< Josua 14 >

1 Und dies sind die Gebiete, welche die Israeliten im Lande Kanaan zum Erbbesitz erhielten, die ihnen Eleasar, der Priester, und Josua, der Sohn Nuns, und die Stammhäupter der israelitischen Stämme
Ary izao no nolovan’ ny Zanak’ Isiraely teo amin’ ny tany Kanana, izay nampandovain’ i Eleazara mpisorona sy Josoa, zanak’ i Nona, ary ny loholon’ ny firenen’ i Zanak’ Isiraely;
2 mittels des Loses zum Erbbesitz austeilten, wie Jahwe durch Mose in betreff der neunundeinhalb Stämme befohlen hatte.
tamin’ ny filokana no nahazoany ny lovany, araka izay efa nandidian i Jehovah an’ i Mosesy ny amin’ ny firenena sivy sy sasany.
3 Denn den zweiundeinhalb Stämmen hatte Mose jenseits des Jordans ihren Erbbesitz angewiesen, und den Leviten verlieh er keinen Erbbesitz unter ihnen.
Fa efa nomen’ i Mosesy lova tany an-dafin’ i Jordana ny firenena roa sy sasany; fa ny taranak’ i Levy tsy mba nomeny lova teo aminy.
4 Denn die Söhne Josephs bildeten zwei Stämme, Manasse und Ephraim, und den Leviten hatte man keinen Anteil im Lande verliehen, außer Städte zum Wohnen mit den zugehörigen Weidetriften für ihre Herden und ihre Habe.
Fa firenena roa ny taranak’ i Josefa, dia Manase sy Efraima; ary tsy mba nomeny anjara teo amin’ ny tany ny taranak’ i Levy, afa-tsy ny tanàna honenany sy ny tany manodidina ny tanànany ho an’ ny omby aman’ ondriny sy ny fananany.
5 Wie Jahwe Mose befohlen hatte, so thaten die Israeliten und verteilten das Land.
Araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy no nataon’ ny Zanak’ Isiraely, ka dia nizara ny tany izy.
6 Da traten die Judäer im Gilgal zu Josua heran, und Kaleb, der Sohn Jephunnes, der Kenisiter, sprach zu ihm: Du kennst den Ausspruch, den Jahwe gegen Mose, den Mann Gottes, in Bezug auf mich und in Bezug auf dich in Kades Barnea gethan hat.
Dia nankany amin’ i Josoa tany Gilgala ny taranak’ i Joda; ary Kaleba, zanak’ i Jefone, Kenizita, nanao taminy hoe: Fantatrao ny teny izay nolazain’ i Jehovah tamin’ i Mosesy, lehilahin’ Andriamanitra, ny amiko sy ianao tany Kadesi-barnea.
7 Vierzig Jahre war ich alt, als mich Mose, der Knecht Jahwes, von Kades Barnea aussandte, um das Land auszukundschaften, und ich brachte ihm nach bester Überzeugung Bescheid.
Efa-polo taona no andro niainako, fony aho nirahin’ i Mosesy, mpanompon’ i Jehovah, niala tany Kadesi-barnea hisafo ny tany; dia niverina aho nitondra teny taminy araka izay tao am-poko.
8 Meine Volksgenossen aber, die mit mir gezogen waren, benahmen dem Volk allen Mut, während ich, Jahwe, meinem Gotte, vollen Gehorsam bewies.
Kanefa ireo rahalahiko izay niara-niakatra tamiko dia nanaketraka ny fon’ ny olona; fa izaho kosa dia tanteraka tamin’ ny fanarahana an’ i Jehovah Andriamanitrao.
9 Jenes Tages that Mose diesen Schwur: Wahrlich, dir und deinen Nachkommen soll das Land, das dein Fuß betreten hat, für ewige Zeiten als Erbbesitz zufallen, weil du Jahwe, deinem Gott, vollen Gehorsam bewiesen hast!
Dia nianiana tamin’ izany andro izany Mosesy ka nanao hoe: Ny tany izay nodiavin’ ny tongotrao dia ho lovanao sy ny taranakao tokoa mandrakizay, satria tanteraka tamin’ ny fanarahana an’ i Jehovah Andriamanitro ianao.
10 Nun hat mich Jahwe, wie du siehst, seiner Verheißung gemäß am Leben erhalten ganz fünfundvierzig Jahre seit der Zeit, wo Jahwe jenen Ausspruch gegen Mose gethan hat, während welcher Israel in der Steppe umhergezogen ist, und so bin ich nun gegenwärtig fünfundachtzig Jahre alt.
Ary ankehitriny indro, efa namelona ahy Jehovah, araka izay nolazainy hatramin’ ny dimy amby efa-polo taona lasa izay, dia hatramin’ ny nilazan’ i Jehovah izany teny izany tamin’ i Mosesy no ho mankaty, raha mbola nandehandeha tany an-efitra ny Isiraely; ary ankehitriny, indro, efa dimy amby valo-polo taona aho izao.
11 Noch immer bin ich so rüstig, wie damals, als mich Mose aussandte; meine Kraft von damals kommt noch heute meine Kraft gleich, wenn es gilt, zu kämpfen und aus- und einzuziehen.
Nefa mbola matanjaka ihany aho izao tahaka ny tamin’ ny andro nanirahan’ i Mosesy ahy: tahaka ny tanjako tamin’ izany ihany no mbola tanjako ankehitriny mba hiady, na hivoaka, na hiditra.
12 So verleihe mir nun dieses Bergland, von dem Jahwe jenes Tages geredet hat, - du selbst hast ja jenes Tages zugehört! Denn Enakiter finden sich dort und große, feste Städte; vielleicht ist Jahwe mit mir, daß ich sie vertreibe, wie Jahwe verheißen hat.
Ary ankehitriny omeo ahy iry tendrombohitra iry, izay nolazain’ i Jehovah tamin’ izany andro izany; fa efa renao tamin’ izany andro izany fa nitoetra teo ny Anakita, sady nisy tanàna lehibe mimanda; angamba homba ahy Jehovah, dia haharoaka azy aho, araka izay nolazain’ i Jehovah.
13 Da wünschte ihm Josua Glück und verlieh Kaleb, dem Sohne Jephunnes, Hebron zum Erbbesitz.
Dia nitso-drano azy Josoa ka nanome an’ i Hebrona ho lovan’ i Kaleba, zanak’ i Jefone.
14 Demgemäß wurde Hebron Kaleb, dem Sohne Jephunnes, dem Kenisiter, bis auf den heutigen Tag als Erbbesitz zu teil, weil er Jahwe, dem Gott Israels, vollen Gehorsam bewiesen hatte.
Izany no nahatongavan’ i Hebrona ho lovan’ i Kaleba, zanak’ i Jefone, Kenizita, mandraka androany satria tanteraka tamin’ ny fanarahana an’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, izy.
15 Hebron aber hieß früher Stadt Arbas; der war der mächtigste Mann unter den Enakitern. Und das Land bekam Ruhe vom Kriege.
Ary tanànan’ Arba no anaran’ i Hebrona taloha; ilay lehilahy vaventy tamin’ ny Anakita izany Arba izany. Dia nandry ny tany ka tsy nisy ady intsony.

< Josua 14 >