< Psalm 150 >

1 Rühmet Jah! Rühmet Gott in seinem Heiligtume, rühmet ihn in seiner starken Veste!
Haleloia. Miderà an’ Andriamanitra eo amin’ ny fitoerany masìna. Miderà Azy eo amin’ ny habakabaky ny heriny.
2 Rühmet ihn ob seiner gewaltigen Thaten, rühmet ihn nach der Fülle seiner Größe!
Midera Azy noho ny asany lehibe; Miderà Azy araka ny haben’ ny voninahiny.
3 Rühmet ihn mit Posaunenschall, rühmet ihn mit Harfe und Zither!
Miderà Azy amin’ ny fitsofana ny anjomara; Miderà Azy amin’ ny valiha sy ny lokanga.
4 Rühmet ihn mit Pauke und Reigentanz, rühmet ihn mit Saitenspiel und Schalmei!
Miderà Azy amin’ ny ampongatapaka sy ny dihy; Miderà Azy amin’ ny zava-maneno tendrena sy ny sodina.
5 Rühmet ihn mit hellen Cymbeln, rühmet ihn mit schallenden Cymbeln!
Miderà Azy amin’ ny kipantsona maneno; Miderà Azy amin’ ny kipantsona tsara feo.
6 Alles, was Odem hat, rühme Jah! Rühmet Jah!
Aoka izay rehetra manam-pofonaina samy hidera an’ i Jehovah. Haleloia.

< Psalm 150 >