< וַיִּקְרָא 12 >

וַיְדַבֵּ֥ר יְהוָ֖ה אֶל־מֹשֶׁ֥ה לֵּאמֹֽר׃ 1
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
דַּבֵּ֞ר אֶל־בְּנֵ֤י יִשְׂרָאֵל֙ לֵאמֹ֔ר אִשָּׁה֙ כִּ֣י תַזְרִ֔יעַ וְיָלְדָ֖ה זָכָ֑ר וְטָֽמְאָה֙ שִׁבְעַ֣ת יָמִ֔ים כִּימֵ֛י נִדַּ֥ת דְּוֹתָ֖הּ תִּטְמָֽא׃ 2
Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Raha misy vehivavy manan’ anaka ka tera-dahy, dia haloto hafitoana izy; tahaka ny andro fahalotoany raha mararin’ ny fadim-bolany no hahalotoany.
וּבַיֹּ֖ום הַשְּׁמִינִ֑י יִמֹּ֖ול בְּשַׂ֥ר עָרְלָתֹֽו׃ 3
Ary amin’ ny andro fahavalo dia hoforana ny zaza.
וּשְׁלֹשִׁ֥ים יֹום֙ וּשְׁלֹ֣שֶׁת יָמִ֔ים תֵּשֵׁ֖ב בִּדְמֵ֣י טָהֳרָ֑ה בְּכָל־קֹ֣דֶשׁ לֹֽא־תִגָּ֗ע וְאֶל־הַמִּקְדָּשׁ֙ לֹ֣א תָבֹ֔א עַד־מְלֹ֖את יְמֵ֥י טָהֳרָֽהּ׃ 4
Ary telo amby telo-polo andro no hitoeran-dravehivavy amin’ ny ràny izay mahadio azy; tsy hanendry zava-masìna izy, na hiditra ao amin’ ny fitoerana masìna, mandra-pahatapitry ny andro fidiovany.
וְאִם־נְקֵבָ֣ה תֵלֵ֔ד וְטָמְאָ֥ה שְׁבֻעַ֖יִם כְּנִדָּתָ֑הּ וְשִׁשִּׁ֥ים יֹום֙ וְשֵׁ֣שֶׁת יָמִ֔ים תֵּשֵׁ֖ב עַל־דְּמֵ֥י טָהֳרָֽה׃ 5
Fa raha tera-bavy kosa izy, dia haloto tapa-bolana, tahaka ny tamin’ ny fahalotoany ihany koa; ary enina amby enim-polo andro no hitoerany hidiovany amin’ ny ràny izay mahadio azy.
וּבִמְלֹ֣את ׀ יְמֵ֣י טָהֳרָ֗הּ לְבֵן֮ אֹ֣ו לְבַת֒ תָּבִ֞יא כֶּ֤בֶשׂ בֶּן־שְׁנָתֹו֙ לְעֹלָ֔ה וּבֶן־יֹונָ֥ה אֹו־תֹ֖ר לְחַטָּ֑את אֶל־פֶּ֥תַח אֹֽהֶל־מֹועֵ֖ד אֶל־הַכֹּהֵֽן׃ 6
Ary raha tapitra ny andro fidiovany ny amin’ ny zanany, na lahy na vavy, dia zanak’ ondry izay iray taona no halainy ho fanatitra dorana sy zana-boromailala, na domohina, ho fanatitra noho ny ota, ka ho entiny eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana ho eo amin’ ny mpisorona ireo.
וְהִקְרִיבֹ֞ו לִפְנֵ֤י יְהוָה֙ וְכִפֶּ֣ר עָלֶ֔יהָ וְטָהֲרָ֖ה מִמְּקֹ֣ר דָּמֶ֑יהָ זֹ֤את תֹּורַת֙ הַיֹּלֶ֔דֶת לַזָּכָ֖ר אֹ֥ו לַנְּקֵבָֽה׃ 7
Ary izy hanatitra izany eo anatrehan’ i Jehovah ka hanao fanavotana ho an-dravehivavy, dia hadio tamin’ ny fandehanan’ ny ràny izy. Izany no lalàna ny amin’ ny vehivavy tera-dahy na tera-bavy.
וְאִם־לֹ֨א תִמְצָ֣א יָדָהּ֮ דֵּ֣י שֶׂה֒ וְלָקְחָ֣ה שְׁתֵּֽי־תֹרִ֗ים אֹ֤ו שְׁנֵי֙ בְּנֵ֣י יֹונָ֔ה אֶחָ֥ד לְעֹלָ֖ה וְאֶחָ֣ד לְחַטָּ֑את וְכִפֶּ֥ר עָלֶ֛יהָ הַכֹּהֵ֖ן וְטָהֵֽרָה׃ פ 8
Ary raha tsy tratry ny ananany ny zanak’ ondry, dia hitondra domohina roa na zana-boromailala roa izy, ny anankiray hatao fanatitra dorana, ary ny anankiray kosa hatao fanatitra noho ny ota; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho an-dravehivavy, dia hadio izy.

< וַיִּקְרָא 12 >