< ヨシュア記 6 >

1 (イスラエルの人々の故によりてヱリコは堅く閉して出入する者なし)
Ary nihidy mafy Jeriko tamin’ izany noho ny Zanak’ Isiraely: tsy nisy nivoaka, ary tsy nisy niditra.
2 ヱホバ、ヨシユアに言ひたまひけるは觀よわれヱリコおよびその王と大勇士とを汝の手に付さん
Ary hoy Jehovah tamin’ i Josoa: Indro, efa natolotro eo an-tananao Jeriko sy ny mpanjakany mbamin’ ny lehilahy mahery.
3 汝ら軍人みな邑を繞りて邑の周圍を一次まはるべし汝六日が間かく爲よ
Koa mandehana manodidina ny tanàna indray mandeha ianareo mpanafika rehetra; henemana no hanaovanao izany.
4 祭司等七人おのおのヨベルの喇叭をたづさへて櫃に先だつべし而して第七日には汝ら七次邑をめぐり祭司等喇叭を吹ならすべし
Ary asio mpisorona fito mitondra anjomara fito mafy faneno eo alohan’ ny fiara; ary amin’ ny andro fahafito dia hodidino impito ny tanàna, ary aoka ny mpisorona hitsoka ny anjomara.
5 然して祭司等ヨベルの角を音ながくふきならして喇叭の聲なんぢらに聞ゆる時は民みな大に呼はり喊ぶべし然せばその邑の石垣崩れおちん民みな直に進て攻のぼるべしと
Ary raha manao feo lavareny ny anjomara mafy faneno, ka renareo ny feon’ ny anjomara, dia hanakora mafy ny vahoaka rehetra; ka dia hirodana amin’ izay ny màndan’ ny tanàna, ary hiakatra samy hizotra amin’ izay hitsiny avy ny olona.
6 ヌンの子ヨシユアやがて祭司等を召て之に言ふ汝ら契約の櫃を舁き祭司等七人ヨベルの喇叭七をたづさへてヱホバの櫃に先だつべしと
Dia niantso ny mpisorona Josoa, zanak’ i Nona, ka nanao taminy hoe: Ento ny fiaran’ ny fanekena, ary asio mpisorona fito mitondra anjomara fito mafy faneno eo alohan’ ny fiaran’ i Jehovah.
7 而して民に言ふ汝ら進みゆきて邑を繞れ甲冑のものどもヱホバの櫃に先だちて進むべしと
Dia hoy izy tamin’ ny vahoaka: Mandehana, ka manodidina ny tanàna, ary aoka ny olona efa voaomana hiady handeha eo alohan’ ny fiaran’ i Jehovah.
8 ヨシユアかく民に語りしかば七人の祭司等おのおのヨベルの喇叭をたづさへヱホバに先だちすきみて喇叭を吹きヱホバの契約の櫃これにしたがふ
Ary rehefa niteny tamin’ ny vahoaka Josoa, dia nandeha ireo mpisorona fito nitondra ny anjomara fito mafy faneno teo alohan’ i Jehovah ka nitsoka ny anjomara; ary ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah nanaraka azy.
9 即ち甲冑のものどもは喇叭を吹くところの祭司等にさきだちて行き後軍は櫃の後に行く祭司たちは喇叭を吹きつつすすめり
Ary ny olona efa voaomana hiady dia nandeha teo alohan’ ny mpisorona izay nitsoka ny anjomara, ary ny vodi-lalana nanaraka ny fiara; ary notsofina teny am-pandehanana ny anjomara.
10 ヨシユア民に命じて言ふ汝ら呼はる勿れ汝らの聲を聞えしむるなかれまた汝らの口より言を出すなかれわが汝らに呼はれと命ずる日におよびて呼はるべしと
Ary ny vahoaka efa noraran’ i Josoa hoe: Aza manakora na mamoaka feo na miloa-bava akory aza mandra-pahatongan’ ny andro hanaovako aminareo hoe: Manakorà! dia vao amin’ izay ianareo no hanakora.
11 而してヱホバの櫃をもち邑を繞りて一周し陣營に來りて營中に宿れり
Ary nanodidina ny tanàna indray mandeha ny fiaran’ i Jehovah; dia nankany an-toby ny olona ka nitoetra tany.
12 又あくる朝ヨシユアはやく興いで祭司等ヱホバの櫃を舁き
Dia nifoha maraina koa Josoa, ary ny mpisorona nitondra ny fiaran’ i Jehovah.
13 七人の祭司等おのおのヨベルの喇叭をたづさへヱホバの櫃に先だちて行き喇叭を吹きつつすすみ甲冑の者等これに先だちて行き後軍はヱホバの櫃の後に行く祭司等喇叭をふきつつ進めり
Ary ny mpisorona fito izay nitondra ny anjomara fito mafy faneno teo alohan’ ny fiaran’ i Jehovah dia nandeha mandrakariva ka nitsoka ny anjomara; ary ny olona efa voaomana hiady dia nandeha teo alohany; ary ny vodi-lalana kosa dia nanaraka ny fiaran’ i Jehovah; ary notsofina teny am-pandehanana ny anjomara.
14 その次の日にも一次邑を繞りて陣營に歸り六日が間然なせり
Dia nanodidina ny tanàna indray mandeha koa izy tamin’ ny andro faharoa ka niverina tany an-toby; henemana no nanaovany toy izany.
15 第七日には夜明に早く興いで前のごとくして七次邑を繞れり唯この日のみ七次邑を繞りたり
Ary tamin’ ny andro fahafito dia nifoha maraina koa izy, raha mbola nazava ratsy ny andro ka nanodidina ny tanàna impito toy ny nataony teo, nefa tamin’ izany andro izany ihany no nanodidina ny tanàna impito izy.
16 七次目にいたりて祭司等喇叭を吹くときにヨシユア民に言ふ汝ら呼はれヱホバこの邑を汝らに賜へり
Ary tamin’ ny nandehanany fanimpitony, raha nitsoka ny anjomara ny mpisorona, dia hoy Josoa tamin’ ny vahoaka: Manakorà! fa efa nomen’ i Jehovah anareo ny tanàna.
17 この邑およびその中の一切の物をば詛はれしものとしてヱホバに献ぐべし唯妓婦ラハブおよび凡て彼とともに家に在るものは生し存べしわれらが遣しし使者を匿したればなり
Dia hatolotra ho an’ i Jehovah ho zavatra voaozona ny tanàna sy izay rehetra ao; fa Rahaba janga ihany no hovelomina, dia izy sy izay rehetra ao aminy ao an-trano, satria nanafina ny iratsika izy.
18 唯汝ら詛はれし物を愼め恐らくは汝ら其を詛はれしものとして献ぐるに方りその詛はれし物を自ら取りてイスラエルの陣營をも詛はるるものとならしめ之をして惱ましむるに至らん
Kanefa mitandrema kosa ianareo ny amin’ ny zavatra voaozona, fandrao manolotra zavatra ho voaozona ianareo, nefa maka amin’ ny zavatra voaozona kosa, ka mahatonga ny tobin’ ny Isiraely ho voaozona ary mampidi-doza aminy.
19 但し銀金銅器鐵器などは凡てヱホバに聖別て奉まつるべきものなればヱホバの府庫にこれを携へいるべしと
Fa ny volafotsy sy ny volamena rehetra ary ny fanaka varahina sy vy dia masìna ho an’ i Jehovah; hatao ao amin’ ny rakitr’ i Jehovah izany.
20 是において民よばはり祭司喇叭を吹ならしけるが民喇叭の聲をきくと斉しくみな大聲を擧て呼はりしかば石垣崩れおちぬ斯りしかば民おのおの直に邑に上りいりて邑を攻取り
Dia nanakora ny olona, ary notsofina ny anjomara; ary nony ren’ ny vahoaka ny feon’ ny anjomara, dia nanakora mafy izy, ka nirodana tamin’ izay ny manda, ary niakatra tao an-tanàna samy nizotra tamin’ izay hitsiny avy ny olona, ka afaka ny tanàna.
21 邑にある者は男女少きもの老たるものの區別なく盡くこれを刃にかけて滅ぼし且つ牛羊驢馬にまで及ぼせり
Ary naringany tamin’ ny lelan-tsabatra izay rehetra tao an-tanana, na lehilahy na vehivavy, na tanora na antitra, na omby, na ondry aman’ osy, na boriky.
22 時にヨシユアこの地を窺ひたりし二箇の人にむかひ汝らかの妓婦の家に入りかの婦人およびかれに屬る一切のものを携へいだしかれに誓ひし如くせよと言ければ
Ary izy roa lahy izay efa nisafo ny tany dia efa nilazan’ i Josoa hoe: Mankanesa ao amin’ ny tranon’ ilay vehivavy janga, ka ento mivoaka ravehivavy sy ny havany rehetra ary izay mety ho azy, araka izay nianiananareo taminy.
23 間者たりし少き人等すなはち入てラハブおよびその父母兄弟ならびに彼につけるすべてのものを携へ出しまたその親戚をも携へ出しイスラエルの陣營の外にかれらを置り
Dia nankao ireo zatovo nisafo ireo ka nitondra an-dRahaba nivoaka sy ny rainy aman-dreniny sy ny anadahiny ary ny havany rehetra mbamin’ izay nety ho azy; dia nitondra ny mpianakaviny rehetra nivoaka izy ka nametraka azy teo ivelan’ ny tobin’ ny Isiraely.
24 斯て火をもて邑とその中の一切のものを焚ぬ但し銀金銅器鐵器などはヱホバの室の府庫に納めたり
Ary ny tanàna sy izay rehetra tao dia nodorany tamin’ ny afo, nefa ny volafotsy sy ny volamena ary ny fanaka varahina sy vy dia nataony tao amin’ ny rakitry ny tranon’ i Jehovah.
25 妓婦ラハブおよびその父の家の一族と彼に屬る一切の者とはヨシユアこれを生し存ければラハブは今日までイスラエルの中に住をる是はヨシユアがヱリコを窺はせんとて遣はしし使者を匿したるに因てなり
Fa Rahaba janga sy ny ankohonan’ ny rainy sy ny havany rehetra mbamin’ izay nety ho azy dia novelomin’ i Josoa, ary mitoetra eo amin’ ny Isiraely mandraka androany ravehivavy, satria nanafina ny iraka izay efa nirahin’ i Josoa hisafo an’ i Jeriko izy.
26 ヨシユアその時人衆に誓ひて命じ言けるは凡そ起てこのヱリコの邑を建る者はヱホバの前に詛はるべし其石礎をすゑなば長子を失ひその門を建なば季子を失はんと
Dia nilaza fanozonana Josoa tamin’ izany andro izany ka nanao hoe: Ho voaozona eo anatrehan’ i Jehovah izay olona mitsangana manorina ity tanàna Jeriko ity indray; ny ain’ ny lahimatoany no ho sazin’ ny hanorenany ny fanambaniny, ary ny ain’ ny faralahiny no ho sazin’ ny hananganany ny vavahadiny.
27 ヱホバ、ヨシユアとともに在してヨシユアの名あまねく此地に聞ゆ
Ary Jehovah nomba an’ i Josoa, ka niely tamin’ ny tany rehetra ny lazany.

< ヨシュア記 6 >