< 申命記 29 >

1 ヱホバ、モーセに命じモアブの地にてイスラエルの子孫と契約を結ばしめたまふその言は斯のごとし是はホレブにてかれらと結びし契約の外なる者なり
IZAO no tenin’ ny fanekena izay nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy hatao amin’ ny Zanak’ Isiraely tany amin’ ny tany Moaba, afa-tsy ilay fanekena nataony taminy tao Horeba.
2 モーセ、イスラエルの全家を呼あつめて之に言けるは汝らはヱホバがエジプトの地において汝らの目の前にてパロとその臣下とその全地とに爲たまひし一切の事を觀たり
Dia niantso ny Isiraely rehetra Mosesy ka nanao taminy hoe: Hianareo efa nahita izay rehetra nataon’ i Jehovah teo imasonareo tany amin’ ny tany Egypta tamin’ i Farao sy ny mpanompony rehetra ary ny taniny rehetra,
3 即ち其大なる試煉と徴證と大なる奇跡とを汝目に觀たるなり
dia ny fizahan-toetra lehibe, izay efa hitan’ ny masonao, dia ireny famantarana sy fahagagana lehibe ireny.
4 然るにヱホバ今日にいたるまで汝らの心をして悟ることなく目をして見ることなく耳をして聞ことなからしめたまへり
Nefa tsy nomen’ i Jehovah fo hahalala sy maso hahita ary sofina handre ianareo mandraka androany.
5 四十年の間われ汝らを導きて曠野を通りしが汝らの身の衣服は古びず汝の足の鞋は古びざりき
Dia nitondra anareo tany an-efitra efa-polo taona aho; tsy rovitra teny aminareo ny fitafianareo, ary tsy rovitra teo amin’ ny tongotrao ny kapanao.
6 汝らはまたパンをも食はず葡萄酒をも濃酒をも飮ざりき斯ありて汝らは我が汝らの神ヱホバなることを知り
Tsy mofo no fihinanareo, ary tsy divay na toaka no fisotronareo, mba ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
7 汝らこの處に來りし時ヘシボンの王シホンおよびバシヤンの王オグ我らを迎へて戰ひしが我らこれを打敗りて
Ary nony tonga tamin’ ity tany ity ianareo, dia nivoaka Sihona, mpanjakan’ i Hesbona, sy Oga, mpanjakan’ i Basana, hiady amintsika, dia resintsika izy roa lahy.
8 その地を取りこれをルベン人とガド人とマナセの半支派とに與へて產業となさしめたり
Ary nalaintsika ny taniny ka nomentsika ho zara-tanin’ ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny firenen’ i Manase.
9 然ば汝らこの契約の言を守りてこれを行ふべし然れば汝らの凡て爲ところに祥あらん
Dia tandremo ny tenin’ izao fanekena izao, ka araho, mba hambinina ianareo amin’ izay rehetra ataonareo.
10 汝らみな今日なんぢらの神ヱホバの前に立つ即ち汝らの首領等なんぢらの支派なんぢらの長老等および汝らの牧司等などイスラエルの一切の人
Hianareo rehetra miseho eto anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrareo anio, dia ny lehibenareo sy ny firenenareo, ny lohan’ ny firenenareo sy ny mpifehy anareo ary ny lehilahy rehetra amin’ ny Isiraely,
11 汝らの小き者等汝らの妻ならびに汝らの營の中にをる客旅など凡て汝のために薪を割る者より水を汲む者にいたるまで皆ヱホバの前に立て
ny zanakareo madinika koa sy ny vadinareo ary ny vahiny eo amin’ ny tobinareo mbamin’ ny mpikapa hazonao sy ny mpantsaka ranonao
12 汝の神ヱホバの契約に入んとし又汝の神ヱホバの汝にむかひて今日なしたまふところの誓に入んとす
hidiranao amin’ ny faneken’ i Jehovah Andriamanitrao sy ny fianianana, izay ataon’ i Jehovah Andriamanitrao aminao anio,
13 然ばヱホバさきに汝に言しごとくまた汝の先祖アブラハム、イサク、ヤコブに誓ひしごとく今日なんぢを立て己の民となし己みづから汝の神となりたまはん
hanandratany anao ho fireneny, ary mba ho Andriamanitrao Izy, araka izay nolazainy taminao sy araka izay nianianany tamin’ ny razanao, dia Abrahama sy Isaka ary Jakoba.
14 我はただ汝らと而已此契約と誓とを結ぶにあらず
Ary tsy aminareo ihany no anaovako izao fanekena sy fianianana izao,
15 今日此にてわれらの神ヱホバの前に我らとともにたちをる者ならびに今日われらとともに此にたち居ざる者ともこれを結ぶなり
fa amin’ izay eto amintsika anio eto anatrehan’ i Jehovah Andriamanitsika sy amin’ izay tsy eto amintsika anio koa;
16 我らは如何にエジプトの地に住をりしか如何に國々を通り來りしか汝らこれを知り
fa fantatrareo izay nitoerantsika tany amin’ ny tany Egypta sy izay nandehanantsika namaky ny tanin’ ny jentilisa;
17 汝らはまた木石金銀にて造れる憎むべき物および偶像のその國々にあるを見たり
ary efa hitanareo ny fahavetavetany sy ny sampiny hazo sy vato sy volafotsy ary volamena, izay teo aminy;
18 然ば汝らの中に今日その心に我らの神ヱホバを離れて其等の國々の神に往て事ふる男女宗族支派などあるべからず又なんぢらの中に葶藶または茵蔯を生ずる根あるべからず
fandrao hisy lehilahy, na vehivavy, na mpianakavy, na firenena eto aminareo, izay manana fo mivily anio, ka miala amin’ i Jehovah Andriamanitsika, handehanany hanompo ny andriamanitr’ ireny firenena ireny; fandrao hisy faka eo aminareo izay miteraka zava-mangidy sady mahafaty;
19 斯る人はこの呪詛の言を聞もその心に自ら幸福なりと思ひて言ん我はわが心を剛愎にして事をなすも尚平安なり終には酔飽る者をもて渇ける者を除くにいたらんと
ary raha ren’ izany olona izany ny tenin’ ity fanozonana ity, dia hiarahaba tena ao am-pony izy ka hanao hoe: Hanam-piadanana aho, fa hanaraka ny ditry ny foko, handringanana ny leony mbamin’ ny mangetaheta.
20 是のごとき人はヱホバかならず之を赦したまはじ還てヱホバの忿怒と嫉妬の火これが上に燃えまたこの書にしるしたる災禍みなその身に加はらんヱホバつひにその人の名を天が下より抹さりたまふべし
Ary Jehovah dia tsy hety hamela ny helony, fa hanetroka amin’ izany lehilahy izany ny fahatezeran’ i Jehovah sy ny fahasaro-piarony, ary hitoetra aminy ny fanozonana rehetra izay voasoratra amin’ ity boky ity, ka hovonoin’ i Jehovah tsy ho eo ambanin’ ny lanitra ny anarany.
21 ヱホバすなはちイスラエルの諸の支派の中よりその人を分ちてこれに災禍を下しこの律法の書にしるしたる契約中の諸の呪詛のごとくしたまはん
Dia hosarahin’ i Jehovah amin’ ny firenen’ Isiraely rehetra ho amin’ ny loza izy, araka ny fanozonana rehetra amin’ ny fanekena izay voasoratra amin’ ity bokin’ ny lalàna ity.
22 汝等の後に起る汝らの子孫の代の人および遠き國より來る客旅この地の災禍を見またヱホバがこの地に流行せたまふ疾病を見て言ところあらん
Ary hiteny ny taranaka any aoriana, dia ny zanakareo izay hitsangana handimby anareo, sy ny vahiny avy amin’ ny tany lavitra, raha mahita ny kapoka natao tamin’ ity tany ity sy ny faharariana izay nampaharanan’ i Jehovah azy
23 即ち彼ら見るにその全地は硫黄となり鹽となり且燒土となりて種も蒔れず產する所もなく何の草もその上に生せずして彼の昔ヱホバがその震怒と忿恨とをもて毀ちたましソドム、ゴモラ、アデマ、ゼポイムの毀たれたると同じかるべければ
fa ho solifara sy sira ary fahamaizana ny tany rehetra eo: tsy hofafazana izy, na hanirian-javatra, sady tsy hisy ahitra akory hitrebona ao, tahaka ny nandravana an’ i Sodoma sy Gomora sy Adma ary Zeboïma, izay noravan’ i Jehovah tamin’ ny fahavinirany sy ny fahatezerany
24 彼らも國々の人もみな言んヱホバ何とて斯この地になしたるやこの烈しき大なる震怒は何事ぞやと
dia hiteny ny firenena rehetra hoe: Nahoana Jehovah no dia nanao toy izany tamin’ ity tany ity? Inona no hevitry ny firehetan’ izao fahatezerana lehibe izao?
25 その時人應へて曰ん彼らはその先祖たちの神ヱホバがエジプトの地より彼らを導きいだして彼らと結びたるその契約を棄て
Dia hiteny ny vahoaka ka hanao hoe: Satria izy nahafoy ny faneken’ i Jehovah, Andriamanitry ny razany, izay nataony taminy fony Izy nitondra azy nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta.
26 往て己の識ずまた授らざる他の神々に事へてこれを拝みたるが故なり
Fa nandeha izy ka nanompo andriamani-kafa sady niankohoka teo anatrehany, dia andriamanitra izay tsy fantany sady tsy nomena azy;
27 是をもてヱホバこの地にむかひて震怒を發しこの書にしるしたる諸の災禍をこれに下し
dia nirehitra tamin’ ity tany ity ny fahatezeran’ i Jehovah, ka nataony tonga taminy avokoa ny fanozonana rehetra izay voasoratra eto amin’ ity boky ity;
28 而してヱホバ震怒と忿恨と大なる憤怨をもて彼らをこの地より抜とりてこれを他の國に投やれりその状今日のごとし
ary fahavinirana sy fahatezerana ary fahatezerana mirehitra no nandroahan’ i Jehovah azy tsy ho eo amin’ ny taniny sy nampandehanany azy ho any amin’ ny tany hafa, tahaka ny amin’ izao anio izao.
29 隠微たる事は我らの神ヱホバに屬する者なりまた顯露されたる事は我らと我らの子孫に屬し我らをしてこの律法の諸の言を行はしむる者なり
An’ i Jehovah Andriamanitsika ny zava-miafina; fa antsika sy ny zanatsika mandrakizay kosa ny zavatra ambara, hankatoavantsika ny teny rehetra amin’ ity lalàna ity.

< 申命記 29 >