< Hesekiel 39 >

1 Und du, Menschensohn, weissage wider Gog und sprich: So spricht der Herr Jehovah: Siehe, Ich bin wider dich, Gog, Fürst, Haupt über Meschech und Thubal.
Ary ianao, ry zanak’ olona, dia maminania ny hamelezana an’ i Goga, ka ataovy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, hamely anao Aho, ry Goga, mpanjakan’ i Rosy sy Meseka ary Tobala.
2 Und Ich wende dich zurück und sechsteile dich und lasse dich von den Seiten der Mitternacht heraufsteigen und bringe dich herein auf die Berge Israels.
Hitarika sy hitondra anao hiakatra avy any amin’ ny farany avaratra Aho, dia ho entiko ho any an-tendrombohitry ny Isiraely ianao.
3 Und schlage dir deinen Bogen aus deiner linken Hand und lasse dir deine Pfeile aus der rechten Hand fallen.
Ary hasiako ny tsipìkanao hiala eny an-tananao ankavia, ary halatsako hiala eny an-tananao ankavanana ny zana-tsipìkanao.
4 Auf den Bergen Israels sollst du fallen, du und alle deine Scharen, und die Völker, die mit dir sind; und den Raubvögeln, den Vögeln jeglichen Flügels und dem wilden Tier des Feldes gebe Ich dich zur Speise.
Any an-tendrombohitry ny Isiraely no hiampatramparanao sy ny miaramilanao rehetra mbamin’ ny firenena izay miaraka aminao; homeko hohanin’ ny vorona mpihaza samy hafa karazana rehetra sy ny bibi-dia ianao.
5 Auf dem Angesichte des Feldes sollst du fallen, denn Ich habe geredet, spricht der Herr Jehovah.
Eny an-tsaha no hiamparanao; fa Izaho no efa niteny, hoy Jehovah Tompo.
6 Und Feuer sende Ich gegen Magog und die, so sicher auf den Inseln wohnen, auf daß sie erkennen, daß Ich Jehovah bin.
Ary haterako afo Magoga sy izay mipetraka tsy manana ahiahy any amoron-tsiraka; ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah.
7 Und den Namen Meiner Heiligkeit tue Ich kund inmitten Meines Volkes Israel, und lasse nicht mehr entweihen den Namen Meiner Heiligkeit, und erkennen sollen die Völkerschaften, daß Ich Jehovah bin, der Heilige in Israel.
Ary ny anarako masìna dia hataoko fantatra ao amin’ ny Isiraely oloko; ary tsy havelako holotoina intsony ny anarako masìna; ka dia ho fantatry ny firenena fa Izaho no Jehovah, Izay masìna ao amin’ ny Isiraely.
8 Siehe, es kommt und es geschieht, spricht der Herr Jehovah, dies ist der Tag, von dem Ich geredet habe.
Indro, tonga izany ka tanteraka, hoy Jehovah Tompo. Izany no andro izay nolazaiko.
9 Und die, so in den Städten Israels wohnen, gehen hinaus und brennen, und feuern mit Waffen, und mit Tartsche und Schild, mit dem Bogen und Pfeilen und dem Stecken der Hand, und mit dem Speere; und Feuer davon brennen sie sieben Jahre.
Ary hivoaka ny mponina ao amin’ ny tanànan’ ny Isiraely ka handrehitra sy hitaina ny fiadiana, dia ny ampinga lehibe, ny tsipìka sy ny zana-tsipìka, ny langilangy sy ny lefona, ary hitaina izany mandritra ny fito taona izy;
10 Und sie werden kein Holz vom Feld tragen, noch es hauen aus den Wäldern; denn mit den Waffen lassen sie brennen das Feuer. Und sie machen Beute von denen, welchen sie zur Beute waren, und rauben von ihren Räubern, spricht der Herr Jehovah.
fa tsy haka kitay hazo any an-tsaha na hanapaka hazo any an’ ala izy, fa hitaina ny fiadiana ka hamabo izay efa namabo azy sy handroba izay efa nandroba azy, hoy Jehovah Tompo.
11 Und am selbigen Tage wird geschehen, daß Ich dem Gog dort Platz für ein Grab in Israel gebe, die Schlucht der Vorübergehenden, ostwärts vom Meere, und es ist eine Sperre für die Vorübergehenden; und dort werden sie den Gog und all seine Volksmenge begraben und es nennen die Schlucht der Volksmenge Gogs.
Ary amin’ izany andro izany dia homeko tany eo amin’ ny Isiraely Goga hasiana fasana, dia ny lohasahan’ ny mpandalo manolotra ny ranomasina, ka hisakana ny mpandalo izany; ary any no handevenany an’ i Goga sy ny olony maro be rehetra; ary ny anarany hataony hoe Lohasahan’ ireo olona maroben’ i Goga.
12 Und das Haus Israel wird sie begraben, um das Land zu reinigen, sieben Monate.
Ary fito volana mipaka no handevenan’ ny taranak’ Isirady azy, hanadiovany ny tany.
13 Und alles Volk des Landes wird begraben, und es wird ihnen zum Namen sein an dem Tag, da Ich Mich verherrliche, spricht der Herr Jehovah.
Eny, ny tompon-tany rehetra no handevina azy; ary ho laza ho azy izany amin’ ny andro hampisehoako ny voninahitro, hoy Jehovah Tompo.
14 Und beständige Männer werden sie ausscheiden, die das Land durchziehen und mit den Durchziehenden begraben sie die, so auf den Angesichten des Landes übriggeblieben sind, es zu reinigen. Nach dem Ende von sieben Monaten werden sie forschen.
Ary izy hanavaka sy hanendry olona ho mpitety ny tany sy izay hiaraka amin’ ny mpitety koa handevina ny mbola sisa eny ambonin’ ny tany, hanadiovana azy; rehefa afaka fito volana, dia vao hikatsaka izy;
15 Und die Durchziehenden werden das Land durchziehen, und sieht einer das Gebein eines Menschen, so baut er ein Mahlzeichen daneben auf, bis die Begrabenden es in Ge-Hamon-Gog begraben.
ary raha mandeha mitety ny tany ireo mpitety ka mahita taolan’ olona, dia hanorina marika eo anilany izy, mandra-pandevin’ ny mpandevina azy ao amin’ ny Lohasahan’ ireo maro ben’ i Goga.
16 Und auch der Name der Stadt ist Hamonah, und sie reinigen das Land.
Ary hisy tanàna koa hatao hoe Hamona. Toy izany no hanadiovany ny tany.
17 Und du, Menschensohn, so spricht der Herr Jehovah: Sprich zu den Vögeln jeglichen Flügels und zu allem wilden Tiere des Feldes: Tut euch zusammen und kommet, versammelt euch ringsumher zu Meinem Opfer, das Ich für euch opfere, ein großes Opfer auf den Bergen Israels, und esset Fleisch und trinket Blut.
Ary ianao, ry zanak’ olona, dia izao na lazain’ i Jehovah Tompo: Ataovy amin’ ny voro-manidina rehetra sy ny bibi-dia rehetra hoe: Mivoria ianareo, ka mankanesa atỳ; miangòna ianareo avy amin’ ny manodidina ho amin’ ny fanatitro izay vonoiko ho anareo, dia fanatitra lehibe eny an-tendrombohitry ny Isiraely, hihinananareo nofo sy hisotroanareo rà.
18 Das Fleisch der Helden sollt ihr essen, und das Blut der Fürsten der Erde trinken, Widder, Lämmer und Böcke, Farren, die gemästeten Baschans allzumal.
Ny nofon’ ny lehilahy mahery no hohaninareo, ary ny ran’ ireo mpanjakan’ ny tany no hosotroinareo, dia ondrilahy sy zanak’ ondry sy osilahy ary vantotr’ ombilahy, samy mifahy avy any Basana izy rehetra.
19 Und ihr sollt Fett essen bis zur Sättigung, und Blut trinken bis zur Trunkenheit von Meinem Opfer, das Ich für euch opfere.
Dia hihinana matavy ianareo mandra-pahavokinareo ary hisotro rà mandra-pahaleonareo avy amin’ ny fanatitro izay novonoiko ho anareo.
20 Und sättigt euch an Meinem Tisch von Roß und Streitwagen, vom Helden und jeglichem Manne des Streites, spricht der Herr Jehovah.
Ary ho voky soavaly sy ny mpitaingina azy ary lehilahy mahery mbamin’ ny miaramila rehetra eo amin’ ny latabatro ianareo, hoy Jehovah Tompo.
21 Und Ich werde Meine Herrlichkeit unter die Völkerschaften geben, daß alle Völkerschaften sehen Mein Gericht, das Ich habe geübt, und Meine Hand, die Ich an sie gelegt.
Ary hasehoko any amin’ ny jentilisa ny voninahitro, ka ho hitan’ ny firenena rehetra ny fitsarana hataoko sy ny tanako izay hahinjitro aminy.
22 Und daß sie, das Haus Israel, wissen, daß Ich, Jehovah, ihr Gott bin von diesem Tage an und hinfort.
Ary ho fantatry ny taranak’ Isiraely fa Izaho no Jehovah Andriamaniny hatry ny androtr’ iny ka hatramin’ ny ho avy rehetra.
23 Und daß wissen die Völkerschaften, daß die vom Hause Israel ob ihrer Missetat fortgeführt wurden, weil sie Mir untreu wurden; darum Ich Mein Angesicht verbarg vor ihnen und sie in die Hände ihrer Dränger gab, so daß sie allesamt durch das Schwert fielen.
Ary ho fantatry ny jentilisa fa ny heloky ny taranak’ Isiraely no nahababo azy; fa satria nivadika tamiko izy, dia izany no nanafenako ny tavako taminy sy nanolorako azy ho eo an-tànan’ ny fahavalony, ka dia lavon-tsabatra izy rehetra.
24 Ob ihrer Unreinheiten und ihrer Übertretungen habe Ich so getan an ihnen und Mein Angesicht verborgen vor denselben.
Araka ny fahalotoany sy ny fahadisoany no navaliko azy sy nanafenako ny tavako taminy.
25 Darum spricht so der Herr Jehovah: Nun bringe Ich die Gefangenschaft Jakobs zurück und erbarme Mich des ganzen Hauses Israel und eifere für den Namen Meiner Heiligkeit.
Koa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Ankehitriny dia hampodiko avy amin’ ny fahababoany Jakoba, ary hamindrako fo ny taranak’ Isiraely rehetra; ary hiseho ho saro-piaro noho ny amin’ ny anarako masìna Aho.
26 Und sie sollen tragen ihre Schande und alle ihre Untreue, die sie begingen gegen Mich, wenn sie in Sicherheit auf ihrem Boden wohnen und niemand sie aufscheucht.
Dia mba hahatsiaro ny fahamenarany sy ny fahadisoany rehetra izay nandisoany tamiko izy, rehefa mandry fahizay ao amin’ ny taniny, ka tsy misy manaitaitra azy,
27 Wenn Ich sie aus den Völkern zurückbringe und sie zusammenbringe aus den Ländern ihrer Feinde, und Mich heilige an ihnen vor den Augen vieler Völkerschaften;
rehefa ampodiko avy any amin’ ny firenena izy ary angoniko avy any amin’ ny tanin’ ny fahavalony; ary hiseho ho masìna eo imason’ ny jentilisa Aho amin’ ny ataoko amin’ ireny;
28 Und sie sollen wissen, daß Ich Jehovah bin, ihr Gott, Der sie wegführte unter die Völkerschaften, und sie wieder zusammenfaßte auf ihren Boden und keinen mehr von ihnen übrig ließ;
dia ho fantany fa Izaho Jehovah no Andriamaniny amin’ ny ampandehanako azy ho babo any amin’ ny firenena sy amin’ ny anangonako azy ho any amin’ ny taniny, ka tsy hisy hafoiko any izy na dia iray akory aza.
29 Und will Mein Angesicht nicht mehr verbergen vor ihnen, weil Meinen Geist Ich über das Haus Israel ausgießen werde, spricht der Herr Jehovah.
Ary tsy hafeniko aminy intsony ny tavako; fa haidiko ao amin’ ny taranak’ Isiraely ny Fanahiko, hoy Jehovah Tompo.

< Hesekiel 39 >