< ダニエル書 4 >

1 ネブカデネザル王全世界に住める諸民諸族諸音に諭す願くは大なる平安汝らにあれ
Nebokadnezara mpanjaka nampitondra teny ho any amin’ ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra, izay monina amin’ ny tany rehetra, nanao hoe: Hitombo anie ny fiadananareo.
2 至高神我にむかひて徴證と奇蹟を行へり我これを知しむることを善と思ふ
Sitrako ny hanambara ny famantarana sy ny fahagagana izay nataon’ Andriamanitra Avo Indrindra tamiko.
3 嗚呼大なるかなその徴證嗚呼盛なるかなその奇蹟その國は永遠の國その權は世々限なし
Akory ny halehiben’ ny famantarany! Ny fanjakany dia fanjakana mandrakizay, ary ny fanapahany dia hahatratra ny taranaka fara mandimby.
4 我ネブカデネザルわが家に安然に居りわが宮に榮え居れり
Izaho Nebokadnezara niadana tao an-tranoko ary faly finaritra tao an-dapako.
5 我一の夢を見て之がために懼れ即ち床にありてその事を想ひめぐらしその我腦中の異象のために心をなやませり
Nanonofy zavatra nahatahotra aho ka nieritreritra teo am-pandriako, ary ny fahitan’ ny lohako dia naharaiki-tahotra ahy.
6 是に於て我命を下しバビロンの智者をことごとく我前に召よせしめてその夢の解明を我にしめさせんと爲たれば
Ka dia nandidy aho mba ho entina eo anatrehako ny olon-kendrin’ i Babylona rehetra hilaza amiko ny hevitry ny nofy.
7 すなはち博士法術士カルデヤ人卜筮師等きたりしに囚て我その夢を彼らに語りけるに彼らはその解明を我にしめすことを得ざりき
Dia niditra ny ombiasy sy ny mpisikidy sy ny Kaldeana ary ny mpanandro; ary nambarako teo anatrehany ny nofy, kanjo tsy nahalaza ny heviny tamiko ireny.
8 かくて後ダニエルわが前に來れり彼の名は吾神の名にしたがひてベルテシヤザルと稱へられその裏には聖神の霊やどれり我その夢を彼の前に語りて曰けらく
Fa nony farany dia niditra teo anatrehako kosa Daniela, izay atao hoe Beltesazara, araka ny anaran’ andriamanitro, sady misy fanahin’ ireo andriamanitra masìna ao anatiny; ary ny nofy dia nambarako teo anatrehany hoe:
9 博士の長ベルテシヤザルよ我しる汝の裏には聖神の霊やどれば如何なる秘密も汝には難き事なし我が夢に見たるところの事等を聞きその解明を我に告げよ
Ry Beltesazara, lehiben’ ny ombiasy, fantatro fa misy fanahin’ ireo andriamanitra masìna ao anatinao, ary tsy misy zava-miafina manahirana anao, koa ambarao ahy ny fahitana izay hitako tamin’ ny nofy mbamin’ ny heviny.
10 我が床にありて見たる吾腦中の異象は是のごとし我觀しに地の當中に一の樹ありてその丈高かりしが
Fa izao no fahitan’ ny lohako teo am-pandriako: Nijery aho, ka, indro, nisy hazo teo afovoan’ ny tany, ary fatratra ny hahavony.
11 その樹長じて強固なり天に達するほどの高となりて地の極までも見えわたり
Nihalehibe sy nihahery io hazo io, ary ny hahavony nipaka tamin’ ny lanitra, ary ny fijery azy dia hatrany amin’ ny faran’ ny tany rehetra.
12 その葉は美しくその菓は饒にして一切の者その中より食を得また野の獣その蔭に臥し空の鳥その枝に棲み凡て血氣ある者みな是によりて身を養ふ
Tsara tarehy ny raviny, ary betsaka ny voany, sady teo aminy no nisy hanina ho an’ ny rehetra; teny ambaniny no nialokalofan’ ny bibidia, ary teny amin’ ny sampany no nitoeran’ ny voro-manidina, ary ny nofo rehetra nahazo hanina avy aminy.
13 我床にありて得たる腦中の異象の中に一箇の警寤者一箇の聖者の天より下るを見たりしが
Nijery tamin’ ny fahitan’ ny lohako teo am-pandriako aho, ka, indro, nisy mpiambina masìna anankiray nidina avy tany an-danitra.
14 彼聲高く呼はりて斯いへり此樹を伐たふしその枝を斫はなしその葉を搖おとしその果を打散し獣をしてその下より逃はしらせ鳥をしてその枝を飛さらしめよ
Niantso mafy izy ka nanao hoe: Kapao io hazo io, dia rantsano; ahintsano ny raviny, ary aelezo ny voany; aoka ny biby hipariaka avy eo ambaniny, ary ny vorona hiboridana avy eny amin’ ny rantsany.
15 但しその根の上の斬株を地に遺しおき鐵と銅の索をかけて之を野の草の中にあらしめよ是は天よりくだる露に濕れまた地の草の中にて獣とその分を同じうせん
Nefa avelao amin’ ny tany ao amin’ ny ahitra maitso any an-tsaha ihany ny fotony, ka asio fehy vy sy varahina; ary aoka ho kotsan’ ny andon’ ny lanitra izy, ary aoka ny anjarany ho amin’ ny biby any amin’ ny ahitra amin’ ny tany;
16 又その心は變りて人間の心のごとくならず獣の心を稟て七の時を經ん
aoka hovana ny fony tsy ho fon’ olombelona, ary aoka ho fom-biby no ho ao aminy; ary aoka ho fetr’ andro fito no holanina aminy.
17 この事は警寤者等の命によりこの事は聖者等の言による是至高者人間の國を治めて自己の意のままにこれを人に與へまた人の中の最も賤き者をその上に立たまふといふ事を一切の者に知しめんがためなり
Didin’ ny mpiambina izany zavatra izany; eny, avy amin’ ny tendrin’ ireo masìna izany zavatra izany, hahafantaran’ ny velona fa ny Avo Indrindra no manapaka amin’ ny fanjakan’ ny olona ka manome izany ho an’ izay tiany, ary olona ambany toetra no ampanapahiny azy.
18 我ネブカデネザル王この夢を見たりベルテシヤザルよ汝その解明を我に述よ我國の智者は執も皆その解明を我に示すことを得ざりしが汝は之を能せん其は汝の裏には聖神の霊やどればなりと
Izany no nofy izay hitako, izaho Nebokadnezara. Ary ianao kosa, ry Beltesazara, milazà ny heviny, fa ny olon-kendry rehetra amin’ ny fanjakako tsy nisy nahay nampahafantatra ahy ny hevitr’ izany; fa ianao no mahay azy, satria misy fanahin’ ireo andriamanitra masìna no anatinao.
19 その時ダニエル又の名はベルテシヤザルとい者暫時の間驚き居り心に深く懼れたれば王これに告て言りベルテシヤザルよ汝この夢とその解明のために懼るるにおよばずとベルテシヤザルすなはち答へて言けらく我主よ願くはこの夢汝を惡む者の上にかからん事を願くは此解明汝の敵にのぞまんことを
Dia gaga vetivety Daniela, izay atao hoe Beltesazara, ary ny eritreriny naharaiki-tahotra azy. Ary niteny ny mpanjaka nanao hoe: Ry Beltesazara ô, aoka tsy haharaiki-tahotra anao ny nofy na ny heviny. Beltesazara namaly ka nanao hoe: Tompokolahy ô, ny nofy anie ho an’ izay mankahala anao, ary ny heviny ho an’ izay fahavalonao.
20 汝が見たまひし樹すなはちその長じて強くなり天に達するほどの高となりて地の極までも見えわたり
Io hazo hitanao io, dia ilay nihalehibe sy nihahery, ka ny hahavony nipaka tamin’ ny lanitra, ary ny fijery azy hatramin’ ny tany rehetra,
21 その葉は美しくその果は饒にして一切の者その中より食を得またその下に野の獣臥しその枝に空の鳥棲たる者
ny raviny dia tsara tarehy, sady betsaka ny voany, ary teo aminy nisy hanina ho an’ ny rehetra, teny ambaniny no nitoeran’ ny bibi-dia, ary teny amin’ ny rantsany no nitoeran’ ny voro-manidina,
22 王よ是はすなはち汝なり汝は長じて強くなり汝の勢ひは盛にして天におよび汝の權は地の極にまでおよべり
ianao indrindra izany, ry mpanjaka ô; ianao dia nihalehibe sy nihahery; fa ny halehibiazanao efa nitombo ka mipaka amin’ ny lanitra, ary ny fanapahanao hatramin’ ny faran’ ny tany.
23 王また一箇の警寤者一箇の聖者の天より下りて斯言ふを見たまへり云くこの樹を伐たふして之をそこなへ但し其根の上の斬株を地に遺しおき鐵と銅の索をかけて之を野の草の中にあらしめよ是は天より下る露に濡れ野の獣とその分を同じうして七の時を經ん
Ary ny nahitan’ ny mpanjaka ny mpiambina masìna anankiray nidina avy tany an-danitra nanao hoe: Kapao io hazo io, ary simbao; nefa avelao amin’ ny tany ao amin’ ny ahitra maitso any an-tsaha ihany ny fotony, fa asio fehy vy sy varahina, ary aoka ho kotsan’ ny andon’ ny lanitra izy, ary aoka ny anjarany ho ao amin’ ny bibi-dia, ambara-pahalanin’ ny fetr’ andro fito aminy,
24 王よその解明は是の如し是即ち至高者の命にして王我主に臨まんとする者なり
izao no heviny, ry mpanjaka, ary izao no tendrin’ ny Avo Indrindra, izay mihatra amin’ itompokolahy mpanjaka:
25 即ち汝は逐れて世の人と離れ野の獣とともに居り牛のごとくに草を食ひ天よりくだる露に濡れん是の如くにして七の時を經て汝つひに知ん至高者人間の國を治めて自己の意のままに之を人に與へ給ふと
Horoahina hiala amin’ ny olona ianao, ary ny fonenanao ho any amin’ ny bibi-dia ary hampihinanina ahitra toy ny omby ianao ary ho kotsan’ ny andon’ ny lanitra, ary fetr’ andro fito no holanina aminao, ambara-pahafantatrao fa ny Avo Indrindra no manapaka amin’ ny fanjakan’ ny olona ka manome izany ho an’ izay tiany.
26 又彼らその樹の根の上の斬株を遺しおけと言たれば汝の國は汝が天は主たりと知にいたる時まで汝を離れん
Ary ny nasainy namelana ny fotony: ny fanjakanao mbola hampodina ho anao tokoa, rehefa fantatrao fa ny lanitra no manapaka.
27 然ば王よ吾諌を容れ義をおこなひて罪を離れ貧者を憐みて惡を離れよ然らば汝の平安あるひは長く続かんと
Koa aoka hankasitrahanao ny anatro, ry mpanjaka, ka dia ny fahamarinana no ento mampitsahatra ny fahotanao, ary ny fiantrana ny mahantra no ento mampitsahatra ny helokao, fandrao mba hampaharetina ahay ny fiadananao.
28 この事みなネブカデネザル王に臨めり
Izany rehetra izany no nanjo an’ i Nebokadnezara mpanjaka.
29 十二箇月を經て後王バビロンの王宮の上に歩みをり
Ary nony afaka roa ambin’ ny folo volana, dia nitsangantsangana teo an-tampon’ ny tranony tao Babylona izy.
30 王すなはち語りて言ふ此大なるバビロンは我が大なる力をもて建て京城となし之をもてわが威光を耀かす者ならずや
Ary ny mpanjaka niteny ka nanao hoe: Tsy ity va no Babylona lehibe, izay nataoko ho lapan’ ny fanjakana tamin’ ny haben’ ny heriko mba ho voninahitry ny fahalehibiazako?
31 その言なほ王の口にある中に天より聲降りて言ふネブカデネザル王よ汝に告ぐ汝は國の位を失はん
Raha mbola teo am-bavan’ ny mpanjaka ihany ny teny, dia nisy feo latsaka avy tany an-danitra nanao hoe: Ry Nebokadnezara mpanjaka, ianao indrindra no anaovana hoe: Ny fanjakana niala taminao.
32 汝は逐れて世の人と離れ野の獣と共に居り牛のごとくに草を食はん斯の如くにして七の時を經て汝つひに知ん至高者人間の國を治めて己れの意のままにこれを人に與へたまふと
Fa horoahina hiala amin’ ny olona ianao, ka ho any amin’ ny bibi-dia ny fonenanao; hampihinanina ahitra toy ny omby ianao, ary fetr’ andro fito no holanina aminao ambara-pahafantatrao fa ny Avo Indrindra no manapaka amin’ ny fanjakan’ ny olona ka manome izany ho an’ izay tiany.
33 その時直にこの事ネブカデネザルに臨み彼は逐れて世の人に離れ牛のごとくに草を食ひてその身は天よりくだる露に濡れ終にその髮毛は鷲の羽のごとくになりその爪は鳥の爪のごとくになりぬ
Tamin’ izay indrindra no nahatanterahan’ izany tamin’ i Nebokadnezara; fa noroahina niala tamin’ ny olona izy ka nihinana ahitra toy ny omby, ary ny tenany dia kotsan’ ny andon’ ny lanitra ambara-panirin’ ny volony ho toy ny an’ ny voromahery, ary ny hohony ho toy ny an’ ny vorona.
34 斯てその日の滿たる後我ネブカデネザル目をあげて天を望みしにわが分別性我に歸りたれば我至高者に感謝しその永遠に生る者を讃かつ崇めたり彼の御宇は永遠の御宇彼の國は世々かぎり無し
Ary rehefa tapitra ny andro, izaho Nebokadnezara nanandrandra ny masoko tamin’ ny lanitra, ary nody tamiko indray ny saiko, ka dia nisaotra ny Avo Indrindra aho ary nidera sy nankalaza Izay velona mandrakizay, ny fanapahany dia fanapahana mandrakizay, ary ny fanjakany hahatratra ny taranaka fara mandimby;
35 地上の居民は凡て無き者のごとし天の衆群にも地の居民にも彼はその意のままに事をなしたまふ誰も彼の手をおさへて汝なんぞ然するやと言ことを得る者なし
ary ny mponina rehetra etỳ an-tany hatao tsinontsinona; ary manao izay sitrapony amin’ ireo maro be any an-danitra sy amin’ ny mponina etỳ an-tany Izy; ary tsy misy mahasakana Azy, na manao aminy hoe: Inona no ataonao?
36 この時わが分別性かく我に歸りたりしがわが國の榮光につきてはまた我の尊嚴と光耀我にかへれり且また大臣牧伯等我に請求めて我ふたたび國の祚を踐み前よりも著しく威光を増たり
Tamin’ izay dia nody tamiko ny saiko, ary nody tamiko koa ny fahalehibiazako sy ny voninahitro ho tabihan’ ny fanjakako, ary ny mpanolotsaiko sy ny andriandahiko nikatsaka ahy, ka nampitoerina teo amin’ ny fanjakako aho, sady nanampy ho ahy ny fahalehibiazana malaza.
37 是において我ネブカデネザル今は天の王を讃頌へかつ崇む彼の作爲は凡て眞實彼の道は正義自ら高ぶる者は彼能くこれを卑くしたまふ
Koa amin’ izany, izaho Nebokadnezara midera sy manandratra ary mankalaza ny Mpanjakan’ ny lanitra; marina avokoa ny asany rehetra, ary araka ny rariny ny lalany; ary izay mandeha amin’ ny fiavonavonana dia hainy aetry.

< ダニエル書 4 >