< 出エジプト記 5 >

1 その後モーセとアロン入てパロにいふイスラエルの神ヱホバ斯いひたまふ我民を去しめ彼等をして曠野に於て我を祭ることをえせしめよと
Ary rehefa afaka izany, Mosesy sy Arona dia nankao amin’ i Farao ka niteny taminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Alefaso ny oloko mba hanao andro firavoravoana ho Ahy any an-efitra.
2 パロいひけるはヱホバは誰なればか我その聲にしたがひてイスラエルを去しむべき我ヱホバを識ず亦イスラエルを去しめじ
Fa hoy Farao: Iza moa Jehovah, no hekeko teny handefasako ny Isiraely? tsy fantatro izay Jehovah, ka tsy halefako ny Isiraely.
3 彼ら言けるはヘブル人の神我らに顯れたまへり請ふ我等をして三日程ほど曠野にいりてわれらの神ヱホバに犠牲をささぐることをえせしめよ恐くはヱホバ疫病か又は刀兵をもて我らをなやましたまはん
Ary hoy izy roa lahy: Andriamanitry ny Hebreo efa nihaona taminay; koa trarantitra ianao, aoka handeha lalan-kateloana any an-efitra izahay hamono zavatra hatao fanatitra ho an’ i Jehovah Andriamanitray; fandrao Izy hamely anay amin’ ny areti-mandringana, na amin’ ny sabatra.
4 エジプト王かれらに言けるは汝等モーセ、アロンなんぞ民の操作を妨ぐるや往てなんぢらの荷を負へ
Ary hoy ny mpanjakan’ i Egypta taminy: Nahoana ianareo, ry Mosesy sy Arona, no manaketraka ny olona amin’ ny asany? mandehana any amin’ ny fanompoanareo mafy.
5 パロまたいふ土民今は多かり然るに汝等かれらをして荷をおふことを止しめんとす
Ary hoy koa Farao: Indro, efa maro ankehitriny ny olona eto amin’ ny tany, ka ianareo mampitsahatra azy amin’ ny fanompoany mafy.
6 パロ此日民が驅使ふ者等および民の有司等に命じていふ
Ary tamin’ izany andro izany Farao nandidy ny mpampiasa ny olona mbamin’ ny mpifehy azy ka nanao hoe:
7 汝等再び前のごとく民に磚瓦を造る禾稈を與ふべからず彼等をして往てみづから禾稈をあつめしめよ
Aza omenareo mololo hanaovana biriky tahaka ny teo aloha intsony ny olona; fa izy ihany no aoka handeha hanangona mololo ho azy.
8 また彼等が前に造りし磚瓦の數のごとくに仍かれらに之をつくらしめよ其を減すなかれ彼等は懈惰が故に我儕をして往てわれらの神に犠牲をささげしめよと呼はり言ふなり
Kanefa ny isan’ ny biriky izay fanaony teo aloha dia mbola hampanaovinareo azy ihany, fa aza ahenanareo; fa malaina izy, koa izany no itarainany hoe: Aoka izahay handeha hamono zavatra hatao fanatitra ho an’ Andriamanitray.
9 人々の工作を重くして之に勞かしめよ然ば偽の言を聽ことあらじと
Hamafio ny fanompoan’ ny olona mba hifotorany amin’ izany, fa aza avela hihaino izay lainga foana izy.
10 民を驅使ふ者等およびその有司等出ゆきて民にいひけるはパロかく言たまふ我なんぢらに禾稈をあたへじ
Dia nivoaka ny mpampiasa ny olona mbamin’ ny mpifehy azy ka niteny tamin’ ny olona nanao hoe: Izao no lazain’ i Farao: Izaho tsy mba hanome mololo anareo intsony;
11 汝等往て禾稈のある處にて之をとれ但しなんぢらの工作は分毫も減さざるべしと
fa mandehana ianareo ka manangona mololo any amin’ izay hahitanareo, satria tsy hahena ny fanompoanareo na dia kely akory aza.
12 是において民遍くエジプトの地に散て草藁をあつめて禾稈となす
Dia niely eran’ ny tany Egypta rehetra ny olona mba hifako vodivary ho solon’ ny mololo.
13 驅使者かれらを促たてて言ふ禾稈のありし時のごとく汝らの工作汝らの日々の業をなしをふべしと
Ary ny mpampiasa nandodona azy ka nanao hoe: Vitao ny asanareo, izay anjara-fanompoana isan’ andro, tahaka ny fony mbola nisy mololo ihany.
14 パロの驅使者等がイスラエルの子孫の上に立たるところの有司等撻れなんぢら何ぞ昨日も今日も磚瓦を作るところの汝らの業を前のごとくに爲しをへざるやと言る
Ary ny mpifehy ny Zanak’ Isiraely, izay notendren’ ny mpampiasa avy amin’ i Farao mba hifehy azy, dia nokapohina ka nanontaniana hoe: Ahoana no tsy nahavitanareo ny anjaranareo tamin’ ny fanaovana ny biriky omaly sy androany, tahaka ny teo aloha?
15 是に於てイスラエルの子孫の有司等來りてパロに呼はりて言ふ汝なんぞ斯僕等になすや
Dia nankao amin’ i Farao ny mpifehy ny Zanak’ Isiraely ka nitaraina taminy hoe: Nahoana no manao toy izany amin’ ny mpanomponao ianao?
16 僕等に禾稈を與へずしてわれらに磚瓦を作れといふ視よ僕等は撻る是なんぢの民の過なりと
Tsy omena mololo tsinona izahay mpanomponao, nefa mbola asaina manao biriky ihany; ary, indreto, izahay mpanomponao no kapohina, ka manota ny vahoakanao.
17 然るにパロいふ汝等は懶惰し懶惰し故に汝らは我らをして往てヱホバに犠牲をささげしめよと言ふなり
Fa hoy Farao: Malaina dia malaina ianareo, ka izany no anaovanareo hoe: Aoka handeha izahay hamono zavatra hatao fanatitra ho an’ i Jehovah.
18 然ば汝ら往て操作けよ禾稈はなんぢらに與ふることなかるべけれどなんぢら尚數のごとくに磚瓦を交納むべしと
Ary ankehitriny, mandehana, ataovy izay fanompoanareo, fa tsy hisy mololo homena anareo; nefa ny anjara-birikinareo dia mbola hatolotrareo ihany.
19 イスラエルの子孫の有司等汝等その日々につくる磚瓦を減すべからずと言るを聞て災害の身におよぶを知り
Ary hitan’ ny mpifehy ny Zanak’ Isiraely fa efa azon-doza izy noho ny nanaovana hoe: Tsy hahenanareo ny isan’ ny birikinareo amin’ ny anjara-fanompoana isan’ andro.
20 彼らパロをはなれて出たる時モーセとアロンの對面にたてるを見たれば
Ary izy ireo dia nihaona tamin’ i Mosesy sy Arona, izay nijanona niandry azy, raha avy tany amin’ i Farao izy;
21 之にいひけるは願くはヱホバ汝等を鑒みて鞫きたまへ汝等はわれらの臭をパロの目と彼の僕の目に忌嫌はれしめ刀を彼等の手にわたして我等を殺さしめんとするなりと
dia hoy izy tamin’ izy roa lahy: Jehovah anie hijery sy hitsara anareo, satria efa nataonareo mangidy hoditra eo anatrehan’ i Farao sy eo anatrehan’ ny mpanompony izahay, ka nasianareo sabatra eo an-tànany hamonoany anay.
22 モーセ、ヱホバに返りて言ふわが主よ何て此民をあしくしたまふや何のために我をつかはしたまひしや
Ary Mosesy niverina ho any amin’ i Jehovah ka nanao hoe: Tompo ô, nahoana no nahatonga loza tamin’ ity firenena ity Hianao? nahoana re no naniraka ahy Hianao?
23 わがパロの許に來りて汝の名をもて語りしよりして彼この民をあしくす汝また絶てなんぢの民をすくひたまはざるなり
Fa hatrizay nankanesako tao amin’ i Farao mba hiteny amin’ ny anaranao izay, dia nahatonga loza tamin’ ity firenena ity izy; nefa tsy namonjy ny olonao akory Hianao.

< 出エジプト記 5 >