< 歴代誌Ⅱ 19 >

1 ユダの王ヨシヤパテは恙なくヱルサレムに歸りてその家に至れり
Ary Josafata, mpanjakan’ ny Joda, niverina soa aman-tsara ho any an-tranony tany Jerosalema.
2 時に先見者ハナニの子ヱヒウ、ヨシヤパテ王を出むかへて之に言けるは汝惡き者を助けヱホバを惡む者を愛して可らんや之がためにヱホバの前より震怒なんぢの上に臨む
Ary nivoaka hitsena azy Jeho, zanak’ i Hanany mpahita, ka nanao tamin’ i Josafata mpanjaka hoe: Moa ny ratsy fanahy va no tokony hampiana, ary izay mankahala an’ i Jehovah va no tokony ho tianao? Koa noho izany dia tezitra aminao Jehovah.
3 然ながら善事もまた汝の身に見ゆ即ち汝はアシラ像を國中より除きかつ心を傾けて神を求むるなりと
Nefa mba misy fahatsaram-panahy hita ihany aminao, fa noravanao tsy ho eo amin’ ny tany ny Aseraha, sady nampiomana ny fonao hitady an’ Andriamanitra ianao.
4 ヨシヤパテはヱルサレムに住をりしが復出てベエルシバよりエフライムの山地まで民の間を行めぐりその先祖の神ヱホバにこれを導き歸せり
Ary Josafata nitoetra tany Jerosalema; ary nandeha hitety ny olona indray izy hatrany Beri-sheba ka hatrany amin’ ny tany havoan’ i Efraima ary nampiverina ny olona ho amin’ i Jehovah, Andriamanitry ny razany.
5 彼またユダの一切の堅固なる邑に裁判人を立つ國中の邑々みな然り
Ary nanendry mpitsara tamin’ ny tany izy, dia tamin’ ny isan-tanàna mimanda eran’ i Joda,
6 而して裁判人に言けるは汝等その爲ところを愼め汝らは人のために裁判するに非ずヱホバのために裁判するなり裁判する時にはヱホバ汝らと偕にいます
ka nanao taminy hoe: Tandremo izay hataonareo; fa tsy ho an’ olona no hitsaranareo, fa ho an’ i Jehovah, sady momba anareo ao amin’ ny fitsarana Izy.
7 然ば汝らヱホバを畏れ愼みて事をなせ我らの神ヱホバは惡き事なく人を偏視ことなく賄賂を取こと無ればなり
Koa aoka ho ao aminareo ny tahotra an’ i Jehovah; tandremo ka ataovy izany, fa tsy mba misy heloka amin’ i Jehovah Andriamanitsika, na fizahan-tavan’ olona, na fandraisana kolikoly.
8 ヨシヤパテまたレビ人祭司およびイスラエルの族長を選びてヱルサレムに置きヱホバの事および訴訟を審判しむ彼らはヱルサレムにかへれり
Ary tany Jerosalema koa no nanendren’ i Josafata ny sasany tamin’ ny Levita sy ny mpisorona ary ny lohan’ ny fianakaviana tamin’ ny Isiraely ho amin’ ny fitsaran’ i Jehovah sy ny adin’ olona (fa efa tafaverina tany Jerosalema izy tamin’ izay)
9 ヨシヤパテこれに命じて云く汝らヱホバを畏れ眞實と誠心をもて斯おこなふべし
ka dia nandidy azy hoe: Izao no hataonareo amin’ ny fahatahorana an’ i Jehovah sy amin’ ny fahamarinana ary amin’ ny fo mahitsy:
10 凡てその邑々に住む汝らの兄弟血を相流せる事または律法と誡命法度と條例などの事につきて汝らに訴へ出ること有ばこれを諭してヱホバに罪を犯さざらしめよ恐らくは震怒なんぢと汝らの兄弟にのぞまん汝ら斯おこなはば愆なかるべし
Na inona na inona no ady avy amin’ ny rahalahinareo izay monina amin’ ny tanànany, na ny amin’ ny mahafaty aina, na ny amin’ ny hevitry ny lalàna sy ny didy ary ny fitsipika samy hafa, dia anaro izy mba tsy ho meloka amin’ i Jehovah, fandrao iharan’ ny fahatezerana ianareo sy ny rahalahinareo; izany no ataovy, dia tsy ho meloka ianareo.
11 視よ祭司の長アマリヤ汝らの上にありてヱホバの事を凡て司どりユダの家の宰イシマエルの子ゼバデヤ王の事を凡て司どる亦レビ人汝らの前にありて官吏とならん汝ら心を強くして事をなせヱホバ善人を祐けたまふべし
Ary, indro, Amaria mpisoronabe no ho lehibenareo amin’ ny raharahan’ i Jehovah rehetra; ary Zebadia, zanak’ Isimaela, mpanapaka ny taranak’ i Joda, ho lehibenareo amin’ ny raharahan’ ny mpanjaka rehetra kosa; ary ny Levita ho mpifehy hanampy anareo. Mahereza, ka mahefà; ary Jehovah anie homba izay tsara.

< 歴代誌Ⅱ 19 >