< 歴代誌Ⅰ 11 >

1 茲にイスラエルの人みなヘブロンに集まりてダビデの許に詣り言けるは我らは汝の骨肉なり
Ary dia nivory teo amin’ i Davida tao Hebrona ny Isiraely rehetra ka nanao hoe: Indreto izahay, fa taolanao sy nonao.
2 前にサウルが王たりし時にも汝はイスラエルを率ゐで出入する者なりき又なんぢの神ヱホバ汝にむかひて汝はわが民イスラエルを牧養ふ者となり我民イスラエルの君とならんと言たまへりと
Hatry ny fahiny ihany koa, fony Saoly mbola nanjaka aza, dia ianao ihany no mpitarika ny Isiraely nivoaka sy niditra; ary hoy Jehovah Andriamanitrao taminao; Hianao no ho mpiandry ny Isiraely oloko, ary ianao no ho mpanapaka azy.
3 斯イスラエルの長老みなヘブロンにきたりて王の許にいたりければダビデ、ヘブロンにてヱホバの前に彼らと契約をたてたり彼らすなはちダビデに膏をそそぎてイスラエルの王となしサムエルによりて傳はりしヱホバの言のごとくせり
Eny, tonga tao amin’ ny mpanjaka tao Hebrona ny loholon’ ny Isiraely rehetra; ary Davida nanao fanekena taminy tao Hebrona teo anatrehan’ i Jehovah; ary dia nanosotra an’ i Davida ho mpanjakan’ ny Isiraely izy araka ny tenin’ i Jehovah izay nampilazainy an’ i Samoela.
4 かくてダビデはイスラエルの人々を率ゐてエルサレムに往りヱルサレムは即ちヱブスなりその國の土人ヱブス人其處に居り
Ary Davida sy ny Isiraely rehetra nankany Jerosalema (Jebosa izany); ary tao ny Jebosita tompon-tany.
5 是においてヱブスの民ダビデに言けるは汝は此に入べからずと然るにダビデはシオンの城を取り是すなはちダビデの邑なり
Ary hoy ny mponina tao Jebosa tamin’ i Davida: Tsy ho tafiditra eto ianao. Kanjo afak’ i Davida ihany ny batery fiarovana, dia Ziona (Tanànan’ i Davida izany).
6 この時ダビデいひけるは誰にもあれ第一にエブス人を撃やぶる者を首となし將となさんと斯てゼルヤの子ヨアブ先登して首となれり
Ary hoy Davida: Na iza na iza no hamely voalohany ny Jebosita, dia izy no ho lohany sy ho komandy. Ary Joaba, zanak’ i Zeroia, no niakatra voalohany, ka dia izy no lohany.
7 ダビデその城に住たればこれをダビデの邑と稱へたり
Dia nitoetra tao anatin’ ny batery fiarotana Davida, ka izany no nanaovana ny anarany hoe Tanànan’ i Davida
8 ダビデまたその邑の四方すなはちミロ(城塞)より内の四方に建築をなせり邑の中のその餘の處はヨアブこれを修理へり
Ary nandrafitra ny manodidina ny tanàna hatrany Milo izy; ary Joaba nampamboatra ny sisa tamin’ ny tanàna.
9 斯てダビデはますます大になりゆけり萬軍のヱホバこれとともに在したればなり
Koa dia nandroso nihalehibe Davida; fa Jehovah, Tompon’ ny maro, no nomba azy.
10 ダビデが有る勇士の重なる者は左のごとし是等はイスラエルの一切の人とともにダビデに力をそへて國を得させ終にこれを王となしてヱホバがイスラエルにつきて宣ひし言を果せり
Ary izao no lohan’ ny lehilahy maherin’ i Davida izay nifikitra mafy taminy tamin’ ny fanjakany, mbamin’ ny Isiraely rehetra hampanjaka azy araka ny tenin’ i Jehovah ny amin’ ny Isiraely.
11 ダビデの有る勇士の數は是のごとし第一は三十人の長たるハクモニ人の子ヤシヨベアム彼は槍を揮ひて一時に三百人を衝殺せし事あり
Dia izao no isan’ ny lehilahy maherin’ i Davida: Jasobeama, zanak’ i Hakmony, lehiben’ ny mpanafika malaza; izy no namely telon-jato lahy tamin’ ny lefona ka naharingana azy tamin’ ny ady indray mandeha monja.
12 彼の次はアホア人ドドの子エレアザルにして三勇士の中なり
Ary ny manarakaraka azy dia Eleazara, zanak’ i Dodo Ahohita, anankiray amin’ izy telo lahy mahery.
13 彼ダビデとともにパスダミムに在けるにペリシテ人其處に集りきて戰へり其處に大麥の滿たる地一箇所あり時に民ペリシテ人の前より逃たりしが
Izy dia teo amin’ i Davida tao Efesa-damima, raha vory teo ny Filistina hiady, ary ny tany nisy vary hordea maniry, ary ny olona nandositra ny Filistina.
14 彼その地所の中に踐とどまり之を護りてペリシテ人を殺せり而してヱホバ大なる拯救をほどこして之を救ひたまへり
Fa nijanona teo afovoan’ io tany io kosa Eleazara ka nahazo io ary namono ny Filistina, ka dia nanao famonjena lehibe Jehovah.
15 三十人の長なる三人の者アドラムの洞穴に下り磐の處に往てダビデに詣りし事あり時にペリシテ人の軍兵はレパイムの谷に陣どれり
Ary nisy telo lahy malaza tamin’ ny telo-polo nidina nankeo amin’ ny vatolampy ho any amin’ i Davida tamin’ ny zohin’ i Adolama; ary ny miaramilan’ ny Filistina nitoby tao amin’ ny Lohasahan’ ny Refaïta.
16 その時ダビデは砦に居りペリシテ人の鎮臺兵はベテレヘムにありけるが
Ary Davida dia tao amin’ ny batery fiarovana tamin’ izay, ary ny miaramilan’ ny Filistina kosa dia tao Betlehema.
17 ダビデ慕ひ望みて言けるは誰かベテレヘムの門にある井の水を持來りて我に飮せよかし
Ary Davida naniry ka nanao hoe: Enga anie ka hisy hampisotro rano ahy avy amin’ ny fantsakana ao Betlehema, ilay ao akaikin’ ny vavahady.
18 この三人すなはちペリシテ人の軍兵の中を衝とほりてベテレヘムの門にある井の水を汲取てダビデの許に携へきたれり然どダビデこれを飮ことをせす之をヱホバの前に灌ぎて
Ary izy telo lahy ireo namaky teo amin’ ny miaramilan’ ny Filistina ka nanovo rano tao amin’ ny fantsakana tao Betlehema, ilay tao akaikin’ ny vavahady, dia nentiny ho any amin’ i Davida. Kanjo tsy nety nisotro izy, fa naidiny ho an’ i Jehovah.
19 言けるは我神よ我決てこれを爲じ我いかで命をかけし此三人の血を飮べけんやと彼らその命をかけて之を携へきたりたればなり故にダビデこれを飮ことを爲ざりき此三勇士は是らの事を爲り
Fa hoy izy: Sanatria amiko eo anatrehan’ Andriamanitra raha hanao izany; hisotro ny ran’ ireto olona nanao vi-very ny ainy ireto va aho? fa nanao vi-very ny ainy izy ireo tamin’ ny nakany ity. Ka dia tsy nety nisotro izy. Izany zavatra izany no nataon’ ireo telo lahy mahery ireo.
20 ヨアブの兄弟アビシヤイは三人の長たり彼は槍を揮ひて三百人を衝ころし三人の中に名を得たり
Ary Abisay, rahalahin’ i Joaba, no lehibe tamin’ izy telo lahy; fa izy koa namely telonjato lahy tamin’ ny lefona ka nahafaty azy, ka dia izy no nalaza tamin’ izy telo lahy.
21 彼は第二の三人の中にて尤も貴くしてその首にせらる然ど第一の三人には及ばざりき
Eny, tamin’ izy telo lahy dia izy no nanana voninahitra mihoatra noho ny azy roa lahy, fa izy no lehibeny; nefa tsy nahomby azy telo lahy teo izy.
22 ヱホヤダの子カブジエルのベナヤは勇氣あり衆多の功績ありし者なり彼はモアブのアリエルの二人の子を撃殺せりまた雪の日に下りゆきて穴の中にて獅子一匹を撃殺せし事ありき
Ary Benaia, zanak’ i Joiada, zanaky ny lehilahy mahay tany Kabzela, izay nahavita asa be, izy no nahafaty ny roa lahy mahery tany Moaba; ary izy koa no nidina namono ny liona tao anatin’ ny lavaka fantsakana tamin’ ilay andro nisy oram-panala iny.
23 彼はまた長身五キユビト程なるエジプト人を殺せりそのエジプト人は機織の滕のごとき槍を手に執をりしに彼は杖をとりて之が許に下りゆきエジプト人の手よりその槍を捩とりてその槍をもて之を殺せり
Ary izy koa no namono ilay Egyptiana makadiry, izay dimy hakiho ny halavany, nefa teny an-tànan’ ilay Egyptiana nisy lefona tahaka ny vodi-tenon’ ny mpanenona; nefa namorotsahan’ i Benaia tamin’ ny tehiny ihany izy, dia nosarihany ny lefona teny an-tànan’ ilay Egyptiana, ka iny lefony iny ihany no namonoany azy.
24 ヱホヤダの子ベナヤ是等の事を爲し三勇士の中に名を得たり
Izany zavatra izany no nataon’ i Benaia, zanak’ i Joiada, ary tamin’ izy telo lahy mahery dia izy no nalaza.
25 彼は三十人の中にて尊かりしかども第一の三人には及ばざりきダビデかれを親兵の長となせり
Indro fa be voninahitra tamin’ ny telo-polo lahy izy, nefa tsy nahomby azy telo lahy teo; ary Davida nanao azy ho isan’ ny mpanolo-tsaina azy.
26 軍兵の中の勇士はヨアブの兄弟アサヘル、ベテレヘムのドドの子エルハナン
Ary ny lehilahy mahery dia Asahela, rahalahin’ i Joaba, sy Elanana, zanak’ i Dodo, avy any Betlehema,
27 ハロデ人シヤンマ、ペロニ人ヘレヅ
sy Samota Harorita sy Haleza Pelonita
28 テコア人イツケシの子イラ、アナトテ人アビエゼル
sy Ira, zanak’ Ikesy Tekoïta, sy Abiezera Anatotita
29 ホシヤ人シベカイ、アホア人イライ
sy Sibekay Hosatita sy Ely Ahohita
30 ネトパ人マハライ、ネトパ人バナアの子ヘレデ
sy Maharay Netofatita sy Heleda, zanak’ i Bana Netofatita,
31 ベニヤミンの子孫のギベアより出たるリバイの子イツタイ、ピラトン人ベナヤ
sy Itahy, zanak’ i Ribay avy any Gibean’ ny taranak’ i Benjamina, sy Benaia Piratonita
32 ガアシの谷のホライ、アルバテ人アビエル
sy Horay, any amin’ ny lohasahan-driak’ i Gasy, sy Abiela Arbatita
33 バハルム人アズマウテ、シヤルボニ人エリヤバ
sy Azmaveta Baharomita sy Eliaba Salbonita
34 ギゾニ人ハセム、ハラリ人シヤゲの子ヨナタン
sy ny zanak’ i Hasema Gizonita sy Jonatana, zanak’ i Sage Hararita,
35 ハラリ人サカルの子アヒアム、ウルの子エリパル
sy Ahiama, zanak’ i Sakara Hararita, sy Elifala, zanak’ i Ora,
36 メケラ人へペル、ペロニ人アヒヤ
sy Hefera Mekeratita sy Ahia Pelonita
37 カルメル人ヘヅライ、エズバイの子ナアライ
sy Hezro Karmelita sy Naray, zanak’ i Ezbay,
38 ナタンの兄弟ヨエル、ハグリの子ミブハル
sy Joela, rahalahin’ i Natana, sy Mibara, zanak’ i Hagry.
39 アンモニ人ゼレク、ゼルヤの子ヨアブの武器を執る者なるベエロテ人ナハライ
sy Zaleta Amonita sy Naharay Berotita, mpitondra ny fiadian’ i Joaba, zanak’ i Zeroia,
40 エテリ人イラ、エテリ人ガレブ
sy Ira Jitrita sy Gareba Jitrita
41 ヘテ人ウリヤ、アヘライの子ザバデ
sy Oria Hetita sy Zabada, zanak’ i Ahelay,
42 ルベン人シザの子アデナ是はルベン人の軍長の一人にして從者三十人を率ゐたり
sy Adina, zanak’ i Siza Robenita, mpifehy ny Robenita, ary ny namany telo-polo lahy koa,
43 マアカの子ハナン、ミテニ人ヨシヤバテ
sy Hanana, zanak’ i Maka, sy Josafata Mitnita
44 アシテラ人ウジヤ、アロエル人ホタンの子等シヤマとヱイエル
sy Ozia Astartita ary Sama sy Jeiela, zanak’ i Hotama Aroerita,
45 デジ人シムリの子エデアエルおよびその兄弟ヨハ、
sy Jediaela, zanak’ i Simry, sy Joha Tizita rahalahiny
46 マハウ人エリエル、エルナアムの子等エリバイおよびヨシヤワヤ、モアブ人イテマ
sy Eliala Mahavita sy Jeribay sy Josavia, zanak’ i Elnama, sy Jitma Moabita
47 エリエル、オベデ、ソメバ人ヤシエル
sy Eliala sy Obeda ary Jasiela Mezobaïta.

< 歴代誌Ⅰ 11 >