< 創世記 30 >

1 ラケル己がヤコブに子を生ざるを見て其姉を夢みヤコブに言けるは我に子を與へよ然らずば我死んと
Ary rehefa hitan-dRahely fa tsy mba niteraka tamin’ i Jakoba izy, dia nialona ny rahavaviny izy, ka hoy izy tamin’ i Jakoba: Mba omeo zaza aho, fa raha tsy izany, dia ho faty aho.
2 ヤコブ、ラケルにむかひて怒を發して言ふ汝の胎に子をやどらしめざる者は神なり我神に代るをえんや
Dia nirehitra tamin-dRahely ny fahatezeran’ i Jakoba, ka hoy izy: Solon’ Andriamanitra, Izay nahamomba anao tsy hiteraka, va aho?
3 ラケルいふ吾婢ビルハを視よ彼の處に入れ彼子を生てわが膝に置ん然ば我もまた彼によりて子をうるにいたらんと
Ary hoy izy: Indro Bila ankizivaviko, vadio izy; dia hiteraka eo am-pofoako izy, mba hahazoako zaza aminy.
4 其仕女ビルハを彼にあたへて妻となさしめたりヤコブ即ち彼の處にいる
Dia nomeny azy Bila ankizivaviny ho vadiny; ary dia novadin’ i Jakoba koa izy.
5 ビルハ遂にはらみてヤコブに子を生ければ
Dia nanan’ anaka Bila ka niteraka zazalahy tamin’ i Jakoba.
6 ラケルいひけるは神我を監み亦わが聲を聽いれて吾に子をたまへりと是によりて其名をダンと名けたり
Ary hoy Rahely: Andriamanitra efa nanome ahy ny rariny sady efa nihaino ny feoko, ka nomeny zazalahy aho; izany no nanaovany ny anarany hoe Dana.
7 ラケルの仕女ビルハ再び姙みて次の子をヤコブに生ければ
Dia nanan’ anaka indray Bila, ankizivavin-Rahely, ka niteraka zazalahy faharoany tamin’ i Jakoba.
8 ラケル我神の爭をもて姉と爭ひて勝ぬといひて其名をナフタリと名けたり
Ary hoy Rahely: Fitolomana mafy dia mafy no nitolomako tamin’ ny rahavaviko, ka nahery aho; dia nataony hoe Naftaly ny anarany.
9 茲にレア產ことの止たるを見しかば其仕女ジルパをとりて之をヤコブにあたへて妻となさしむ
Ary rehefa hitan’ i Lea fa efa nitsaha-jaza izy, dia naka an’ i Zilpa ankizivaviny izy, ka nomeny ho vadin’ i Jakoba koa.
10 レアの仕女ジルパ、ヤコブに子を產ければ
Ary Zilpa, ankizivavin’ i Lea, dia niteraka zazalahy tamin’ i Jakoba.
11 レア福來れりといひて其名をガドと名けたり
Ary hoy Lea: Manan-jara re aho! dia nataony hoe Gada ny anarany.
12 レアの仕女ジルパ次子をヤコブに生ければ
Ary Zilpa, ankizivavin’ i Lea, dia niteraka zazalahy faharoany tamin’ i Jakoba.
13 レアいふ我は幸なり女等我を幸なる者となさんと其名をアセルとなづけたり
Ary hoy Lea: Sambatra aho, fa hataon’ ny zanakavavin’ ny olona hoe sambatra aho; dia nataony hoe Asera ny anarany.
14 茲に麥苅の日にルベン出ゆきて野にて戀茄を獲これを母レアの許にもちきたりければラケル、レアにいひけるは請ふ我に汝の子の戀茄をあたへよ
Ary nivoaka nitsangantsangana Robena tamin’ ny andro fijinjam-bary ka nahita dodaima naniry tany an-tsaha, dia nitondra azy ho any amin’ i Lea reniny. Ary hoy Rahely tamin’ i Lea: Veloma ianao, mba anomezo ahy kely ny dodaiman’ ny zanakao.
15 レア彼にいひけるは汝のわが夫を奪しは微き事ならんや然るに汝またわが子の戀茄をも奪んとするやラケルいふ然ば汝の子の戀茄のために夫是夜汝と寢べし
Ary hoy izy taminy: Moa zavatra kely va ny nakanao ny vadiko? Dia halainao koa va ny dodaiman’ ny zanako? Ary hoy Rahely: Aoka handry aminao ihany ary izy anio alina noho ny dodaiman’ ny zanakao.
16 晩におよびてヤコブ野より來りければレア之をいでむかへて言けるは我誠にわが子の戀茄をもて汝を雇ひたれば汝我の所にいらざるべからずヤコブ即ち其夜彼といねたり
Ary nony hariva, rehefa tonga avy tany an-tsaha Jakoba, dia nivoaka nitsena azy Lea ka nanao hoe: Ho ato amiko no halehanao; fa ny dodaiman’ ny zanako no efa nakaramako anao tokoa. Dia nandry taminy izy tamin’ iny alina iny.
17 神レアに聽たまひければ彼妊みて第五の子をヤコブに生り
Ary Andriamanitra nihaino an’ i Lea, dia nanan’ anaka izy ka niteraka zazalahy fahadiminy tamin’ i Jakoba.
18 レアいひけるは我わが仕女を夫に與へたれば神我に其値をたまへりと其名をイツサカルと名けたり
Ary hoy Lea: Efa nomen’ Andriamanitra ny karamako, satria nomeko hovadin’ ny vadiko ny ankizivaviko; dia nataony hoe Isakara ny anarany.
19 レア復妊みて第六の子をヤコブに生り
Dia nanan’ anaka indray Lea ka niteraka zazalahy faheniny tamin’ i Jakoba.
20 レアいひけるは神我に嘉賚を貺ふ我六人の男子を生たれば夫今より我と偕にすまんと其名をゼブルンとなづけたり
Ary hoy Lea: Efa nanome anjara soa ho ahy Andriamanitra; amin’ izao vao hitoetra amiko ny vadiko, fa efa niteraka zaza enin-dahy ho azy aho; dia nataony hoe Zebolona ny anarany.
21 其後彼女子を生み其名をデナと名けたり
Ary rehefa afaka izany, dia niteraka zazavavy izy, ka nataony hoe Dina ny anarany.
22 茲に神ラケルを念ひ神彼に聽て其胎を開きたまひければ
Ary Andriamanitra nahatsiaro an-dRahely, dia nihaino azy ka nampanan’ anaka azy.
23 彼妊みて男子を生て曰ふ神わが恥辱を洒ぎたまへりと
Ary nanan’ anaka izy ka niteraka zazalahy; dia hoy izy: Efa nahafa-tondromaso ahy Andriamanitra.
24 乃ち其名をヨセフと名けて言ふヱホバ又他の子を我に加へたまはん
Dia nataony hoe Josefa ny anarany, ka hoy izy: Jehovah anie mbola hanampy zazalahy iray ho ahy koa.
25 茲にラケルのヨセフを生むに及びてヤコブ、ラバンに言けるは我を歸して故郷に我國に往しめよ
Ary rehefa niteraka an’ i Josefa Rahely, dia hoy Jakoba tamin’ i Labana: Alefaso aho hankany amin’ ny fonenako sy ny taniko.
26 わが汝に事て得たる所の妻子を我に與へて我を去しめよわが汝になしたる役事は汝之を知るなり
Omeo ahy ny vadiko aman-janako, izay nanompoako anao, dia handeha aho; fa fantatrao ny fanompoana izay nanompoako anao.
27 ラバン彼にいひけるは若なんぢの意にかなはばねがはくは留れ我ヱホバが汝のために我を祝みしを卜ひ得たり
Ary hoy Labana taminy: Masìna ianao, raha nahita fitia eo imasonao aho, mitoera eto amiko, efa namantatra aho, ka fantatro fa avy taminao no nitahian’ i Jehovah ahy.
28 又言ふ汝の望む値をのべよ我之を與ふべし
Ary hoy koa izy: Tonony izay ho karamanao, dia homeko anao.
29 ヤコブ彼にいひけるは汝は如何にわが汝に事しか如何に汝の家畜を牧しかを知る
Ary hoy Jakoba taminy; Fantatrao ny nanompoako anao sy ny toetry ny omby aman’ ondrinao tato amiko.
30 わが來れる前に汝の有たる者は鮮少なりしが増て遂に群をなすに至る吾來りてよりヱホバ汝を祝みたまへり然ども我は何時吾家を成にいたらんや
Fa kely ny fanananao, fony tsy mbola tonga aho, fa efa nitombo be dia be izy; ary efa nitahy anao Jehovah tamin’ ny diako rehetra; ary ankehitriny, rahoviana kosa aho no mba hihary ho an’ ny ao an-tranoko?
31 彼言ふ我何を汝に與へんかヤコブいひけるは汝何者をも我に與ふるに及ばず汝若此事を我になさば我復汝の群を牧守らん
Ary hoy izy: Inona ary no homeko anao? Ary hoy Jakoba: Tsy hanome ahy na inona na inona ianao; raha hataonao amiko izao zavatra izao, dia mbola handrasako sy hotandremako ihany ny ondry aman’ osinao:
32 即ち我今日徧く汝の群をゆきめぐりて其中より凡て斑なる者點なる者を移し綿羊の中の凡て黑き者を移し山羊の中の點なる者と斑なる者を移さん是わが値なるべし
Handeha hitety ny ondry aman’ osinao rehetra aho anio ka hanavaka ny mara sy ny sada rehetra, ary ny mainty rehetra eo amin’ ny ondry ary ny sada sy ny mara eo amin’ ny osy; koa ireny no ho karamako.
33 後に汝來りてわが傭値をしらぶる時わが義我にかはりて應をなすべし若わが所に山羊の斑ならざる者點ならざる者あり綿羊の黑からざる者あらば皆盜る者となすべし
Ny fahamarinako no ho vavolombeloko amin’ ny andro ho avy, raha tonga ianao handinika ny karamako: izay rehetra tsy mara ary tsy sada eo amin’ ny osy, ary izay tsy mainty eo amin’ ny ondry, dia ho halatro izany.
34 ラバンいふ汝の言の如くなさんことを願ふ
Ary hoy Labana: Eny, aoka ho araka ny teninao ary.
35 是に於て彼其日牡山羊の斑入なる者斑點なる者を移し凡て牝山羊の斑駮なる者斑點なる者都て身に白色ある者を移し又綿羊の中の凡て黑き者を移して其子等の手に付せり
Dia navahany tamin’ izany andro izany ny osilahy sadika sy sada, ary izay osivavy rehetra mara sy sada, dia izay rehetra nisy fotsy, ary ny mainty rehetra teo amin’ ny ondry; dia natolony teo an-tanan’ ny zananilahy ireny.
36 而して彼己とヤコブの間に三日程の隔をたてたりヤコブはラバンの餘の群を牧ふ
Ary nasiany lalan-kateloana teo anelanelan’ izy sy Jakoba; ary Jakoba niandry ny ondry aman’ osin’ i Labana sisa.
37 茲にヤコブ楊柳と楓と桑の靑枝を執り皮を剥て白紋理を成り枝の白き所をあらはし
Ary Jakoba dia naka tsorakazo maro tamin’ ny hazo popola maitso sy tamin’ ny hazo lozy sy tamin’ ny hazo platana; ka nataony ofy vandana ireny hisehoan’ ny fotsy izay teo amin’ ny tsorakazo.
38 其皮をはぎたる枝を群の來りて飮むところの水槽と水鉢に立て群に向はしめ群をして水のみの來る時に孕ましむ
Ary ireny tsorakazo voaofiny ireny dia napetrany teo anoloan’ ny ondry aman’ osy, teo anatin’ ny tavin-drano, dia teo amin’ ny fisotroan-drano, izay nalehan’ ny ondry aman’ osy hisotro, ka nikambana teo ny lahy sy ny vavy, raha avy hisotro rano izy.
39 群すなはち枝の前に孕みて斑入の者斑駮なる者斑點なる者を產しかば
Dia nikambana tandrifin’ ny tsorakazo ny ondry aman’ osy ka niteraka sadika sy mara ary sada.
40 ヤコブ其羔羊を區分ちラバンの群の面を其群の斑入なる者と黑き者に對はしめたりしが己の群をば一所に置てラバンの群の中にいれざりき
Ary ny zanak’ ondry navahan’ i Jakoba, ary ny ondry sisa dia nataony manatrika ny sadika sy ny mainty rehetra teo amin’ ny ondry aman’ osin’ i Labana; ary natokany izay ondry aman’ osy ho azy ka tsy navelany hiharo tamin’ ny ondry aman’ osin’ i Labana.
41 又家畜の壯健き者孕みたる時はヤコブ水槽の中にて其家畜の目の前に彼枝を置き枝の傍において孕ましむ
Ary na oviana na oviana no hikambanan’ ny ondry aman’ osy matanjaka, dia napetrak’ i Jakoba teo anatin’ ny tavin-drano teo anoloan’ ny mason’ ny ondry aman’ osy ireny tsorakazo ireny, mba hikambanany eo anilan’ ny tsorakazo.
42 然ど家畜の羸弱かる時は之を置ず是に因て羸弱者はラバンのとなり壯健者はヤコブのとなれり
Fa raha osaosa kosa ny ondry aman’ osy, dia tsy mba napetrany teo ireny; ka dia ny osaosa no an’ i Labana, fa ny matanjaka kosa no an’ i Jakoba.
43 是に於て其人大に富饒になりて多の家畜と婢僕および駱駝驢馬を有にいたれり
Dia nitombo harena indrindra ralehilahy ka nanana ondry aman’ osy betsaka ary andevovavy sy andevolahy ary rameva sy boriky.

< 創世記 30 >