< תהילים 124 >
שיר המעלות לדוד לולי יהוה שהיה לנו-- יאמר-נא ישראל | 1 |
Fihirana fiakarana. Nataon’ i Davida.
לולי יהוה שהיה לנו-- בקום עלינו אדם | 2 |
Raha tsy Jehovah no nomba antsika, Raha nitsangana hamely antsika ny olona.
אזי חיים בלעונו-- בחרות אפם בנו | 3 |
Dia nitelina antsika velona izy, Raha nirehitra tamintsika ny fahatezerany;
אזי המים שטפונו-- נחלה עבר על-נפשנו | 4 |
Dia nandifotra antsika ny rano, Ary nanafotra ny fanahintsika ny riaka;
אזי עבר על-נפשנו-- המים הזידונים | 5 |
Eny, nanafotra ny fanahintsika Ny rano misafoaka.
ברוך יהוה-- שלא נתננו טרף לשניהם | 6 |
Isaorana anie Jehovah, Izay tsy nanolotra antsika ho rembin’ ny nifiny.
נפשנו-- כצפור נמלטה מפח יוקשים הפח נשבר ואנחנו נמלטנו | 7 |
Ny fanahintsika dia efa afaka tahaka ny vorona afaka tamin’ ny fandriky ny mpihaza: Tapaka ny fandrika, ka afaka isika.
עזרנו בשם יהוה-- עשה שמים וארץ | 8 |
Ny famonjena antsika dia amin’ ny anaran’ i Jehovah, Mpanao ny lanitra sy ny tany.