< תְהִלִּים 3 >

מִזְמֹ֥ור לְדָוִ֑ד בְּ֝בָרְחֹ֗ו מִפְּנֵ֤י ׀ אַבְשָׁלֹ֬ום בְּנֹֽו׃ יְ֭הוָה מָֽה־רַבּ֣וּ צָרָ֑י רַ֝בִּ֗ים קָמִ֥ים עָלָֽי׃ 1
Salamo nataon’ i Davida, fony izy nandositra an’ i Absaloma zanany. Jehovah ô, akory izato hamaroan’ ny mampahory ahy! Maro no mitsangana hanohitra ahy.
רַבִּים֮ אֹמְרִ֪ים לְנַ֫פְשִׁ֥י אֵ֤ין יְֽשׁוּעָ֓תָה לֹּ֬ו בֵֽאלֹהִ֬ים סֶֽלָה׃ 2
Maro no milaza ny fanahiko hoe: tsy manam-pamonjena amin’ Andriamanitra izy. (Sela)
וְאַתָּ֣ה יְ֭הוָה מָגֵ֣ן בַּעֲדִ֑י כְּ֝בֹודִ֗י וּמֵרִ֥ים רֹאשִֽׁי׃ 3
Kanjo Hianao, Jehovah ô, no ampinga manodidina ahy, Voninahitro sy mpanandratra ny lohako.
קֹ֭ולִי אֶל־יְהוָ֣ה אֶקְרָ֑א וַיַּֽעֲנֵ֨נִי מֵהַ֖ר קָדְשֹׁ֣ו סֶֽלָה׃ 4
Amin’ ny feoko no iantsoako an’ i Jehovah, ary any an-tendrombohiny masìna no mamaly ahy Izy.
אֲנִ֥י שָׁכַ֗בְתִּי וָֽאִ֫ישָׁ֥נָה הֱקִיצֹ֑ותִי כִּ֖י יְהוָ֣ה יִסְמְכֵֽנִי׃ 5
Izaho nandry ka natory; nifoha aho, satria Jehovah no manohana ahy. (Sela)
לֹֽא־אִ֭ירָא מֵרִבְבֹ֥ות עָ֑ם אֲשֶׁ֥ר סָ֝בִ֗יב שָׁ֣תוּ עָלָֽי׃ 6
Tsy hatahotra olona alinalina aho, izay milahatra manodidina hamely ahy.
ק֘וּמָ֤ה יְהוָ֨ה ׀ הֹושִׁ֘יעֵ֤נִי אֱלֹהַ֗י כִּֽי־הִכִּ֣יתָ אֶת־כָּל־אֹיְבַ֣י לֶ֑חִי שִׁנֵּ֖י רְשָׁעִ֣ים שִׁבַּֽרְתָּ׃ 7
Mitsangàna, Jehovah ô; vonjeo aho, Andriamanitro ô; fa efa namely ny takolaky ny fahavaloko rehetra Hianao; ny nifin’ ny ratsy fanahy novakivakinao.
לַיהוָ֥ה הַיְשׁוּעָ֑ה עַֽל־עַמְּךָ֖ בִרְכָתֶ֣ךָ סֶּֽלָה׃ 8
An’ i Jehovah ny famonjena; Ho amin’ ny olonao anie ny fitahianao. (Sela)

< תְהִלִּים 3 >