< 創世記 50 >

1 ヨセフ父の面に俯し之をいだきて哭き之に接吻す
Ary Josefa nihohoka tamin’ ny tavan’ ny rainy ka nitomany teo amboniny sady nanoroka azy.
2 而してヨセフその僕なる醫者に命じてその父に釁らしむ醫者イスラエルに釁れり
Ary nasain’ i Josefa nanosotra zava-manitra an-drainy ny mpanompony izay mpanao fanafody; dia nanosotra an’ Isiraely ny mpanao fanafody.
3 すなはち之がために四十日を用ふ其は尸に釁るにはこの日數を用ふべければなりエジプト人七十日の間之がために哭けり
Ary notanterahiny taminy ny efa-polo andro, fa izany no isan’ ny andro nanosoram-paty; ary ny Egyptiana nisaona azy fito-polo andro.
4 哀哭の日すぎし時ヨセフ、パロの家にかたりていひけるは我もし汝等の前に恩惠を得るならば請ふパロの耳にまうして言へ
Ary rehefa tapitra ny andro nisaonana azy, Josefa dia niteny tamin’ ny tao an-tranon’ i Farao ka nanao hoe: Raha mba nahita fitia eo imasonareo aho, masìna ianareo, lazao amin’ i Farao, ka ataovy hoe:
5 わが父我死ばカナンの地にわが掘おきたる墓に我をはうむれといひて我を誓はしめたり然ば請ふわれをして上りて父を葬らしめたまへまた歸りきたらんと
Ny raiko efa nampianiana ahy ka nanao hoe: Indro, ho faty aho; koa ao amin’ ny fasako, izay nohadiko ho ahy any amin’ ny tany Kanana, dia ao no andeveno ahy. Koa ankehitriny, trarantitra ianao, aoka aho hiakatra handevina ny raiko, dia hiverina atỳ indray.
6 パロいひけるは汝の父汝をちかはせしごとくのぼりて之を葬るべし
Ary hoy Farao: Miakara ary, ka aleveno ny rainao araka izay nampianianany anao.
7 是に於てヨセフ父を葬らんとて上るパロの諸の臣パロの家の長老等エジプトの地の長老等
Dia lasa niakatra Josefa handevina ny rainy; ary niara-niakatra taminy ny mpanompon’ i Farao rehetra, dia ny loholona tao an-tranony sy ny loholona rehetra tany amin’ ny tany Egypta,
8 およびヨセフの全家とその兄弟等およびその父の家之とともに上る只その子女と羊と牛はゴセンの地にのこせり
ary ny ankohonan’ i Josefa rehetra sy ny rahalahiny ary ny ankohonan-drainy; ny ankizy madinika sy ny ondriny aman’ osiny sy ny ombiny ihany no navelany tao amin’ ny tany Gosena.
9 また車と騎兵ヨセフにしたがひてのぼり其隊ははなはだ大なりき
Ary nisy kalesy sy mpitaingin-tsoavaly niara-niakatra taminy koa, ka lehibe dia lehibe ny tobiny.
10 彼等つひにヨルダンの外なるアタデの禾場に到り彼にて大に泣き痛く哀しむヨセフすなはち七日父のために哭きぬ
Ary rehefa tonga teo Goren’ atada izy, izay ao an-dafin’ i Jordana, dia nanao fisaonana lehibe sy mafy indrindra teo izy; dia nisaona an-drainy hafitoana Josefa.
11 その國の居人なるカナン人等アタデの禾場の哀哭を見て是はエジプト人の痛くなげくなりといへり是によりて其處の名をアベルミツライム(エジプト人の哀哭)と稱ふヨルダンの外にあり
Ary rehefa hitan’ ny Kananita tompon-tany ny fisaonana teo Goren-atada, dia hoy izy: Fisaonana mafy amin’ ny Egyptiana izao; izany no nanaovany ny anarany hoe Abel-Egyptiana, izay ao an-dafin’ i Jordana.
12 ヤコブの子等その命ぜられたるごとく之になせり
Ary ny zanakalahin’ i Jakoba nanao taminy araka izay nandidiany azy,
13 すなはちヤコブの子等彼をカナンの地に舁ゆきて之をマクペラの田の洞穴にはうむれり是はアブラハムがヘテ人エフロンより田とともに購とりて所有の墓所となせし者にてマムレの前にあり
dia nitondra azy tany amin’ ny tany Kanana, ary nandevina azy tao amin’ ny zohy amin’ ny saha Makpela, tandrifin’ i Mamre, dia ilay novidin’ i Abrahama mbamin’ ny saha tamin’ i Efrona Hetita ho tany fandevenana.
14 ヨセフ父を葬りてのち其兄弟および凡て己とともにのぼりて父をはうむれる者とともにエジプトにかへりぬ
Ary rehefa voalevin’ i Josefa ny rainy, dia niverina tany Egypta izy sy ny rahalahiny mbamin’ izay rehetra niara-niakatra taminy handevina ny rainy.
15 ヨセフの兄弟等その父の死たるを見ていひけるはヨセフあるいはわれらを恨むることあらん又かならずわれらが彼になしたる諸の惡にむくゆるならんと
Ary rehefa hitan’ ny rahalahin’ i Josefa fa maty ny rainy, dia hoy izy: Andrao hanao fo-lentika amintsika Josefa ka hamaly antsika tokoa noho izay ratsy rehetra nataontsika taminy.
16 すなはちヨセフにいひおくりけるはなんぢの父死るまへに命じて言けらく
Dia naniraka nankany amin’ i Josefa izy ka nanao hoe: Ny rainao nanafatra, fony izy tsy mbola maty,
17 汝ら斯ヨセフにいふべし汝の兄弟汝に惡をなしたれども冀はくはその罪咎をゆるせと然ば請ふ汝の父の神の僕等の咎をゆるせとヨセフその言を聞て啼泣り
ka nanao hoe: Izao no holazainareo amin’ i Josefa: Mamela re ny fahadisoan’ ny rahalahinao sy ny fahotany, fa efa nanao ratsy taminao izy; eny, mamela ankehitriny ny fahadisoan’ ny mpanompon’ ny Andriamanitry ny rainao. Dia nitomany Josefa, raha niteny taminy izy ireo.
18 兄弟等もまた自らきたりヨセフの面の前に俯し我儕は汝の僕とならんといふ
Koa nanatona azy ny rahalahiny, dia niankohoka teo anatrehany ka nanao hoe: Indreto izahay ho mpanomponao.
19 ヨセフかれらに曰けるは懼るなかれ我あに神にかはらんや
Ary hoy Josefa taminy: Aza matahotra; fa moa solon’ Andriamanitra va aho?
20 汝等は我を害せんとおもひたれども神はそれを善にかはらせ今日のごとく多の民の生命を救ふにいたらしめんとおもひたまへり
Hianareo no nisaina hanisy ratsy ahy; fa Andriamanitra kosa nisaina izany ho soa, hanao tahaka ny amin’ izao anio izao, hamelona olona betsaka.
21 故に汝らおそるるなかれ我なんぢらと汝らの子女をやしなはんと彼等をなぐさめ懇に之にかたれり
Koa ankehitriny, aza matahotra ianareo; fa izaho hamelona anareo sy ny zanakareo madinika. Dia nampionona azy sy nanao teny malefaka nahafinaritra azy izy.
22 ヨセフ父の家族とともにエジプトにすめりヨセフは百十歳いきながらへたり
Ary Josefa sy ny ankohonan’ ny rainy nonina tany Egypta; ary ny andro niainan’ i Josefa dia folo amby zato taona.
23 ヨセフ、エフライムの三世の子女をみるにいたれりマナセの子マキルの子女もうまれてヨセフの膝にありき
Ary hitan’ i Josefa ny zafiafin’ i Efraima; ny zanak’ i Makira koa, zanakalahin’ i Manase, dia noraisin’ i Josefa ho eo am-pofoany.
24 ヨセフその兄弟等にいひけるは我死ん神かならず汝等を眷顧みなんぢらを此地よりいだしてそのアブラハム、イサク、ヤコブに誓ひし地にいたらしめたまはんと
Ary hoy Josefa tamin’ ny rahalahiny: Ho faty aho; nefa Andriamanitra hamangy anareo tokoa ka hitondra anareo hiala amin’ ity tany ity ho any amin’ ny tany izay nianianany tamin’ i Abrahama sy Isaka ary Jakoba homena azy.
25 ヨセフ神かならず汝等をかへりみたまはん汝らわが骨をここよりたづさへのぼるべしといひてイスラエルの子孫を誓はしむ
Ary Josefa dia nampianiana ny zanak’ Isiraely ka nanao hoe: Hamangy anareo tokoa Andriamanitra, dia hitondra ny taolako hiala eto ianareo.
26 ヨセフ百十歳にして死たれば之に釁りて櫃にをさめてエジプトにおけり
Dia maty Josefa, rehefa folo amby zato taona; ary dia nohosorany zava-manitra izy ka napetrany tao anatin’ ny vata tany Egypta.

< 創世記 50 >