< תהילים 146 >

הללו-יה הללי נפשי את-יהוה 1
Haleloia. Miderà an’ i Jehovah, ry fanahiko.
אהללה יהוה בחיי אזמרה לאלהי בעודי 2
Hidera an’ i Jehovah aho, raha mbola miaina koa; Eny, hankalaza an’ Andriamanitra aho, raha mbola velona koa.
אל-תבטחו בנדיבים-- בבן-אדם שאין לו תשועה 3
Aza matoky ny lehibe, Na ny zanak’ olombelona izay tsy mahavonjy.
תצא רוחו ישב לאדמתו ביום ההוא אבדו עשתנתיו 4
Miala ny fofonainy, ka miverina ho amin’ ny taniny izy; Ary amin’ izay indrindra no hahafoanan’ ny fikasany.
אשרי--שאל יעקב בעזרו שברו על-יהוה אלהיו 5
Sambatra izay manana an’ Andriamanitr’ i Jakoba ho Mpanampy azy Sady manantena an’ i Jehovah Andriamaniny,
עשה שמים וארץ-- את-הים ואת-כל-אשר-בם השמר אמת לעולם 6
Izay nanao ny lanitra sy ny tany, Ny ranomasina sy izay rehetra ao anatiny, Izay mitandrina fahamarinana mandrakizay,
עשה משפט לעשוקים--נתן לחם לרעבים יהוה מתיר אסורים 7
Izay manome rariny ho an’ ny ampahoriana, Izay manome hanina ho an’ ny noana. Jehovah mamaha ny mpifatotra;
יהוה פקח עורים--יהוה זקף כפופים יהוה אהב צדיקים 8
Jehovah mampahiratra ny jamba Jehovah mampitraka ny mitanondrika; Jehovah tia ny marina;
יהוה שמר את-גרים--יתום ואלמנה יעודד ודרך רשעים יעות 9
Jehovah miaro ny vahiny Ary manandratra ny kamboty sy ny mpitondratena, Fa mamadika ny lalan’ ny ratsy fanahy kosa.
ימלך יהוה לעולם-- אלהיך ציון לדר ודר הללו-יה 10
Manjaka mandrakizay Jehovah, Hatramin’ ny taranaka fara mandimby Andriamanitrao, ry Ziona. Haleloia.

< תהילים 146 >