< ダニエル書 8 >

1 我ダニエル前に異象を得たりしが後またベルシヤザルの第三年にいたりて異象を得たり
Tamin’ ny taona fahatelo nanjakan’ i Belsazara mpanjaka dia nisy fahitana niseho tamiko, izaho Daniela, taorian’ ilay niseho tamiko tamin’ ny voalohany.
2 我異象を見たり我これを見たる時に吾身はエラム州なるシユシヤンの城にあり我が異象を見たるはウライ河の邊においてなりき
Ary nahita tamin’ ny fahitana aho, ka raha mbola nijery aho, dia, indro, tao Sosana tao amin’ ny lapan’ ny mpanjaka izay ao amin’ ny tany Elama aho; ary nahita tamin’ ny fahitana aho, ka teo amoron’ ny ony Olay aho.
3 我目を擧て觀しに河の上に一匹の牡羊立をり之に二の角ありてその角共に長かりしが一の角はその他の角よりも長かりきその長き者は後に長たるなり
Dia natopiko ny masoko, ka hitako, fa, indro, nisy ondrilahy iray nitsangana teo amoron’ ny ony, izay nanana tandroka roa; lava ireo tandroka ireo, ary ny anankiray lava noho ny anankiray, nefa ilay lavalava kokoa no niposaka taoriana.
4 我觀しにその牡羊西北南にむかひて牴觸りけるが之に敵ることを得る獣一匹も無くまたその手より救ひいだすことを得る者絶てあらざりき是はその意にまかせて事をなしその勢威はなはだ盛なりき
Hitako ny ondrilahy manoto miankandrefana sy mianavaratra ary mianatsimo; ary tsy nisy biby nahajanona teo anoloany, ary tsy nisy naharombaka izay mby teny an-tanany; fa nanao araka izay sitrapony izy ka tonga lehibe.
5 我これを考へ見つつありけるにて一匹の牡山羊全地の上を飛わたりて西より來りしがその足は土を履ざりきこの牡山羊は目の間に著明しき一の角ありき
Ary raha mbola nandinika aho, dia, indro, nisy osilahy nivoaka avy tany andrefana ka nitety ny tany rehetra, nefa tsy nikasika ny tany; ary ilay osilahy dia nanana tandroka lehibe teo anelanelan’ ny masony.
6 此者さきに我が河の上に立るを見たる彼の二の角ある牡羊に向ひ來り熾盛なる力をもて之の所に跑いたりけるが
Ary izy nankeo amin’ ilay ondrilahy nanana tandroka roa, dia ilay efa hitako nitsangana eo amoron’ ny ony, ka nanazakazaka azy tamin’ ny fahatezeran’ ny heriny.
7 我觀てあるに牡羊に近づくに至りて之にむかひて怒を發し牡羊を撃てその二の角を碎きたるに牡羊には之に敵る力なかりければこれを地に打倒して踏つけたり然るにその牡羊をこれが手より救ひ得る者あらざりき
Ary hitako nanatona ho eo anilan’ ny ondrilahy izy, dia nisafoaka taminy ka namely ny ondrilahy ary nanapaka ny tandrony roa, ka tsy nahajanona teo anoloany intsony ilay ondrilahy, fa nazerany teo amin’ ny tany ka nohitsakitsahiny; ary tsy nisy nahavonjy ilay ondrilahy teny an-tànany.
8 而してその牡山羊甚だ大きくなりけるがその盛なる時にあたりてかの大なる角折れその代に四の著明しき角生じて天の四方に對へり
Ary dia nihahery indrindra ilay osilahy; nefa nony nahery izy, dia tapaka ilay tandrony lehibe; ary nisy efatra lehibe nipoitra nisolo iny nifanandrify tamin’ ny rivotra efatry ny lanitra.
9 またその角の一よりして一の小き角いできたり南にむかひ東にむかひ美地にむかひて甚だ大きくなり
Ary nisy tandroka kely nipoitra avy tamin’ ny anankiray amin’ ireny ka nihalehibe indrindra nianatsimo sy niantsinanana ary nankany amin’ ny tany mahafinaritra.
10 天軍におよぶまでに高くなりその軍と星數箇を地に投くだしてこれを踏つけ
Ary nihalehibe izy ka nihatra tamin’ ireo maro be eny amin’ ny lanitra; ary nisy nazerany ho amin’ ny tany ireo maro be sy ny kintana ka nohitsakitsahiny.
11 また自ら高ぶりてその軍の主に敵しその常供の物を取のぞきかつその聖所を毀てり
Eny, nihalehibe izy ka dia niady tamin’ ny Komandin’ ireo maro be, ary nesorina taminy ny fanatitra isan’ andro, ary ny fitoerana masìna noravana.
12 一軍罪の故によりて常供の物とともに棄られたり彼者はまた眞理を地に擲ち事をなしてその意志を得たり
Ary nisy maro be mbamin’ ny fanatitra isan’ andro natolotra azy noho ny fahadisoana, dia nazerany ho amin’ ny tany ny fahamarinana; ary niasa izy sady nambinina.
13 かくて我聞に一箇の聖者語ひをりしが又一箇の聖者ありてその語ひをる聖者にむかひて言ふ常供の物と荒廢を來らする罪とにつきて異象にあらはれたるところの事聖所とその軍との棄られて踏つけらるる事は何時まで斯てあるべきかと
Dia nandre ny masìna anankiray niteny aho, ary nisy masìna iray koa nanao tamin’ ilay niteny hoe: Mandra-pahoviana ny fahitana mandrakariva sy ny fahotana mahatonga fandravana mba hanolorana ny fitoerana masìna sy ireo maro be ho fanitsaka?
14 彼すなはち我に言けるは二千三百の朝夕をかさぬるまで斯てあらん而して聖所は潔めらるべし
Ary hoy izy tamiko: Taon-jato sy roa arivo andro; ary nony afaka izany, dia amin’ izay vao hodiovina ny fitoerana masìna.
15 我ダニエルこの異象を見てその意義を知んと求めをりける時人のごとく見ゆる者わが前に立り
Ary nony nahita ny fahitana izaho Daniela ka nitady hahafantatra izany, dia, indro, nisy nanana tarehy tahaka ny olona nitsangana teo anatrehako.
16 時に我聞にウライ河の兩岸の間より人の聲出て呼はりて言ふガブリエルよこの異象をその人に暁らしめよと
Ary nandre feon’ olona tao afovoan’ i Olay aho, izay niantso ka nanao hoe: Ry Gabriela, ampahalalao ny fahitana ity lehilahy ity.
17 彼すなはち我の立る所にきたりしがその到れる時に我おそれて仆れ伏たるに彼われに言けるは人の子よ暁れ此異象は終の時にかかはる者なりと
Ary dia nankeo amin’ ilay nitsanganako izy; ary nony tonga izy, dia raiki-tahotra aho ka nikarapoka nihohoka; nefa hoy izy tamiko: Aoka ho fantatrao, ry zanak’ olona, fa io fahitana io dia milaza ny farany.
18 彼の我に語ひける時我は氣を喪へる状にて地に俯伏をりしが彼我に手をつけて我を立せ言けるは
Ary raha niresaka tamiko izy, dia renoky ny torimaso teo amin’ ny tany aho; fa izy nanohina nampitsangana ahy.
19 視よ我忿怒の終に起らんところの事を汝に知せん此事は終末の期におよびてあらん
Dia hoy izy: Indro, hampahafantariko anao izay ho tonga amin’ ny fahatezerana farany; fa ho amin’ ny fotoana any am-parany izany.
20 汝が見たるかの二の角ある牡羊はメデアとペルシヤの王なり
Ilay ondrilahy hitanao nanana tandroka roa dia ny mpanjakan’ i Media sy Persia.
21 またかの牡山羊はギリシヤの王その目の間の大なる角はその第一の王なり
Ary ny osilahy lava volo dia ny mpanjakan’ i Grisia; ary ny tandroka lehibe teo anelanelan’ ny masony dia ny mpanjaka voalohany.
22 またその角をれてその代に四の角生じたればその民よりして四の國おこらん然ど第一の者の權勢には及ばざるなり
Ary ny amin’ ilay efa tapaka, ka nisy efatra nitsangana nandimby azy, dia hisy fanjakana efatra hitsangana avy amin’ ny jentilisa, nefa tsy mitovy hery aminy.
23 彼らの國の末にいたり罪人の罪貫盈におよびて一人の王おこらんその顔は猛惡にして巧に詭譎を言ひ
Ary ny hiafaran’ ny fanjakany, rehefa tanteraky ny mpanota ny asany, dia hisy mpanjaka hitsangana, izay masia-tarehy sy mahafantatra zavatra saro-pantarina.
24 その權勢は熾盛ならん但し自己の能力をもて之を致すに非ずその毀滅ことを爲は常ならず意志を得て事を爲し權能ある者等と聖民とを滅さん
Ary ho be ny heriny, nefa tsy amin’ ny herin’ ny tenany; ary mahagaga ny fanimbana hataony; ary hambinina izy ka hahefa ary hanimba ny mahery sy ny olo-masìna.
25 彼は機巧をもて詭譎をその手に行ひ遂げ心にみづから高ぶり平和の時に衆多の人を打滅しまた君の君たる者に敵せん然ど終には人手によらずして滅されん
Ary ny fahafetseny koa no hahatanteraka ny fitaka eny an-tanany; ary izy hiavonavona am-po ka handringana ny maro amin’ izay tsy ampoiziny; ary hitsangana hanohitra ny Andrianan’ ny andriana izy, kanjo ho torotoro kosa, nefa tsy hisy tanana hamely azy tsinona.
26 前に告たる朝夕の異象は眞實なり汝その異象の事を秘しおけ是は衆多の日の後に有べき事なり
Ary dia marina ny amin’ ireo andro voalaza ireo, nefa ahorony ny fahitana, fa mbola ho andro maro izany.
27 是において我ダニエル疲れはてて數日の間病わづらひて後興いでて王の事務をおこなへり我はこの異象の事を案ひて駭けり人もまたこれを暁ることを得ざりき
Ary izaho Daniela dia torana ka nandraiky narary andro vitsivitsy; ary nony afaka izany dia nitsangana aho ka nanao ny raharahan’ ny mpanjaka; ary ka aho ny amin’ ny fahitana, nefa tsy nisy nahafantatra izany.

< ダニエル書 8 >