< Josua 21 >

1 Nun traten die Familienoberhäupter der Leviten zu dem Priester Eleazar und zu Josue, Nuns Sohn, sowie zu den Stammhäuptern der israelitischen Stämme
Ary ny lohan’ ny fianakaviana tamin’ ny Levita dia nanatona an’ i Eleazara mpisorona sy Josoa, zanak’ i Nona, ary ny lohan’ ny fianakaviana tamin’ ny firenen’ ny Zanak’ Isiraely
2 und sprachen zu ihnen in Silo im Lande Kanaan: "Der Herr hat durch Moses befohlen, uns Städte zu Siedlungen und ihre Weiden für unser Vieh zu geben."
ka niteny taminy tao Silo tao amin’ ny tany Kanana hoe: Jehovah efa nampandidy an’ i Mosesy mba homena tanàna hitoerana izahay sy tany manodidina azy ho an’ ny biby fiompinay.
3 Da gaben die Israeliten auf des Herrn Befehl von ihrem Erbbesitz den Leviten folgende Städte mit ihren Weiden:
Dia avy tamin’ ny lovany no nanomezan’ ny Zanak’ Isiraely ny Levita izao tanàna izao sy ny tany manodidina azy avy araka ny didin’ i Jehovah.
4 Das Los fiel auf die Kehatitensippen, und so erhielten bei den Leviten die Söhne des Priesters Aaron vom Judastamme, vom Simeonitenstamme und vom Stamme Benjamin durch das Los dreizehn Städte.
Dia nahazo loka ny fokon’ ny Kehatita; ary ny loka azon’ ny taranak’ i Arona mpisorona isan’ ny Levita dia tanàna telo ambin’ ny folo, avy tamin’ ny firenen’ i Joda sy ny firenen’ i Simeona ary ny firenen’ i Benjamina.
5 Die anderen Kehatiten aber erhielten von den Sippen des Ephraimstammes, dem Stamme Dan und von dem Halbstamme Manasse durch das Los zehn Städte.
Ary ny loka azon’ ny taranak’ i Kehata sisa dia tanàna folo, avy tamin’ ny fokon’ ny firenen’ i Efraima sy ny firenen’ i Dana ary ny antsasaky ny firenen’ i Manase.
6 Die Gersoniten erhielten von den Sippen des Issakarstammes, vom Asserstamme, vom Stamme Naphtali und vom Halbstamme Manasse in Basan durch Los dreizehn Städte.
Ary ny loka azon’ ny taranak’ i Gersona dia tanàna telo ambin’ ny folo, avy tamin’ ny fokon’ ny firenen’ Isakara sy ny firenen’ i Asera sy ny firenen’ i Naftaly ary tamin’ ny antsasaky ny firenen’ i Manase any Basana.
7 Die Sippen der Merariten erhielten vom Stamme Ruben, vom Stamme Gad und vom Zabulonstamme zwölf Städte.
Ary ny loka azon’ ny taranak’ i Merary isam-pokony dia tanàna roa ambin’ ny folo, avy tamin’ ny firenen’ i Robena sy ny firenen’ i Gada ary ny firenen’ i Zebolona.
8 Und die Israeliten übergaben den Leviten diese Städte samt ihren Weiden durch das Los, wie der Herr durch Moses befohlen hatte.
Dia nomen’ ny Zanak’ Isiraely ny Levita tamin’ ny filokana ireo tanàna ireo sy ny tany manodidina azy avy, araka izay nasain’ i Jehovah nandidian’ i Mosesy.
9 Vom Stamme der Judasöhne und der Simeoniten trat man diese Städte ab, die man jetzt mit Namen nennt.
Dia nomeny avy tamin’ ny firenena taranak’ i Joda sy ny firenena taranak’ i Simeona ireto tanàna hotononina ireto,
10 Von den Sippen der Kehatiter unter Levis Söhnen bekamen die Aaronsöhne, weil auf sie zuerst das Los fiel,
izay azon’ ny taranak’ i Arona, isam-pokon’ ny taranak’ i Kehata, amin’ ny taranak’ i Levy; fa azy ny loka voalohany.
11 die Stadt Arbas, des Vaters Enaks, das ist Hebron, auf dem Gebirge Juda samt ihren Weiden ringsum.
Dia nomeny azy ny tanànan’ i Arba, rain’ i Anàka (Hebrona izany), any amin’ ny tany havoan’ i Joda, mbamin’ ny tany manodidina azy.
12 Die Markung der Stadt mit ihren Dörfern aber hatte man Kaleb, Jephunnes Sohn, zu seinem Erbbesitze gegeben.
Fa ny saha momba ny tanàna sy ny zana-bohiny dia nomeny ho lovan’ i Kaleba, zanak’ i Jefone.
13 Den Söhnen des Priesters Aaron hatte man Hebron gegeben, die Zufluchtsstadt der Totschläger, samt ihren Weiden, ebenso Libna,
Dia nomeny ny taranak’ i Arona mpisorona Hebrona sy ny tany manodidina azy, ho tanàna fandosirana ho an’ izay nahafaty olona, ary Libna sy ny tany manodidina azy
14 Jattir, Estemona,
ary Jatira sy ny tany manodidina azy ary Estemoa sy ny tany manodidina azy,
15 Cholon, Debir,
ary Holona sy ny tany manodidina azy ary Debira sy ny tany manodidina azy,
16 Ajin, Juta, Bet Semes je mit ihren Weiden, neun Städte von seiten jener beiden Stämme.
ary Aina sy ny tany manodidina azy ary Jota sy ny tany manodidina azy ary Beti-semesy sy ny tany manodidina azy: tanàna sivy avy tamin’ ireo firenena roa ireo;
17 Und vom Stamme Benjamin Gibeon samt seinen Weiden, ebenso Geba,
ary avy tamin’ ny firenen’ i Benjamina dia Gibeona sy ny tany manodidina azy ary Geba sy ny tany manodidina azy
18 Anatot und Almon, vier Städte.
ary Anatota sy ny tany manodidina azy ary Almona sy ny tany manodidina azy, dia tanàna efatra.
19 Somit bekamen die Söhne des Priesters Aaron insgesamt dreizehn Städte mit ihren Weiden.
Ny tanàna rehetra an’ ny mpisorona, taranak’ i Arona, dia telo ambin’ ny folo ary ny tany manodidina azy avy.
20 Den Sippen der übrigen levitischen Kehatsöhne wurden ihre Losstädte vom Stamm Ephraim abgetreten.
Ary ny amin’ ny taranak’ i Rehata, dia ny Levita sisa tamin’ ny taranak’ i Kehata, ny tanàna azony tamin’ ny filokana dia avy tamin’ ny firenen’ i Efraima.
21 Man gab ihnen Sichem als Zufluchtsstadt der Totschläger, mit ihren Weiden auf dem Gebirge Ephraim, ebenso Gezer,
Dia nomeny azy Sekema sy ny tany manodidina azy any amin’ ny tany havoan’ i Efraima, ho tanàna fandosirana ho an’ izay nahafaty olona, ary Gazera sy ny tany manodidina azy
22 Kibsaim und Bet Choron je mit ihren Weiden, vier Städte.
ary Kibzaima sy ny tany manodidina azy ary Beti-horona sy ny tany manodidina azy: tanàna efatra;
23 Vom Stamme Dan Elteke, Gibbeton,
ary avy tamin’ ny firenen’ i Dana dia Elteke sy ny tany manodidina azy ary Gibetona sy ny tany manodidina azy.
24 Ajjalon und Gat Rimmon je mit ihren Weiden, vier Städte.
ary Aialona sy ny tany manodidina azy ary Gata-rimona sy ny tany manodidina azy: tanàna efatra;
25 Vom Halbstamme Manasse Taanak und Gat Rimmon mit je ihren Weiden, zwei Städte.
ary avy tamin’ ny antsasaky ny firenen’ i Manase dia Tanaka sy ny tany manodidina azy ary Gata-rimona sy ny tany tany manodidina azy: tanàna roa.
26 Somit bekamen die Sippen der übrigen Kehatsöhne insgesamt zehn Städte Mit ihren Weiden.
Ny tanàna rehetra azon’ ny fokon’ ny taranak’ i Kehata sisa dia folo ary ny tany manodidina azy avy.
27 Die Gersoniten unter den Levitensippen bekamen vom Halbstamme Manasse Golan als Zufluchtsstadt der Totschläger, in Basan und Astarot, je mit ihren Weiden, zwei Städte.
Ary izao no azon’ ny taranak’ i Gersona isan’ ny fokon’ ny Levita; avy tamin’ ny antsasaky ny firenen’ i Manase dia Golana any Basana sy ny tany manodidina azy, ho tanàna fandosirana ho an’ izay nahafaty olona, ary Bestera sy ny tany manodidina azy, dia tanàna roa;
28 Vom Issakarstamme Kisjon, Daberat,
ary avy tamin’ ny firenen’ Isakara dia Kisiona sy ny tany manodidina azy ary Daberata sy ny tany manodidina azy,
29 Jarmut und En Gannim je mit ihren Weiden, vier Städte.
ary Jarmota sy ny tany manodidina azy ary Enganima sy ny tany manodidina azy, dia tanàna efatra;
30 Vom Asserstamme Misal, Abdon
ary avy tamin’ ny firenen’ i Asera dia Misala sy ny tany manodidina azy ary Abdona sy ny tany manodidina azy
31 Chelkat und Rechob je mit ihren Weiden, vier Städte.
ary Helkata sy ny tany manodidina azy ary Rehoba sy ny ràny manodidina azy, dia tanàna efatra;
32 Vom Naphtalistamme Kedes als Zufluchtsstadt der Totschläger in Galiläa, Chammot Dor und Kartan je mit ihren Weiden, drei Städte.
ary avy tamin’ ny firenen’ i Naftaly dia Kadesy any Galilia sy ny tany manodidina azy, ho tanàna fandosirana ho an’ izay nahafaty olona, ary Hamota dora sy ny tany manodidina azy ary Kanana sy ny tany manodidina azy, dia tanàna telo.
33 Somit bekamen die Gersonitensippen insgesamt dreizehn Städte mit ihren Weiden.
Ny tanàna rehetra an’ ny Gersonita isam-potony dia telo ambin’ ny folo ary ny tany manodidina azy avy.
34 Die übrigen levitischen Meraritensippen bekamen vom Zabulonstamme Jokneam, Karta,
Ary izao no azon’ ny fokon’ ny taranak’ i Merary, izay Levita sisa: avy tamin’ ny firenen’ i Zebolona dia Jokneama sy ny tany manodidina azy ary Karta sy ny tany manodidina azy,
35 Dimna und Nahalal mit ihren Weiden, vier Städte.
ary Dimna sy ny tany manodidina azy ary Nahalola sy ny tany manodidina azy, dia tanàna efatra;
36 Vom Rubenstamme Beser, Jahsa,
ary avy tamin’ ny firenen’ i Robena dia Bezera sy ny tany manodidina azy ary Jahaza sy ny tany manodidina azy,
37 Kedemot und Mephaat je mit ihren Weiden, vier Städte.
ary Kedemota sy ny tany manodidina azy ary Mefata sy ny tany manodidina azy, dia tanàna efatra;
38 Vom Stamme Gad Ramot als Zufluchtsstadt der Totschläger in Gilead, Machanaim,
ary avy tamin’ ny firenen’ i Gada dia Ramota any Gileada sy ny tany manodidina azy, ho tanàna fandosirana ho an’ izay nahafaty olona, ary Mahanaima sy ny tany manodidina azy
39 Chesbon und Jazer je mit ihren Weiden, insgesamt vier Städte.
ary Hesbona sy ny tany manodidina azy ary Jazera sy ny tany manodidina azy, dia tanàna efatra izy rehetra.
40 So bekamen die von den Levitensippen übrigen Meraritensippen als ihr Los zwölf Städte.
Ny tanàna rehetra an’ ny taranak’ i Merary araka ny fokony, izay sisa tamin’ ny fokon’ ny Levita, dia tanàna roa ambin’ ny folo no loka azony.
41 Es waren also achtundvierzig Städte samt ihren Weiden inmitten des israelitischen Erbbesitzes Levitenstädte.
Ny tanàna rehetra an’ ny Levita teo anatin’ ny lovan’ ny Zanak’ Isiraely dia valo amby efa-polo sy ny tany manodidina azy avy.
42 Diese Städte bestanden jedesmal aus einer Stadt und ihrer Weide ringsum. So war es bei all diesen Städten.
Ireo tanàna ireo samy manana ny taniny manodidina azy avy; tahaka izany avokoa ireo tanàna rehetra ireo.
43 So gab der Herr Israel das ganze Land, das zu geben ihren Vätern er zugeschworen. Sie besetzten es und siedelten darin.
Dia nomen’ i Jehovah ny Isiraely ny tany rehetra izay efa nianianany homena ny razany; ary nandova izany izy ireo ka nonina teo,
44 Und der Herr gab ihnen ringsum Ruhe, wie er ihren Vätern geschworen hatte. Von all ihren Feinden hatte keiner gegen sie standgehalten. Der Herr hatte all ihre Feinde in ihre Hand gegeben.
Dia nomen’ i Jehovah fitsaharana amin’ ny manodidina izy, araka izay rehetra nianiananany tamin’ ny razany, ka tsy nisy lehilahy tamin’ ny fahavalony rehetra nahajanona teo anoloany; fa natolotr’ i Jehovah teo an-tànany avokoa ny fahavalony rehetra.
45 Von all den Verheißungen, die der Herr dem Haus Israel gegeben, war keine ausgeblieben. Alle waren in Erfüllung gegangen.
Tsy nisy latsata na dia kely akory aza ny zava-tsoa rehetra izay nolazain’ i Jehovah tamin’ ny taranak’ Isiraely; fa tanteraka avokoa izany rehetra izany.

< Josua 21 >