< ヨハネの福音書 1 >

1 太初に言あり、言は神と偕にあり、言は神なりき。
Tamin’ ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin’ Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra.
2 この言は太初に神とともに在り、
Izy dia tao amin’ Andriamanitra tamin’ ny voalohany.
3 萬の物これに由りて成り、成りたる物に一つとして之によらで成りたるはなし。
Izy no nahariana ny zavatra rehetra; ary raha tsy Izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao, na dia iray aza.
4 之に生命あり、この生命は人の光なりき。
Izy no nisiam-piainana; ary ny fiainana no fanazavana ny olona.
5 光は暗黒に照る、而して暗黒は之を悟らざりき。
Ary ny mazava dia mamirapiratra ao amin’ ny maizina; fa ny maizina tsy nandray azy.
6 神より遣されたる人いでたり、その名をヨハネといふ。
Nisy lehilahy nirahin’ Andriamanitra, Jaona no anarany.
7 この人は證のために來れり、光に就きて證をなし、また凡ての人の彼によりて信ぜん爲なり。
Izy tonga ho vavolombelona hanambara ny Mazava, mba hinoan’ ny olona rehetra noho ny teniny.
8 彼は光にあらず、光に就きて證せん爲に來れるなり。
Tsy izy anefa no Ilay Mazava, fa tonga ho vavolombelona hanambara ny Mazava ihany izy.
9 もろもろの人をてらす眞の光ありて、世にきたれり。
Tao ny tena Mazava Izay mahazava ny olona rehetra tonga amin’ izao tontolo izao.
10 彼は世にあり、世は彼に由りて成りたるに、世は彼を知らざりき。
Teo amin’ izao tontolo izao Izy, ary Izy no nanaovana izao tontolo izao, nefa izao tontolo izao tsy nahalala Azy.
11 かれは己の國にきたりしに、己の民は之を受けざりき。
Tonga tany amin’ ny Azy Izy, fa ny Azy tsy nandray Azy.
12 されど之を受けし者、即ちその名を信ぜし者には、神の子となる權をあたへ給へり。
Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak’ Andriamanitra, dia izay mino ny anarany,
13 かかる人は血脈によらず、肉の欲によらず、人の欲によらず、ただ、神によりて生れしなり。
dia ireo izay tsy nateraky ny rà, na ny sitrapon’ ny nofo, na ny sitrapon’ ny olona, fa naterak’ Andriamanitra.
14 言は肉體となりて我らの中に宿りたまへり、我らその榮光を見たり、實に父の獨子の榮光にして、恩惠と眞理とにて滿てり。
Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika; ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra miendrika ho an’ ny Lahitokana avy tamin’ ny Ray, sady feno fahasoavana sy fahamarinana.
15 ヨハネ彼につきて證をなし、呼はりて言ふ『「わが後にきたる者は我に勝れり、我より前にありし故なり」と、我が曾ていへるは此の人なり』
Jaona nanambara Azy ka niantso hoe: Izy Ilay nolazaiko hoe: Izay avy
16 我らは皆その充ち滿ちたる中より受けて、恩惠に恩惠を加へらる。
Fa tamin’ ny fahafenoany no nandraisantsika rehetra, dia fahasoavana anampy fahasoavana.
17 律法はモーセによりて與へられ、恩惠と眞理とはイエス・キリストによりて來れるなり。
Fa ny lalàna dia nomena tamin’ ny alalan’ i Mosesy; fa ny fahasoavana sy ny fahamarinana kosa dia tonga tamin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy.
18 未だ神を見し者なし、ただ父の懷裡にいます獨子の神のみ之を顯し給へり。
Tsy nisy nahita an’ Andriamanitra na oviana na oviana; fa ny Zanakalahy Tokana, Izay ao an-tratran’ ny Ray, Izy no nanambara Azy.
19 さてユダヤ人、エルサレムより祭司とレビ人とをヨハネの許に遣して『なんぢは誰なるか』と問はせし時、ヨハネの證はかくのごとし。
Ary izao no nambaran’ i Jaona, raha ny Jiosy naniraka mpisorona sy Levita avy tany Jerosalema hankany aminy mba hanontany azy hoe: Iza moa ianao?
20 乃ち言ひあらはして諱まず『我はキリストにあらず』と言ひあらはせり。
Ary nilaza marina izy ka tsy nandà, fa hoy ny filàzany: Tsy izaho no Kristy.
21 また問ふ『さらば何、エリヤなるか』答ふ『然らず』問ふ『かの預言者なるか』答ふ『いな』
Ary izy ireo nanontany azy hoe: Ahoana ary? Elia va ianao? Fa hoy izy: Tsy izy aho. Ilay Mpaminany va ianao? Fa izy namaly hoe: Tsia.
22 ここに彼ら言ふ『なんぢは誰なるか、我らを遣しし人々に答へ得るやうにせよ、なんぢ己につきて何と言ふか』
Dia hoy ireo taminy: Iza ary ianao? mba hitondranay valiny ho any amin’ izay naniraka anay. Lazainao ho iza moa ny tenanao?
23 答へて言ふ『我は預言者イザヤの云へるが如く「主の道を直くせよと、荒野に呼はる者の聲」なり』
Dia hoy izy: Izaho dia feon’ ny miantso mafy any an-efitra hoe: Ataovy mahitsy ny lalan’ i Jehovah, araka izay nolazain’ Isaia mpaminany.
24 かの遣されたる者はパリサイ人なりき。
Ary iraka avy tamin’ ny Fariseo ireo.
25 また問ひて言ふ『なんぢ若しキリストに非ず、またエリヤにも、かの預言者にも非ずば、何 故バプテスマを施すか』
Dia nanontany azy ireo ka nanao taminy hoe: Nahoana ary ianao no manao batisa raha tsy ianao no Kristy, na Elia, na Ilay Mpaminany?
26 ヨハネ答へて言ふ『我は水にてバプテスマを施す。なんじらの中に汝らの知らぬもの一人たてり。
Jaona namaly azy ka nanao hoe: Izaho manao batisa amin’ ny rano; fa eto aminareo misy Anankiray Izay tsy fantatrareo,
27 即ち我が後にきたる者なり、我はその鞋の紐を解くにも足らず』
dia Ilay avy ao aoriako, ary tsy miendrika hamaha ny fehin-kapany aza aho.
28 これらの事は、ヨハネのバプテスマを施しゐたりしヨルダンの向なるベタニヤにてありしなり。
Izany zavatra izany dia natao tany Betania any an-dafin’ i Jordana, izay nanaovan’ i Jaona batisa.
29 明くる日ヨハネ、イエスの己が許にきたり給ふを見ていふ『視よ、これぞ世の罪を除く神の羔羊。
Nony ampitso dia nahita an’ i Jesosy avy manatona azy Jaona, ka dia hoy izy: Indro ny Zanak’ ondrin’ Andriamanitra, Izay manaisotra ny fahotan’ izao tontolo izao!
30 われ曾て「わが後に來る人あり、我にまされり、我より前にありし故なり」と云ひしは此の人なり。
Izy Ilay nolazaiko hoe: Misy Lehilahy avy ao aoriako Izay efa tonga eo alohako, satria talohako Izy.
31 我もと彼を知らざりき。然れど彼のイスラエルに顯れんために、我きたりて水にてバプテスマを施すなり』
Ary izaho tsy nahalala Azy; fa mba haseho amin’ ny Isiraely Izy, izany no nihaviako manao batisa amin’ ny rano.
32 ヨハネまた證をなして言ふ『われ見しに、御靈 鴿のごとく天より降りて、その上に止れり。
Ary Jaona nanambara ka nanao hoe: Izaho nahita ny Fanahy midìna avy any an-danitra tahaka ny voro-mailala ka nitoetra teo amboniny.
33 我もと彼を知らざりき。されど我を遣し水にてバプテスマを施させ給ふもの、我に告げて「なんぢ御靈くだりて或 人の上に止るを見ん、これぞ聖 靈にてバプテスマを施す者なる」といひ給へり。
Ary izaho tsy nahalala Azy; fa Izay naniraka ahy hanao batisa amin’ ny rano no nilaza tamiko hoe: Izay ho hitanao idinan’ ny Fanahy sy itoerany, dia Izy no Mpanao batisa amin’ ny Fanahy Masìna.
34 われ之を見て、その神の子たるを證せしなり』
Ary nahita aho, ka dia nanambara fa Izy no Zanak’ Andriamanitra.
35 明くる日ヨハネまた二人の弟子とともに立ちて、
Nony ampitson’ iny indray dia nijanona Jaona sy ny mpianany roa lahy;
36 イエスの歩み給ふを見ていふ『視よ、これぞ神の羔羊』
ary nijery an’ i Jesosy nitsangantsangana izy ka nanao hoe: Indro ny Zanak’ ondrin’ Andriamanitra!
37 かく語るをききて、二人の弟子イエスに從ひゆきたれば、
Ary ireo mpianatra roa lahy ireo, rehefa nandre azy niteny, dia nanaraka an’ i Jesosy.
38 イエス振反りて、その從ひきたるを見て言ひたまふ『何を求むるか』彼 等いふ『ラビ(釋きていへば師)いづこに留り給ふか』
Ary Jesosy nitodika ka nahita azy manaraka, dia nanao taminy hoe: Inona no tadiavinareo? Ary hoy izy roa lahy taminy: Raby (izay atao hoe, raha adika, Mpampianatra ô), aiza Hianao no mitoetra?
39 イエス言ひ給ふ『きたれ、さらば見ん』彼ら往きてその留りたまふ所を見、この日ともに留れり、時は第十時ごろなりき。
Hoy Izy taminy: Avia, fa ho hitanareo. Koa dia nandeha izy ka nahita izay nitoerany ary nitoetra teo aminy tamin’ izany andro izany; ary efa tokony ho ora fahafolo tamin’ izay.
40 ヨハネより聞きてイエスに從ひし二人のうち一人は、シモン・ペテロの兄弟アンデレなり。
Andrea, rahalahin’ i Simona Petera, no anankiray tamin’ izy roa lahy, izay nandre ny tenin’ i Jaona ka nanaraka an’ i Jesosy.
41 この人まづ其の兄弟シモンに遇ひ『われらメシヤ(釋けばキリスト)に遇へり』と言ひて、
Izy no nahita an’ i Simona rahalahiny aloha, dia hoy izy taminy: Efa nahita ny Mesia izahay (izay atso hoe, raha adika, ny Kristy).
42 彼をイエスの許に連れきたれり。イエス之に目を注めて言ひ給ふ『なんぢはヨハネの子シモンなり、汝ケパ(釋けばペテロ)と稱へらるべし』
Dia nitondra azy ho any amin’ i Jesosy izy. Ary nony nijery azy Jesosy, dia hoy Izy: Hianao no Simona, zanak’ i Jaona; ianao hatao hoe Kefasy (izay atao hoe, raha adika, Petera)
43 明くる日イエス、ガリラヤに往かんとし、ピリポにあひて言ひ給ふ『われに從へ』
Nony ampitso dia te-hiala ho any Galilia Jesosy, ary nahita an’ i Filipo Izy ka nanao taminy hoe: Manaraha Ahy.
44 ピリポはアンデレとペテロとの町なるベツサイダの人なり。
Ary Filipo dia avy any Betsaida, tanànan’ i Andrea sy Petera.
45 ピリポ、ナタナエルに遇ひて言ふ『我らはモーセが律法に録ししところ、預言者たちが録しし所の者に遇へり、ヨセフの子ナザレのイエスなり』
Filipo kosa nahita an’ i Natanaela ka nanao taminy hoe: Efa hitanay Ilay nosoratan’ i Mosesy tao amin’ ny lalàna, sy nosoratan’ ny mpaminany, dia Jesosy, zanak’ i Josefa, avy any Nazareta.
46 ナタナエル言ふ『ナザレより何の善き者か出づべき』ピリポいふ『來りて見よ』
Ary hoy Natanaela taminy: Moa mba misy zava-tsoa va avy any Nazareta? Dia hoy Filipo taminy: Andeha hizaha.
47 イエス、ナタナエルの己が許にきたるを見、これを指して言ひたまふ『視よ、これ眞にイスラエル人なり、その衷に虚僞なし』
Jesosy nahita an’ i Natanaela avy manatona Azy, dia nilaza azy hoe: Indro ny tena Isiraelita tsy misy fitaka.
48 ナタナエル言ふ『如何にして我を知り給ふか』イエス答えて言ひたまふ『ピリポの汝を呼ぶまへに、我なんぢが無花果の樹の下に居るを見たり』
Hoy Natanaela taminy: Ahoana no ahafantaranao ahy? Dia namaly Jesosy ka nanao taminy hoe: Fony tsy mbola niantso anao Filipo, dia hitako teo ambanin’ ny aviavy ianao.
49 ナタナエル答ふ『ラビ、なんぢは神の子なり、汝はイスラエルの王なり』
Dia namaly Natanaela ka nanao hoe: Raby ô, Hianao no Zanak’ Andriamanitra; Hianao no Mpanjakan’ ny Isiraely.
50 イエス答へて言ひ給ふ『われ汝が無花果の樹の下にをるを見たりと言ひしに因りて信ずるか、汝これよりも更に大なる事を見ん』
Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Moa ny nilazako taminao va fa hitako teo ambanin’ ny aviavy ianao no inoanao? Hahita zavatra lehibe noho izany ianao.
51 また言ひ給ふ『まことに誠に汝らに告ぐ、天ひらけて、人の子のうへに神の使たちの昇り降りするを汝ら見るべし』
Ary hoy koa Izy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Ho hitanareo ny lanitra misokatra sy ny anjelin’ Andriamanitra miakatra sy midìna eo ambonin’ ny Zanak’ olona.

< ヨハネの福音書 1 >