< Numeri 14 >

1 ALLORA tutta la raunanza alzò la voce, e diede di gran grida, e il popolo pianse quella notte.
Dia nanandratra ny feony ny fiangonana rehetra ka nitaraina; ary nitomany ny olona tamin’ iny alina iny.
2 E tutti i figliuoli d'Israele mormorarono contro a Mosè, e contro ad Aaronne; e tutta la raunanza disse loro: Fossimo pur morti nel paese di Egitto, o fossimo pur morti in questo deserto.
Dia nimonomonona tamin’ i Mosesy sy Arona ny Zanak’ Isiraely rehetra, ka hoy ny fiangonana rehetra taminy; Inay anie isika mba maty tany amin’ ny tany Egypta ihany; na inay anie isika mba maty tatỳ amin’ ity efitra ity!
3 E perchè ci mena il Signore in quel paese, acciocchè siamo morti per la spada, e sieno le nostre mogli, e le nostre famiglie, in preda? non [sarebb'] egli meglio per noi di ritornarcene in Egitto?
Ary nahoana Jehovah no mitondra antsika ho amin’ ity tany ity ho lavon-tsabatra, ary ny vadintsika sy ny zanatsika madinika ho babo; tsy aleontsika miverina ho any Egypta va?
4 E dissero l'uno all'altro: Costituiamo[ci] un capo, e ritorniamocene in Egitto.
Dia nifampitaona hoe izy: Andeha hifidy mpitarika isika ka hiverina any Egypta.
5 Allora Mosè ed Aaronne si gittarono a terra sopra le lor facce, davanti a tutta la raunanza della comunanza de' figliuoli d'Israele.
Ary Mosesy sy Arona dia niankohoka teo anatrehan’ ny fivorian’ ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra.
6 E Giosuè, figliuolo di Nun, e Caleb, figliuolo di Gefunne, [ch'erano stati] di quelli che aveano spiato il paese, si stracciarono i vestimenti;
Ary Josoa, zanak’ i Nona, sy Kaleba, zanak’ i Jefone, izay isan’ ny nisafo ny tany, dia nandriatra ny fitafiany;
7 e dissero a tutta la raunanza de' figliuoli d'Israele: Il paese, per lo quale siamo passati, per ispiarlo, [è] un buonissimo paese.
ary niteny tamin’ ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra, izy roa lahy ka nanao hoe: Ny tany izay nalehanay nosafoina dia tany tsara indrindra.
8 Se il Signore ci è favorevole, egli c'introdurrà in quel paese, e cel darà; [che è] un paese stillante latte e miele.
Raha sitrak’ i Jehovah isika, dia hitondra antsika ho amin’ izany tany izany Izy, ka homeny antsika, dia tany tondra-dronono sy tantely.
9 Sol non ribellatevi contro al Signore, e non abbiate paura del popolo di quel paese; conciossiachè essi [sieno] nostro pane; la loro ombra s'è dipartita d'in su loro; e il Signore [è] con noi; non abbiatene paura.
Fa aza miodina amin’ i Jehovah ianareo, ary aza matahotra ny tompon-tany; fa hanina ho antsika ireo; ny fiarovany efa niala taminy, ary Jehovah momba antsika; koa aza matahotra azy ianareo.
10 Allora tutta la raunanza disse di lapidarli; ma la gloria del Signore apparve a tutti i figliuoli d'Israele, nel Tabernacolo della convenenza.
Fa hoy ny fiangonana rehetra: Torahy vato izy roa lahy. Kanjo ny voninahitr’ i Jehovah niseho teo amin’ ny trano-lay fihaonana, teo anatrehan’ ny Zanak’ Isiraely rehetra.
11 E il Signore disse a Mosè: Infino a quando mi dispetterà questo popolo? e infino a quando non crederanno essi in me, per tutti i miracoli che io ho fatti nel mezzo di lui?
Dia hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Mandra-pahoviana no hamotsifotsian’ ity firenena ity Ahy? ary mandra-pahoviana no tsy hinoany Ahy noho ny famantarana rehetra izay nataoko teo aminy?
12 Io lo percoterò di mortalità, e lo disperderò; e io ti farò divenire una nazione più grande, e più potente di lui.
Hamely azy amin’ ny areti-mandringana Aho ka hamongotra azy, fa hanao anao ho firenena lehibe sy mahery noho izy kosa.
13 E Mosè disse al Signore: Ma gli Egizj l'udiranno; conciossiachè tu abbi tratto fuori questo popolo del mezzo di loro, con la tua forza.
Dia hoy Mosesy tamin’ i Jehovah: Dia ho ren’ ny Egyptiana izany; fa ny herinao no nitondranao ity firenena ity nivoaka avy teo aminy,
14 E diranno agli abitanti di questo paese, [i quali] hanno inteso che tu, Signore, [sei] nel mezzo di questo popolo, e che tu apparisci loro a vista d'occhio, e che la tua nuvola si ferma sopra loro, e che tu cammini davanti a loro in colonna di nuvola di giorno, e in colonna di fuoco di notte;
ary holazainy amin’ ny monina eo amin’ ity tany ity izany; ary efa reny fa Hianao Jehovah no eto amin’ ity firenena ity, ary Hianao Jehovah no hita mifanatrika, ary ny rahonao mijanona eo amboniny, ary Hianao no mitarika azy eo aloha amin’ ny andri-rahona nony andro, ary amin’ ny andri-afo nony alina.
15 se, [dico], tu fai morir questo popolo, come un solo uomo le genti che avranno intesa la tua fama, diranno:
Fa raha mahafaty ity firenena ity toy ny olona iray Hianao, dia hiteny ny jentilisa, izay nandre ny lazanao, ka hanao hoe:
16 Perciocchè il Signore non ha potuto fare entrar cotesto popolo nel paese ch'egli avea lor giurato, egli li ha ammazzati nel deserto.
Satria tsy zakan’ i Jehovah ny mitondra iny firenena iny ho any amin’ ny tany izay nianianany taminy homena azy, dia namono azy tany an-efitra Izy.
17 Ora dunque, sia, ti prego, la potenza del Signore magnificata, [e fa'] secondo che tu hai parlato, dicendo:
Ary ankehitriny, aoka hiseho ny halehiben’ ny herin’ ny Tompo, araka ilay teninao hoe:
18 Il Signore [è] lento all'ira, e grande in benignità; egli perdona l'iniquità e il misfatto; ma altresì non assolve punto [il colpevole; anzi] fa punizione dell'iniquità de' padri sopra i figliuoli, infino alla terza e alla quarta [generazione].
Mahari-po Jehovah sady be famindram-po, mamela heloka sy fahadisoana, kanefa tsy mety manamarina ny meloka, fa mamaly ny heloky ny ray amin’ ny zanaka hatramin’ ny zafiafy sy ny zafindohalika.
19 Deh! perdona a questo popolo la sua iniquità, secondo la grandezza della tua benignità, e come tu gli hai perdonato dall'Egitto infin a qui.
Mifona aminao aho, mamelà ny helok’ ity firenena ity araka ny halehiben’ ny famindram-ponao, sy araka ny namelanao ny helok’ ity firenena ity hatrany Egypta ka mandraka ankehitriny.
20 E il Signore disse: io [gli] ho perdonato, secondo la tua parola.
Dia hoy Jehovah: Efa navelako araka ny teninao izany.
21 Ma pure, [come] io vivo, e [come] tutta la terra è ripiena della mia gloria;
Kanefa raha velona koa Aho, ka ho feno ny voninahitr’ i Jehovah ny tany rehetra,
22 niuno di quegli uomini che hanno veduta la mia gloria, e i miei miracoli che io ho fatti in Egitto, e nel deserto, e pur m'hanno tentato già dieci volte, e non hanno ubbidito alla mia voce;
ireo lehilahy rehetra ireo, izay nahita ny voninahitro sy ny famantarako izay nataoko tany Egypta sy tany an-efitra, nefa naka fanahy Ahy izao im-polo izao, ka tsy nihaino ny feoko,
23 non vedrà il paese, il quale ho giurato a' lor padri; niuno di quelli che m'hanno dispettato non lo vedrà.
dia tsy hahita mihitsy ny tany izay nianianako tamin’ ny razany homena azy; eny, izay rehetra namotsifotsy Ahy dia samy tsy hahita izany.
24 Ma, quant'è a Caleb, mio servitore, perchè in lui è stato un altro spirito, e m'ha seguitato appieno, io l'introdurrò nel paese nel quale egli è andato, e la sua progenie lo possederà.
Fa ny amin’ i Kaleba mpanompoko kosa, satria fanahy hafa no tao aminy, ka tanteraka tamin’ ny fanarahana Ahy izy, dia ho entiko ho any amin’ ny tany izay nalehany izy, ary ny zanany handova izany.
25 Or gli Amalechiti e i Cananei abitano nella Valle, e [però] domani voltate faccia, e camminate verso il deserto, traendo verso il mar rosso.
Ary ny Amalekita sy ny Kananita no mponina eo amin’ ny lohasaha; koa rahampitso dia miverena ianareo, ka mankanesa any an-efitra amin’ ny lalana mankany amin’ ny Ranomasina Mena.
26 Il Signore parlò ancora a Mosè e ad Aaronne, dicendo:
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy sy Arona ka nanao hoe:
27 Infino a quando [sofferirò] io questa malvagia raunanza, che mormora contro a me? io ho uditi i mormorii de' figliuoli d'Israele, co' quali mormorano contro a me.
Mandra-pahoviana no mbola handeferako amin’ izao fiangonana ratsy mimonomonona amiko izao? Efa reko ny fimonomononan’ ny Zanak’ Isiraely, izay imonomononany amiko.
28 Di' loro: [Come] io vivo, dice il Signore, io vi farò come voi avete parlato a' miei orecchi.
Lazao aminy hoe: Raha velona koa Aho, hoy Jehovah, dia araka izay nolazainareo teo anatrehako no hataoko aminareo:
29 I vostri corpi caderanno morti in questo deserto; e quant'è a tutti gli annoverati d'infra voi, seconda tutto il vostro numero, dall'età di vent'anni in su, che avete mormorato contro a me;
Etỳ amin’ ity efitra ity no hiampatramparan’ ny fatinareo; ary ianareo rehetra izay voalamina araka ny nanisana anareo, dia ny hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra, izay efa nimonomonona tamiko,
30 se voi entrate nel paese del quale io alzai la mano che io vi ci stanzierei; salvo Caleb, figliuolo di Gefunne; e Giosuè, figliuolo di Nun.
dia tsy ho tonga mihitsy any amin’ ny tany izay nananganako tanana hamponenana anareo, afa-tsy Kaleba, zanak’ i Jefone, sy Josoa, zanak’ i Nona.
31 Ma io ci farò entrare i vostri piccoli fanciulli, de' quali voi avete detto che sarebbero in preda; ed essi conosceranno [che cosa è] il paese, il quale voi avete sdegnato.
Fa ny zanakareo madinika kosa, izay nolazainareo fa ho babo, dia izy no ho entiko miditra, ary izy no hahalala ny tany izay nolavinareo.
32 Ma di voi i corpi caderanno morti in questo deserto.
Fa ny aminareo, dia hiampatrampatra amin’ ity efitra ity ny fatinareo;
33 E i vostri figliuoli andranno pasturando nel deserto, [per] quarant'anni, e porteranno [la pena del]le vostre fornicazioni, finchè i vostri corpi morti sieno consumati nel deserto.
ary ny zanakareo hirenireny toy ny mpiandry ondry atỳ an-efitra efa-polo taona ka hiharan’ ny valin’ ny fijangajanganareo, mandra-pahafatinareo rehetra atỳ an-efitra.
34 Voi porterete [la pena del]le vostre iniquità per quarant'anni, secondo il numero de' quaranta giorni che siete stati in ispiare il paese, un anno per un giorno; e voi conoscerete come io rompo [le] mie [promesse].
Araka ny isan’ ny andro efa-polo izay nisafoanareo ny tany, ka ny andro iray hosoloana taona iray no hitondranareo ny helokareo efa-polo taona; ka dia ho fantatrareo ny fahafoizako anareo.
35 Io il Signore ho parlato. Se io non fo questo a tutta questa malvagia raunanza, che si è convenuta contro a me; essi verranno meno in questo deserto, e vi morranno.
Izaho Jehovah efa nilaza fa hataoko tokoa izany amin’ izao fiangonana ratsy rehetra izao, izay miangona hiodina amiko; etỳ amin’ ity efitra ity no hahalany ritra azy, ary etỳ no hahafatesany.
36 E quegli uomini che Mosè avea mandati per ispiare il paese, i quali, essendo tornati, aveano fatta mormorar tutta la raunanza contro a lui, infamando quel paese;
Ary ny lehilahy izay nirahin’ i Mosesy hisafo ny tany, dia izay niverina ka nampimonomonona ny fiangonana rehetra tamin’ i Mosesy, satria nanao laza ratsy ny tany izy,
37 quegli uomini, [dico], che aveano sparso un cattivo grido di quel paese, morirono di piaga, davanti al Signore.
dia matin’ ny areti-mandringana teo anatrehan’ i Jehovah ireny lehilahy nilaza ratsy ny tany ireny.
38 Ma Giosuè, figliuolo di Nun, [e] Caleb, figliuolo di Gefunne, restarono in vita, d'infra quelli ch'erano andati per ispiare il paese.
Fa Josoa, zanak’ i Nona, sy Kaleba, zanak’ i Jefone, kosa, izay isan’ ny lehilahy nandeha nisafo ny tany, dia velona ihany.
39 Or Mosè riferì quelle parole a tutti i figliuoli d'Israele; e il popolo ne fece un gran cordoglio.
Dia nolazain’ i Mosesy tamin’ ny Zanak’ Isiraely rehetra izany teny izany; ka dia nanjoretra terỳ ny olona.
40 E la mattina seguente si levarono, e salirono alla sommità del monte, dicendo: Eccoci; noi saliremo al luogo che il Signore ha detto; perciocchè noi abbiamo peccato.
Dia nifoha maraina koa izy ary niakatra tany an-tampon’ ny tendrombohitra ka nanao hoe: Indreto izahay hiakatra ho any amin’ ny tany izay nolazain’ i Jehovah, fa efa nanota izahay.
41 Ma Mosè disse: Perchè trapassate il comandamento del Signore? ciò non prospererà.
Dia hoy Mosesy: Nahoana no mandika ny didin’ i Jehovah ianareo? fa tsy hambinina izany.
42 Non salite; conciossiachè il Signore non [sia] nel mezzo di voi; che talora, se vi affrontate co' vostri nemici, non siate sconfitti.
Aza miakatra, fa tsy momba anareo Jehovah,
43 Perchè colà davanti a voi [son] gli Amalechiti, e i Cananei, e voi sarete morti per la spada; perciocchè voi vi siete rivolti di dietro al Signore; ed egli non sarà con voi.
fandrao ho resy eo anoloan’ ny fahavalonareo ianareo; fa ny Amalekita sy ny Kananita dia eo anoloanareo, ka ho lavon-tsabatra ianareo; satria niala tamin’ ny fanarahana an’ i Jehovah ianareo, dia tsy homba anareo Izy.
44 Nondimeno essi si attentarono temerariamente di salire alla sommità del monte; ma l'Arca del Patto del Signore, e Mosè non si mossero di mezzo al campo.
Kanjo sahisahy foana izy ka niakatra teo an-tampon’ ny tendrombohitra ihany; nefa Mosesy sy ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah tsy niala teo an-toby.
45 E gli Amalechiti, e i Cananei, che abitavano in quel monte, scesero giù, e li percossero, e li ruppero, [perseguendoli] fino in Horma.
Dia nidina ny Amalekita sy ny Kananita, izay nonina teo amin’ izany tendrombohitra izany, ka namely azy ary nanorotoro azy hatrany Horma.

< Numeri 14 >