< 2 Rois 1 >

1 Après la mort d'Achab, les Moabites se révoltèrent contre Israël.
Ary Moaba niodina tamin’ ny Isiraely, rehefa maty Ahaba.
2 Or Achazia tomba par le treillis de sa chambre haute, à Samarie, et il en fut malade; et il envoya des messagers, auxquels il dit: Allez, consultez Baal-Zébub, dieu d'Ékron, pour savoir si je relèverai de cette maladie.
Ary Ahazia nianjera avy teo amin’ ny makarakara teo amin’ ny efi-trano ambony tao Samaria ka narary; dia naniraka olona izy ka nanao taminy hoe: Mandehana, anontanio amin’ i Bala-zeboba, andriamanitr’ i Ekrona, na ho sitrana ihany aho amin’ ity aretiko ity, na tsia.
3 Mais l'ange de l'Éternel dit à Élie, le Thishbite: Lève-toi, monte au-devant des messagers du roi de Samarie, et dis-leur: N'y a-t-il point de Dieu en Israël, que vous alliez consulter Baal-Zébub, dieu d'Ékron?
Ary Ilay Anjelin’ i Jehovah niteny tamin’ i Elia Tisbira hoe: Miaingà, miakara hihaona amin’ ny iraky ny mpanjakan’ i Samaria, ka manaova aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Moa ataonareo fa tsy misy Andriamanitra eo amin’ ny Isiraely va, no mandeha hanontany amin’ i Bala-zeboba, andriamanitr’ i Ekrona, ianareo?
4 C'est pourquoi, ainsi a dit l'Éternel: Tu ne descendras point du lit sur lequel tu es monté, mais certainement tu mourras. Et Élie s'en alla.
Koa noho izany dia tsy hidina hiala amin’ ny farafara izay niakaranao ianao, fa ho faty tokoa. Ary dia lasa Elia.
5 Puis les messagers retournèrent vers Achazia, qui leur dit: Pourquoi revenez-vous?
Dia niverina tany amin’ ny mpanjaka ny iraka, ka hoy izy taminy: Nahoana re no niverina ianareo?
6 Et ils lui répondirent: Un homme est monté au-devant de nous, et nous a dit: Allez, retournez vers le roi qui vous a envoyés, et dites-lui: Ainsi a dit l'Éternel: N'y a-t-il point de Dieu en Israël, que tu envoies consulter Baal-Zébub, dieu d'Ékron? C'est pourquoi, tu ne descendras point du lit sur lequel tu es monté, mais certainement tu mourras.
Ary hoy ireo taminy: Nisy lehilahy niakatra nitsena anay ka nanao taminay hoe: Mandehana miverina any amin’ ny mpanjaka izay naniraka anareo, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Moa ataonareo fa tsy misy Andriamanitra eo amin’ ny Isiraely va, no maniraka hanontany amin’ i Bala-zeboba, andriamanitr’ i Ekrona, ianareo? Koa noho izany dia tsy hidina hiala amin’ ny farafara izay niakaranao ianao, fa ho faty tokoa.
7 Alors le roi leur dit: Comment est cet homme qui est monté au-devant de vous et qui vous a dit ces paroles?
Ary hoy izy taminy: Lehilahy toy inona izay niakatra nitsena anareo izay ka nilaza izany teny izany taminareo?
8 Et ils lui dirent: C'est un homme vêtu de poil, et ayant autour de ses reins une ceinture de cuir. Et il dit: C'est Élie, le Thishbite.
Ary ireo namaly azy hoe: Lehilahy mitafy volom-biby izy, sady nisy fehin-kibo hoditra tamin’ ny valahany. Dia hoy izy: Elia Tisbita izay.
9 Alors il envoya vers lui un capitaine de cinquante hommes, avec ses cinquante hommes, qui monta vers lui. Or voici, Élie se tenait sur le haut de la montagne. Et le capitaine lui dit: Homme de Dieu, le roi a dit que tu descendes.
Ary ny mpanjaka naniraka mpifehy dimam-polo anankiray mbamin’ ny dimam-polo fehiny hankany aminy. Dia niakatra tany aminy izy; ka indro izy nipetraka teo an-tampon’ ny tendrombohitra; ary niteny taminy ralehilahy hoe: Ry lehilahin’ Andriamanitra ô, midìna ianao, antsoin’ ny mpanjaka.
10 Mais Élie répondit, et dit au capitaine des cinquante hommes: Si je suis homme de Dieu, que le feu descende des cieux et te consume, toi et tes cinquante hommes. Et le feu descendit des cieux et le consuma, lui et ses cinquante hommes.
Fa Elia namaly ka nanao tamin’ ny mpifehy dimam-polo hoe: Raha lehilahin’ Andriamanitra tokoa aho, dia aoka hisy afo milatsaka avy any an-danitra handevona anao sy ny dimam-polo fehinao. Ary dia nisy afo nilatsaka avy tany an-danitra ka nandevona azy mbamin’ ny dimam-polo fehiny.
11 Et Achazia lui envoya encore un autre capitaine de cinquante hommes, avec ses cinquante hommes, qui prit la parole et lui dit: Homme de Dieu, ainsi a dit le roi: Hâte-toi de descendre.
Dia naniraka mpifehy dimam-polo anankiray mbamin’ ny dimam-polo fehiny hankany aminy koa ny mpanjaka. Dia niteny izy ka nanao taminy hoe: Ry lehilahin’ Andriamanitra ô, midìna faingana ianao, antsoin’ ny mpanjaka.
12 Mais Élie répondit et leur dit: Si je suis homme de Dieu, que le feu descende des cieux et te consume, toi et tes cinquante hommes. Et le feu de Dieu descendit des cieux, et le consuma, lui et ses cinquante hommes.
Fa namaly Elia ka nanao taminy hoe: Raha lehilahin’ Andriamanitra tokoa aho, dia aoka hisy afo milatsaka avy any an-danitra ka handevona anao mbamin’ ny dimam-polo fehinao. Ary dia nisy afon’ Andriamanitra nilatsaka avy tany an-danitra ka nandevona azy mbamin’ ny dimam-polo fehiny.
13 Et Achazia envoya encore le capitaine d'une troisième cinquantaine, avec ses cinquante hommes. Et ce troisième capitaine de cinquante hommes monta, vint, et fléchit les genoux devant Élie, et, le suppliant, il lui dit: Homme de Dieu, je te prie, que ma vie et la vie de ces cinquante hommes, tes serviteurs, soit précieuse à tes yeux!
Ary dia naniraka mpifehy dimam-polo anankiray koa indray mbamin’ ny dimam-polo fehiny izy. Dia niakatra ilay mpifehy dimam-polo ka tonga, ary nandohalika teo anatrehan’ i Elia ka nifona taminy nanao hoe: Masìna ianao, ry lehilahin’ Andriamanitra ô, aoka ho zava-tsoa eo imasonao ny aiko sy ny ain’ ireto mpanomponao dimam-polo ireto.
14 Voici, le feu est descendu des cieux, et a consumé les deux premiers capitaines de cinquantaine, avec leurs cinquante hommes; mais maintenant, que ma vie soit précieuse à tes yeux!
Indro, efa nisy afo nilatsaka avy tany an-danitra ka nandevona ireo roa lahy mpifehy dimam-polo ireo mbamin’ ny dimam-polo fehiny avy; fa aoka kosa ho zava-tsoa eo imasonao ny aiko ankehitriny.
15 Et l'ange de l'Éternel dit à Élie: Descends avec lui; n'aie point peur de lui. Il se leva donc, et descendit avec lui vers le roi; et il lui dit:
Ary hoy Ilay Anjelin’ i Jehovah tamin’ i Elia: Midìna ihany hiaraka aminy ianao; fa aza matahotra azy. Ary dia niainga izy ka nidina niaraka taminy ho any amin’ ny mpanjaka.
16 Ainsi a dit l'Éternel: Parce que tu as envoyé des messagers pour consulter Baal-Zébub, dieu d'Ékron, comme s'il n'y avait point de Dieu en Israël pour consulter sa parole, tu ne descendras point du lit sur lequel tu es monté; mais certainement tu mourras!
Ary hoy izy tamin’ ny mpanjaka: Izao no lazain’ i Jehovah: Satria naniraka olona hanontany amin’ i Bala-zeboba, andriamanitr’ i Ekrona, ianao, hoatra ny tsy misy Andriamanitra eo amin’ ny Isiraely, dia tsy hidina hiala amin’ ny farafara izay niakaranao ianao fa ho faty tokoa.
17 Achazia mourut donc, selon la parole de l'Éternel, qu'Élie avait prononcée; et Joram régna à sa place, la seconde année de Joram, fils de Josaphat, roi de Juda, parce qu'Achazia n'avait point de fils.
Ka dia maty izy araka ny tenin’ i Jehovah izay nolazain’ i Elia. Ary satria tsy nanan-janaka izy, dia Jorama no nanjaka nandimby azy tamin’ ny taona faharoa nanjakan’ i Jehorama, zanak’ i Josafata, mpanjakan’ ny Joda.
18 Le reste des actes d'Achazia n'est-il pas écrit au livre des Chroniques des rois d'Israël?
Ary ny asan’ i Ahazia sisa izay nataony, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Isiraely va izany?

< 2 Rois 1 >