< II Samuela 1 >

1 MAHOPE iho o ka make ana o Saula, a ua hoi hou mai o Davida mai ka luku ana i ka Amaleka, a noho iho o Davida elua la i Zikelaga;
Ary nony maty Saoly, ary niverina avy namono ny Amalekita Davida, dia nitoetra indroa andro tao Ziklaga izy.
2 A i ke kolu o ka la, aia hoi, he kanaka i hele mai, mai ke kahua kaua, mai Saula mai, me kona kapa i haehaeia, a me ka lepo maluna o kona poo; a hiki aku la ia io Davida la, moe iho la ia ma ka honua, a hoomaikai aku la.
Ary tamin’ ny andro fahatelo, indro, nisy lehilahy iray tonga avy tany amin’ ny miaramilan’ i Saoly, triatra ny akanjony sady nihosin-tany ny lohany; ary rehefa tonga teo amin’ i Davida izy, dia niankohoka tamin’ ny tany ka nitsaoka.
3 I aku la o Davida ia ia, Mai hea mai oe i hele mai nei? I mai la kela ia ia, Ua pakele mai nei au mai ke kahua kaua mai o ka Iseraela.
Ary hoy Davida taminy: Avy taiza moa ianao? Dia hoy izy taminy: Afaka nandositra avy tany amin’ ny tobin’ ny Isiraely aho.
4 I aku la o Davida ia ia, Pehea kela mea? Ke noi aku nei au ia oe, e hai mai ia'u. I mai la kela, Ua hee aku la na kanaka mai ke kaua aku, a ua haule na kanaka he nui loa a make: ua make hoi o Saula a me kana keikikane o Ionatana.
Ary hoy Davida taminy: Nanao ahoana izay tany? Masìna ianao, ambarao amiko. Dia hoy izy: Ny olona nandositra tamin’ ny ady, ary be koa ny miampatrampatra sy maty, ary maty koa Saoly sy Jonatana zanany.
5 I aku la o Davida i ke kanaka opiopio nana i hai mai ia ia, Pehea kau ike ana, ua make o Saula a me Ionatana kana keiki?
Ary hoy Davida tamin’ ilay zatovo niteny taminy: Ahoana no nahafantaranao fa maty Saoly sy Jonatana zanany.
6 I mai la ua kanaka opiopio la nana i hai mai ia ia, A i ko'u hiki wale ana aku maluna o ka puu o Gileboa, aia hoi, e kalele ana o Saula maluna iho o kona ihe; a hahai ikaika mai la na halekaa a me na hoohololio mahope ona.
Dia nanambara taminy ilay zatovo nanao hoe: Sendra tao an-tendrombohitra Gilboa aho, ary, indro, Saoly nitehina tamin’ ny lefony; ary, indreo, ny kalesy sy ny mpitaingin-tsoavaly nanenjika azy mafy.
7 Alawa ae la ia i hope, ike mai la ia'u, a kahea mai la ia'u: i aku la au, Eia no wau.
Dia niherika izy ka nahita ahy; ary niantso ahy izy, ka hoy izaho: Inty aho.
8 Ninau mai kela ia'u, Owai oe? Olelo aku la au, He Amaleka wau.
Ary hoy izy tamiko: Iza moa ianao? Dia hoy izaho taminy: Amalekita aho.
9 I hou mai la ia ia'u, Ke noi aku nei au ia oe, e ku oe maluna iho o'u, a e pepehi mai ia'u; no ka mea, ke kau mai nei ka poniuniu maluna iho o'u, a ke koe nei ke ola okoa iloko o'u.
Ary hoy indray izy tamiko: Masìna ianao, hatony kely aho, ka vonoy, fa marary mivonkina ozatra aho, fa mbola ato anatiko ihany ny aiko.
10 A ku iho la au maluna ona, a pepehi iho la ia ia; no ka mea, ua ike pono au, aole ia e ola mahope iho o kona haule ana: lawe ae la no au i ka papale alii maluna o kona poo, a me ke kupee ma kona lima, a ua halihali mai nei au ia mau mea i kuu haku.
Dia nanatona azy aho ka namono azy, satria fantatro fa tsy ho velona izy, rehefa resy, ka dia nalaiko ny satro-boninahiny teo an-dohany sy ny fehin-tanana teo amin’ ny sandriny, ka nentiko etỳ amin’ ny tompoko izany.
11 Alaila, lalau iho la o Davida i kona kapa, a haehae iho la, a pela no hoi na kanaka a pau me ia.
Dia noraisin’ i Davida ny fitafiany ka notriariny: ary dia mba nanao toy izany koa ny olona rehetra teo aminy.
12 Kanikau aku la lakou me ka uwe aku, a hookeai iho la lakou a hiki i ke ahiahi, no Saula a no Ionatana kana keiki, a no ka poe kanaka o Iehova, a no ka ohana a Iseraela; no ka mea, ua haule lakou i ka pahikaua.
Ary nisaona sy nitomany sy nifady hanina ambara-paharivan’ ny andro izy noho ny amin’ i Saoly sy Jonatana zanany sy ny olon’ i Jehovah ary ny taranak’ Isiraely, satria lavon-tsabatra ireny.
13 Ninau aku la o Davida i ke kanaka opiopio nana i hai mai ia ia, Nohea oe? I mai la kela, He keiki au na kekahi malihini, he Amaleka.
Ary hoy Davida tamin’ ilay zatovo nanambara taminy: Avy aiza ianao? Ary hoy izy: Zanaky ny vahiny Amalekita aho.
14 I aku la o Davida ia ia, Heaha kou mea i makau ole ai i ka o aku i kou lima e pepehi i ka Iehova mea i poniia?
Dia hoy Davida taminy: Nahoana ianao no tsy natahotra haninjitra ny tananao hamono ny voahosotr’ i Jehovah?
15 Kahea aku la o Davida i kekahi kanaka opiopio, i aku la, E neenee aku oe, a e lele aku maluna ona. Pepehi aku la kela ia ia, a make iho la ia.
Dia niantso zatovo anankiray Davida ka nanao hoe: Hatony io, ka vonoy; dia nasiany izy ka maty.
16 I aku la o Davida ia ia, Maluna o kou poo iho ke koko ou: no ka mea, ua ahewa mai la kou waha iho ia oe, i ka i ana, Ua pepehi no au i ka Iehova mea i poniia.
ary hoy Davida taminy: Aoka ny rànao ho eo amin’ ny lohanao, satria ny vavanao ihany no efa niampanga anao nanao hoe: Izaho no namono ny voahosotr’ i Jehovah.
17 Kanikau aku la o Davida i keia kanikau ana ia Saula a ia Ionatana kana keiki.
Ary Davida nisaona an’ i Saoly sy Jonatana zanany tamin’ izao hira fisaonana izao
18 (Kauoha aku la hoi ia e ao i na mamo a Iuda i ke kakaka: aia hoi ua kakauia maloko o ka buke a Iasera.)
(ary nasainy nampianarina ny taranak’ i Joda ny hira atao hoe Tsipika; indro, voasoratra ao amin’ ny Bokin’ i Jasara izany):
19 O ka nani o ka Iseraela, ua pepehiia oia maluna o na wahi kiekie ou; Kai ka haule ana o ka poe ikaika?
Ilay voninahitrao, ry Isiraely, no voalefona teo amin’ ny havoananao; Endrey! Lavo ny mahery!
20 Mai hai aku ia mea ma Gata, Mai kala aku hoi ia ma na alanui o Asekelona; O hauoli na kaikamahine a ka poe Pilisetia, O haanui hoi na kaikamahine a ka poe okipoepoe ole ia.
Aza ambaranareo any Gata izany, Aza torinareo ho fifaliana any an-dalamben’ i Askelona. Fandrao mifaly ny zanakavavin’ ny Filistina. Fandrao miravoravo ny zanakavavin’ ny tsy mifora.
21 E na puu o Gileboa, aole make hau, Aole hoi he ua maluna iho o oukou; Aole hoi na mahinaai o na hua mua: Ilaila kahi i hooleiia'ku ai ka palekaua o ka mea ikaika, Ka palekaua o Saula i poni ole ia i ka aila.
Hianareo tendrombohitra Gilboa, Aza misy ando aman’ orana intsony eny aminareo, na saha angalana fanatitra asandratra, satria tany no nandotoana ny ampingan’ ny mahery, Dia ny ampingan’ i Saoly, ka tsy nohosorana diloilo.
22 Mai ke koko ae o ka poe i make, A mai ka momona ae o ka poe ikaika, Aole i hoi ihope ke kakaka o Ionatana, Aole hoi i hoi nele mai ka pahikaua a Saula.
Ny tsipìkan’ i Jonatana tsy nihemotra. Raha tsy nahazo ny ran’ ny maty sy ny tavin’ ny mahery; ary ny sabatr’ i Saoly tsy mba niverina foana.
23 Ua aloha no, a ua oluolu hoi o Saula a o Ionatana i ko laua ola ana, A i ko laua make ana, aole laua i hookaawaleia. Ua oi aku ko laua mama i ko na aeto, A me ko laua ikaika i ko na liona.
Saoly sy Jonatana, izay tiana sady mahate-ho-tia fony fahavelony, dia tsy nosarahina na dia tamin’ ny nahafatesany aza; Faingana noho ny voromahery izy ary mahery noho ny liona.
24 E na kaikamahine o ka Iseraela, e kanikau aku oukou ia Saula, Nana oukou i hoaahu aku i ke kapa ula, a me na mea nani: Nana i hoonani i ko oukou kapa i ke gula.
Ry zanakavavin’ Isiraely, mitomania an’ i Saoly, fa nahafinaritra ny mampitafiany jaky anareo, sady nasiany firava-bolamena ny fitafianareo.
25 Kai ka haule ana o ka poe ikaika iwaena o ke kaua ana! E Ionatana, ua pepehiia oe maluna o na wahi kiekie ou.
Endrey! lavo teo amin’ ny ady ny mahery voalefona teo amin’ ny havoananao Jonatana.
26 Ua ehaeha loa au nou, e kuu hoahanau, e Ionatana: He oluolu loa oe ia'u, he kupanaha kou aloha ia'u, E oi mai ana i ke aloha o na wahine.
Ory noho ny aminao aho, ry Jonatana rahalahiko; nahafinaritra ahy indrindra ianao; nahagaga ny fitiavanao ahy mihoatra noho ny fitiavan’ ny vehivavy.
27 Kai ka haule ana o ka poe ikaika, A me ka pau ana o na mea kaua!
Endrey! lavo ny mahery, ary levona ny fiadiana!

< II Samuela 1 >