< エゼキエル書 45 >

1 汝ら籤をひき地をわかちて產業となす時は地の一分を取り聖き者となしてヱホバに献ぐべし其長は二萬五千寛は一萬なるべし是は其四方周圍凡て聖し
Ary rehefa zarainareo araka ny filokana ny tany mba ho lova, dia hisy hatokanareo ho fanatitra ho an’ i Jehovah, dia anjara masìna amin’ ny tany; ny lavany dia indimy arivo sy roa alin’ ny volotara, ary ny sakany iray alina. Ho masìna any amin’ ny fari-taniny rehetra manodidina izany.
2 此中聖所に屬する者は長五百寛五百にして周圍四角なり又五十キユビトの隙地その周圍にあり
Ary io dia hanalana efa-joro sotera ho tany masìna, dimam-jato ny lavany, ary dimanjato koa ny sakany; ary ho dimam-polo hakiho ny tany manodidina azy.
3 汝この量りたる處より長二萬五千寛一萬の場を度り取るべし此うちに聖所至聖所を設くべし
Eny, araka izany fandrefesana izany no handrefesanao dimy arivo amby roa alina ny lavany, ary iray alina ny sakany; ary ho ao amin’ io ny fitoerana masìna, dia ny masìna indrindra.
4 是は地の聖場なりヱホバに近づき事ふる聖所の役者なる祭司等に屬すべし是かれらの家を建てまた聖所を設くる聖地なり
Ho anjara masìna amin’ ny tany izany ka ho an’ ny mpisorona, mpanao fanompoam-pivavahana ao amin’ ny fitoerana masìna, dia izay manatona hanao fanompoam-pivavahana ho an’ i Jehovah, ary ho fitoeran’ ny tranony sy ho tany masìna hasiana ny fitoerana masìna.
5 又長二萬五千寛一萬の處家に事ふるレビ人に屬し其所有に二十の室あるべし
Ary tany dimy arivo amby roa alina ny lavany, ary iray alina ny sakany, no ho an’ ny Levita, mpanao fanompoam-pivavahana ao amin’ ny trano; ho zara-tany ho azy izany efi-trano roa-polo.
6 その献げたる聖地に並びて汝ら寛五千長二萬五千の處を分ち邑の所有となすべし是はイスラエルの全家に屬す
Ary homenareo koa ny zara-tany ho an’ ny tanàna, dimy arivo ny sakany, ary dimy arivo amby roa alina ny lavany, mifanolotra amin’ ny anjara masìna voatokana; ho an’ ny taranak’ Isiraely rehetra izany.
7 又君たる者の分はかの献げたる聖地と邑の所有の此處彼處にあり献げたる聖地に沿ひ邑の所有に沿ひ西は西にわたり東は東に渉るべし西の極より東の極まで其長は支派の分の一と等し
Ary ny mpanjaka dia homenareo tany eo an-daniny roa amin’ ny anjara masìna voatokana sy amin’ ny tany ho an’ ny tanàna, dia ny mifanolotra amin’ ny anjara masìna voatokana sy ny mifanolotra amin’ ny tany ho an’ ny tanàna, hatreo amin’ ny andrefana mikipaka miankandrefana, ary hatreo amin’ ny atsinanana mikipaka miantsinanana; ary ny sakany, dia mifanolotra amin’ ireo anjaran’ ny firenena, na amin’ ny andrefana na amin’ ny atsinanana.
8 イスラエルの中に彼が有ところの者は地にあり吾君等は重てわが民を虐ぐることなくイスラエルの家にその支派にしたがひて地を與へおかん
Ho taniny izany, dia anjara ho azy ao amin’ ny Isiraely, ary ireo mpanjaka voahosotro dia tsy hampahory ny oloko intsony, fa hahafoy ny tany ho an’ ny taranak’ Isiraely isam-pireneny.
9 主ヱホバかく言たまふイスラエルの君等よ汝ら足ことを知れ虐ぐることと掠むる事を止め公道と公義を行へ我民を逐放すことを止よ主ヱホバこれを言ふ
Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Aoka izay, ry mpanjakan’ ny Isiraely! Ajanony ny halozana sy ny fampahoriana, ary manaova fitsarana sy fahamarinana; atsaharo ny fandroahanareo ny oloko, hoy Jehovah Tompo.
10 汝ら公平き權衡公平きエパ公平きバテを用ふべし
Mizana marina sy efaha marina ary bata marina no aoka hotananareo.
11 エパとバテとはその量を同じうすべし即ちバテもホメルの十分一を容れエパもホメルの十分一を容るべしホメルに準じてその度量を定むべし
Hitovy fatra ny efaha sy ny bata, ary ny bata hahalany ny ampahafolon’ ny homera, ary ny efaha koa dia ampahafolon’ ny homera: ny homera no mariky ny fatrany.
12 シケルは二十ゲラに當る二十シケル二十五シケル十五シケルを汝等マネとなすべし
Ny sekely dia roa-polo gera; sekely roa-polo sy dimy amby roa-polo ary dimy ambin’ ny folo no ho manenareo.
13 汝らが献ぐべき献物は左のごとし一ホメルの小麥の中よりエパの六分一を献げ一ホメルの大麥の中よりエパの六分一を献ぐべし
Izao no zavatra haloanareo: Ny ampahenin’ ny efaha isaky ny homeran’ ny vary tritika; ary haloanareo koa ny ampahenin’ ny efaha isaky ny homeran’ ny vary hordea;
14 油の例油のバテは是のごとし一コルの中よりバテの十分一を献ぐべしコルは十バテを容る者にて即ちホメルなり十バテ一ホメルとなればなり
ary ny didy ny amin’ ny diloilo (ny diloilo iray bata) dia ampahafolon’ ny bata isaky ny kora; fa ny homera dia misy bata folo, satria bata folo no homera iray.
15 又イスラエルの腴なる地より群二百ごとに一箇の羊を出して素祭および燔祭 酬恩祭の物に供へ民の罪を贖ふことに用ひしむべし主ヱホバこれを言ふ
Ary ondry iray isan-droanjato amin’ ny tanin’ ny Isiraely izay azon-drano no haloanareo hatao fanatitra hohanina sy fanatitra dorana ary fanati-pihavanana, mba hanaovana fanavotana ho an’ ny vahoaka, hoy Jehovah Tompo.
16 國の民みなこの獻物をイスラエルの君にもちきたるべし
Ny vahoaka rehetra no handoa izany ho an’ ny mpanjakan’ ny Isiraely.
17 又君たる者は祭日朔日安息日およびイスラエルの家の諸の節期に燔祭 素祭 灌祭を奉ぐべし即ち彼イスラエルの家の贖罪をなすために罪祭 素祭 燔祭 酬恩祭を執行なふべし
Fa ny mpanjaka kosa no hiantoka ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hohanina ary ny fanatitra aidina amin’ ny andro firavoravoana sy ny voaloham-bolana ary ny Sabata, dia amin’ ny fotoam-pivavahana rehetra tandreman’ ny taranak’ Isiraely; eny, izy no hiantota ny fanatitra noho ny ota sy ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra dorana ary ny fanati-pihavanana, mba hanaovana fanavotana ho an’ ny taranak’ Isiraely.
18 主ヱホバかく言たまふ正月の元日に汝犢なる全き牡牛を取り聖所を淸むべし
Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Raha mby amin’ ny andro voalohany amin’ ny volana voalohany dia haka vantotr’ ombilahy tsy misy kilema ianao ka hanadio ny fitoerana masìna.
19 又祭司は罪祭の牲の血を取りて殿の門柱にぬり壇の層の四隅と内庭の門の柱に塗べし
Ary hangalan’ ny mpisorona ny ran’ ny fanatitra noho ny ota ka hatentiny amin’ ny tolan’ ny trano sy amin’ ny zoro efatra amin’ ny rindrin’ ny alitara ary amin’ ny tolan’ ny vavahadin’ ny kianja anatiny.
20 月の七日に汝等また迷ふ人および拙き者のために斯なして殿のために贖をなすべし
Ary toy izany koa no hataonao amin’ ny andro fahafito amin’ ny volana ho an’ ny olona manota tsy nahy, na noho izy kely saina, ka dia hanao fanavotana ho an’ ny trano ianareo.
21 正月の十四日に汝ら逾越節を守り七日の間祝をなし無酵パンを食ふべし
Amin’ ny andro fahefatra ambin’ ny folo amin’ ny volana voalohany no hanaovanareo ny Paska; andro firavoravoana hafitoana izany, ka mofo tsy misy masirasira no hohanina.
22 その日に君は己のため又國の諸の民のために牡牛を備へて罪祭となし
Ary amin’ izany andro izany ny mpanjaka dia hanatitra vantotr’ ombilahy iray hatao fanatitra noho ny ota ho an’ ny tenany sy ny vahoaka rehetra.
23 七日の節筵の間七箇の牡牛と七箇の牡羊の全き者を日々に七日の間備へてヱホバに燔祭となし又牡山羊を日々に備へて罪祭となすべし
Ary amin’ ny andro firavoravoana hafitoana dia hanatitra fanatitra dorana isan’ andro mandritra ny hafitoana ho an’ i Jehovah izy, dia vantotr’ ombilahy fito sy ondrilahy fito tsy misy kilema, ary osilahy iray isan’ andro hataony fanatitra noho ny ota.
24 彼また素祭として一エパを牡牛のために一エパを牡山羊のために備へ油一ヒンをエパに加ふべし
Ary hanatitra ny fanatitra hohanina koa izy, dia iray efaha isam-bantotr’ ombilahy sy iray efaha isan-ondrilahy, ary diloilo eran’ ny hina isan-efaha.
25 七月の十五日の節筵に彼また罪祭 燔祭 素祭および油を是のごとく七日の間備ふべし
Amin’ ny andro fahadimy ambin’ ny folo amin’ ny volana fahafito, amin’ ny andro firavoravoana, dia hanatitra tahaka izany koa hafitoana izy, na ny fanatitra noho ny ota, na ny fanatitra dorana, na ny fanatitra hohanina, na ny diloilo.

< エゼキエル書 45 >