< 創世記 17 >

1 アブラム九十九歳の時ヱホバ、アブラムに顯れて之に言たまひけるは我は全能の神なり汝我前に行みて完全かれよ
Ary rehefa sivy amby sivi-folo taona Abrama, dia nisehoan’ i Jehovah izy ka nitenenany hoe: Izaho no Andriamanitra Tsitoha; mandehana eo anatrehako, ka aoka ho tsy misy tsiny ianao.
2 我わが契約を我と汝の間に立て大に汝の子孫を増ん
Fa Izaho hanao ny fanekeko ho amiko sy ho aminao ary hahamaro anao indrindra.
3 アブラム乃ち俯伏たり神又彼に告て言たまひけるは
Dia niankohoka Abrama; ary Andriamanitra niteny taminy ka nanao hoe:
4 我汝とわが契約を立つ汝は衆多の國民の父となるべし
Raha ny amiko, dia, indro, aminao ny fanekeko, ka ho tonga rain’ ny firenena maro ianao.
5 汝の名を此後アブラムと呼ぶべからず汝の名をアブラハム(衆多の人の父)とよぶべし其は我汝を衆多の國民の父と爲ばなり
Ary ny anaranao tsy hatao hoe Abrama intsony, fa hatao hoe Abrahama, satria efa nataoko ho rain’ ny firenena maro ianao.
6 我汝をして衆多の子孫を得せしめ國々の民を汝より起さん王等汝より出べし
Dia hahamaro ny taranakao indrindra Aho, ka hataoko ho firenena maro ianao; ary hisy mpanjaka hiseho avy aminao.
7 我わが契約を我と汝および汝の後の世々の子孫との間に立て永久の契約となし汝および汝の後の子孫の神となるべし
Ary haoriko ny fanekeko ho amiko sy ho aminao mbamin’ ny taranakao mandimby anao hatramin’ ny taranaka fara mandimby, ho fanekena mandrakizay, mba ho Andriamanitrao sy ny taranakao mandimby anao Aho.
8 我汝と汝の後の子孫に此汝が寄寓る地即ちカナンの全地を與へて永久の產業となさん而して我彼等の神となるべし
Ary homeko anao sy ny taranakao any aorianao ny tany fivahinianao, dia ny tany Kanana rehetra, ho fananana mandrakizay; ary ho Andriamaniny Aho.
9 神またアブラハムに言たまひけるは然ば汝と汝の後の世々の子孫わが契約を守るべし
Dia hoy Andriamanitra tamin’ i Abrahama: Fa ny aminao kosa, dia hitandrina ny fanekeko ianao, dia ianao sy ny taranakao mandimby anao hatramin’ ny taranaka fara mandimby.
10 汝等の中の男子は咸割禮を受べし是は我と汝等および汝の後の子孫の間の我が契約にして汝等の守るべき者なり
Ary izao no fanekeko ho amiko sy ho aminareo sy ny taranakao mandimby anao, dia izay hotandremanareo: hoforana ny lehilahy rehetra eo aminareo.
11 汝等其陽の皮を割べし是我と汝等の間の契約の徴なり
Dia hoforana ianareo; ary ho famantarana ny fanekena ho amiko sy ho aminareo izany.
12 汝等の代々の男子は家に生れたる者も異邦人より金にて買たる汝の子孫ならざる者も皆生れて八日に至らば割禮を受べし
Ny zazalahy teraka havaloana eo aminareo no hoforana, dia ny lehilahy rehetra amin’ ny taranakareo hatramin’ ny fara mandimby: na ny ompikely, na izay novidim-bola tamin’ ny hafa firenena ka tsy avy amin’ ny taranakao.
13 汝の家に生れたる者も汝の金にて買たる者も割禮を受ざるべからず斯我契約汝等の身にありて永久の契約となるべし
Tsy maintsy hoforana ny ompikelinao sy izay novidinao vola; ary ny fanekeko dia ho ao amin’ ny nofonareo ho fanekena mandrakizay.
14 割禮を受ざる男兒即ち其陽の皮を割ざる者は我契約を破るによりて其人其民の中より絶るべし
Ary ny lehilahy tsy voafora, izay tsy mbola noforana, dia hofongorana tsy ho amin’ ny fireneny; efa nivadika ny fanekeko izy.
15 神又アブラハムの言たまひけるは汝の妻サライは其名をサライと稱ぶべからず其名をサラと爲べし
Dia hoy Andriamanitra tamin’ i Abrahama: Ny amin’ i Saray vadinao, dia tsy mba hataonao Saray intsony ny anarany, fa Saraha no ho anarany.
16 我彼を祝み彼よりして亦汝に一人の男子を授けん我彼を祝み彼をして諸邦の民の母とならしむべし諸の民の王等彼より出べし
Ary hitahy azy Aho ka hampanana azy zazalahy ho anao; eny, hitahy azy Aho, ka ho tonga firenena maro izy; ary hisy mpanjakan’ ny firenena maro avy aminy.
17 アブラハム俯伏て哂ひ其心に謂けるは百歳の人に豈で子の生るることあらんや又サラは九十歳なれば豈で產ことをなさんやと
Dia niankohoka Abrahama ary nitsiky, dia nanao anakampo hoe: Hiteraka va aho, izay efa zato taona? ary hiteraka va Saraha, izay efa sivi-folo taona?
18 アブラハム遂に神にむかひて願くはイシマエルの汝のまへに生存へんことをと曰ふ
Ary hoy Abrahama tamin’ Andriamanitra: Enga anie ka Isimaela no ho velona eo anatrehanao!
19 神言たまひけるは汝の妻サラ必ず子を生ん汝其名をイサクと名くべし我彼および其後の子孫と契約を立て永久の契約となさん
Ary hoy Andriamanitra: Tsia, fa Saraha vadinao hiteraka zazalahy aminao; ary ny anarany dia hataonao hoe Isaka; ary ny fanekeko haoriko aminy ho fanekena mandrakizay ho an’ ny taranany mandimby azy.
20 又イシマエルの事に關ては我汝の願を聽たり視よ我彼を祝みて多衆の子孫を得さしめ大に彼の子孫を増すべし彼十二の君王を生ん我彼を大なる國民となすべし
Ary ny amin’ Isimaela, dia efa nihaino anao Aho; indro, efa nitahy azy Aho ka hahamaro ny taranany sy hampitombo azy indrindra; hiteraka andriana roa ambin’ ny folo izy, satria efa notendreko ho firenena lehibe.
21 然どわが契約は我翌年の今頃サラが汝に生ん所のイサクと之を立べし
Nefa ny fanekeko haoriko amin’ Isaka, izay haterak’ i Saraha aminao raha avy ny taona toy izao.
22 神アブラハムと言ことを竟へ彼を離れて昇り給へり
Ary rehefa vita ny teny nataony taminy, dia niakatra Andriamanitra niala teo amin’ i Abrahama.
23 是に於てアブラハム神の己に言たまへる如く此日其子イシマエルと凡て其家に生れたる者および凡て其金にて買たる者即ちアブラハムの家の人の中なる諸の男を將きたりて其陽の皮を割たり
Koa dia nalain’ i Abrahama Isimaela zanany sy ny ompikeliny rehetra mbamin’ izay rehetra novidiny vola dia ny lehilahy rehetra tao an-tranony; dia noforany androtrizay indrindra ireo araka izay nolazain’ Andriamanitra taminy.
24 アブラハムは其陽の皮を割れたる時九十九歳
Ary efa sivy amby sivi-folo taona Abrahama, raha noforana izy.
25 其子イシマエルは其陽の皮を割れたる時十三歳なりき
Ary efa telo ambin’ ny folo taona Isimaela zanany, raha noforana izy.
26 是日アブラハムと其子イシマエル割禮を受たり
Androtrizay indrindra no namorana an’ i Abrahama sy Isimaela zanany;
27 又其家の人家に生れたる者も金にて異邦人より買たる者も皆彼とともに割禮を受たり
ary ny lehilahy rehetra tao an-tranony, dia ny ompikely mbamin’ izay novidim-bola tamin’ ny hafa firenena, dia samy niara-noforana taminy avokoa.

< 創世記 17 >