< イザヤ書 28 >

1 酔るものなるエフライム人よなんぢらの誇の冠はわざはひなるかな 酒におぼるるものよ肥たる谷の首にある凋んとする花のうるはしき飾はわざはひなるかな
Lozan’ ny satro-boninahitra, izay reharehan’ ny mpimamo any Efraima, sy ny voninkazo mihamalazo amin’ ny firàvany tsara tarehy, izay eo an-dohan’ ny lohasaha lonaky ny fileon-divay.
2 みよ主はひとりの力ある强剛者をもち給へり それは雹をまじへたる暴風のごとく壞りそこなふ狂風のごとく大水のあぶれ漲るごとく烈しくかれを地になげうつべし
Indro, ny Tompo manana izay mahery sady matanjaka, tahaka ny rivo-kavandra sy ny tafio-drivotra mandoza; Koa tahaka ny fandriaky ny rano be manafotra no hanjerany azy mafy ho amin’ ny tany.
3 酔るものなるエフライム人のほこりの冠は足にて踐にじられん
Dia hohitsahin’ ny tongotra ny satro-boninahitra, Izay reharehan’ ny mpimamo any Efraima.
4 肥たる谷のかしらにある凋んとする花のうるはしきかざりは 夏こぬに熟したる初結の無花果のごとし 見るものこれをみて取る手おそしと呑いるるなり
Ary ny voninkazo mihamalazo amin’ ny firàvany tsara tarehy, izay eo an-dohan’ ny lohasaha lonaka, dia ho tahaka ny voan’ aviavy mialin-taona, raha tsy mbola tonga ny fahavaratra, koa izay mahita azy dia mijery, ary raha vao raisiny, dia arapany.
5 その日萬軍のヱホバその民ののこれる者のために榮のかんむりとなり美しき冠となり給はん
Ary amin’ izany andro izany Jehovah, Tompon’ ny maro, dia ho satro-boninahitra tsara tarehy sy ho fehiloha firavaka ho an’ ny olony sisa,
6 さばきの席にざするものには審判の靈をあたへ軍を門よりおひかへす者には力をあたへ給ふべし
Ary ho fanahy fitsarana ho an’ izay mipetraka eo amin’ ny fitsarana, sy ho hery ho an’ izay mampiverina ny ady hatreo am-bavahady.
7 然どかれらも酒によりてよろめき濃酒によりてよろぼひたり 祭司と預言者とは濃酒によりてよろめき 酒にのまれ濃酒によりてよろぼひ 而して默示をみるときにもよろめき審判をおこなふときにも躓けり
Nefa ireo koa dia miraingiraingy azon’ ny divay ary mivembena azon’ ny toaka; Ny mpisorona sy ny mpaminany miraingiraingy azon’ ny toaka; Resin’ ny divay ireo; Mivembena azon’ ny toaka izy; Miraingiraingy amin’ ny fahitana izy ary midoladola eo amin’ ny fitsarana.
8 すべて膳には吐たるものと穢とみちて潔きところなし
Fa feno loa sy loto ny latabatra rehetra, ka efa tsy misy madio hitoerana.
9 かれは誰にをしへて知識をあたへんとするか 誰にしめして音信を暁らせんとするか 乳をたち懷をはなれたる者にするならんか
Iza no hampianariny fahalalana? Ary iza no hampahafantariny fianarana? Zaza vao notazana va? Ny vao nitsaha-nono va?
10 そは誡命にいましめをくはへ誡命にいましめをくはへ 度にのりをくはへ度にのりをくはへ 此にもすこしく彼にもすこしく敎ふ
Fa didy anampy didy, didy anampy didy; Fitsipika anampy fitsipika, fitsipika anampy fitsipika; Kely etỳ, ary kely erỳ;
11 このゆゑに神あだし唇と異なる舌とをもてこの民にかたりたまはん
Eny, amin’ ny molotra miambakambaka sy amin’ ny fiteny baiko no hitenenany amin’ ity firenena ity,
12 曩にかれらに言たまひけるは此は安息なり疲困者にやすみをあたへよ 此は安慰なりと されど彼らは聞ことをせざりき
Izay nilazany hoe: Ity no fitsaharana, ampitsaharo ny reraka, ary ity no famelombelomana; Nefa tsy nety nihaino ireo.
13 斯るがゆゑにヱホバの言かれらにくだりて 誡命にいましめをくはへ誡命にいましめをくはへ 度にのりをくはへ度にのりをくはへ 此にもすこしく彼にも少しくをしへん 之によりて彼等すすみてうしろに仆れそこなはれ罟にかかりて捕へらるべし
Ary ny tenin’ i Jehovah dia ho tonga didy anampy didy aminy tokoa, eny, didy anampy didy, fitsipika anampy fitsipika, fitsipika anampy fitsipika; Kely etỳ, ary kely erỳ, mba hanaovany dia mianotra, ka ho torotoro izy sy hofandrihana ary hosamborina.
14 なんぢら此ヱルサレムにある民ををさむるところの輕慢者よヱホバの言をきけ
Koa mihainoa ny tenin’ i Jehovah ianareo, ry mpaniratsira, izay manapaka ity firenena eto Jerosalema ity.
15 なんぢらは云り 我ら死と契約をたて陰府とちぎりをむすべり 漲りあふるる禍害のすぐるときわれらに來らじ そはわれら虛僞をもて避所となし欺詐をもて身をかくしたればなりと (Sheol h7585)
Satria ianareo manao hoe: Efa nanao fanekena tamin’ ny fahafatesana izahay ary efa nanao fifanarahana tamin’ ny fiainan-tsi-hita ka na dia ho avy aza ny loza manafotra, dia tsy hihatra aminy izany, fa ny lainga no nataonay ho fiarovana, ary ny fitaka ho fierena, (Sheol h7585)
16 このゆゑに神ヱホバかくいひ給ふ 視よわれシオンに一つの石をすゑてその基となせり これは試をへたる石たふとき隅石かたくすゑたる石なり これに依賴むものはあわつることなし
Dia izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, Izaho no efa nametraka vato ao Ziona, dia vato voazaha toetra, vato tsara izay fehizoro voaorina ho fanorenana mafy, ka tsy mba ho taitra izay mino.
17 われ公平を準繩とし正義を錘とす 斯て雹はいつはりにてつくれる避所をのぞきさり水はその匿れたるところに漲りあふれん
Ny fitsarana no hataoko ho fitsipika, ary ny fahamarinana ho pilao; Hopaohin’ ny havandra ny lainga fiarovana, ary hindaosin’ ny rano ny fierena.
18 汝らが死とたてし契約はきえうせ陰府とむすべるちぎりは成ことなし されば漲り溢るるわざはひのすぐるとき汝等はこれに踐たふさるべし (Sheol h7585)
Hofoanana ny fanekenareo amin’ ny fahafatesana, ary tsy haharitra ny fifanarahanareo amin’ ny fiainan-tsi-hita raha ho avy ny loza manafotra, dia ho tonga fanitsakitsany ianareo. (Sheol h7585)
19 その過るごとになんぢらを捕へん 朝々にすぎ晝も夜もすぐ この音信をきき わきまふるのみにても慴きをるなり
Ary na oviana na oviana no ihaviany, dia hahatratra anareo izany; Fa isa-maraina isa-maraina no hihaviany, na andro na alina; Ary ny vokatry ny fahafantarana izany fianarana izany dia fangovitana ihany.
20 その狀は床みじかくして身をのぶることあたはず 衾せまくして身をおほふこと能はざるが如し
Fa fohy loatra ny farafara ka tsy azon’ ny olona ilamparana; Ary kely ny firakotra ka tsy maharakotra, raha misy te-hirakotra azy.
21 そはヱホバ往昔ペラヂムの山にて起たまひしがごとくにたち ギベオンの谷にて忿恚をはなちたまひしが如くにいきどほり 而してその所爲をおこなひ給はん 奇しき所爲なり その工を成たまはん 異なる工なり
Fa Jehovah hitsangana tahaka ny teo amin’ ny tendrombohitra Perazima, ho tezitra tahaka ny teo amin’ ny lohasahan’ i Gibeona Izy, mba hanaovany ny asany tsy ilay fanaony mandrakariva anefa, ary hahavitany ny ataony tsy ilay vitainy mandrakariva anefa.
22 この故になんぢら侮るなかれ 恐くはなんぢらの縲絏きびしくならん 我すでに全地のうへにさだまれる敗亡あるよしを主萬軍のヱホバより聞たればなり
Koa dia aza maniratsira intsony ianareo, fandrao atao mafy ny famatorana anareo; Fa fahafonganana voatendry no efa reko tamin’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Hamelezana ny tany rehetra.
23 なんぢら耳をかたぶけてわが聲をきけ懇ろにわが言をきくべし
Mihainoa ianareo, ka mandrenesa ny feoko; Mitandrema, ka mandrenesa ny teniko.
24 農夫たねをまかんに何で日々たがへし日々その地をすき その土塊をくだくことのみを爲んや
Moa ny mpiasa tany va miasa mba hamafy, na mitombo-doha sy mandravona ny taniny mandrakariva?
25 もし地の面をたひらかにせばいかで罌粟をまき 馬芹の種をおろし 小麥をうねにうゑ 大麥をさだめたる處にうゑ 粗麥を畔にうゑざらんや
Rehefa voaravony tsara ny tany, moa tsy afafiny amin’ izay va ny voan’ ny nigela, ary tsy apariakany va ny komina, ary tsy alahany mitandahatra tsara va ny vary tritika sy ny vary hordea amin’ ny tany voafaritra ho azy Ary ny ampemby kosa eny an-tsisiny?
26 斯のごときはかれの神これに智慧をあたへて敎へたまへるなり
Fa Andriamaniny no manoro azy izay mety hataony, Eny, Izy no mampianatra azy.
27 けしは連耞にてうたず 馬芹はそのうへに車輪をきしらせず罌栗をうつには杖をもちひ 馬芹をうつには棒をもちふ
Fa tsy ny kodia vy no ivelezana ny nigela, ary tsy ny kodian’ ny sariety no akodiadia amin’ ny komina; Fa ny nigela dia velezina amin’ ny fantàka, ary ny komina amin’ ny tehina.
28 麥をくだくか否くるまにきしらせ馬にふませて落すことはすれども斷ずしかするにあらず これを碎くことをせざるべし
Moa mongomongoiny va ny vary hatao mofo? Tsia, fa tsy veleziny na hampandehanany ny kodian’ ny sarietiny sy ny soavaliny lalandava izy; Tsy mongomongoiny tsy akory izy.
29 此もまた萬軍のヱホバよりいづ その謀略はくすしくその智慧はすぐれたり
Izany koa dia avy amin’ i Jehovah, Tompon’ ny maro; Fa mahagaga amin’ ny fisainana Izy Ary mahatalanjona amin’ ny fahendrena.

< イザヤ書 28 >