< 申命記 22 >

1 汝の兄弟の牛または羊の迷ひをるを見てこれを見すて置べからず必ずこれを汝の兄弟に牽ゆきて歸すべし
Raha hitanao mania ny omby na ny ondrin’ ny rahalahinao, dia aza atao tsy ho raharahanao izany, fa avereno any amin’ ny rahalahinao mihitsy izany.
2 汝の兄弟もし汝に近からざるか又は汝かれを知ざる時はこれを汝の家に牽ゆきて汝の許におき汝の兄弟の尋ねきたるに及びて之を彼に還すべし
Ary raha tsy akaiky anao, na tsy fantatrao, ny rahalahinao, dia ento mody any aminao ilay nania, ary aoka hitoetra aminao mandra-pitadin’ ny rahalahinao azy, dia haverinao any aminy.
3 汝の兄弟の驢馬におけるも是のごとく爲しまたその衣服におけるも斯なすべし凡て汝の兄弟の失ひたる遺失物を得たる時も汝かく爲べし之を見すておくべからず
Ary toy izany koa no hataonao amin’ ny borikiny, na ny fitafiany, na ny zavatry ny rahalahinao, na inona na inona izay very ka hitanao; fa aza atao tsy ho raharahanao izany.
4 また汝の兄弟の驢馬または牛の途に踣れをるを見て見すておくべからず必ずこれを助け起すべし
Ary raha hitanao ny borikin’ ny rahalahinao, na ny ombiny, potraka any an-dalana, dia aza atao tsy ho raharahanao izany; fa manampia ny rahalahinao hanarina azy.
5 女は男の衣服を纒ふべからずまた男は女の衣裳を著べからず凡て斯する者は汝の神ヱホバこれを憎みたまふなり
Aoka ny vehivavy tsy hitafy ny fitafian-dehilahy; ary aoka ny lehilahy tsy hitafy ny fitafiam-behivavy; fa fahavetavetana eo imason’ i Jehovah Andriamanitrao izay rehetra manao izany.
6 汝鳥の巣の路の頭または樹の上または土の上にあるを見んに雛または卵その中にありて母鳥その雛または卵の上に伏をらばその母鳥を雛とともに取べからず
Raha sendra mahita akanim-borona eo anoloanao eny an-dalana ianao, na amin’ ny efa foy, na mbola atodiny, ary ny reniny manomba ny efa foy, na mikotrika ny atodiny, dia aza maka ny reniny mbamin’ ny zanany.
7 かならずその母鳥を去しめ唯その雛のみをとるべし然せば汝福祉を獲かつ汝の日を永うすることを得ん
Alefaso mihitsy ny reniny, fa ny zanany ihany no alao ho anao, mba hahita soa ianao ka ho maro andro.
8 汝新しき家を建る時はその屋蓋の周圍に欄杆を設くべし是は人その上より堕てこれが血の汝の家に歸すること無らんためなり
Raha manao trano vaovao ianao, dia asio aro-fanina ny tampony, fandrao hisy olona hianjera eny, ka hahatonga heloka ny amin’ ny rà ho ao an-tranonao ianao.
9 汝菓物園に異類の種を混て播べからず然せば汝が播たる種より產する物および汝の菓物園より出る菓物みな聖物とならん
Aza fafazana voan-javatra roa karazana mifangaroharo ny taninao, fandrao samy ho lasa ho sazy ny vokatry ny voan-javatra nafafinao sy ny vokatry ny tanim-boalobokao.
10 汝牛と驢馬とを耦せて耕すことを爲べからず
Aza mampikambana omby sy boriky hiasa tany.
11 汝毛と麻とをまじへたる衣服を著べからず
Aza mitafy lamba volon’ ondry sy rongony mifamahofaho.
12 汝が上に纒ふ衣服の裾の四方に繸をつくべし
Asio somotraviaviny ny zorony efatra amin’ ny lambanao izay itafianao.
13 人もし妻を娶り之とともに寝て後これを嫌ひ
Raha misy lehilahy mampaka-bady ary mandry aminy, ka tsy tiany indray ravehivavy,
14 我この婦人を娶りしが之と寝たる時にその處女なるを見ざりしと言て誹謗の辭抦を設けこれに惡き名を負せなば
dia haratsiny sy alàny baraka ka ataony hoe: Efa nampakatra ity vehivavy ity aho, nefa raha nandry taminy, dia tsy hitako ny famantarana azy ho virijina:
15 その女の父と母その女の處女なる證跡を取り門にをる邑の長老等にこれを差出し
dia halain’ ny ray aman-drenin-drazazavavy ny famantarana azy ho virijina ka ho entiny ho eo amin’ ny loholona amin’ ny tanàna eo am-bavahady.
16 而してその女の父長老等に言べし我この人にわが女子を與へて妻となさしめしにこの人これを嫌ひ
Dia hiteny amin’ ny loholona ny rain-drazazavavy hoe: Ny zanako-vavy nomeko ho vadin’ io lehilahy io, kanefa tsy tiany indray izy;
17 誹謗の辭抦を設けて言ふ我なんぢの女子の處女なるを見ざりしと然るに吾女子の處女なりし證跡は此にありと斯いひてその父母かの布を邑の長老等の前に展べし
ary indro fa efa noharatsiny izy ka nataony hoe: Tsy hitako ny famantarana ny zanakao-vavy ho virijina; kanefa indreto ny famantarana ny zanakao-vavy ho virijina. Dia hamelatra ny lamba eo anatrehan’ ny loholona amin’ ny tanàna izy mivady.
18 然る時は邑の長老等その人を執へてこれを鞭ち
Ary halain’ ny loholona amin’ ny tanàna izany lehilahy izany ka hofaizany.
19 又これに銀百シケルを罰してその女の父に償はしむべし其はイスラエルの處女に惡き名を負せたればなり斯てその人はこれを妻とすべし一生これを去ことを得ず
Dia hosaziny sekely volafotsy zato koa izy, ka homeny ny rain-drazazavavy izany, satria nahafa-baraka ny virijina anankiray tamin’ ny Isiraely ralehilahy; nefa dia ho vadiny ihany razazavavy ka tsy azony hisaorana amin’ ny andro rehetra hiainany.
20 然どこの事もし眞にしてその女の處女なる證跡あらざる時は
Fa raha marina kosa izany lazainy izany, ka tsy hita ny famantarana an-drazazavavy ho virijina,
21 その女をこれが父の家の門に曳いだしその邑の人々石をもてこれを撃ころすべし其は彼その父の家にて淫なる事をなしてイスラエルの中に惡をおこなひたればなり汝かく惡事を汝らの中より除くべし
dia ho entiny mivoaka ho eo anoloan’ ny varavaran’ ny tranon-drainy razazavavy ka hotorahan’ ny mponina amin’ ny tanànany vato ho faty, satria nanao izay fady indrindra teo amin’ ny Isiraely izy ka nijangajanga tao an-tranon-drainy; ka dia hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy.
22 もし夫に適し婦と寝る男あるを見ばその婦と寝たる男と其婦とをともに殺し斯して惡事をイスラエルの中より除くべし
Raha misy lehilahy azo mandry amim-behivavy vadin’ olona, dia samy hatao maty izy roroa, na ralehilahy izay nandry tamin-dravehivavy, na ravehivavy koa; ka dia hofongoranao tsy ho eo amin’ ny Isiraely ny fanao ratsy.
23 處女なる婦人すでに夫に適の約をなせる後ある男これに邑の内に遇てこれを犯さば
Raha misy zazavavy virijina voafofo ho vadin’ olona, ary misy lehilahy mahita azy eo an-tanàna ka mandry aminy,
24 汝らその二人を邑の門に曳いだし石をもてこれを撃ころすべし是その女は邑の内にありながら叫ぶことをせざるに因りまたその男はその鄰の妻を辱しめたるに因てなり汝かく惡事を汝らの中より除くべし
dia ho entinareo mivoaka ho eo amin’ ny vavahadin’ izany tanàna izany izy roroa ka hotorahanareo vato ho faty: razazavavy moa, satria tsy niantso, nefa tao an-tanàna ihany; ary ralehilahy koa, satria nandry tamin’ ny vadin’ ny namany; ka dia hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy.
25 然ど男もし人に適の約をなしし女に野にて遇ひこれを強て犯すあらば之を犯しし男のみを殺すべし
Fa raha any an-tsaha kosa no ahitan-dralehilahy an-drazazavavy voafofo ho vadin’ olona, ary misavika azy ralehilahy ka mandry aminy, dia ralehilahy izay nandry taminy ihany no hatao maty.
26 その女には何をも爲べからず女には死にあたる罪なし人その鄰人に起むかひてこれを殺せるとその事おなじ
Fa ravehivavy dia tsy hasianao na inona na inona; fa tsy misy ota tokony hahafaty azy; fa tahaka ny olona mitsangana hamely ny namany ka mahafaty azy no hevitr’ izany zavatra izany.
27 其は男野にてこれに遇たるが故にその人に適の約をなしし女叫びたれども拯ふ者なかりしなり
Fa tany an-tsaha no nahitany azy; ary niantso ihany razazavavy voafofo ho vadin’ olona, nefa tsy nisy hamonjy azy.
28 男もし未だ人に適の約をなさざる處女なる婦に遇ひこれを執へて犯すありてその二人見あらはされなば
Raha misy lehilahy mahita zazavavy virijina, izay tsy voafofo ho vadin’ olona, ka misavika azy sady mandry aminy, koa hita izy roroa,
29 これを犯せる男その女の父に銀五十シケルを與へて之を己の妻とすべし彼その女を辱しめたれば一生これを去るべからざるなり
dia hanome sekely volafotsy dimam-polo ho an’ ny rain-drazazavavy ralehilahy izay nandry taminy; ary hovadiny izy, satria efa nosavihiny sady nandriany; ary tsy azony hisaorana izy amin’ ny andro rehetra hiainany.
30 人その父の妻を娶るべからずその父の被を掀開べからず
Tsy mahazo maka ny vadin-drainy ny olona, na maniry amin’ izay nandrian-drainy.

< 申命記 22 >