< במדבר 34 >
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
צו את בני ישראל ואמרת אלהם כי אתם באים אל הארץ כנען זאת הארץ אשר תפל לכם בנחלה ארץ כנען לגבלתיה | 2 |
Mandidia ny Zanak’ Isiraely hoe: Raha tonga any amin’ ny tany Kanana ianareo, dia izao no tany izay ho azonareo ho lova, dia ny tany Kanana araka izay fari-taniny.
והיה לכם פאת נגב ממדבר צן על ידי אדום והיה לכם גבול נגב מקצה ים המלח קדמה | 3 |
Ary ny lafiny atsimo amin’ ny taninareo dia hatramin’ ny efitra Zina, izay mifanolotra amin’ i Edoma. Ary ny fari-taninareo atsimo dia hatramin’ ny faran’ ny Ranomasin-tsira any atsinanana,
ונסב לכם הגבול מנגב למעלה עקרבים ועבר צנה והיה (והיו) תוצאתיו מנגב לקדש ברנע ויצא חצר אדר ועבר עצמנה | 4 |
dia miolaka eo atsimon’ ny fiakarana Akrabima, dia mandroso hatrany Zina, dia mahazo any atsimon’ i Kadesibarnea, dia mahazo an’ i Hazar-adara ka mandroso hatrany Azmona,
ונסב הגבול מעצמון נחלה מצרים והיו תוצאתיו הימה | 5 |
ary miolaka hatrany Azmona ka hatramin’ ny lohasahan-driak’ i Egypta, ka dia mihatra amin’ ny ranomasina.
וגבול ים והיה לכם הים הגדול וגבול זה יהיה לכם גבול ים | 6 |
Ary ny amin’ ny fari-tany andrefana, dia indro ny Ranomasina Lehibe sy ny amorony, ka hatreo no ho fari-taninareo andrefana.
וזה יהיה לכם גבול צפון מן הים הגדל תתאו לכם הר ההר | 7 |
Ary izao no ho fari-taninareo avaratra: hatramin’ ny Ranomasina Lehibe dia aoka ny tendrombohitra Hora no hotandrifinareo;
מהר ההר תתאו לבא חמת והיו תוצאת הגבל צדדה | 8 |
ary hatramin’ ny tendrombohitra Hora dia aoka ny lalana mankany Hamata no hotandrifinareo, ary aoka ny fari-tany hahazo an’ i Zedada,
ויצא הגבל זפרנה והיו תוצאתיו חצר עינן זה יהיה לכם גבול צפון | 9 |
dia hahazo an’ i Zifrona, ka dia hihatra an’ i Hazar-enana; izany no ho faritaninareo avaratra.
והתאויתם לכם לגבול קדמה מחצר עינן שפמה | 10 |
Ary ny ho fari-taninareo atsinanana dia ampifanitsio amin’ i Hazar-enana ka hatrany Sefama,
וירד הגבל משפם הרבלה מקדם לעין וירד הגבל ומחה על כתף ים כנרת קדמה | 11 |
dia hidina hatrany Sefama ka hatrany Ribla any atsinanan’ i Aina, dia mbola hidina ihany koa ka hipaka amin’ ny Ranomasin’ i Kinereta atsinanana,
וירד הגבול הירדנה והיו תוצאתיו ים המלח זאת תהיה לכם הארץ לגבלתיה סביב | 12 |
dia hidina ihany indray hatrany Jordana, ka dia hihatra amin’ ny Ranomasin-tsira. Izany no ho taninareo araka ny fari-taniny manodidina.
ויצו משה את בני ישראל לאמר זאת הארץ אשר תתנחלו אתה בגורל אשר צוה יהוה לתת לתשעת המטות וחצי המטה | 13 |
Ary Mosesy nandidy ny Zanak’ Isiraely ka nanao hoe: Izany no tany izay hozarainareo araka ny filokana, dia izay andidian’ i Jehovah homena ny firenena sivy sy sasany;
כי לקחו מטה בני הראובני לבית אבתם ומטה בני הגדי לבית אבתם וחצי מטה מנשה לקחו נחלתם | 14 |
fa ny firenena taranak’ i Robena araka ny fianakaviany sy ny firenena taranak’ i Gada araka ny fianakaviany dia efa nandray ny zara-taniny, ary ny antsasaky ny firenen’ i Manase koa dia efa nandray ny zara-taniny;
שני המטות וחצי המטה לקחו נחלתם מעבר לירדן ירחו--קדמה מזרחה | 15 |
dia ny firenena roa sy sasany samy efa nandray ny zara-taniny atỳ an-dafy atsinanan’ i Jordana, hitsin’ i Jeriko, tandrifin’ ny fiposahan’ ny masoandro.
וידבר יהוה אל משה לאמר | 16 |
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
אלה שמות האנשים אשר ינחלו לכם את הארץ אלעזר הכהן ויהושע בן נון | 17 |
Izao no anaran’ ny lehilahy izay hizara ny tany ho anareo: Eleazara mpisorona sy Josoa, zanak’ i Nona.
ונשיא אחד נשיא אחד ממטה--תקחו לנחל את הארץ | 18 |
Ary loholona iray avy amin’ ny isam-pirenena koa no halainareo hizara ny tany.
ואלה שמות האנשים למטה יהודה כלב בן יפנה | 19 |
Ary izao no anaran’ ireo lehilahy ireo: ny avy amin’ ny firenen’ i Joda dia Kaleba, zanak’ i Jefone;
ולמטה בני שמעון שמואל בן עמיהוד | 20 |
ary ny avy amin’ ny firenena taranak’ i Simeona dia Semoela, zanak’ i Amihoda;
למטה בנימן אלידד בן כסלון | 21 |
ary ny avy amin’ ny firenen’ i Benjamina dia Elidada, zanak’ i Kislona;
ולמטה בני דן נשיא--בקי בן יגלי | 22 |
ary ny lohan’ ny firenena taranak’ i Dana dia Boky, zanak’ i Jogly;
לבני יוסף למטה בני מנשה נשיא--חניאל בן אפד | 23 |
ary ny avy amin’ ny taranak’ i Josefa: ny lohan’ ny firenena taranak’ i Manase dia Haniela, zanak’ i Efoda;
ולמטה בני אפרים נשיא--קמואל בן שפטן | 24 |
ary ny lohan’ ny firenena taranak’ i Efraima dia Kemoela, zanak’ i Siftana;
ולמטה בני זבולן נשיא--אליצפן בן פרנך | 25 |
ary ny lohan’ ny firenena taranak’ i Zebolona dia Elizafana, zanak’ i Parnaka;
ולמטה בני יששכר נשיא--פלטיאל בן עזן | 26 |
ary ny lohan’ ny firenena taranak’ Isakara dia Paltiela, zanak’ i Azana;
ולמטה בני אשר נשיא--אחיהוד בן שלמי | 27 |
ary ny lohan’ ny firenena taranak’ i Asera dia Ahihoda, zanak’ i Selomy;
ולמטה בני נפתלי נשיא--פדהאל בן עמיהוד | 28 |
ary ny lohan’ ny firenena taranak’ i Naftaly dia Pedahela, zanak’ i Amihoda.
אלה אשר צוה יהוה לנחל את בני ישראל בארץ כנען | 29 |
Ireo no nodidian’ i Jehovah hizara ny tany Kanana ho an’ ny Zanak’ Isiraely.