< コリント人への手紙第一 6 >

1 汝 等のうち互に事あるとき、之を聖徒の前に訴へずして、正しからぬ者の前に訴ふることを敢へてする者あらんや。
Misy aminareo va, raha manana ady amin’ ny namany, sahy handeha hotsarain’ ny olona tsy marina, fa tsy eo anatrehan’ ny olona masìna?
2 汝ら知らぬか、聖徒は世を審くべき者なるを。世もし汝らに審かれんには、汝ら最 小き事を審くに足らぬ者ならんや。
Sa tsy fantatrareo fa ny olona masìna dia hitsara izao tontolo izao? Ary raha hitsara izao tontolo izao ianareo, moa tsy miendrika hitsara izay zavatra madinika indrindra va ianareo?
3 なんぢら知らぬか、我らは御使を審くべき者なるを、ましてこの世の事をや。
Tsy fantatrareo va fa hitsara anjely isika? mainka fa izay zavatra momba izao fiainana izao.
4 然るに汝ら審くべき此の世の事のあるとき、教會にて輕しむる所の者を審判の座に坐らしむるか。
Koa raha misy hotsarainareo ny amin’ ny momba izao fiainana izao, moa izay ataon’ ny fiangonana ho tsinontsinona va no tendrenareo ho mpitsara?
5 わが斯く言ふは汝らを辱しめんとてなり。汝 等のうちに兄弟の間のことを審き得る智きもの一人だになく、
Hampahamenatra anareo no itenenako izany. Hay! dia tsy misy olon-kendry aminareo, na dia iray akory aza, izay mahay manamboatra ny adin’ ny rahalahiny?
6 兄弟は兄弟を、而も不 信者の前に訴ふるか。
Fa ny rahalahy mandeha hiady amin’ ny rahalahiny, na dia hotsarain’ ny tsy mino aza.
7 互に相 訴ふるは既に當しく汝らの失態なり。何 故むしろ不義を受けぬか、何 故むしろ欺かれぬか。
Ary ankehitriny dia kilema aminareo ny anananareo ady amin’ ny namanareo. Nahoana no tsy aleo mandefitra ny tsy rariny aza ianareo? Nahoana no tsy aleo maharitra hambakaina aza ianareo?
8 然るに汝ら不義をなし、詐欺をなし、兄弟にも之を爲す。
Kanjo ianareo indray no manao izay tsy marina ka manambaka na dia ny rahalahinareo aza.
9 汝ら知らぬか、正しからぬ者の神の國を嗣ぐことなきを。自ら欺くな、淫行のもの、偶像を拜むもの、姦淫をなすもの、男娼となるもの、男色を行ふ者、
Moa tsy fantatrareo va fa ny olona tsy marina tsy mba handova ny fanjakan’ Andriamanitra? Aza mety hofitahina ianareo: fa ny mpijangajanga sy ny mpanompo sampy sy ny mpaka vadin’ olona sy ny sodomita
10 盜するもの、貪欲のもの、酒に醉ふもの、罵るもの、奪ふ者などは、みな神の國を嗣ぐことなきなり。
sy ny mpangalatra sy ny mpierina sy ny mpimamo sy ny mpanaratsy ary ny mpanao an-keriny dia tsy mba handova ny fanjakan’ Andriamanitra.
11 汝 等のうち曩には斯くのごとき者ありしかど、主イエス・キリストの名により、我らの神の御靈によりて、己を洗ひかつ潔められ、かつ義とせらるることを得たり。
Ary efa mba toy izany ihany ny sasany aminareo, saingy efa voasasa ianareo, efa nohamasinina ianareo, efa nohamarinina ianareo, tamin’ ny anaran’ i Jesosy Kristy Tompo sy tamin’ ny Fanahin’ Andriamanitsika.
12 一切のもの我に可からざるなし、然れど一切のもの益あるにあらず。一切のもの我に可からざるなし、されど我は何 物にも支配せられず、
Ny zavatra rehetra azoko atao, nefa tsy dia ary mahasoa avokoa ny zavatra rehetra; ny zavatra rehetra azoko atao, nefa izaho tsy mety handevozin-javatra na inona na inona.
13 食物は腹のため、腹は食物のためなり。されど神は之をも彼をも亡し給はん。身は淫行をなさん爲にあらず、主の爲なり、主はまた身の爲なり。
Ny hanina dia ho an’ ny kibo, ary ny kibo ho an’ ny hanina; nefa samy holevonin’ Andriamanitra izy roroa. Fa ny tena kosa dia tsy ho an’ ny fijangajangana, fa ho an’ ny Tompo; ary ny Tompo ho an’ ny tena.
14 神は既に主を甦へらせ給へり、又その能力をもて我等をも甦へらせ給はん。
Ary Andriamanitra efa nanangana ny Tompo sady hanangana antsika koa amin’ ny heriny.
15 汝らの身はキリストの肢體なるを知らぬか、然らばキリストの肢體をとりて遊女の肢體となすべきか、決して然すべからず。
Tsy fantatrareo va fa momba ny tena’ i Kristy ny tenanareo? Moa hanala ny momba ny tenan’ i Kristy va aho ka hanolotra izany ho momba ny tenan’ ny vehivavy janga? Sanatria izany!
16 遊女につく者は彼と一つ體となることを知らぬか『二人のもの一體となるべし』と言ひ給へり。
Moa tsy fantatrareo va fa izay miray amin’ ny vehivavy janga dia tena iray aminy? fa hoy Andriamanitra: Ho nofo iray ihany izy roroa.
17 主につく者は之と一つ靈となるなり。
Fa izay miray amin’ ny Tompo kosa dia fanahy iray aminy.
18 淫行を避けよ。人のをかす罪はみな身の外にあり、されど淫行をなす者は己が身を犯すなり。
Mandosira ny fijangajangana. Izay fahotana rehetra ataon’ ny olona dia eny ivelan’ ny tena ihany; fa ny mpijangajanga kosa dia manota mihatra amin’ ny tenany.
19 汝らの身は、その内にある神より受けたる聖 靈の宮にして、汝らは己の者にあらざるを知らぬか。
Ahoana ary? Moa tsy fantatrareo fa ny tenanareo dia tempolin’ ny Fanahy Masìna, Izay ao anatinareo sady efa azonareo tamin’ Andriamanitra? ka tsy tompon’ ny tenanareo ianareo.
20 汝らは價をもて買はれたる者なり、然らばその身をもて神の榮光を顯せ。
Fa olom-boavidy ianareo, koa dia mankalazà an’ Andriamanitra amin’ ny tenanareo.

< コリント人への手紙第一 6 >