< Isaia 45 >

1 PENEI o Iehova i olelo mai ai no kona mea i poniia, No Kuro, nona ka lima akau a'u i hooikaika ai, E hoopio i na lahuikanaka imua ona; A e kala no hoi au i ko na puhaka o na'lii, I hamama na puka imua ona, Aole hoi e paniia na pukapa.
Izao no lazain’ i Jehovah amin’ ny voahosony, dia Kyrosy, izay notantanako tamin’ ny tànany ankavanana, mba handreseko firenena eo anoloany sy hamahako ny fehin-kibon’ ny mpanjaka, mba hamohako varavarana eo anoloany, ka tsy hirindrina intsony ny vavahady:
2 E hele no wau imua ou, a e hoolaumania i na wahi apuupuu, E wawahi no au i na pani puka keleawe, A e uhaki ia'u na kaola hao.
Handroso eo alohanao Aho ary handravona ny mikitoantoana sy hanorotoro ny varavarana varahina ary hanapatapaka ny hidy vy;
3 E haawi aku no au ia oe i ka waiwai o ka pouli, A me ka ukana i hunaia ma kahi nalowale, I ike ai oe, owau no Iehova, ka mea i hea aku ia oe ma ka inoa, Ke Akua hoi o ka Iseraela.
Dia homeko anao ny rakitra ao amin’ ny maizina sy ny harena nafenina ao amin’ ny mangingina, mba hahafantaranao fa Izaho no Jehovah Izay miantso anao amin’ ny anaranao, dia Andriamanitry ny Isiraely.
4 No ka'u kauwa, no Iakoba, No ka Iseraela hoi, ka mea a'u i wae ai, Ua hea aku no au ia oe; Ma kou inoa ua hea aku au ia oe, Aole nae oe i ike mai ia'u.
Noho ny amin’ i Jakoba mpanompoko sy Isiraely voafidiko no niantsoako anao tamin’ ny anaranao sy nanomezako anarana malaza ho anao, na dia tsy nahafantatra Ahy aza ianao.
5 Owau no Iehova, aohe mea e ae, Aohe Akua e ae, ke kaawale au; Na'u no e kaei aku ia oe, aole nae oe i ike mai ia'u;
Izaho no Jehovah, fa tsy misy hafa: Tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho; Izaho efa nampisikina anao, kanefa tsy nahafantatra Ahy ianao,
6 I ike lakou, mai ka puka ana a ka la mai, A mai ke komohana mai hoi, Aohe mea e ae, ke kaawale au; Owau no o Iehova, aohe mea e ae.
Mba hahafantarana hatrany amin’ ny fiposahan’ ny masoandro ka hatrany amin’ ny filentehany fa tsy misy afa-tsy Izaho: Izaho no Jehovah, fa tsy misy hafa,
7 Ka mea nana i hana ka malamalama, A nana hoi i hana ka pouli, Nana i hana ka pomaikai, Nana hoi i hana ka poino, Owau no Iehova, ka mea nana e hana keia mau mea a pau.
Dia Izaho Izay mamorona ny mazava sy mahary ny maizina, manao ny fiadanana sy mahary ny loza; Izaho Jehovah no manao izany rehetra izany.
8 E hoonakulukulu oukou, e na lani, mai luna mai, E hanini hoi na aouli i ka pono; E hamama hoi ka honua, a e hua mai i ke ola, E ulu pu mai no me ka pono; Na'u, na Iehova ia i hana.
Manateteva avy any ambony, ry lanitra, ary aoka ny habakabaka hampilatsaka fahamarinana; Aoka ny tany hisosatra, Ary aoka ho vokatra avy amin’ ireo ny famonjena; Ary aoka hitsimoka miaraka amin’ izay ny fahamarinana. Izaho Jehovah no efa nahatonga izany.
9 Auwe ke kanaka paio aku i kona mea nana ia i hana? Na mea lepo me na mea lepo o ka honua! E olelo anei ka lepokiaha, i ka mea nana ia e hooponopono, Heaha kau e hana nei? A o ka mea au i hana'i, Aole ona lima?
Lozan’ izay miady amin’ ny namorona azy! Tavim-bilany isan’ ny tavim-bilany amin’ ny tany ihany ireny! Ny tanimanga va hilaza amin’ ny mpanefy azy hoe: Inona no ataonao? Na ny asanao va hanao hoe: Tsy manan-tanana izy?
10 Auwe ka mea olelo i ka makuakane, Heaha kau e hoohanau ai? A i ka makuwahine hoi, Ua hanau oe i ke aha?
Lozan’ izay miteny amin-drainy hoe: Inona no aterakao? Na amin-dreniny hoe: Inona no aloaky ny kibonao?
11 Ke olelo mai nei o Iehova, ka Mea Hemolele o ka Iseraela, penei, O ka Mea hoi nana ia i hana, E ninau mai oukou ia'u i na mea e hiki mai ana no ka'u mau keiki, A e kauoha mai oukou ia'u ma ka hana a kuu mau lima.
Izao no lazan’ i Jehovah ny Iray Masin’ ny Isiraely, dia ny namorona azy: Ny amin’ ny zavatra ho avy no anontanio Ahy; ary ny zanako sy ny asan’ ny tanako dia aoka ho adidiko ihany.
12 Na'u no i hana ka honua nei, A hana no hoi au i na kanaka maluna iho; Na kuu mau lima no i hohola aku i na lani, A na'u hoi i kauoha aku i ko lakou lehulehu a pau.
Izaho no nanao ny tany sy nahary ny olona eo amboniny; ny tanako ihany no namelatra ny lanitra sy nandahatra ny eny aminy rehetra.
13 Ua hoala no au ia ia, no ka pono, Na'u no e hoopololei i kona mau aoao, Nana no e hana i ko'u kulanakauhale, A nana no e hookuu aku i ko'u poe pio; Aole no ka uku, a me ka waiwai kipe, Wahi a Iehova o na kaua.
Izaho no nanaitra azy io tamin’ ny fahamarinana, ary ny lalany rehetra dia haravoko avokoa; izy no hanao ny tanànako, ary ny oloko voababo dia halefany, nefa tsy amim-bola amin-karena, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.
14 Ke i mai nei o Iehova penei, E hele mai no ianei, iou la, Ka waiwai o Aigupita, a me ka mea kuai o Aitiopa, A me ko Seba, ka poe kanaka nunui, a e lilo lakou nou. E hahai no lakou ia oe; me ka paa ana i na kaula hao lakou e hele mai ai, A e moe no lakou ilalo imua ou, E nonoi aku no lakou ia oe, me ka olelo iho, He oiaio no, me oe no ke Akua, aohe Akua e ae.
Izao no lazain’ i Jehovah; Ny vokatry ny fisasaran’ i Egypta sy ny tombom-barotr’ i Etiopia sy ny Sabeana, olona lava tsanganana, hafindra ao aminao, ka ho anao izany; ary hanaraka anao ireo; avy aman-gadra izy ary hiankohoka handady eo anatrehanao, dia hifona aminao hoe: Ato aminao tokoa Andriamanitra; ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izy ihany.
15 He oiaio no, o ke Akua no oe nana i huna ia oe iho, E ke Akua o ka Iseraela, ka mea e ola'i.
Marina tokoa fa Hianao dia Andriamanitra miafina, ry Andriamanitry ny Isiraely sady Mpamonjy ô.
16 Ua hilahila, a ua hoopalaimaka lakou a pau; Holo pu no iloko o ka hilahila, ka poe hana akuakii.
Ho menatra sy hangaihay izy rehetra; eny, handeha aman-kenatra avokoa ny mpamorona sarin-javatra,
17 E hoolaia no o ka Iseraela maloko o Iehova, me ke ola mau loa; Aole oukou e hilahila, aole hoi e hoopalaimaka, ia ao aku, ia ao aku.
Fa ny Isiraely kosa ho voavonjin’ i Jehovah Amin’ ny famonjena mandrakizay; tsy ho menatra na hangaihay mandrakizay mandrakizay ianareo.
18 No ka mea, penei ka olelo ana mai a Iehova, Ka mea nana i hana na lani; Oia ke Akua, ka mea nana i hana ka honua, a kukulu hoi, Ka mea nana ia i hoopaa, aole hoi ia i hana makehewa ia mea, Hana no oia ia i wahi e nohoia'i; Owau no Iehova, aohe mea e ae,
Fa izao no lazain’ i Jehovah, Izay nahary ny lanitra (Izy no Andriamanitra) sady namorona ny tany sy nahavita azy (Izy no nandamina azy; tsy ho tany tsy misy endrika tsy akory no namoronany azy, fa nataony honenana): Izaho no Jehovah, ary tsy misy hafa.
19 Aole au i olelo ma kahi malu, ma kahi pouli o ka honua; Aole au i olelo aku i na pua a Iakoba, E imi makehewa oukou ia'u. Owau o Iehova, ka mea e olelo ana ma ka pono, Ka mea e hai. aku ana i na mea pololei.
Tsy tao amin’ ny mangingina, dia tao amin’ ny fitoera-maizina amin’ ny tany no nitenenako; Izaho tsy niantso ny taranak’ i Jakoba hitady Ahy foana; Izaho Jehovah no miteny ny marina sy manambara ny mahitsy.
20 E hoakoakoa oukou, a hele mai, E houluulu pu oukou, e ka poe i pakele o na aina. He poe ike ole ka poe kukulu i ka laau o ko lakou akua kalaiia, A pule aku i ke akua hiki ole ke hoola.
Mivoria, ka avia, ary miaraha manatona, ianareo jentilisa sisa afaka. Tsy manam-pahalalana izay mitondra ny hazo nataony sarin-javatra voasokitra ka mivavaka amin’ izay andriamanitra tsy mahavonjy.
21 E hai aku, e lawe mai hoi ia lakou; Oia, e kukakuka pa lakou. Nawai i hai i keia, mai kahiko mai, A hoikeike hoi ia, mai kela wa mai? Aole anei owau. o Iehova? Aole hoi he Akua e ae, ke Kaawale au; O ke Akua pono, ka mea e ola'i, aohe mea e ae.
Alaharo, ka asehoy mazava; Eny, aoka hiara-misaina izy: Iza no efa nanambara izany hatrizay hatrizay? Iza no efa nilaza izany hatramin’ ny fahiny? Tsy Izaho Jehovah va? Fa tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho, dia Andriamanitra marina sady Mpamonjy; Eny, tsy misy afa-tsy Izaho.
22 E haliu mai oukou ia'u a e hoolaia no oukou, E na kukulu o ka honua; No ka mea, owau no ke Akua, aohe mea e ae.
Mijere Ahy, dia ho voavonjy ianareo, ry vazan-tany rehetra! Fa Izaho no Andriamanitra, ka tsy misy hafa.
23 Ua hoohiki au ia'u iho, Ua puka aku hoi ka olelo, mai ko'u waha aku ma ka pono, Aole ia i hoi hou, no ka mea, la'u no e kukuli ai na kuli a pau, a e hoohiki no hoi na elelo a pau.
Ny tenako no nianianako, nisy teny efa naloaky ny vavako tamin’ ny fahamarinana ka tsy hitsoaka: Izaho no handohalehan’ ny lohalika rehetra, sy hianianan’ ny lela rehetra hoe:
24 He oiaio, e olelo mai ia'u, maloko o Iehova na mea pono, a me ka ikaika, Ia ia no lakou e hele mai ai; A e hilahila auanei ka poe a pau i inaina aku ia ia.
Ao amin’ i Jehovah ihany no misy fahamarinana be sy hery, ka izy ihany no hohatonin’ ny olona, ary ho menatra izay rehetra tezitra aminy.
25 Maloko o Iehova e hoaponoia'i na pua a pau o ka Iseraela, A malaila hoi e hoonani ai.
Ao amin’ i Jehovah no hanamarinana ny taranak’ Isiraely rehetra sy hananany rehareha.

< Isaia 45 >