< Salmi 56 >

1 Per il Capo de’ musici. Su: “Colomba de’ terebinti lontani”. Inno di Davide quando i Filistei lo presero in Gat. Abbi pietà di me, o Dio, poiché gli uomini anelano a divorarmi; mi tormentano con una guerra di tutti i giorni;
Ho an’ ny mpiventy hira. Al-jonathelem-rehokim. Miktama nataon’ i Davida, fony nisambotra azy tany Gata ny Filistina. Mamindrà fo amiko, Andriamanitra ô, fa misafoaka manenjika ahy ny olona; miady amiko mandrakariva izy ka mampahory ahy.
2 i miei nemici anelano del continuo a divorarmi, poiché sono molti quelli che m’assalgono con superbia.
Misafoaka manenjika mandrakariva ny mpampahory ahy; maro tokoa no mirehareha miady amiko.
3 Nel giorno in cui temerò, io confiderò in te.
Amin’ ny andro atahorako no itokiako Anao.
4 Coll’aiuto di Dio celebrerò la sua parola; in Dio confido, e non temerò; che mi può fare il mortale?
Andriamanitra no iderako ny teniny; Andriamanitra no itokiako, ka tsy mba hatahotra aho; inona no hataon’ ny nofo amiko?
5 Torcon del continuo le mie parole; tutti i lor pensieri son vòlti a farmi del male.
Manimba ny raharahako mandra-kariva ireny; ny heviny rehetra dia ny hanisy ratsy ahy ihany.
6 Si radunano, stanno in agguato, spiano i miei passi, come gente che vuole la mia vita.
Miangona izy, miery izy, mitsongo-dia ahy izy, satria mikendry ny aiko.
7 Rendi loro secondo la loro iniquità! O Dio, abbatti i popoli nella tua ira!
Amin’ izany faharatsiany izany moa hisy hahafahany va? Aripaho amin’ ny fahatezeranao ny firenena. Andriamanitra ô.
8 Tu conti i passi della mia vita errante; raccogli le mie lacrime negli otri tuoi; non sono esse nel tuo registro?
Manisa ny firenireneko Hianao; ataovy ao an-tavoahanginao ny ranomasoko; tsy eo amin’ ny bokinao va ireny?
9 Nel giorno ch’io griderò, i miei nemici indietreggeranno. Questo io so: che Dio è per me.
Amin’ izay dia hiamboho ny fahavaloko amin’ ny andro hiantsoako Anao; izao dia fantatro, fa momba ahy Andriamanitra.
10 Coll’aiuto di Dio celebrerò la sua parola; coll’aiuto dell’Eterno celebrerò la sua parola.
Andriamanitra no iderako ny teniny; Jehovah no iderako ny teniny.
11 In Dio confido e non temerò; che mi può far l’uomo?
Andriamanitra no itokiako; ka tsy mba hatahotra aho; inona no hataon’ ny olona amiko?
12 Tengo presenti i voti che t’ho fatti, o Dio; io t’offrirò sacrifizi di lode;
Nivoady taminao aho, Andriamanitra ô, dia hanatitra fanati-pisaorana ho Anao.
13 poiché tu hai riscosso l’anima mia dalla morte, hai guardato i miei piedi da caduta, ond’io cammini, al cospetto di Dio, nella luce de’ viventi.
Fa efa nanafaka ny fanahiko tamin’ ny fahafatesana Hianao; eny, nanafaka ny tongotro Hianao mba tsy ho solafaka. Handehanako eo anatrehan’ Andriamanitra amin’ ny fahazavan’ ny velona.

< Salmi 56 >