< תְהִלִּים 130 >

שִׁ֥יר הַֽמַּעֲלֹ֑ות מִמַּעֲמַקִּ֖ים קְרָאתִ֣יךָ יְהוָֽה׃ 1
Fihirana fiakarana.
אֲדֹנָי֮ שִׁמְעָ֪ה בְקֹ֫ולִ֥י תִּהְיֶ֣ינָה אָ֭זְנֶיךָ קַשֻּׁבֹ֑ות לְ֝קֹ֗ול תַּחֲנוּנָֽי׃ 2
Tompo ô, henoy ny feoko; Aoka ny sofinao hihaino tsara ny feon’ ny fifonako.
אִם־עֲוֹנֹ֥ות תִּשְׁמָר־יָ֑הּ אֲ֝דֹנָ֗י מִ֣י יַעֲמֹֽד׃ 3
Raha mandinika heloka Hianao, Jehovah ô, Iza no hahajanona, Tompo ô?
כִּֽי־עִמְּךָ֥ הַסְּלִיחָ֑ה לְ֝מַ֗עַן תִּוָּרֵֽא׃ 4
Fa eo aminao no misy ny famelan-keloka, Mba hatahorana Anao.
קִוִּ֣יתִי יְ֭הוָה קִוְּתָ֣ה נַפְשִׁ֑י וְֽלִדְבָרֹ֥ו הֹוחָֽלְתִּי׃ 5
Niandry an’ i Jehovah aho; eny, niandry Azy ny fanahiko, Ary ny teniny no nanantenako.
נַפְשִׁ֥י לַֽאדֹנָ֑י מִשֹּׁמְרִ֥ים לַ֝בֹּ֗קֶר שֹׁמְרִ֥ים לַבֹּֽקֶר׃ 6
Ny fanahiko miandry ny Tompo Mihoatra noho ny fiandrin’ ny mpiambina ny maraina, Dia ny fiandrin’ ny mpiambina ny maraina.
יַחֵ֥ל יִשְׂרָאֵ֗ל אֶל־יְה֫וָה כִּֽי־עִם־יְהוָ֥ה הַחֶ֑סֶד וְהַרְבֵּ֖ה עִמֹּ֣ו פְדֽוּת׃ 7
Manantenà an’ i Jehovah, ry Isiraely; Fa eo amin’ i Jehovah no misy famindram-po sy fanavotana be;
וְ֭הוּא יִפְדֶּ֣ה אֶת־יִשְׂרָאֵ֑ל מִ֝כֹּ֗ל עֲוֹנֹתָֽיו׃ 8
Ary Izy no hanavotra ny Isiraely Ho afaka amin’ ny helony rehetra.

< תְהִלִּים 130 >