< 創世記 13 >

1 アブラム其妻および其有る諸の物と偕にエジプトを出て南の地に上れりロト彼と共にありき
Ary Abrama dia niakatra niala tany Egypta, dia izy sy ny vadiny mbamin’ ny fananany rehetra, ary Lota koa niaraka taminy, ho any amin’ ny tany atsimo.
2 アブラム甚家畜と金銀に富り
Ary Abrama nanana harena be, dia omby aman’ ondry sy volafotsy ary volamena.
3 彼南の地より其旅路に進てベテルに至りベテルとアイの間なる其以前に天幕を張たる處に至れり
Ary mbola nandeha ihany izy ka nifindrafindra hatrany amin’ ny tany atsimo ka hatrany Betela, izay niorenan’ ny lainy tamin’ ny voalohany, teo anelanelan’ i Betela sy Ay,
4 即ち彼が初に其處に築きたる壇のある處なり彼處にアブラム、ヱホバの名を龥り
dia teo amin’ ny tany izay nisy ilay alitara nataony tamin’ ny voalohany; ary dia niantso ny anaran’ i Jehovah teo Abrama.
5 アブラムと偕に行しロトも羊牛および天幕を有り
Ary Lota koa, izay niara-nandeha tamin’ i Abrama, dia mba nanana ondry sy omby sy lay.
6 其地は彼等を載て倶に居しむること能はざりき彼等は其所有多かりしに縁て倶に居ることを得ざりしなり
Ary tsy omby azy roa lahy ny tany hiraisany monina; fa efa be ny fananany, ka tsy nahazo niray monina izy.
7 斯有かばアブラムの家畜の牧者とロトの家畜の牧者の間に競爭ありきカナン人とペリジ人此時其地に居住り
Dia niady ny mpiandry ombin’ i Abrama sy ny mpiandry ombin’ i Lota; ary ny Kananita sy ny Perizita no tompon-tany tao Kanana fahizay.
8 アブラム、ロトに言けるは我等は兄弟の人なれば請ふ我と汝の間およびわが牧者と汝の牧者の間に競爭あらしむる勿れ
Ary hoy Abrama tamin’ i Lota: Aoka re mba tsy hisy ady amintsika roa lahy, na amin’ ny mpiandry ombiko sy ny mpiandry ombinao, fa mpirahalahy isika.
9 地は皆爾の前にあるにあらずや請ふ我を離れよ爾若左にゆかば我右にゆかん又爾右にゆかば我左にゆかんと
Moa tsy eo anoloanao va ny tany rehetra? Masìna ianao, aoka hisaraka amiko ianao; raha hianavaratra ianao, dia hianatsimo aho; fa raha hianatsimo ianao, dia hianavaratra kosa aho.
10 是に於てロト目を擧てヨルダンの凡ての低地を瞻望みけるにヱホバ、ソドムとゴモラとを滅し給はざりし前なりければゾアルに至るまであまねく善く潤澤ひてヱホバの園の如くエジプトの地の如くなりき
Ary Lota nanopy ny masony ka nitazana ny tany rehetra teny amoron’ i Jordana hatrany akaikin’ i Zoara, fa azon-drano avokoa izy rehetra (talohan’ ny nandravan’ i Jehovah an’ i Sodoma sy Gomora izany), tahaka ny sahan’ i Jehovah sy tahaka ny tany Egypta.
11 ロト乃ちヨルダンの低地を盡く撰とりて東に徙れり斯彼等彼此に別たり
Dia nofidin’ i Lota ho azy ny tany rehetra amoron’ i Jordana, ka nifindra niantsinanana izy; ka dia nisaraka izy roa lahy.
12 アブラムはカナンの地に住り又ロトは低地の諸邑に住み其天幕を遷してソドムに至れり
Ary Abrama nonina tao amin’ ny tany Kanana, fa Lota kosa nonina tao an-tanàna amin’ ny tany amoron’ i Jordana ka nifindrafindra toby hatrany Sodoma.
13 ソドムの人は惡くしてヱホバの前に大なる罪人なりき
Ary ny mponina tao Sodoma dia tena ratsy fanahy sady mpanota indrindra tamin’ i Jehovah.
14 ロトのアブラムに別れし後ヱホバ、アブラムに言たまひけるは爾の目を擧て爾の居る處より西東北南を瞻望め
Ary Jehovah niteny tamin’ i Abrama taorian’ ny nisarahan’ i Lota taminy ka nanao hoe: Atopazy ny masonao, ka hatramin’ ity tany itoeranao ity dia mitazana mianavaratra sy mianatsimo ary miantsinanana sy miankandrefana;
15 凡そ汝が觀る所の地は我之を永く爾と爾の裔に與べし
fa ny tany rehetra izay tazanao dia homeko anao sy ny taranakao mandrakizay.
16 我爾の後裔を地の塵沙の如くなさん若人地の塵沙を數ふることを得ば爾の後裔も數へらるべし
Ary hataoko maro tahaka ny vovo-tany ny taranakao; koa raha misy olona mahisa ny vovo-tany, dia ho azo isaina koa ny taranakao.
17 爾起て縱横に其地を行き巡るべし我之を爾に與へんと
Miaingà ianao, mandehana mitety ny tany, dia any amin’ ny lavany sy any amin’ ny sakany; fa homeko anao izy.
18 アブラム遂に天幕を遷して來りヘブロンのマムレの橡林に住み彼處にてヱホバに壇を築けり
Ary Abrama nifindrafindra toby, dia nandeha ka nonina teo an-kazo terebintan’ i Mamre, izay any Hebrona, ary nanorina alitara teo ho an’ i Jehovah izy.

< 創世記 13 >