< エレミヤ書 24 >

1 バビロンの王ネブカデネザル、ユダの王ヱホヤキムの子ヱコニヤおよびユダの牧伯等と木匠と鐵匠をヱルサレムよりバビロンに移せしのちヱホバ我にヱホバの殿の前に置れたる二筐の無花果を示したまへり
Jehovah naneho tamiko, ka, indreo, nisy aviavy roa sobiky voapetraka teo anoloan’ ny tempolin’ i Jehovah, taorian’ ny nitondran’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, an’ i Jekonia, zanak’ i Joiakima, mpanjakan’ ny Joda, sy ny mpanapaka ny Joda mbamin’ ny mahay tao-zavatra sy ny mpanefy vy izay tany Jerosalema, ho babo ho any Babylona.
2 その一の筐には始に熟せしがごとき至佳き無花果ありその一の筐にはいと惡くして食ひ得ざるほどなる惡き無花果あり
Ny sobiky iray dia nisy aviavy tsara dia tsara, dia toy ny aviavy mialin-taona; ary ny sobiky anankiray kosa dia nisy aviavy ratsy dia ratsy, izay tsy azo hanina noho ny haratsiny.
3 ヱホバ我にいひ給ひけるはヱレミヤよ汝何を見しや我答へけるは無花果なりその佳き無花果はいと佳しその惡きものは至惡しくして食ひ得ざるほどに惡し
Dia hoy Jehovah tamiko: Inona no hitanao, ry Jeremia? Ary hoy izaho: Aviavy; koa ny tsara moa dia tsara tokoa, ary ny ratsy kosa dia ratsy tokoa ka tsy azo hanina noho ny haratsiny.
4 ヱホバの言また我にのぞみていふ
Ary tonga tamiko indray ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
5 イスラエルの神ヱホバかくいふ我わが此處よりカルデヤ人の地に逐ひやりしユダの虜人を此佳き無花果のごとくに顧みて惠まん
Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Tahaka ireto aviavy tsara ireto no fijeriko ny Joda voababo mba hanasoavako azy, dia ireo noroahiko niala tamin’ ity tany ity ho any amin’ ny tanin’ ny Kaldeana.
6 我彼等に目をかけて之をめぐみ彼らを此地にかへし彼等を建て仆さず植て拔じ
Fa hojeren’ ny masoko izy mba hanasoavako azy ka hampodiko ho amin’ ity tany ity; ary haoriko izy, ka tsy horavako; ary hamboleko izy, fa tsy hongotako.
7 我彼らに我のヱホバなるを識るの心をあたへん彼等我民となり我彼らの神とならん彼等は一心をもて我に歸るべし
Ary homeko fo hahalalany Ahy ho Jehovah izy; dia ho oloko izy, ary Izaho kosa ho Andriamaniny; fa hiverina amiko amin’ ny fony rehetra izy.
8 ヱホバかくいひたまへり我ユダの王ゼデキヤとその牧伯等およびヱルサレムの人の遺りて此地にをる者ならびにエジプトの地に住る者とを此惡くして食はれざる惡き無花果のごとくになさん
Ary ny amin’ ny aviavy ratsy izay tsy azo hanina kosa noho ny haratsiny, dia izao no lazain’ i Jehovah: Toy izany no hanolorako an’ i Zedekia, mpanjakan’ ny Joda, sy ny mpanapaka ary izay sisa any Jerosalema, dia izay mbola sisa amin’ ity tany ity sy izay mitoetra any amin’ ny tany Egypta,
9 我かれらをして地のもろもろの國にて虐遇と災害にあはしめん又彼らをしてわが逐やらん諸の處にて辱にあはせ諺となり嘲と詛に遭しめん
eny, hatolotro ho mpanjenjena sy fiharan-doza any amin’ ny fanjakana rehetra ambonin’ ny tany izy, ho fandatsa sy ohabolana sy ambentinteny ary fanozonana any amin’ ny tany rehetra izay handroahako azy.
10 われ劍と饑饉と疫病をかれらの間におくりて彼らをしてわが彼らとその先祖にあたへし地に絕るにいたらしめん
Ary hampameleziko azy ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana ambara-pahalany ritrany tsy ho amin’ ny tany izay nomeko azy sy ny razany.

< エレミヤ書 24 >