< エゼキエル書 37 >

1 爰にヱホバの手我に臨みヱホバ我をして靈にて出行しめ谷の中に我を放賜ふ其處には骨充てり
Tao amiko ny tànan’ i Jehovah, ary ny Fanahy no nitondran’ i Jehovah ahy nivoaka, dia napetrany teo amin’ ny lohasaha feno taolana aho.
2 彼その周圍に我をひきめぐりたまふに谷の表には骨はなはだ多くあり皆はなはだ枯たり
Ary nitondra ahy nandehandeha teny amin’ ireo Izy; ary, indreo, betsaka dia betsaka teny amin’ ny lohasaha ireo, ary, indreo, maina dia maina Ireo.
3 彼われに言たまひけるは人の子よ是等の骨は生るや我言ふ主ヱホバよ汝知たまふ
Ary hoy Jebovah tamiko: Ry zanak’ olona, moa mety ho velona ihany va ireto taolana ireto? Ary hoy izaho: Jehovah Tompo ô, Hianao no mahalala.
4 彼我に言たまふ是等の骨に預言し之に言べし枯たる骨よヱホバの言を聞け
Dia hoy indray Izy tamiko: Maminania amin’ ireto taolana ireto, ka ataovy aminy hoe: Ry taola-maina, mihainoa ny tenin’ i Jehovah!
5 主ヱホバ是らの骨に斯言たまふ視よ我汝らの中に氣息を入しめて汝等を生しめん
Izao no lazain’ i Jehovah Tompo amin’ ireto taolana ireto: Indro, hasiako fofonaina ianareo ka ho velona;
6 我筋を汝らの上に作り肉を汝らの上に生ぜしめ皮をもて汝らを蔽ひ氣息を汝らの中に與へて汝らを生しめん汝ら我がヱホバなるを知ん
ary hasiako ozatra ianareo ka hampaniriko nofo; ary hosaronako hoditra ianareo; ary hasiako fofonaina ianareo ka ho velona; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
7 我命ぜられしごとく預言しけるが我が預言する時に音あり骨うごきて骨と骨あひ聯る
Dia naminany aho araka izay efa nandidiana ahy, ary nony efa naminany aho, dia injany! nisy feo, ary, indreo, nihetsiketsika sady nifanatonatona ny taolana, samy nanatona ny taolana namany avy.
8 我見しに筋その上に出きたり肉生じ皮上よりこれを蔽ひしが氣息その中にあらず
Ary hitako fa, indro, naniry ny ozatra sy ny nofo, ary nisarona hoditra izy, nefa tsy mbola nisy fofonaina tao aminy.
9 彼また我に言たまひけるは人の子よ氣息に預言せよ人の子よ預言して氣息に言へ主ヱホバかく言たまふ氣息よ汝四方の風より來り此殺されし者等の上に呼吸きて是を生しめよ
Dia hoy Izy tamiko: Maminania amin’ ny fofonaina, eny, maminania, ry zanak’ olona, ka ataovy amin’ ny fofonaina hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Manatona avy amin’ ny rivotra efatra, ry fofonaina, ka tsotsofy ireo voavono ireo, mba ho velona izy.
10 我命ぜられしごとく預言せしかば氣息これに入て皆生きその足に立ち甚だ多くの群衆となれり
Dia naminany araka izay efa nandidiany ahy aho, ka dia nidiran’ ny fofonaina ireo ka velona, dia nijoro tamin’ ny tongony izy maro be dia maro be tokoa.
11 斯て彼われに言たまふ人の子よ是等の骨はイスラエルの全家なり彼ら言ふ我らの骨は枯れ我らの望は竭く我儕絕はつるなりと
Dia hoy Izy tamiko: Ry zanak’ olona, ireto taolana ireto dia ny taranak’ Isiraely rehetra; indreo izy manao hoe: Maina ny taolanay, levona ny fanantenanay, fongotra izahay.
12 是故に預言して彼らに言へ主ヱホバかく言たまふ吾民よ我汝等の墓を啓き汝らをその墓より出きたらしめてイスラエルの地に至らしむべし
Koa maminania, ka ataovy aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, ry oloko, Izaho no hanokatra ny fasanareo, ary hampiakariko avy amin’ ny fasanareo ianareo, ka ho entiko ho any amin’ ny tanin’ ny Isiraely;
13 わが民よ我汝らの墓を開きて汝らを其墓より出きたらしむる時汝らは我のヱホバなるを知ん
ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah, raha manokatra ny fasanareo Aho, ry oloko, ka mampiakatra anareo hiala amin’ ny fasanareo.
14 我わが靈を汝らの中におきて汝らを生しめ汝らをその地に安んぜしめん汝等すなはち我ヱホバがこれを言ひ之を爲たることを知にいたるべし
Ary hataoko ao anatinareo ny Fanahiko, dia ho velona ianareo, ary hamponeniko any amin’ ny taninareo ianareo; ka dia ho fantatrareo fa Izaho Jehovah no efa niteny sady nahatanteraka izany, hoy Jehovah.
15 ヱホバの言我にのぞみて言ふ
Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
16 人の子よ汝一片の木を取てその上にユダおよびその侶なるイスラエルの子孫と書き又一片の木をとりてその上にヨセフおよびその侶なるイスラエルの全家と書べし是はエフライムの木なり
Ary ianao, ry zanak’ olona, dia mangalà tapa-kazo iray, ka asio soratra hoe: Ho an’ ny Joda sy ho an’ ny zanak’ Isiraely namany; dia mangalà tapa-kazo anankiray koa, ka asio soratra hoe: Ho an’ i Josefa dia tapa-kazon’ i Efraima sy ho an’ ny taranak’ Isiraely namany rehetra.
17 而して汝これを俱にあはせて一の木となせ是汝の手の中にて相聯らん
Ary ampifanatony izy roa ho tonga tapa-kazo iray ihany, dia ho iray eny an-tananao izy.
18 汝の民の人々汝に是は何の意なるか我儕に示さざるやと言ふ時は
Ary raha miteny aminao ny zanaky ny firenenao manao hoe: Moa tsy hilaza izay hevitrao amin’ izany va ianao?
19 これに言ふべし主ヱホバかく言たまふ我エフライムの手にあるヨセフとその侶なるイスラエルの支派の木を取り之をユダの木に合せて一の木となしわが手にて一とならしめん
dia ataovy aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, Izaho haka ny tapa-kazon’ i Josefa, izay eny an-tanan’ i Efraima, sy ny firenen’ ny Isiraely namany, ary hakambako ho eo amin’ ny tapa-kazon’ i Joda izy, ary hataoko tapa-kazo iray ihany izy ka ho tonga iray eny an-tanako.
20 汝が書つけたるところの木を彼らの目のまへにて汝の手にあらしめ
Ary ny tapa-kazo izay hasianao soratra dia ho eny an-tananao eo imasony.
21 かれらに言ふべし主ヱホバかく言たまふ我イスラエルの子孫をその往るところの國々より出し四方よりかれを集めてその地に導き
Dia lazao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, Izaho haka ny zanak’ Isiraely avy any amin’ ny jentilisa izay nalehany, eny, hangoniko avy any amin’ ny manodidina any izy ka ho entiko ho any amin’ ny taniny:
22 その地に於て汝らを一の民となしてイスラエルの山々にをらしめん一人の王彼等全體の王たるべし彼等は重て二の民となることあらず再び二の國に分れざるべし
ary hataoko ho firenena iray any amin’ ny tany izy, dia any an-tendrombohitry ny Isiraely, ary mpanjaka iray ihany no ho mpanjakan’ izy rehetra, ka tsy ho firenena roa intsony izy ary tsy hisaraka ho fanjakana roa intsony.
23 彼等またその偶像とその憎むべき事等およびその諸の愆をもて身を汚すことあらじ我かれらをその罪を犯せし諸の住處より救ひ出してこれを淸むべし而して彼らはわが民となり我は彼らの神とならん
Ary tsy handoto tena amin’ ny sampiny, na amin’ ny fahavetavetany, na amin’ ny fahadisoany intsony izy; fa hovonjeko ho afaka amin’ ny fonenany rehetra izay nanotany izy, ary hodioviko izy, ka dia ho oloko, ary Izaho ho Andriamaniny.
24 わが僕ダビデかれらの王とならん彼ら全體の者の牧者は一人なるべし彼らはわが律法にあゆみ吾法度をまもりてこれを行はん
Ary Davida Mpanompoko no ho Mpanjakany; ary hiray Mpiandry izy rehetra, dia handeha araka ny fitsipiko izy sady hitandrina ny lalàko sy hankatò izany.
25 彼らは我僕ヤコブに我が賜ひし地に住ん是其先祖等が住ひし所なり彼處に彼らとその子及びその子の子とこしなへに住はん吾僕ダビデ長久にかれらの君たるべし
Ary honina any amin’ ny tany izay nomeko an’ i Jakoba mpanompoko izy, dia ilay efa nonenan’ ny razanareo, ka honina any izy sy ny zanany mbamin’ ny zafiny mandrakizay; ary Davida mpanompoko no ho Mpanapaka azy mandrakizay.
26 我かれらと和平の契約を立ん是は彼らに永遠の契約となるべし我かれらを堅うし彼らを殖しわが聖所を長久にかれらの中におかん
Ary hanao fanekem-pihavanana ho azy Aho, ka ho fanekena mandrakizay eo aminy any, ary hametraka sy hahamaro azy Aho sady hametraka ny fitoerako masìna eo aminy mandrakizay.
27 我が住所は彼らの上にあるべし我かれらの神となり彼らわが民とならん
Ary ny tabernakeliko ho eo aminy; ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko.
28 わが聖所長久にかれらの中にあるにいたらば國々の民は我のヱホバにしてイスラエルを淸むる者なるを知ん
Ka dia ho fantatry ny jentilisa fa Izaho Jehovah no manamasìna ny Isiraely amin’ ny isian’ ny fitoerako masìna eo aminy mandrakizay.

< エゼキエル書 37 >