< 創世記 9 >

1 神ノアと其子等を祝して之に曰たまひけるは生よ増殖よ地に滿よ
Ary Andriamanitra nitso-drano an’ i Noa sy ny zanany hoe; Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany.
2 地の諸の獸畜天空の諸の鳥地に匍ふ諸の物海の諸の魚汝等を畏れ汝等に懾かん是等は汝等の手に與へらる
Ary ny tahotra sy horohoro anareo hahazo ny bibi-dia rehetra sy ny voro-manidina rehetra; ireny mbamin’ izay rehetra mandady na mikisaka amin’ ny tany sy ny hazandrano rehetra ao amin’ ny ranomasina dia efa natolotra eo an-tananareo.
3 凡そ生る動物は汝等の食となるべし菜蔬のごとく我之を皆汝等に與ふ
Ny biby mihetsiketsika rehetra izay miaina dia ho fihinana ho anareo; dia efa nomeko anareo toy ny zava-maitso izy rehetra.
4 然ど肉を其生命なる其血のままに食ふべからず
Kanefa ny nofo izay mbola misy aina dia ny ràny no aza haninareo.
5 汝等の生命の血を流すをば我必ず討さん獸之をなすも人をこれを爲すも我討さん凡そ人の兄弟人の生命を取ば我討すべし
Fa ny ranareo kosa dia hadiniko, satria ainareo izany; eo amin’ ny tanan’ ny manan’ aina rehetra no hanadinako azy; ary eo amin’ ny tanan’ ny olona, dia eo amin’ ny tanan’ ny olona avy, no hanadinako ny ain’ ny olona.
6 凡そ人の血を流す者は人其血を流さん其は神の像のごとくに人を造りたまひたればなり
Izay mandatsaka ny ran’ olona, dia mba halatsak’ olona kosa ny ràny, satria tahaka ny endrik’ Andriamanitra no nanaovany ny olona.
7 汝等生よ増殖よ地に饒くなりて其中に増殖よ
Koa ny aminareo, dia maroa fara sy mihabetsaha; miteraha be eny ambonin’ ny tany sy mihabetsaha eny.
8 神ノアおよび彼と偕にある其子等に告て言たまひけるは
Ary Andriamanitra niteny tamin’ i Noa sy tamin’ ny zanany, izay niaraka taminy, ka nanao hoe:
9 見よ我汝等と汝等の後の子孫
Indro, Izaho efa manorina ny fanekeko aminareo sy amin’ ny taranakareo mandimby anareo
10 および汝等と偕なる諸の生物即ち汝等とともなる鳥家畜および地の諸の獸と契約を立ん都て方舟より出たる者より地の諸の獸にまで至らん
sy amin’ ny zava-manan’ aina rehetra eo aminareo, na ny vorona, na ny biby fiompy, na ny bibi-dia rehetra eo aminareo: izay rehetra nivoaka avy tao anatin’ ny sambo-fiara, dia ny biby samy hafa rehetra.
11 我汝等と契約を立ん總て肉なる者は再び洪水に絶るる事あらじ又地を滅す洪水再びあらざるべし
Dia aoriko ny fanekeko aminareo, ka tsy haringako amin’ ny safo-drano intsony ny nofo rehetra, ary tsy hisy safo-drano hanimba ny tany intsony.
12 神言たまひけるは我が我と汝等および汝等と偕なる諸の生物の間に世々限りなく爲す所の契約の徴は是なり
Ary hoy Andriamanitra: Izao no famantarana ny fanekena izay ataoko ho amiko sy ho aminareo mbamin’ ny zava-manan’ aina rehetra eo aminareo hatramin’ ny taranaka fara mandimby:
13 我わが虹を雲の中に起さん是我と世との間の契約の徴なるべし
Ny avako efa napetrako eo amin’ ny rahona ho famantarana ny fanekena ho amiko sy ho amin’ ny tany.
14 即ち我雲を地の上に起す時虹雲の中に現るべし
Ary raha mampiangona rahona eo ambonin’ ny tany Aho, ka hita eo amin’ ny rahona ny avana,
15 我乃ち我と汝等および總て肉なる諸の生物の間のわが契約を記念はん水再び諸の肉なる者を滅す洪水とならじ
dia hotsarovako ny fanekeko izay ho amiko sy ho aminareo mbamin’ ny zava-manan’ aina, dia ny nofo rehetra; ary tsy hisy safo-drano, handringana ny nofo rehetra intsony.
16 虹雲の中にあらん我之を觀て神と地にある都て肉なる諸の生物との間なる永遠の契約を記念えん
Ary ho eo amin’ ny rahona ny avana; ary hitsinjo azy Aho hahatsiarovako ny fanekena mandrakizay izay ho amin’ Andriamanitra sy ho amin’ ny zava-manan’ aina rehetra, dia ny nofo rehetra ambonin’ ny tany.
17 神ノアに言たまひけるは是は我が我と地にある諸の肉なる者との間に立たる契約の徴なり
Ary hoy Andriamanitra tamin’ i Noa: Izany no famantarana ny fanekena izay naoriko ho amiko sy ho amin’ ny nofo rehetra ambonin’ ny tany.
18 ノアの子等の方舟より出たる者はセム、ハム、ヤペテなりきハムはカナンの父なり
Ary ny zanakalahin’ i Noa izay izay nivoaka avy tamin’ ny sambo-fiara dia Sema sy Hama ary Jafeta; ary i Hama no rain’ i Kanana.
19 是等はノアの三人の子なり全地の民は是等より出て蔓延れり
Ireo telo lahy ireo no zanak’ i Noa; ary avy tamin’ ireo no nielezan’ ny olona tambonin’ ny tany rehetra.
20 爰にノアの農夫となりて葡萄園を植ることを始しが
Ary vao tonga mpiasa tany Noa ka nanao tanim-boaloboka.
21 葡萄酒を飮て醉天幕の中にありて裸になれり
Ary nisotro tamin’ ny divay izy ka mamo; dia nanary lamba izy ka nitanjaka tao anatin’ ny lainy.
22 カナンの父ハム其父のかくし所を見て外にありし二人の兄弟に告たり
Ary hitan’ i Hama, rain’ i Kanana ny fitanjahan’ ny rainy, dia nambarany tamin’ ny rahalahiny roa lahy teo ivelany.
23 セムとヤペテ乃ち衣を取て倶に其肩に負け後向に歩みゆきて其父の裸體を覆へり彼等面を背にして其父の裸體を見ざりき
Ary nalain’ i Sema sy Jafeta ny lamba ka nentin’ izy mirahalahy teo an-tsorony, dia nanao dia mianotra izy ka nandrakotra ny fitanjahan’ ny rainy; ary ny tavany tsy nanatrika, ka dia tsy hitany ny fitanjahan’ ny rainy.
24 ノア酒さめて其若き子の己に爲たる事を知れり
Dia nahatsiaro Noa, rehefa afaka ny hamamoany, ka nahafantatra izay efa nataon’ ny zanany faralahy taminy.
25 是に於て彼言けるはカナン詛はれよ彼は僕輩の僕となりて其兄弟に事へん
Dia hoy izy: Ho voaozona anie Kanana; Ho tena andevon’ ny rahalahiny izy.
26 又いひけるはセムの神ヱホバは讚べきかなカナン彼の僕となるべし
Ary hoy koa izy: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitr’ i Sema; Ary aoka Kanana ho andevony.
27 神ヤペテを大ならしめたまはん彼はセムの天幕に居住はんカナン其僕となるべし
Hataon’ Andriamanitra malalaka anie Jafeta; Ary aoka honina ao an-dain’ i Sema izy; Ary aoka Kanana ho andevony.
28 ノア洪水の後三百五十年生存へたり
Ary ny andro niainan’ i Noa taorian’ ny safo-drano dia dimam-polo amby telon-jato taona.
29 ノアの齡は都て九百五十年なりき而して死り
Ary ny andro rehetra niainan’ i Noa dia dimam-polo amby sivin-jato taona; dia maty izy.

< 創世記 9 >