< Joël 1 >

1 Parole de Yahweh qui fut adressée à Joël, fils de Phatuel.
Ny tenin’ i Jehovah, izay tonga tamin’ i Joela, zanak’ i Petoela.
2 Écoutez ceci, vieillards; prêtez l'oreille, vous tous habitants du pays! Pareille chose est-elle arrivée de vos jours, ou bien dans les jours de vos pères?
Henoy izao, ry anti-panahy! Ary mandrenesa, ianareo mponina rehetra amin’ ny tany! Moa mba efa nisy tamin’ ny andronareo na tamin’ ny andron’ ny razanareo, va izao?
3 Faites-en le récit à vos enfants, et vos enfants à leurs enfants, et leurs enfants à une autre génération.
Lazao amin’ ny zanakareo izao, ary aoka ny zanakareo hilaza amin’ ny zanany kosa, ary ny zanak’ ireo kosa indray amin’ ny taranaka mandimby azy.
4 Ce qu'a laissé le gazam, la sauterelle l'a dévoré; ce qu'a laissé la sauterelle, le yéleq l'a dévoré; ce qu'a laissé le yéleq, le chasil l'a dévoré.
Izay sisan’ ny kijeja dia nohanin’ ny koraika; Ary izay sisan’ ny koraika dia nohanin’ ny valalavao: Ary izay sisan’ ny valalavao dia nohanin’ ny sompanga.
5 Réveillez-vous, ivrognes, et pleurez; vous tous, buveurs de vin, lamentez-vous, à cause du vin nouveau; car il vous est retiré de la bouche.
Mifohaza, ianareo mpimamo, ka mitomania, eny, midradradradrà, ianareo mpisotro divay rehetra, noho ny ranom-boaloboka, satria tapaka tsy ho amin’ ny vavanareo izany.
6 Car un peuple est monté sur mon pays, puissant et innombrable; ses dents sont des dents de lion, et il a des mâchoires de lionne.
Fa misy firenena mahery sady tsy hita isa miakatra hamely ny taniko; Ny nifiny dia nifin-diona, ary ny vazany dia vazan’ ny liom-bavy.
7 Il a dévasté ma vigne, et mis en morceaux mon figuier; il les a pelés complètement et abattus; les rameaux sont devenus tout blancs.
Nataony simba tokoa ny voaloboko, ary notapatapahiny ny aviaviko; Nataony nakiky tokoa ireny ka nariany, eny, tonga fotsy ny rantsany.
8 Désole-toi comme une vierge revêtue du sac, pour pleurer l'époux de sa jeunesse.
Midradradradrà toy ny virijina misikindamba fisaonana noho ny amin’ ny vadin’ ny fahatanorany.
9 Offrandes et libations ont été retranchées de la maison de Yahweh; ils sont dans le deuil les prêtres, ministres de Yahweh!
Efa tapaka tsy ho ao amin’ ny tranon’ i Jehovah ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina; Mitomany ny mpisorona, mpanao fanompoam-pivavahana ho an’ i Jehovah.
10 Les champs sont ravagés, le sol est dans le deuil; car le blé est détruit, le vin nouveau est dans la confusion, l'huile languit.
Mariry ny saha, misaona ny tany fambolena; Fa simba ny vary, ritra ny ranom-boaloboka, mihena ny diloilo.
11 Soyez confus, laboureurs, lamentez-vous, vignerons, à cause du froment et de l'orge; car la moisson des champs est anéantie.
Aoka ho menatra ianareo mpiasa tany; midradradradrà, ianareo mpamboatra tanim-boaloboka, noho ny vary tritika sy ny vary hordea; Fa majifa ny vokatry ny saha;
12 La vigne est dans la confusion, et les figuiers languissent; le grenadier, et aussi le palmier et le pommier, tous les arbres des champs sont desséchés; la joie s'est retirée confuse, loin des enfants des hommes.
Maina ny voaloboka, malazo ny aviavy, ary malazo koa ny ampongabendanitra sy ny rofia ary ny poma aza, dia ny hazo rehetra any an-tsaha; Eny, malazo ny fifalian’ ny zanak’ olombelona.
13 Prêtres, ceignez-vous et poussez des plaintes; lamentez-vous, ministres de l'autel! Venez, passez la nuit vêtus du sac, ministres de mon Dieu; car l'offrande et la libation sont retenues loin de la maison de votre Dieu.
Misikìna sy mitomania, ianareo mpisorona; midradradradrà, ianareo mpanao fanompoam-pivavahana eo amin’ ny alitara; Andeha mandry amin’ ny lamba fisaonana mandritra ny alina, ianareo mpanao fanompoam-pivavahana ho an’ Andriamanitro, fa tapaka tsy ho ao amin’ ny tranon’ Andriamanitra ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina.
14 Publiez un jeûne, convoquez une assemblée; réunissez les anciens, tous ceux qui habitent le pays, dans la maison de Yahweh, votre Dieu,
Manamasìna andro fifadian-kanina, miantsoa fivoriana masìna, angòny ny loholona sy ny mponina rehetra amin’ ny tany ho ao an-tranon’ i Jehovah Andriamanitrareo, koa andeha mitaraina amin’ i Jehovah.
15 et criez à Yahweh: " Ah! quel jour!... " Car le jour de Yahweh est proche! Il vient comme un ravage, de la part du Tout-Puissant!
Indrisy ny andro! Fa efa antomotra ny andron’ i Jehovah, ka tahaka ny loza tsy toha avy amin’ ny Tsitoha no fihaviny.
16 La nourriture n'a-t-elle pas été retranchée sous nos yeux, ainsi que la joie et l'allégresse, de la maison de notre Dieu?
Moa tsy efa tapaka teo imasontsika va ny hanina, eny, ny fifaliana sy ny faharavoravoana tsy ho ao an-tranon’ Andriamanitsika?
17 Les semences ont séché sous leurs mottes; les greniers sont vides, les magasins tombent en ruines, parce que le blé est dans la confusion.
Matimaso ao ambanin’ ny baingan-tany ny vary nafafy, foana ny sompitra, mirodana ny trano fitehirizam-bary; Fa nalazo ny vary.
18 Comme les bêtes gémissent! Les troupeaux de bœufs sont effarés, parce qu'ils n'ont point de pâture; même les troupeaux de brebis pâtissent.
Indrisy, ny fitoreon’ ny biby! Very hevitra ny omby andiany, satria tsy misy ahitra ho azy; Eny, na dia ny andian’ ny ondry aman’ osy aza dia mijaly noho ny heloka.
19 Je crie vers vous, Yahweh; car le feu a dévoré les pâturages du désert, la flamme a brûlé tous les arbres des champs.
Jehovah ô, Hianao no itarainako, fa efa levon’ ny afo ny kijana any an-efitra, ary nisy lelafo efa nandoro ny hazo rehetra any an-tsaha.
20 Les bêtes sauvages mêmes brament après vous, parce que les courants d'eau sont à sec, et que le feu a dévoré les pâturages du désert.
Na dia ny biby any an-tsaha aza dia mihanahana miandrandra Anao, satria ritra ny renirano, ary efa levon’ ny afo ny kijana any an-efitra.

< Joël 1 >