka ny efa natao androany no nandidian’ i Jehovah hatao, hanaovana fanavotana ho anareo.
35 汝等は集會の幕屋の門口に七日の間日夜居てヱホバの命令を守れ然せば汝等死る事なからん我かく命ぜられたるなり
Ary hitoetra eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana hafitoana andro aman’ alina ianareo ka hitandrina izay asain’ i Jehovah hotandremana, dia tsy ho faty ianareo fa izany no nandidiana ahy.
36 すなはちアロンとその子等はヱホバのモーセによりて命じたまひし事等を盡く爲り
Dia nataon’ i Arona sy ny zanany izay rehetra efa nandidian’ i Jehovah ka nampilazainy an’ i Mosesy.

< レビ記 8 >