< I Oihanaalii 8 >

1 NA Beniamina o Bela kana makahiapo, o Asebela ka lua, o Ahara ke kolu.
Ary Benjamina niteraka an’ i Bela, lahimatoa, sy Asbela, lahiaivo, sy Ahara, fahatelo,
2 O Noha ka ha, a o Rapa ka lima.
sy Noha, fahefatra, ary Rafa, faralahy.
3 O na keikikane a Bela; o Adara, o Gera a o Abihuda,
Ary ny zanakalahin’ i Bela dia Adara sy Gera sy Abihoda
4 O Abisua, o Naamana, o Ahoa,
sy Abisoa sy Namana sy Ahoa
5 O Gera, o Sepupana, a o Hurama
sy Gera sy Sefofana ary Horama.
6 Eia hoi na keikikane a Ehuda; eia na lunaohana o na kanaka o Geba; a ua laweia'ku lakou ma Manahata:
Ary izao no zanakalahin’ i Ehoda (izao no lohan’ ny fianakavian’ ny mponina any Geba; ary nitondra azy ho babo tany Manahata,
7 O Naamana, o Ahia, a o Gera; lawe aku la oia ia lakou, a nana mai o Uza, a o Ahihuda.
Namana sy Ahia ary Gera; izy no nitondra azy ho babo), niteraka an’ i Oza sy Ahihoda izy.
8 Na Saharaima na keiki ma ka aina o Moaba, mahope iho o kona hookuu ana aku ia lakou: o Husima laua o Baara na wahine ana.
Ary Saharaima niteraka tao amin’ ny tany Moaba taorian’ ny nisaorany an’ i Hosima sy Bara vadiny.
9 Nana laua o Hodesa kana wahine, o Iobaba, o Zibia, o Mesa, o Malekama,
Ary Hodesy vadiny no niterahany an’ i Jobaba sy Ziba sy Mesa sy Malkama
10 O Ieuza, o Sakia, a o Mirema. O lakou kana mau keikikane, he mau lunaohana.
sy Jeoza sy Sakia ary Mirma. Ireo no zananilahy, samy lohan’ ny fianakaviany avy.
11 Na laua o Husima, o Ahituba, a o Elepaala.
Ary Hosima no niterahany an’ i Abitoba sy Elpala.
12 O na keikikane a Elepaala; o Ebera, o Misama, o Sameda, nana i kukulu ia Ono a me Loda, a me na kulanahale olaila.
Ary ny zanakalahin’ i Elpala dia Ebera sy Misama ary Samera, izay nanorina an’ i Ono sy Loda sy ny zana-bohiny;
13 O Beria hoi, a o Sema na lunaohana o na kanaka no Aiialona, o ka poe i hoopuehu aku i na kanaka o Gata:
Beria koa sy Sema, izay lohan’ ny fianakavian’ ny mponina ao Aialona sady nandroaka ny mponina tao Gata;
14 A o Ahio, o Sasaka, a Ierimota,
ary Ahio sy Sasaka sy Jeremota
15 O Zebadia, o Arada, o Adera,
sy Zebadia sy Arada sy Adera
16 o Mikaela, o Isepa, a o Ioka, na keikikane a Beria;
sy Mikaela sy Jispa sy Joha (zanakalahin’ i Beria ireo),
17 A o Zebadia, o Mesulama, o Hezeki, o Hebera,
ary Zebadia sy Mesolama sy Hizky sy Hebera
18 O Isemerai hoi, o lezelia, o Iobaba, na keikikane a Elepaala
sy Jismeray sy Jizlia sy Jobaba (zanakalahin’ i Elpala ireo),
19 O Iakima, o Zikeri, a o Zabedi,
ary Jakima sy Zikry sy Zabdy
20 O Elienai, o Ziletai, a o Eliela,
sy Elienay sy Ziletahy sy Eliala
21 O Adaia, o Beraia, a o Simerata, na keikikane a Simehi:
sy Adaia sy Beraia sy Simrata (zanakalahin’ i Simey ireo),
22 O Isepana, o Hebera, a o Eliela,
ary Jispana sy Hebera sy Eliala
23 O Abedona, o Zikeri, a o Hanana,
sy Abdona sy Zikry sy Hanana
24 O Hanania, o Elama, o a Anetohiia,
sy Hanania sy Elama sy Antotia
25 O Ipedeia, o Penuela, na keikikane a Sasaka;
sy Jifdia sy Penoela (zanakalahin’ i Sasaka ireo),
26 O Sameserai, o Seharia, a o Atalia.
ary Samseray sy Seharia sy Atalia
27 O Iaresia, o Elia, a o Zekeri, na keikikane a Ierohama.
sy Jaresia sy Elia sy Zitry (zanakalahin’ i Jerohama ireo).
28 O lakou na lunaohana, ma ko lakou mau hanauna, na'lii. A noho lakou ma Ierusalema.
Ireo no lohan’ ny fianakaviany araka ny firazanany, dia samy loholona. Ireo no nonina tany Jerosalema.
29 A ma Gibeona i noho ai ka makuakane o Gibeona; a o Maaka ka inoa o kana wahine.
Ary tao Gibeona no nonenan’ ny razamben’ ny an’ i Gibeona, ary ny anaran’ ny vadiny dia Imaka,
30 O Abedona kana makahiapo, a o Zura, o Kisa, o Baala, a o Nadaba,
ary Abdona no lahimatoany, dia Zora, dia Kisy, dia Bala, dia Nadaba,
31 A o Gedora, o Ahio, a o Zakera.
dia Gedora, dia Ahio, dia Zakera.
32 Na Mikelota o Simea. A noho hoi lakou me ko lakou poe hoahanau ma Ierusalema, kahi e ku pono ana ia lakou.
Ary Miklota niteraka an’ i Simea. Ireo koa dia niara-nonina tamin’ ny rahalahiny tany Jerosalema nifanandrify fonenana taminy.
33 Na Nera o Kisa, na Kisa o Saula, na Saula o Ionatana, o Malekisua, o Abinadaba, a o Esebaala.
Ary Nera niteraka an’ i Kisy; ary Kisy niteraka an’ i Saoly; ary Saoly niteraka an’ i Jonatana sy Malkisoa sy Abinadaba ary Esbala.
34 A o Meribaala ke keikikane a Ionatana; a na Meribaala o Mika.
Ary ny zanakalahin’ i Jonatana dia Meribala; ary Meribala niteraka an’ i Mika.
35 O na keikikane a Mika; o Pitona, o Meleka, o Tarea, a o Ahaza.
Ary ny zanakalahin’ i Mika dia Pitona sy Maleka sy Tarea ary Ahaza.
36 Na Ahaza o Iehoada, na Iehoada o Alemeta, o Azemaveta, a o Zimeri; na Zimeri o Moza;
Ary Ahaza niteraka an’ i Joada; ary Joada niteraka an’ i Alemeta sy Azmaveta ary Zimry; ary Zimry niteraka an’ i Moza;
37 Na Moza o Binea: o Rapa kana keiki, o Eleasa kana keiki, o Azela kana keiki.
ary Moza niteraka an’ i Binea; Rafa no zanakalahin’ i Binea, Elasa no zanakalahin’ i Rafa, Azela no zanakalahin’ i Elasa
38 Ia Azela na keikikane eono, eia na inoa o lakou, o Azerikama, Bokeru, o Isemaela, o Searia, o Obadia, a o Hanana. O lakou nei a pau na keikikane a Azela.
Ary Azela nanana zanaka enina mirahalahy, ka izao no anarany: Azrikama sy Bokero sy Isimaela sy Searia sy Obadia ary Hanana. Ireo rehetra ireo no zanakalahin’ i Azela.
39 A o na keikikane a Eseka kona kaikaina, o Ulama kana makahiapo, o Iehusa ka lua, a o Elipeleta ke kolu.
Ary ny zanakalahin’ i Eseka rahalahiny dia Olama, lahimatoa, sy Jeosy, lahiaivo, ary Elifeleta, faralahy.
40 He poe kanaka koa ikaika na keiki a Ulama, he poe pana i ke kakaka, a na lakou na keikikane he nui loa, a me na moopuna, hookahi haneri a me ke kanalima. O lakou nei a pau na mamo a Beniamina.
Ary ny zanakalahin’ i Olama dia lehilahy mahery sady mpandefa zana-tsipìka, ary nanana zanakalahy sy zafy maro izy, dia dimam-polo amby zato. Ireo rehetra ireo no taranak’ i Benjamina.

< I Oihanaalii 8 >