< エレミヤ書 35 >

1 ユダの王ヨシヤの子ヱホヤキムの時ヱレミヤにのぞみしヱホバの言いふ
Izao no teny tonga tamin’ i Jeremia avy tamin’ i Jehovah tamin’ ny andron’ i Joiakima, zanak’ i Josia, mpanjakan’ ny Joda, nanao hoe:
2 汝レカブ人の家に往て彼らとかたり彼らをヱホバの室の一房に携きたりて酒をのませよと
Mankanesa any amin’ ny taranak’ i Rekaba, ary mitenena aminy, dia ampidiro ao an-tranon’ i Jehovah, ao amin’ ny efi-trano anankiray, izy, ka omeo divay hosotroiny.
3 是に於てわれハバジニヤの子なるヱレミヤの子ヤザニヤとその兄弟とその諸子およびレカブ人の全家を取り
Dia nalaiko Jazania, zanak’ i Jeremia, zanak’ i Habazinia, sy ny rahalahiny sy ny zanany rehetra mbamin’ ny taranak’ i Rekaba rehetra,
4 これをヱホバの室にあるハナンの諸子の房につれきたれりハナンはイグダリヤの子にして神の人なり其房は牧伯等の房の次にして門を守るシヤレムの子マアセヤの房のうへに在り
ka nampidiriko ho ao amin’ ny tranon’ i Jehovah izy, dia tao amin’ ny efi-tranon’ ny taranak’ i Hanana zanak’ i Jigdalia, lehilahin’ Andriamanitra, izay ao anilan’ ny efi-tranon’ ny mpanapaka, ao ambonin’ ny efi-tranon’ i Mahaseia, zanak’ i Saloma, mpiandry varavarana.
5 我すなはちレカブ人の家の諸子の前に酒を滿したる壺と杯を置き彼らに告て汝ら酒を飮めといひければ
Ary norosoako kapoaka sy siny feno divay teo anoloan’ ny taranak’ i Rekaba ka nolazaiko taminy hoe: Misotroa divay ianareo.
6 彼らこたへけるは我儕は酒をのまず蓋レカブの子なる我らの先祖ヨナダブ我らに命じて汝等と汝らの子孫はいつまでも酒をのむべからず
Fa hoy kosa ireo: Tsy hisotro divay izahay; fa Jonadaba, zanak’ i Rekaba, razanay efa nafatra anay hoe: Aza mba misotro divay ianareo na ny taranakareo mandrakizay;
7 また汝ら屋を建ず種をまかず葡萄園を植ざれ亦これを有べからず汝らの生存ふるあひだ幕屋にをれ然らば汝らが寄寓ところの地に於て汝らの生命長からんと云たればなり
ary aza manao trano ianareo, na mamafy voan-javatra, na manao tanim-boaloboka, na mety hanana izany akory, fa lay no itoeronareo amin’ ny andronareo rehetra, mba ho ela velona ianareo amin’ ny tany izay ivahinianareo.
8 斯我らはレカブの子なるわれらの先祖ヨナダブの凡て命ぜし言に遵ひて我儕とわれらの妻と子女は生存ふるあひだ酒を飮ず
Dia nankatoavinay izany tenin’ i Jonadaba, zanak’ i Rekaba, razanay izany tamin’ izay rehetra nanafarany anay, mba tsy hisotro divay amin’ ny andronay rehetra, na izahay na ny vadinay, na ny zanakai-lahy, na ny zanakai-vavy;
9 我らは住べき屋を建てず葡萄園も田野も種も有ずして
ary tsy hanao trano hitoeranay, na hanana tanimboly, na saha, na voan-javatra izahay;
10 幕屋にをりすべて我儕の先祖ヨナダブが我らに命ぜしごとく行へり
fa efa nitoetra an-day izahay araka izay rehetra nanafaran’ i Jonadaba razanay anay.
11 然どバビロンの王ネブカデネザルがこの地に上り來りしとき我ら云けるは我らカルデヤ人の軍勢とスリア人の軍勢を畏るれば去來ヱルサレムにゆかんとすなはち我らはヱルサレムに住へり
Fa raha nananika ny tany Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona. Dia hoy izahay: Andeha isika hankany Jerosalema handositra ny miaramilan’ ny Kaldeana sy ny miaramilan’ ny Syriana, ka dia izany no itoerany eto Jerosalema.
12 時にヱホバの言ヱレミヤにのぞみていふ
Dia tonga tamin’ i Jeremia ny tenin’ i Jehovah hoe:
13 萬軍のヱホバ、イスラエルの神かくいふ汝ゆきてユダの人々とヱルサレムに住る者とに告よヱホバいひたまふ汝らは我言を聽て敎を受ざるか
Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Andeha, lazao amin’ ny Joda sy amin’ ny mponina any Jerosalema hoe: Tsy hino anatra hitandrina ny teniko va ianareo? hoy Jehovah.
14 レカブの子ヨナダブがその子孫に酒をのむべからずと命ぜし言は行はる彼らは今日に至るまで酒をのまず其先祖の命令に遵ふなり然るに汝らは吾汝らに語り頻りに語れども我にきかざるなり
To ny tenin’ i Jonadaba, zanak’ i Rekaba, izay nanafarany ny zanany tsy hisotro divay, fa tsy misotro tokoa izy mandraka androany, fa mahatana ny hafa-drazany, ary Izaho efa niteny taminareo, eny, nifoha maraina koa Aho ka niteny, nefa tsy nihaino ianareo.
15 我また我僕なる預言者たちを汝らに遣し頻りにこれを遣していはせけるは汝らいまおのおの其惡き道を離れて歸り汝らの行をあらためよ他の神に從ひて之に奉ふる勿れ然ば汝らはわが汝らと汝らの先祖に與へたるこの地に住ことをえんと然ど汝らは耳を傾けず我にきかざりき
Nirahiko taminareo koa ny mpaminany mpanompoko rehetra, eny, nifoha maraina koa Aho ka naniraka azy hanao hoe: Samia miala amin’ ny lalanareo ratsy ianareo ankehitriny, ary ataovy tsara ny ataonareo, ary aza manaraka andriamani-kafa hanompo azy, dia honina amin’ ny tany izay nomeko anareo sy ny razanareo ianareo nefa tsy nanongilana ny sofinareo na nihaino Ahy ianareo.
16 レカブの子ヨナダブの子孫はその先祖が彼らに命ぜしところの命令に遵ふなり然ど此民は我に聽ず
Eny, nankatoavin’ ny zanak’ i Jonadaba, zanak’ i Rekaba, ny hafa-drazany, izay nanafarany azy; fa ity firenena ity kosa tsy mba nihaino Ahy.
17 この故に萬軍の神ヱホバ、イスラエルの神かくいふ視よわれユダとヱルサレムに住る者とに我彼らにつきていひし所の災を降さん我かれらに語れども聽ずかれらを召ども應へざればなり
Koa izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny maro, Andriamanitry ny Isiraely Indro, hataoko mihatra amin’ ny Joda sy ny mponina rehetra any Jerosalema ny loza rehetra izay nolazaiko hatao aminy, satria efa niteny taminy Aho, fa tsy nihaino izy, ary niantso azy Aho, fa tsy namaly izy.
18 茲にヱレミヤ、レカブ人の家にいひけるは萬軍のヱホバ、イスラエルの神かくいひたまふ汝らはその先祖ヨナダブの命に遵ひその凡の誡を守り彼が汝らに命ぜしことを行ふ
Ary ny taranak’ i Rekaba dia nilazan’ i Jeremia hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Noho ny nahatananareo ny hafatr’ i Jonadaba razanareo sy ny nitandremanareo ny hafany rehetra ary ny nanaovanareo araka izay rehetra nanafarany anareo,
19 是によりて萬軍のヱホバ、イスラエルの神かくいひたまふレカブの子ヨナダブには我前に立つ人いつまでも缺ることあらじ
dia izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Jonadaba, zanak’ i Rekaba, tsy ho diso zanakalahy hitsangana eo anatrehako mandrakizay.

< エレミヤ書 35 >