< Proverbes 11 >

1 La balance fausse est en abomination à l'Éternel; mais le poids juste lui est agréable.
Ny mizana mandainga dia fahavetavetana eo imason’ i Jehovah; Fa ny vato marina no ankasitrahany.
2 L'orgueil est-il venu, aussitôt vient l'ignominie; mais la sagesse est avec les humbles.
Raha tonga ny fiavonavonana, dia tonga koa ny fahafaham-baraka; Fa ao amin’ ny manetry tena no misy fahendrena.
3 L'intégrité des hommes droits les conduit; mais la perversité des perfides les détruit.
Ny fahitsian’ ny mahitsy no mitarika azy; Fa ny faharatsian’ ny mpivadika mahatonga fandringanana amin’ ny tenany.
4 Les biens ne serviront de rien au jour de l'indignation; mais la justice délivrera de la mort.
Ny harena dia tsy mahasoa amin’ ny andro fahatezerana; Fa ny fahamarinana no mamonjy tsy ho azon’ ny fahafatesana.
5 La justice de l'homme intègre aplanit son chemin; mais le méchant tombera par sa méchanceté.
Ny fahamarinan’ ny marina mandamina ny alehany; Fa ny ratsy fanahy lavon’ ny haratsiany ihany.
6 La justice des hommes droits les délivre; mais les perfides sont pris par leur malice.
Ny fahamarinan’ ny mahitsy mamonjy azy; Fa ny mpivadika dia voafandriky ny filàny.
7 Quand l'homme méchant meurt, son attente périt, et l'espérance des violents est anéantie.
Raha maty ny ratsy fanahy, dia foana ny fanantenany, Eny, foana ny fanantenan’ ny mpanao ratsy.
8 Le juste est délivré de la détresse; mais le méchant y tombe à sa place.
Ny marina dia vonjena amin’ ny fahoriana; Fa ho avy kosa ny ratsy fanahy hisolo azy.
9 L'impie ruine son prochain par ses paroles; mais les justes sont délivrés par la science.
Ny vavan’ ny mpihatsaravelatsihy no animbany ny namany; Fa ny fahalalana no hanafahana ny marina.
10 La ville se réjouit du bien des justes; mais il y a un chant de triomphe quand les méchants périssent.
Raha miadana ny marina, dia ravoravo ny tanàna; Fa raha ringana ny ratsy fanahy, dia velona ny hoby.
11 La ville est élevée par la bénédiction des hommes droits; mais elle est renversée par la bouche des méchants.
Ny fisaoran’ ny marina no isandratan’ ny tanàna; Fa ny vavan’ ny ratsy fanahy no aharavany.
12 Celui qui méprise son prochain, est dépourvu de sens; mais l'homme prudent se tait.
Tsy ampy saina izay manamavo ny namany; Fa izay hendry dia mangìna.
13 Celui qui va médisant, révèle le secret; mais celui qui a un cœur loyal, le cache.
Izay mandehandeha manaratsy dia manambara ny hevitra afenina; Fa ny olona mahatoky tsy mba tia lazalaza.
14 Le peuple tombe, faute de prudence; mais la délivrance est dans la multitude des gens de bon conseil.
Raha tsy misy mpitondra, dia rava ny firenena; Fa handry fahizay, raha maro ny mpanolo-tsaina.
15 Celui qui cautionne un étranger, ne peut manquer d'avoir du mal; mais celui qui hait ceux qui frappent dans la main, est en sécurité.
Hahita loza tokoa ny mianto-bahiny: Fa mitoetra tsy manana ahiahy ny tsy tia antoka.
16 La femme gracieuse obtient de l'honneur, et les hommes violents obtiennent des richesses.
Ny vehivavy tsara tarehy mahazo dera; Ary ny mpanao an-keriny mahazo harena.
17 L'homme bienfaisant se fait du bien à soi-même; mais celui qui est cruel trouble sa propre chair.
Ny olona mamindra fo dia mahazo soa ho an’ ny tenany; Fa ny lozabe dia todin’ ny halozany.
18 Le méchant fait une œuvre qui le trompe; mais la récompense est assurée à celui qui sème la justice.
Ny ratsy fanahy dia mahazo valiny tsy mahasoa; Fa izay mamafy fahamarinana no mahazo izay tena tambiny tokoa.
19 Ainsi la justice mène à la vie; mais celui qui poursuit le mal cherche la mort.
Ny tena fahamarinana dia mamantana any amin’ ny fiainana; Fa izay fatra-panaraka ny ratsy dia iharan’ ny fahafatesana.
20 Ceux qui ont le cœur dépravé, sont en abomination à l'Éternel; mais ceux qui marchent en intégrité, lui sont agréables.
Fahavetavetana eo imason’ i Jehovah ny meloka am-po; Fa ankasitrahany kosa izay mandeha tsy misy tsiny.
21 Tôt ou tard, le méchant ne demeurera point impuni; mais la race des justes sera délivrée.
Azo itompoana tokoa fa tsy maintsy hampijalina ny ratsy fanahy; Fa ny taranaky ny marina no hovonjena.
22 Une belle femme, qui se détourne de la raison, est comme une bague d'or au groin d'un pourceau.
Toy ny kavim-bolamena eo amin’ ny oron-kisoa Ny vehivavy tsara tarehy tsy manam-pahendrena.
23 Le souhait des justes n'est que le bien; mais l'attente des méchants c'est l'indignation.
Ny soa ihany no irin’ ny marina; Fa fahatezerana no fanantenan’ ny ratsy fanahy.
24 Tel répand son bien, qui l'augmentera encore davantage; et tel le resserre plus qu'il ne faut, qui sera dans la disette.
Misy mahafoy, nefa mitombo fananana ihany; Ary misy fatra-pahihitra loatra, nefa tonga malahelo ihany.
25 Celui qui est bienfaisant sera rassasié, et celui qui arrose, sera aussi arrosé lui-même.
Izay manisy soa olona hohatavezina; Ary izay mandena dia mba holemana kosa.
26 Celui qui retient le blé est maudit du peuple; mais la bénédiction est sur la tête de celui qui le vend.
Izay tsy mamoaka ny variny dia ozonin’ ny olona; Fa saotra no ho amin’ ny lohan’ izay mivarotra.
27 Celui qui recherche le bien, acquiert de la faveur; mais le mal arrivera à celui qui le poursuit.
Izay fatra-pikatsaka ny tsara no mitady ny mahafinaritra; Fa izay mitady ny ratsy dia hiharan’ izany.
28 Celui qui se fie en ses richesses, tombera; mais les justes reverdiront comme la feuille.
Izay matoky ny hareny dia ho lavo; Fa ny marina ho tahaka ny ravina maitso.
29 Celui qui ne gouverne pas sa maison avec ordre, aura le vent pour héritage; et le fou sera le serviteur de celui qui a le cœur sage.
Izay mampidi-doza amin’ ny ankohonany dia mandova ny rivotra; Ary ny adala dia tonga mpanompon’ ny hendry.
30 Le fruit du juste est un arbre de vie, et le sage gagne les cœurs.
Ny vokatry ny marina dia hazon’ aina, Ary ny hendry dia mahataona olona.
31 Voici, le juste reçoit sur la terre sa rétribution; combien plus le méchant et le pécheur?
Indro, ny marina aza dia valiana etỳ an-tany, Koa mainka fa ny ratsy fanahy sy ny mpanota!

< Proverbes 11 >