< תהילים 86 >

תפלה לדוד הטה-יהוה אזנך ענני-- כי-עני ואביון אני 1
Fivavak’ i Davida.
שמרה נפשי כי-חסיד אני הושע עבדך אתה אלהי-- הבוטח אליך 2
Arovy ny fanahiko, fa masìna aho; Andriamanitro ô, vonjeo ny mpanomponao, Izay matoky Anao.
חנני אדני כי אליך אקרא כל-היום 3
Tompo ô, mamindrà fo amiko; Fa Hianao no itarainako mandrakariva.
שמח נפש עבדך כי אליך אדני נפשי אשא 4
Ampifalio ny fanahin’ ny mpanomponao; Fa Hianao, Tompo ô, no ananganako ny fanahiko.
כי-אתה אדני טוב וסלח ורב-חסד לכל-קראיך 5
Fa Hianao, Tompo ô, no tsara sady mamela heloka Ary be famindram-po amin’ izay rehetra miantso Anao.
האזינה יהוה תפלתי והקשיבה בקול תחנונותי 6
Mandrenesa ny fivavako, Jehovah ô, Ary henoy ny feon’ ny fifonako.
ביום צרתי אקראך כי תענני 7
Amin’ ny andro fahoriako dia miantso Anao aho, Fa mamaly ahy Hianao.
אין-כמוך באלהים אדני ואין כמעשיך 8
Tsy misy tahaka Anao, Tompo ô, amin’ ireo andriamanitra; Ary tsy misy tahaka ny asanao.
כל-גוים אשר עשית--יבואו וישתחוו לפניך אדני ויכבדו לשמך 9
Ny firenena rehetra nataonao dia ho avy hiankohoka eo anatrehanao, Tompo ô, Ka hanome voninahitra ny anaranao.
כי-גדול אתה ועשה נפלאות אתה אלהים לבדך 10
Fa lehibe Hianao ka manao zava-mahagaga; Hianao irery ihany no Andriamanitra.
הורני יהוה דרכך-- אהלך באמתך יחד לבבי ליראה שמך 11
Ampianaro ny lalanao aho, Jehovah ô, Dia handeha amin’ ny fahamarinanao aho; Ampiraiso ny foko hatahotra ny anaranao.
אודך אדני אלהי--בכל-לבבי ואכבדה שמך לעולם 12
Hidera Anao amin’ ny foko rehetra aho, Andriamanitro Tompo ô Hanome voninahitra ny anaranao mandrakizay aho.
כי-חסדך גדול עלי והצלת נפשי משאול תחתיה (Sheol h7585) 13
Fa lehibe ny famindram-ponao amiko; Ary efa novonjenao ny fanahiko tsy ho any amin’ ny fiainan-tsi-hita ambany indrindra. (Sheol h7585)
אלהים זדים קמו-עלי ועדת עריצים בקשו נפשי ולא שמוך לנגדם 14
Andriamanitra ô, ny mpirehareha mitsangana hanohitra ahy, Ary ny antokon’ ny lozabe mitady ny aiko; Ary tsy mba heveriny fa eo anatrehany Hianao.
ואתה אדני אל-רחום וחנון ארך אפים ורב-חסד ואמת 15
Fa Hianao, Tompo ô, dia Andriamanitra mamindrà fo sy miantra, Mahari-po sady be famindram-po sy fahamarinana.
פנה אלי וחנני תנה-עזך לעבדך והושיעה לבן-אמתך 16
Todiho aho ka amindrao fo; Omeo ny herinao ny mpanomponao, Ary vonjeo ny zanaky ny ankizivavinao.
עשה-עמי אות לטובה ויראו שנאי ויבשו-- כי-אתה יהוה עזרתני ונחמתני 17
Anehoy famantarana ny ho soa aho, Mba ho hitan’ izay mankahala ahy, ka ho menatra izy; Fa Hianao Jehovah ô, no namonjy sy nampionona ahy.

< תהילים 86 >