< 創世記 5 >

1 アダムの傳の書は是なり神人を創造りたまひし日に神に象りて之を造りたまひ
Ity no boky milaza ny taranak’ i Adama: Tamin’ ny andro namoronan’ Andriamanitra ny olona dia tahaka ny tarehin’ Andriamanitra no nanaovany azy;
2 彼等を男女に造りたまへり彼等の創造られし日に神彼等を祝してかれらの名をアダムと名けたまへり
lahy sy vavy no namoronany azy; dia nitahy azy Izy ka nanao ny anarany hoe Adama tamin’ ny andro namoronany azy.
3 アダム百三十歳に及びて其像に循ひ己に象りて子を生み其名をセツと名けたり
Ary rehefa telo-polo amby zato taona ny andro niainan’ i Adama, dia niteraka tahaka ny tarehiny, araka ny endriny izy; ary ny anarany nataony hoe Seta.
4 アダムのセツを生し後の齡は八百歳にして男子女子を生り
Ary ny andron’ i Adama taorian’ ny niterahany an’ i Seta dia valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
5 アダムの生存へたる齡は都合九百三十歳なりき而して死り
Ary ny andro rehetra niainan’ i Adama dia telo-polo amby sivin-jato taona; dia maty izy.
6 セツ百五歳に及びてエノスを生り
Ary rehefa dimy amby zato taona ny andro niainan’ i Seta, dia niteraka an’ i Enosy izy.
7 セツ、エノスを生し後八百七年生存へて男子女子を生り
Ary ny andro niainan’ i Seta taorian’ ny niterahany an’ i Enosy dia fito amby valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
8 セツの齡は都合九百十二歳なりき而して死り
Ary ny andro rehetra niainan’ i Seta dia roa ambin’ ny folo amby sivin-jato taona; dia maty izy;
9 エノス九十歳におよびてカイナンを生り
Ary rehefa sivi-folo taona ny andro niainan’ i Enosy, dia niteraka an’ i Kenana izy.
10 エノス、カイナンを生し後八百十五年生存へて男子女子を生り
Ary ny andro niainan’ i Enosy taorian’ ny niterahany an’ i Kenana dia dimy ambin’ ny folo amby valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy;
11 エノスの齡は都合九百五歳なりき而して死り
Ary ny andro rehetra niainan’ i Enosy dia dimy amby sivin-jato taona; dia maty izy.
12 カイナン七十歳におよびてマハラレルを生り
Ary rehefa fito-polo taona ny andro niainan’ i Kenana, dia niteraka an’ i Mahalalila izy.
13 カイナン、マハラレルを生し後八百四十年生存へて男子女子を生り
Ary ny andro niainan’ i Kenana taorian’ ny niterahany an’ i Mahalalila dia efa-polo amby valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
14 カイナンの齡は都合九百十歳なりきしかして死り
Ary ny andro rehetra niainan’ i Kenana dia folo amby sivin-jato taona; dia maty izy.
15 マハラレル六十五歳に及びてヤレドを生り
Ary rehefa dimy amby enim-polo taona ny andro niainan’ i Mahalalila, dia niteraka an’ i Jareda izy.
16 マハラレル、ヤレドを生し後八百三十年生存へて男子女子を生り
Ary ny andro niainan’ i Mahalalila taorian’ ny niterahany an’ i Jareda dia telo-polo amby valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
17 マハラレルの齡は都合八百九十五歳なりき而して死り
Ary ny andro rehetra niainan’ i Mahalalila dia dimy amby sivi-folo amby valon-jato taona; dia maty izy.
18 ヤレド百六十二歳に及びてエノクを生り
Ary rehefa roa amby enim-polo amby zato taona ny andro niainan’ i Jareda dia niteraka an’ i Enoka izy.
19 ヤレド、エノクを生し後八百年生存へて男子女子を生り
Ary ny andro niainan’ i Jareda taorian’ ny niterahany niterahany an’ i Enoka dia valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
20 ヤレドの齡は都合九百六十二歳なりき而して死り
Ary ny andro rehetra niainan’ i Jareda dia roa amby enim-polo amby sivin-jato taona; dia maty izy.
21 エノク六十五歳に及びてメトセラを生り
Ary rehefa dimy amby enim-polo taona ny andro niainan’ i Enoka, dia niteraka an’ i Metosela izy.
22 エノク、メトセラを生し後三百年神とともに歩み男子女子を生り
Ary niara-nandeha tamin’ Andriamanitra telon-jato taona Enoka taorian’ ny niterahany an’ i Metosela; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
23 エノクの齡は都合三百六十五歳なりき
Ary ny andro rehetra niainan’ i Enoka dia dimy amby enim-polo amby telon-jato taona.
24 エノク神と偕に歩みしが神かれを取りたまひければをらずなりき
Ary niara-nandeha tamin’ Andriamanitra Enoka; ka tsy hita izy, fa nentin’ Andriamanitra.
25 メトセラ百八十七歳に及びてレメクを生り
Ary rehefa fito amby valo-polo amby zato taona ny andro niainan’ i Metosela, dia niteraka an’ i Lameka izy.
26 メトセラ、レメクを生しのち七百八十二年生存へて男子女子を生り
Ary ny andro niainan’ i Metosela taorian’ ny niterahany an’ i Lameka dia roa amby valo-polo amby fiton-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
27 メトセラの齡は都合九百六十九歳なりき而して死り
Ary ny andro rehetra niainan’ i Metosela dia sivy amby enim-polo amby sivin-jato taona; dia maty izy.
28 レメク百八十二歳に及びて男子を生み
Ary rehefa roa amby valo-polo amby zato taona ny andro niainan’ i Lameka, dia niteraka zazalahy izy;
29 其名をノアと名けて言けるは此子はヱホバの詛ひたまひし地に由れる我操作と我勞苦とに就て我らを慰めん
ary ny anarany nataony hoe Noa, fa hoy izy: Ity no hampionona antsika amin’ ny asantsika sy ny fisasaran’ ny tanantsika noho ny tany izay voaozon’ i Jehovah.
30 レメク、ノアを生し後五百九十五年生存へて男子女子を生り
Ary ny andro niainan’ i Lameka taorian’ ny niterahany an’ i Noa dia dimy amby sivi-folo amby diman-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
31 レメクの齡は都合七百七十七歳なりき而して死り
Ary ny andro rehetra niainan’ i Lameka dia fito amby fito-polo amby fiton-jato taona; dia maty izy.
32 ノア五百歳なりきノア、セム、ハム、ヤペテを生り
Ary rehefa diman-jato taona Noa, dia niteraka an’ i Sema sy Hama ary Jafeta izy.

< 創世記 5 >