< Karin Magana 31 >

1 Maganganun Sarki Lemuwel, magana ce horarriya mahaifiyarsa ta koya masa,
Ny tenin’ i Lemoela mpanjaka, dia ny teny mavesa-danja izay nananaran-dreniny azy.
2 “Ka saurara, ya ɗana! Ka saurara, ɗan cikina! Ka saurara, ya ɗan amshin addu’ata!
Ahoana, anaka? Ary ahoana, ry zanako naterako? Ary ahoana, ry zanaky ny voadiko?
3 Kada ka ba da ƙarfinka a kan mata, ƙarfinka ga waɗanda suka hallaka sarakuna.
Aza omena ny vehivavy ny herinao, Na ny fombam-piainanao ho an’ izay manimba mpanjaka.
4 “Ba na sarakuna ba ne, ya Lemuwel, ba na sarakuna ba ne su sha ruwan inabi, ba na masu mulki ba ne su yi marmarin barasa,
Tsy mety amin’ ny mpanjaka, ry Lemoela, Eny; tsy mety amin’ ny mpanjaka ny misotro divay, Na amin’ ny mpanapaka ny ho fatra-paniry toaka;
5 don kada su sha su manta da abin da doka ta umarta, su hana wa waɗanda aka danne hakkinsu.
Fandrao, raha misotro izy, dia manadino ny lalàna Ka mamily ny fitsarana ny zanaky ny fahoriana.
6 A ba da barasa ga waɗanda suke cikin halin ƙaƙa naka yi, ruwan inabi ga waɗanda suke cikin wahala;
Omeo toaka izay efa ho faty, Eny, divay ho an’ izay malahelo azon’ ny fangidiam-panahy;
7 bari su sha su manta da talaucinsu kada kuma su ƙara tunawa da ɓacin ransu.
Aoka hisotro izy mba hanadinoany ny alahelony, Ary tsy hahatsiarovany ny fahoriany intsony.
8 “Yi magana domin bebaye, domin hakkin dukan waɗanda suke naƙasassu.
Sokafy ny vavanao hisolo ny moana, Hahazoan’ ny kamboty ny rariny;
9 Yi magana a kuma yi shari’ar adalci; a tsare hakkin talakawa da masu bukata.”
Sokafy ny vavanao, ka tsarao marina, Ary omeo rariny ny ory sy ny malahelo.
10 Wa yake iya samun mace mai halin kirki? Darajarta ta fi ta lu’ulu’ai.
Iza no mahita vehivavy tsara? Fa ny tombany dia mihoatra lavitra noho ny voahangy.
11 Mijinta yana da cikakken amincewa da ita kuma ba ya rasa wani abu mai daraja.
Matoky azy ny fon’ ny lahy, Ary tsy mitsahatra ny fanambinana azy.
12 Takan yi masa alheri ba mugunta ba, dukan kwanakin ranta.
Soa no ataon-dravehivavy aminy, fa tsy ratsy, Amin’ ny andro rehetra iainany.
13 Takan zaɓi ulu da lilin ta yi ta saƙa da hannuwanta da farin ciki.
Mizaha volon’ ondry sy rongony izy Ary mazoto miasa amin’ ny tànany.
14 Ita kamar jirgin’yan kasuwa ne tana kawo abincinta daga nesa.
Toy ny sambon’ ny mpandranto izy, Ka avy any amin’ ny lavitra no itondrany ny haniny.
15 Takan farka tun da sauran duhu; ta tanada wa iyalinta abinci ta kuma shirya wa’yan matan gidanta ayyukan da za su yi.
Mifoha izy, raha mbola alina, Ka manome hanina ho an’ ny ankohonany Sy anjara ho an’ ny ankizivaviny.
16 Takan lura da gona sosai ta kuma saye ta; daga abin da take samu na kuɗin shiga take shuka gonar inabi.
Mihevitra saha izy ka mahazo azy; Ny vokatry ny tànany no anaovany tanim-boaloboka.
17 Takan himmantu tă yi aikinta tuƙuru; hannuwanta suna da ƙarfi domin ayyukanta.
Misikìna hery izy, Ary hatanjahiny ny sandriny.
18 Takan tabbata akwai riba a kasuwancinta, kuma fitilarta ba ya mutuwa da dare.
Hitany fa tsara ny tombom-barony, Ary tsy maty jiro mandritra ny alina izy.
19 Da hannunta take riƙe abin kaɗi ta kuma kama abin saƙa da yatsotsinta.
Mandray ny fihazonam-bohavoha izy, Ary ny tànany mihazona ny ampela.
20 Takan marabci talakawa takan kuma taimaki masu bukata.
Manatsotra ny tànany amin’ ny ory izy, Eny, mamelatra ny tànany amin’ ny mahantra.
21 Sa’ad da ƙanƙara ta fāɗi, ba ta jin tsoro saboda gidanta; gama dukansu suna da tufafi masu kauri.
Tsy manahy ny oram-panala ho amin’ ny ankohonany izy, Fa ny ankohonany rehetra samy voatafy volon’ ondry mena avokoa.
22 Takan yi wa gadonta kayan shimfiɗa; tufafinta kuma na lilin ne mai laushi na shunayya.
Manao firakotra ho azy izy; Ny fitafiany dia rongony fotsy madinika sy lamba volomparasy.
23 Ana girmama mijinta a ƙofar shiga birni inda yakan zauna a cikin dattawan gari.
Ny lahy dia hajaina eo am-bavahady, Raha miara-mipetraka eo amin’ ny loholona.
24 Takan yi riguna na lilin ta sayar; takan kuma sayar wa’yan kasuwa da ɗamara.
Manao akanjo hariry madinika ravehivavy ka mivarotra izany, Ary fehin-kibo no amidiny amin’ ny mpandranto.
25 Ƙarfi da mutunci su ne suturarta; za tă iya yin dariyar kwanaki masu zuwa.
Hery sy voninahitra no fitafiany, Ary ny andro ho avy dia ihomehezany.
26 Tana magana da hikima, kuma umarnai mai aminci yana a harshenta.
Manokatra ny vavany amin’ ny fahendrena izy; Ary ny lalàn’ ny famindram-po no eo amin’ ny lelany.
27 Tana lura da sha’anin gidanta kuma ba ta cin abincin ƙyuya.
Mitandrina tsara ny ataon’ ny ankohonany izy Ary tsy homana ny mofon’ ny fahalainana.
28 ’Ya’yanta sukan tashi su ce da ita mai albarka; haka mijinta ma, yakan kuma yabe ta yana cewa,
Ny zanany mitsangana ka midera azy hoe sambatra; Ny lahy koa mitsangana ka midera azy hoe:
29 “Mata da yawa suna yin abubuwan yabo, amma ke kin fi su duka.”
Maro no zazavavy nanao soa, Fa ianao manoatra noho izy rehetra.
30 Kayan tsari yana ruɗu, kyau kuma kan shuɗe; amma mace mai tsoron Ubangiji abar yabo ce.
Fitaka ny fahatsaram-bika, ary zava-poana ny fahatsaran-tarehy; Fa ny vehivavy matahotra an’ i Jehovah ihany no hoderaina.
31 Ka ba ta ladar da ya dace tă samo wa kanta, bari kuma ayyukanta su kawo mata yabo a ƙofar shiga birni.
Omeo azy ny avy amin’ ny vokatry ny tànany; Ary aoka ny asany hidera azy eo am-bavahady.

< Karin Magana 31 >