< 2 Koenige 9 >

1 Da rief der Prophet Elisäus einen der Prophetensöhne und sprach: "Gürte deine Lenden! Nimm diese Ölflasche mit dir und geh nach Ramot im Gilead!
Ary Elisa mpaminany niantso ny anankiray tamin’ ny zanakalahin’ ny mpaminany ka nanao taminy hoe: Misikìna, dia ento eny an-tananao ity tavoara feno diloilo ity, ka mankanesa any Ramota-gileada;
2 Und kommst du dort an, dann merk auf! Dort ist Jehu, Josaphats Sohn und Nimsis Enkel. Trittst du ein, dann laß ihn aus seiner Brüder Mitte aufstehen und führ ihn in das innerste Gemach!
ary rehefa mby any ianao, dia izahao Jeho, zanak’ i Josafata, zanak’ i Nimsy, ary midìra, ka manaingà azy hiala amin’ ny namany, ary ento any amin’ ny efi-trano anatiny izy;
3 Dann nimm die Ölflasche, gieße daraus auf sein Haupt und sage: 'So spricht der Herr: "Ich salbe dich zum König über Israel!"' Dann öffne die Tür und fliehe unverweilt!"
ary raiso ny tavoara feno diloilo, ka aidino amin’ ny lohany, dia lazao hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Efa nanosotra anao ho mpanjakan’ ny Isiraely Aho. Dia vohay ny varavarana, ka mandosira, fa aza mijanona.
4 Da ging der Jüngling - der Jüngling war ein Prophet - nach Ramot im Gilead.
Ary nandeha ilay zatovo, dia ilay zatovon’ ny mpaminany, nankany Ramota-gileada.
5 Als er hinkam, saßen die Hauptleute des Heeres da. Er sagte: "Hauptmann! Ich habe dir etwas zu sagen." Jehu fragte: "Wem von uns allen?" Er sprach: "Hauptmann! Dir!"
Ary nony mby tany izy, indreo, nipetraka teo ny mpifehy ny miaramila; ary hoy izy: Ry komandy ô, mitondra teny ho aminao aho. Ary hoy Jeho: Amin’ iza aminay ireto moa? Ary hoy izy: Aminao, ry komandy ô.
6 Da stand er auf und ging ins Haus hinein. Da goß er ihm das Öl aufs Haupt und sagte zu ihm: "So spricht der Herr, Israels Gott: 'Ich salbe dich zum König über des Herrn Volk, über Israel.
Ary nitsangana izy ka niditra tao an-trano, dia naidiny tamin’ ny lohany ny diloilo; ary hoy izy taminy: Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Efa nanosotra anao Aho ho mpanjakan’ ny Isiraely oloko.
7 Schlage nieder das Haus Achabs, deines Herrn, damit ich räche meiner Diener, der Propheten, Blut sowie das Blut aller anderen Diener des Herrn an Izebel
Ary hamely ny tamingan’ i Ahaba tomponao ianao, mba hampanodiaviko an’ i Jezebela ny ran’ ny mpaminany mpanompoko sy ny ran’ ny mpanompon’ i Jehovah rehetra.
8 und an dem ganzen Achabhause! Zugrunde geht das ganze Achabhaus. Von Achab tilge ich die Wandpisser, wie Mündige in Israel.
Eny, ho fongotra ny taranak’ i Ahaba rehetra; ary haringako avokoa ny lehilahy rehetra amin’ ny tamingany, na ny voahazona na ny afaka eo amin’ ny Isiraely;
9 Ich mache so das Achabhaus gleich dem des Nebatsohns Jeroboam und gleich dem Haus des Achiasohnes Baësa.
Ary ny taranak’ i Ahaba hataoko tahaka ny taranak’ i Jeroboama, zanak’ i Nebata, sy tahaka ny taranak’ i Basa, zanak’ i Ahia;
10 Izebel aber fressen Hunde auf der Flur von Jezreel, und niemand ist, der sie bestattet.'" Darauf öffnete er die Tür und floh.
Ary Jezebela hohanin’ ny alika ao amin’ ny tany Jezirela, ka tsy hisy handevina azy. Dia namoha ny varavarana ilay zatovo ka lasa nandositra.
11 Als Jehu nun zu den Dienern seines Herrn hinaustrat, fragte man ihn: "Steht es gut? Weshalb ist dieser Verrückte zu dir gekommen?" Er sprach zu ihnen: "Ihr kennt ja den Mann und sein Geschwätz."
Ary Jeho nivoaka nankao amin’ ny mpanompon’ ny tompony ary nanontaniany hoe: Raharaha tsara ihany va? Inona no nalehan’ iny ilay adala iny tao aminao? Ary hoy izy taminy: Hianareo mahalala ihany an-dralehilahy sy ny heviny.
12 Sie sprachen. "Ausflüchte! Sag es uns!" Da sagte er: "So und so hat er zu mir gesprochen: 'So spricht der Herr: "Ich salbe dich zum König über Israel."'"
Fa hoy ireo: Lainga foana izany; fa ambarao aminay. Dia hoy izy: Izao ka izao no nolazainy tamiko: Izao ny lazain’ i Jehovah: Efa nanosotra anao ho mpanjakan’ ny Isiraely Aho.
13 Da nahmen sie eilends jeder sein Gewand und legten es unter ihn auf die Treppenziegel. Dann stießen sie in das Horn und riefen: "Jehu ist König."
Dia samy nandray faingana ny lambany avy izy ireo ka namelatra azy hitoeran’ i Jeho teo amin’ ny ambaratonga, ary nitsoka ny anjomara izy niantso hoe: Jeho no mpanjaka.
14 Also verschwor sich Jehu, Josaphats Sohn und Nimsis Enkel, gegen Joram. Joram aber lag auf der Wacht zu Ramot im Gilead mit ganz Israel gegen Arams König Chazael.
Ary Jeho, zanak’ i Josafata, zanak’ i Nimsy, nikomy tamin’ i Jorama (fa Jorama mbamin’ ny Isiraely rehetra niaro an’ i Ramota-gileada noho ny fananihan’ i Hazaela, mpanjakan’ i Syria, azy;
15 Der König Joram aber kehrte heim, um sich in Jezreel heilen zu lassen von den Wunden, die ihm die Aramäer schlugen, als er mit Arams König Chazael kämpfte. Jehu sprach: "Ist es euch genehm, dann gehe niemand heimlich aus der Stadt in der Absicht, hinzugehen und es in Jezreel zu melden!"
Nefa Jorama mpanjaka efa niverina hotsaboina tao Jezirela amin’ ny feriny tamin’ ny nahavoazan’ ny Syriana azy, fony izy niady tamin’ i Hazaela, mpanjakan’ i Syria), ka dia hoy Jeho; Raha izany ary no sitrakareo, aza avela hisy hiala eto an-tanàna handeha hilaza izany any Jezirela.
16 Hierauf bestieg Jehu einen Wagen und fuhr nach Jezreel. Denn dort lag Joram, und der Judakönig Achazja war herabgezogen, Joram zu besuchen.
Dia niakatra teo amin’ ny kalesy Jeho ka nankany Jezirela, fa tany no nitoeran’ i Jorama. Ary Ahazia, mpanjakan’ ny Joda, efa nidina hamangy an’ i Jorama.
17 Auf dem Turme zu Jezreel aber stand der Wächter und sah Jehus, Schar herankommen. Er sprach: "Ich sehe eine Schar." Da sprach Joram: "Hole einen Reiter und schicke ihn jenen entgegen, daß er frage: 'In friedlicher Absicht?'"
Ary ny mpitily mitsangana teo an-tampon’ ny tilikambo teo Jezirela ka nahatazana fa indrery olona betsaka tamy niaraka amin’ i Jeho, ary hoy izy: Mahita olona betsaka aho. Ary hoy Jorama: Makà mpitaingin-tsoavaly, ka maniraha hitsena azy, ary asaovy manao hoe: Fihavanana va?
18 Da ritt der Reiter ihm entgegen und sprach: "So fragt der König: 'In friedlicher Absicht?'" Jehu sprach: "Was geht dich der Frieden an? Schwenke hinter mich ein!" Der Wächter meldete es und sprach: "Der Bote ist bei ihnen angelangt, kehrt aber nicht um."
Dia nandeha ny mpitaingin-tsoavaly anankiray hitsena azy ka nanao taminy hoe: Izao no tenin’ ny mpanjaka: Fihavanana va? Ary hoy Jeho: Ahoanao izay fihavanana? fa mankanesa ato aoriako ianao. Ary ny mpitily nilaza hoe: Ny iraka dia tonga teny aminy, nefa tsy niverina.
19 Da sandte er einen zweiten Reiter. Er kam zu ihm und sprach: "So fragt der König: 'Friedlich?'" Jehu sprach: "Was geht dich der Frieden an? Schwenke hinter mich ein!"
Dia naniraka mpitaingin-tsoavaly fanindroany Jorama, ary nony tonga teny koa izy, dia nanao hoe: Izao no tenin’ ny mpanjaka: Fihavanana va? Ary Jeho namaly hoe: Ahoanao izay fihavanana? fa mankanesa ato aoriako ianao.
20 Der Wächter meldete: "Auch er ist bei ihnen angelangt, kehrt aber nicht um. Und das Fahren gleicht dem Fahren des Nimsisohnes Jehu; denn er fährt unsinnig."
Ary ny mpitily nilaza indray hoe: Tonga teny aminy koa iny, fa tsy niverina; ary ny fampiriotrany dia hoatra ny fampiriotran’ i Jeho, zanak’ i Nimsy; fa mampiriotra hoatra ny olona adala izy.
21 Da sprach Joram: "Spanne ein!" Man spannte seinen Wagen ein, und der König von Israel, Joram, fuhr mit dem Judakönig Achazja hinaus, jeder auf seinem Wagen. So fuhren sie Jehu entgegen und trafen ihn auf des Jezreeliters Nabot Grundstück.
Ary hoy Jorama: Ampiomany. Dia nampiomaniny ny kalesiny. Dia nivoaka Jorama, mpanjakan’ ny Isiraely, sy Ahazia, mpanjakan’ ny Joda, samy nitsangana teo amin’ ny kalesiny avy ka nandeha hitsena an’ i Jeho, ary nifanena taminy teo amin’ ny tanin’ i Nabota Jezirelita izy.
22 Als Joram den Jehu erblickte, fragte er: "In friedlicher Absicht, Jehu?" Er sprach: "Was, friedliche Absicht bei deiner Mutter Izebel Hurerei und ihren zahllosen Ränken!"
Ary Jorama, nony nahita an’ i Jeho, dia nanao hoe: Fihavanana va, ry Jeho? Fa izy namaly hoe: Aiza no hisy fihavanana, raha mbola ao ihany ny fijangajangan’ i Jezebela reninao sy ny fankatovana betsaka ataony?
23 Da lenkte Joram um und floh. Er rief Achazja zu "Verrat! Achazja!"
Ary Jorama nampihodina ka nandositra sady niteny tamin’ i Ahazia hoe: Misy fitaka, ry Ahazia.
24 Da spannte Jehu den Bogen bis aufs äußerste und traf Joram zwischen die Arme. Der Pfeil fuhr ihm durchs Herz, und er sank in seinem Wagen nieder.
Ary nohenjanin’ i Jeho mafy ny tsipìka teny an-tànany, dia nitifitra an’ i Jorama izy ka nahavoa azy teo anelanelan’ ny sorony, ary ny zana-tsipìka niboroaka tamin’ ny fony, ka dia nampianjera azy tao anatin’ ny kalesiny.
25 Dann sprach er zu seinem Krieger Bidekar: "Nimm ihn und wirf ihn auf des Jezreeliters Nabot Grundstück! Denk daran, wie ich und du hinter seinem Vater Achab Seite an Seite ritten, als der Herr über ihn diesen Ausspruch tat:
Ary hoy Jeho tamin’ i Bidkara lefiny: Betao izy, ka atsipazo ao amin’ ny sahan’ i Nabota Jezirelita; fa tsarovy fa fony izaho sy ianao samy nitaingina kalesy nanaraka an’ i Ahaba rainy, dia nolazain’ i Jehovah fa hihatra aminy izao loza voalaza izao hoe:
26 'Ich habe gestern Nabots und seiner Söhne Blut gesehen - ein Spruch des Herrn - und ich vergelte es dir auf diesem Grundstück.' Ein Spruch des Herrn. So nimm ihn und wirf ihn auf das Grundstück nach des Herrn Wort!"
Efa hitako tokoa omaly ny ran’ i Nabota sy ny ran’ ny zanany, hoy Jehovah, ary Izaho hamaly anao eto amin’ ity tany ity, hoy Jehovah. Koa betao izy, ka atsipazo amin’ io tany io araka ny tenin’ i Jehovah.
27 Dies hatte der Judakönig Achazja mit angesehen; da floh er gegen das Gartenhaus. Jehu jagte ihm nach und rief: "Schlagt auch diesen auf dem Wagen!" Es war auf der Steige von Gur bei Ibleam. Doch er entkam nach Megiddo; dort aber starb er.
Ary nony hitan’ i Ahazia, mpanjakan’ ny Joda, izany, dia nandositra tamin’ ny lalana mankamin’ ny trano ao anatin’ ny saha izy. Ary Jeho nanaraka azy ka nanao hoe: Indry, asio koa iny; dia nasiany teo anatin’ ny kalesiny teo amin’ ny fiakarana ho any Gora, izay eo anilan’ i Jibleama, izy. Ary nandositra nankany Megido Ahazia ka maty teo.
28 Dann fuhren ihn seine Diener nach Jerusalem und begruben ihn in seiner Grabstätte bei seinen Ahnen in der Davidsstadt.
Ary ny mpanompony nitondra azy tamin’ ny kalesiny ho any Jerosalema ka nandevina azy tao am-pasany ao amin’ ny razany tao an-tanànan’ i Davida.
29 Im elften Jahr des Achabsohnes Joram war Achazja über Juda König geworden.
Ary tamin’ ny taona fahiraika ambin’ ny folo nanjakan’ i Jorama, zanak’ i Ahaba, no vao nanjakan’ i Ahazia tamin’ ny tany Joda.
30 Nun kam Jehu nach Jezreel. Als Izebel davon hörte, schminkte sie die Augenlider, schmückte ihr Haupt und schaute zum Fenster hinaus.
Dia tonga tany Jezirela Jeho; ary nony nandre izany Jezebela, dia nohosorany loko mainty ny masony, sady noravahany ny lohany, dia nitsidika teo am-baravarankely izy.
31 Als Jehu durch das Tor kam, sprach sie: "Geht es Zimri, dem Mörder seines Herrn, gut?"
Ary nony niditra teo am-bavahady Jeho, dia hoy Jezebela: Fihavanana va, ry Zimry, mpamono tompo?
32 Da blickte er zum Fenster hinauf und rief: "Wer hält es mit mir? Wer?" Da blickten zu ihm zwei oder drei Kämmerlinge herunter.
Ary niandrandra ny varavaran-kely Jeho ka nanao hoe: Iza aminareo ireo no momba ahy? Iza? Ary nisy tandapa roa na telo teo nitsirika azy.
33 Er rief: "Stürzt sie herab!" Und sie stürzten diese hinab. Von ihrem Blut aber spritzte an die Mauer und an die Rosse, und sie zerstampften sie.
Ary hoy Izy: Azerao io vehivavy io. Dia nazerany izy; ka nisy nipitipitika tamin’ ny rindrin-trano sy ny soavaly ny ràny; ka dia nohitsahin’ i Jeho izy.
34 Er aber ging hinein und aß und trank. Dann sprach er: "Seht nach dieser Verfluchten und begrabt sie! Sie ist doch eine Königstochter."
Dia niditra tao an-trano Jeho ka nihinana sy nisotro, ary dia nilaza hoe: Mandehana, Izahao ilay vehivavy voaozona, ka aleveno, fa zanakavavin’ ny mpanjaka izy.
35 Da gingen sie hin, sie zu begraben, fanden aber von ihr nichts mehr als den Schädel, die Füße und Arme.
Koa dia lasa ireo handevina azy; nefa tsy nisy tratrany teo afa-tsy ny karan-dohany sy ny tongony ary ny felatanany ihany.
36 Sie kamen zurück und meldeten es ihm. Er sprach: "Das ist des Herrn Wort, das er durch seinen Diener, den Tisbiter Elias, gesprochen hat: 'Das Fleisch Izebels fressen Hunde auf der Flur von Jezreel.
Ary niverina ireo ka nanambara taminy. Ary hoy Jeho: Araka ny tenin’ i Jehovah izany, dia ilay nampilazainy an’ i Elia Tisbita mpanompony hoe: Ao amin’ ny tany Jezirela no hihinanan’ ny alika ny nofon’ i Jezebela,
37 Izebels Leichnam wird wie Ackerdünger auf der Flur von Jezreel, daß man nicht sagen kann: "Das ist Izebel."'"
Ary ny fatiny ho toy ny zezika any an-tsaha, ny amin’ ny tany Jezirela, ka tsy hisy hahazo milaza hoe Jezebela ity.

< 2 Koenige 9 >