< 歴代誌Ⅰ 6 >

1 レビの子等はゲルシヨン、コハテ、メラリ
Ny zanakalahin’ i Levy dia Gersona sy Kehata ary Merary.
2 コハテの子等はアムラム、イヅハル、ヘブロン、ウジエル
Ary ny zanakalahin’ i Kehata dia Amrama sy Jizara sy Hebrona ary Oziela.
3 アムラムの子等はアロン、モーセ、ミリアム、アロンの子等はナダブ、アビウ、エレアザル、イタマル
Ary ny zanak’ i Amrama dia Arona sy Mosesy ary Miriama. Ny zanakalahin’ i Arona dia Nadaba sy Abiho sy Eleazara ary Itamara.
4 エレアザル、ピネハスを生み ピネハス、アビシユアを生み
Eleazara niteraka an’ i Finehasa; ary Finehasa niteraka an’ i Abisoa;
5 アビシユア、ブツキを生み ブツキ、ウジを生み
ary Abisoa niteraka an’ i Boky; ary Boky niteraka an’ i Ozy;
6 ウジ、ゼラヒヤを生み ゼラヒヤ、メラヨテを生み
ary Ozy niteraka an’ i Zerahia; ary Zerahia niteraka an’ i Meraiota;
7 メラヨテ、アマリヤを生み アマリヤ、アヒトブを生み
ary Meraiota niteraka an’ i Amaria; ary Amaria niteraka an’ i Ahitoba;
8 アヒトブ、ザドクを生み ザドク、アヒマアズを生み
ary Ahitoba niteraka an’ i Zadoka; ary Zadoka niteraka an’ i Ahimaza;
9 アヒマアズ、アザリヤを生み アザリヤ、ヨハナンを生み
ary Ahimaza niteraka an’ i Azaria; ary Azaria niteraka an’ i Johanana;
10 ヨハナン、アザリヤを生り此アザリヤはヱルサレムなるソロモンの建たる宮にて祭司の職をなせし者なり
ary Johanana niteraka an’ i Azaria (ilay nanao fisoronana tao amin’ ny trano nataon’ i Solomona tany Jerosalema);
11 アザリヤ、アマリヤを生み アマリヤ、アヒトブを生み
ary Azaria niteraka an’ i Amaria; ary Amaria niteraka an’ i Ahitoba;
12 アヒトブ、ザドクを生み ザドク、シヤルムを生み
ary Ahitoba niteraka an’ i Zadoka; ary Zadoka niteraka an’ i Saloma;
13 シヤルム、ヒルキヤを生み ヒルキヤ、アザリヤを生み
ary Saloma niteraka an’ i Hilkia; ary Hilkia niteraka an’ i Azaria;
14 アザリヤ、セラヤを生み セラヤ、ヨザダクを生む
ary Azaria niteraka an’ i Seraia; ary Seraia niteraka an’ i Jozadaka;
15 ヨザダグはヱホバ、ネブカデネザルの手をもてユダおよびヱルサレムの人を擄へうつしたまひし時に擄へられて往り
ary dia lasan-ko babo Jozadaka, nony voatolotr’ i Jehovah ho babon’ i Nebokadnezara ny Joda sy Jerosalema.
16 レビの子等はゲルシヨン、コハテおよびメラリ
Ny zanakalahin’ i Levy dia Gersona sy Kehata ary Merary.
17 ゲルシヨンの子等の名は左のごとしリブニおよびシメイ
Ary izao no anaran’ ny zanakalahin’ i Gersona: Libny sy Semey.
18 コハテの子等はアムラム、イヅハル、ヘブロン、ウジエル
Ary ny zanakalahin’ i Kehata dia Amrama sy Jizara sy Hebrona ary Oziela.
19 メラリの子等はマヘリおよびムシ、レビ人の宗族はその宗家によれば是のごとし
Ny zanakalahin’ i Merary dia Maly sy Mosy. Ary izao no fokon’ ny Levita araka ny rainy:
20 ゲシヨンの子はリブニ その子はヤハテ その子はジンマ
Avy amin’ i Gersona: Libny no zanak’ i Gersona, Jahata no zanak’ i Libny, Zima no zanak’ i Jahata,
21 その子はヨア その子はイド その子はゼラ その子はヤテライ
Joa no zanak’ i Zima, Ido no zanak’ i Joa, Zera no zanak’ Ido, Jeateray zanak’ i Zera.
22 コハテの子はアミナダブ その子はコラ その子はアシル
Ny zanakalahin’ i Kehata dia Aminadaba, Kora no zanakalahin’ i Aminadaba, Asira no zakalahin’ i Kora,
23 その子はエルカナ その子はエビアサフ その子はアシル
Elkana no zanakalahin’ i Asira, Ebiasafa no zanakalahin’ i Elkana, Asira no zanakalahin’ i Ebiasafa,
24 その子はタハテ その子はウリエル その子はウジヤ その子はシヤウル
Tahata no zanakalahin’ i Asira, Oriela no zanakalahin’ i Tahata, Ozia no zanakalahin’ i Oriela, ary Saoly no zanakalahin’ i Ozia.
25 エルカナの子等はアマサイおよびアヒモテ
Ary ny zakalahin’ i Elkana dia Amasay sy Ahimota.
26 エルカナについてはエルカナの子はゾバイ その子はナハテ
Ny amin’ i Elkana, ny zananilahy dia Zofay, ary Nahata no zanakalahin’ i Zofay,
27 その子はエリアブ その子はヱロハム その子はエルカナ
Eliaba no zanakalahin’ i Nahata, Jerohama no zanakalahin’ i Eliaba, Elkana no zanakalahin’ i Jerohama.
28 サムエルの子等は長子はヨエル 次はアビヤ
Ary ny zanakalahin’ i Samoela dia Vasny lahimatoa sy Abia.
29 メラリの子はマヘリ その子はリブニ その子はシメイ その子はウザ
Ny zanakalahin’ i Merary dia Maly, Libny no zanakalahin’ i Maly, Semey no zanakalahin’ i Libny, Oza no zanakalahin’ i Semey,
30 その子はシメア その子はハギヤ その子はアサヤなり
Simea no zanakalahin’ i Oza, Hagia no zanakalahin’ i Simea, Asaba no zanakalahin’ i Hagia.
31 契約の櫃を安置せし後ダビデ左の人々を立てヱホバの家にて謳歌事を司どらせたり
Ary izao no notendren’ i Davida ho mpiventy hira tao amin’ ny tranon’ i Jehovah, rehefa voapetraka tao ny fiara,
32 彼等は集會の幕屋の住所の前にて謳歌事をおこなひ來りしがソロモン、ヱルサレムにヱホバの室を建るにおよびその次序に循ひてその職をつとめたり
ka nanao hira fanompoam-pivavahana izy tao amin’ ny tabernakely, dia ny trano-lay fihaonana, ambara-panaon’ i Solomona ny tranon’ i Jehovah tany Jerosalema; koa raha nanao ny raharahany izy, dia nitsangana araka ny filaharany avy,
33 立て奉事をなせるものおよびその子等は左のごとしコハテの子等の中ヘマンは謳歌師長たり ヘマンはヨルの子 ヨエルはサムエルの子
dia izao no nanompo mbamin’ ny zanany: Tamin’ ny zanakalahin’ ny Kehatita dia Hemana mpihira, zanakalahin’ i Joela, zanakalahin’ i Samoela,
34 サムエルはエルカナの子 エルカナはヱロハムの子 ヱロハムはエリエルの子 エリエルはトアの子
zanakalahin’ i Elkana, zanakalahin’ i Jerohama, zanakalahin’ i Eliala, zanakalahin’ i Toa.
35 トアはヅフの子 ヅフはエルカナの子 エルカナはマハテの子 マハテはアマサイの子
zanakalahin’ i Zofa, zanakalahin’ i Elkana, zanakalahin’ i Mahata, zanakalahin’ i Amasay,
36 アマサイはヱルカナの子 エルカナはヨエルの子 ヨエルはアザリヤの子 アザリヤはゼパニヤの子
zanakalahin’ i Elkana, zanakalahin’ i Joela, zanakalahin’ i Azaria, zanakalahin’ i Zefania,
37 ゼパニヤはタハテの子 タハテはアシルの子 アシルはエビアサフの子 エビアサフはコラの子
zanakalahin’ i Tahata, zanakalahin’ i Asira, zanakalahin’ i Ebiasafa, zanakalahin’ i Kora,
38 コラはイヅハルの子 イヅハルはコハテの子 コハテはレビの子 レビはイスラエルの子なり
zanakalahin’ i Jizara, zanakalahin’ i Kehata, zanakalahin’ i Levy, zanak’ Isiraely.
39 ヘマンの兄弟アサフ、ヘマンの右に立り アサフはベレキヤの子 ベレキヤはシメアの子
Ary Asafa rahalahiny, izay nitsangana teo amin’ ny ankavanany, dia Asafa, zanakalahin’ i Berekia, zanakalahin’ i Simea,
40 シメアはミカエルの子 ミカエルはバアセヤの子 バアセヤはマルキヤの子
zanakalahin’ i Mikaela, zanakalahin’ i Beseia, zanakalahin’ i Malkia,
41 マルキヤはエテニの子 エテニはゼラの子 ゼラはアダヤの子
zanakalahin’ i Etny, zanakalahin’ i Zera, zanakalahin’ i Adaia,
42 アダヤはエタンの子 エタンはジンマの子 ジンマはシメイの子
zanakalahin’ i Etana, zanakalahin’ i Zima, zanakalahin’ i Simey,
43 シメイはヤハテの子 ヤハテはゲルシヨンの子 ゲルシヨンはレビの子なり
zanakalahin’ i Jahata, zanakalahin’ i Gersona, zanakalahin’ i Levy.
44 また彼らの兄弟なるメラリ人等その左に立り 其中のエタンはキシの子なり キシはアブデの子 アブデはマルクの子
Ary ny rahalahin’ ireo kosa, dia ny zanakalahin’ i Merary, nitsangana teo amin’ ny ankaviany: Etana, zanakalahin’ i Kisy, zanakalahin’ i Abdia, zanakalahin’ i Maloka,
45 マルクはハシヤビヤの子 ハシヤビヤはアマジヤの子 アマジヤはヒルキヤの子
zanakalahin’ i Hasabia, zanakalahin’ i Amazia, zanakalahin’ i Hilkia,
46 ヒルキヤはアムジの子 アムジはバニの子 バニはセメルの子
zanakalahin’ i Amzy, zanakalahin’ i Bany, zanakalahin’ i Samera,
47 セメルはマヘリの子 マヘリはムシの子 ムシはメラリの子 メラリはレビの子なり
zanakalahin’ i Maly, zanakalahin’ i Mosy, zanakalahin’ i Merary, zanakalahin’ i Levy.
48 彼らの兄弟なるレビ人等は神の室の幕屋の諸の職に任ぜられたり
Ary ny Levita rahalahin’ ireo koa dia efa nomena hanao ny fanompoana rehetra ao amin’ ny tabernakelin’ ny tranon’ Andriamanitra.
49 アロンおよびその子等は燔祭の壇と香壇の上に物を献ぐることを司どりまた至聖所の諸の工をなし且イスラエルのために贖をなすことを司どれり凡て神の僕モーセの命じたるごとし
Fa Arona sy ny zananilahy no nanatitra teo ambonin’ ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana sy teo ambonin’ ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra, mba hanao ny raharaha rehetra ao amin’ ny fitoerana masìna indrindra sy hanao fanavotana ho an’ ny Isiraely, araka izay rehetra nandidian’ i Mosesy, mpanompon’ Andriamanitra.
50 アロンの子孫は左のごとし アロンの子はエレアザル その子はピネハス その子はアビシユア
Ary ny zanakalahin’ i Arona dia Eleazara, ary Finehasa no zanakalahin’ i Eleazara, Abisoa no zanakalahin’ i Finehasa,
51 その子はブツキ その子はウジ その子はゼラヒヤ
Boky no zanakalahin’ i Abisoa, Ozy no zanakalahin’ i Boky, Zerahia no zanakalahin’ i Ozy,
52 その子はメラヨテ その子はアマリヤ その子はアヒトブ
Meraiota no zanakalahin’ i Zerahia, Amaria no zanakalahin’ i Meraiota, Ahitoba no zanakalahin’ i Amaria,
53 その子はザドク その子はアヒマアズ
Zadoka no zanakalahin’ i Ahitoba, Ahimaza no zanakalahin’ i Zadoka.
54 アロンの子孫の住處は四方の境の内にありその閭里に循ひていはば左の如し先コハテ人の宗族が籤によりて得たるところは是なり
Ary izao no fonenany araka ny vohiny tao amin’ ny zara-taniny avy, dia ny an’ ny taranak’ i Arona, avy amin’ ny fokon’ ny Kehatita; fa azy ny loka:
55 すなはちユダの地の中よりはヘブロンとその周圍の郊地を得たり
Nomeny azy Hebrona tao amin’ ny tanin’ ny Joda sy ny tany manodidina azy.
56 但しその邑の田野と村々はヱフンネの子カレブに歸せり
Fa ny saha momba ny tanàna sy ny vohiny kosa nomeny an’ i Kaleba, zanak’ i Jefone.
57 すなはちアロンの子孫の得たる邑は逃遁邑なるヘブロン、リブナとその郊地 ヤツテルおよびエシテモアとそれらの郊地
Ary ny taranak’ i Arona nomeny an’ i Hebrona, tanàna fiarovana, ary Libna sy ny tany manodidina azy ary Jatira sy Estemoa sy ny tany manodidina azy
58 ホロンとその郊地 デビルとその郊地
ary Hilena sy ny tany manodidina azy ary Debira sy ny tany manodidina azy
59 アシヤンとその郊地 ベテシメシとその郊地なり
ary Asana sy ny tany manodidina azy ary Beti-semesy sy ny tany manodidina azy;
60 またベニヤミンの支派の中よりはゲバとその郊地 アレメテとその郊地 アナトテとその郊地を得たり 彼らの邑はその宗族の中に都合十三ありき
ary avy tamin’ ny firenen’ i Benjamina dia Geba sy ny tany manodidina azy ary Alemeta sy ny tany manodidina azy ary Anotata sy ny tany manodidina azy. Dia telo ambin’ ny folo no isan’ ny tanànan’ izy mianakavy rehetra.
61 またコハテの子孫の支派の中此他なる者はかの半支派の中即ちマナセの半支派の中より籤によりて十の邑を得たり
Ary ny an’ ny taranak’ i Kehata sisa tamin’ ny fokon’ izany firenena izany dia tanàna folo araka ny filokana tamin’ ny antsasaky ny firenen’ i Manase.
62 またゲルシヨンの子孫の宗族はイツサカルの支派アセルの支派ナフタリの支派及びバシヤンなるマナセの支派の中より十三の邑を得たり
Ary ny an’ ny taranak’ i Gersona araka ny fokony dia tanàna telo ambin’ ny folo tamin’ ny firenen’ Isakara sy ny firenen’ i Asera sy ny firenen’ i Naftaly ary ny firenen’ i Manase any Basana.
63 またメラリの子孫の宗族はルベンの支派ガドの支派およびゼブルンの支派の中より籤によりて十二の邑を得たり
Ary ny loka azon’ ny taranak’ i Merary araka ny fokony dia tanàna roa ambini ny folo avy tamin’ ny firenen’ i Robena sy ny firenen’ i Gada ary ny firenen’ i Zebolona.
64 イスラエルの子孫は邑とその郊地とをレビ人に與へたり
Dia nomen’ ny Zanak’ i Isiraely ho an’ ny Levita ireo tanàna ireo sy ny tany manodidina azy.
65 即ちユダの子孫の支派とシメオンの子孫の支派とベニヤミンの子孫の支派の中よりして此に名を擧たる是等の邑を籤によりて之に與へたり
Ary nomeny tamin’ ny filokana ireto tanàna tononina ireto avy tamin’ ny firenena taranak’ i Joda sy ny firenena taranak’ i Simeona ary ny firenena taranak’ i Benjamina.
66 コハテの子孫の宗族はまたエフライムの支派の中よりも邑を得てその領地となせり
Fa ny sasany amin’ ny fokon’ ny taranak’ i Kehata dia nahazo tanàna avy tamin’ ny firenen’ i Efraima.
67 即ちその得たる逃遁邑はエフライム山のシケムとその郊地およびゲゼルとその郊地
Ary nomeny azy Sekema, tanàna fiarovana, tao amin’ ny tany havoan’ i Efraima sy ny tany manodidina azy ary Gazera sy ny tany manodidina azy
68 ヨクメアムとその郊地 ベテホロンとその郊地
ary Jokmeama sy ny tany manodidina azy ary Beti-horona sy ny tany manodidina azy
69 アヤロンとその郊地 ガテリンモンとその郊地なり
ary Aialona sy ny tany manodidina azy ary Gata-rimona sy ny tany manodidina azy;
70 またマナセの半支派の中よりはアネルとその郊地 ビレアムとその郊地是みなコハテの子孫の遺れる宗族に歸せり
ary ny avy tamin’ ny antsasaky ny firenen’ i Manase dia Amera sy ny tany manodidina azy ary Bileama sy ny tany manodidina azy, dia ho an’ ny fokon’ ny taranak’ i Kehata sisa.
71 ゲルシヨンの子孫に歸せし者はマナセの半支派の宗族の中よりはバシヤンのゴランとその郊地 アシタロテとその郊地
Ary ny an’ ny taranak’ i Gersona dia Golana any Basana sy ny tany manodidina azy ary Astarta, sy ny tany manodidina azy avy tamin’ ny antsasaky ny firenen’ i Manase;
72 イツサカルの支派の中よりはゲデシとその郊地 ダベラテとその郊地
ary ny avy tamin’ ny firenen’ Isakara dia Kadesy sy ny tany manodidina azy ary Daberata sy ny tany manodidina azy
73 ラモテとその郊地 アネムとその郊地
ary Ramota sy ny tany manodidina azy ary Anema sy ny tany manodidina azy;
74 アセル支派の中よりはミシアルとその郊地 アブドンとその郊地
ary ny avy tamin’ ny firenen’ i Asera dia Masala sy ny tany manodidina azy ary Abdona sy ny tany manodidina azy
75 ホコクとその郊地レホブとその郊地
ary Hokoka sy ny tany manodidina azy ary Rehoba sy ny tany manodidina azy;
76 ナフタリの支派の中よりはガリラヤのゲデシとその郊地 ハンモンとその郊地 キリアタイムとその郊地
ary ny avy tamin’ ny firenen’ i Naftaly dia Kadesy any Galilia sy ny tany manodidina azy ary Hamona sy ny tany manodidina azy ary Kiriataima sy ny tany manodidina azy.
77 比外の者すなはちメラリの子孫に歸せし者はゼブルンの支派の中よりはリンモンとその郊地 タボルとその郊地
Ary ny an’ ny sisa, taranak’ i Merary, dia avy tamin’ ny firenen’ i Zebolona, dia Rimono sy ny tany manodidina azy ary Tabara sy ny tany manodidina azy;
78 ヱリコに對するヨルダンの彼旁すなはちヨルダンの東においてルベンの支派の中よりは曠野のベゼルとその郊地 ヤザとその郊地
ary any an-dafin’ i Jordana, tandrifin’ i Jeriko, atsinanan’ i Jordana, koa dia avy tamin’ ny firenen’ i Robena, dia Bazera any an-efitra sy ny tany manodidina azy ary Jaza sy ny tany manodidina azy
79 ケデモテとその郊地 メバアテとその郊地
ary Kedemota sy ny tany manodidina azy ary Mefata sy ny tany manodidina azy;
80 ガドの支派の中よりはギレアデのラモテとその郊地 マハナイムとその郊地
ary avy tamin’ ny firenen’ i Gada dia Ramota-gileada sy ny tany manodidina azy ary Mahanaima sy ny tany manodidina azy
81 ヘシボンとその郊地 ヤゼルとその郊地
ary Hesbona sy ny tany manodidina azy ary Jazera sy ny tany manodidina azy.

< 歴代誌Ⅰ 6 >