< Genèse 16 >

1 Saraï, la femme d'Abram, ne lui donna pas d'enfants. Elle avait une servante, une Égyptienne, qui s'appelait Agar.
Ary Saray, vadin’ i Abrama, tsy mba niteraka; ary izy nanana mpanompovavy Egyptiana, Hagara no anarany.
2 Saraï dit à Abram: « Voici, Yahvé m'a empêché d'enfanter. Va donc voir ma servante. Il se peut que j'obtienne d'elle des enfants. » Abram écouta la voix de Saraï.
Ary hoy Saray tamin’ i Abrama: Indro, efa tsy nanome zanaka ahy Jehovah; masìna ianao, mivadia amin’ ny mpanompovaviko; angamba hahazo zaza aminy aho. Dia neken’ i Abrama ny tenin’ i Saray.
3 Saraï, la femme d'Abram, prit Agar l'Égyptienne, sa servante, après qu'Abram eut vécu dix ans au pays de Canaan, et la donna pour femme à son mari Abram.
Ary rehefa nonina folo taona teo amin’ ny tany Kanana Abrama, dia nalain’ i Saray, vadin’ i Abrama, Hagara Egyptiana mpanompovaviny, ka nomeny an’ i Abrama vadiny mba hovadiny.
4 Il alla vers Agar, et elle devint enceinte. Quand elle vit qu'elle avait conçu, sa maîtresse fut méprisée à ses yeux.
Dia nivady tamin’ i Hagara izy, ka nanan’ anaka ravehivavy; ary rehefa hitany fa efa manan’ anaka izy, dia nataony toy ny tsinontsinona ny tompovaviny.
5 Saraï dit à Abram: « Ce tort est de ta faute. J'ai mis ma servante dans ton sein, et quand elle a vu qu'elle avait conçu, elle m'a méprisée. Que Yahvé juge entre moi et toi. »
Ary hoy Saray tamin’ i Abrama: Hanody anao anie ny fahoriako; fa efa nomeko ho andefimandrinao ny mpanompovaviko, ary nony hitany fa efa manan’ anaka izy, dia nataony toy ny tsinontsinona aho; Jehovah anie hitsara ahy sy ianao.
6 Mais Abram dit à Saraï: « Voici ta servante qui est entre tes mains. Fais-lui tout ce qui est bon à tes yeux. » Saraï la traita durement, et elle s'enfuit devant elle.
Ary hoy Abrama tamin’ i Saray: Indro, eo an-tananao ihany ny mpanompovavinao; ataovy aminy izay sitraponao. Ary raha nampahorin’ i Saray Hagara, dia nandositra ny tavany izy.
7 L'ange de Yahvé la trouva près d'une fontaine d'eau dans le désert, près de la fontaine sur le chemin de Shur.
Ary Ilay Anjelin’ i Jehovah nahita azy teo anilan’ ny loharano anankiray tany an-efitra, dia teo anilan’ ilay loharano eo amin’ ny lalana mankany Sora.
8 Il lui dit: « Agar, servante de Saraï, d'où viens-tu? Où vas-tu? » Elle a dit: « Je fuis le visage de ma maîtresse Saraï. »
Ary hoy Izy: Ry Hagara, andevovavin’ i Saray, avy taiza ianao? Ary hankaiza? Ary hoy izy; Mandositra ny tavan’ i Saray tompovaviko aho.
9 L'ange de Yahvé lui dit: « Retourne vers ta maîtresse, et soumets-toi à ses mains. »
Ary hoy Ilay Anjelin’ i Jehovah taminy: Miverena any amin’ ny tompovavinao ka miareta izay ataony aminao.
10 L'ange de Yahvé lui dit: « Je multiplierai beaucoup ta descendance, et elle ne sera pas comptée comme une multitude. »
Ary hoy koa Ilay Anjelin’ i Jehovah taminy: Hataoko maro indrindra ny taranakao, ka tsy ho azo isaina izy noho ny hamaroany.
11 L'ange de Yahvé lui dit: « Voici, tu es enceinte, et tu vas enfanter un fils. Tu lui donneras le nom d'Ismaël, car Yahvé a entendu ta souffrance.
Ary hoy indray Ilay Anjelin’ i Jehovah taminy: Indro, manan’ anaka ianao ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany hataonao hoe Isimaela, satria efa nihaino ny fahorianao Jehovah.
12 Il sera comme un âne sauvage parmi les hommes. Sa main sera contre tout homme, et la main de tout homme contre lui. Il vivra en opposition à tous ses frères. »
Ary izy ho lehilahy toy ny boriki-dia; ny tànany hamely ny olona rehetra, ary ny tanan’ ny olona rehetra kosa hamely azy; ary honina eo tandrifin’ ny rahalahiny rehetra izy.
13 Elle appela le nom de Yahvé qui lui avait parlé: « Tu es un Dieu qui voit », car elle disait: « Suis-je restée en vie après l'avoir vu? »
Ary Hagara nanao ny anaran’ i Jehovah, Izay niteny taminy hoe: Hianao no Andriamanitra Izay mahita; fa hoy izy: Tsy teto va no mbola velona aho aorian’ ny fahitana?
14 C'est pourquoi on appela le puits Beer Lahai Roi. Voici, il est entre Kadès et Bered.
Izany no nanaovana ny lavaka fantsakana hoe: Bera-lahai-roy; indro, eo anelanelan’ i Kadesy sy Bareda izany.
15 Agar enfanta un fils à Abram. Abram donna à son fils, qu'Agar avait enfanté, le nom d'Ismaël.
Ary Hagara dia niteraka zazalahy tamin’ i Abrama; ary ny anaran’ ny zanany izay naterany dia nataon’ i Abrama hoe Isimaela.
16 Abram était âgé de quatre-vingt-six ans quand Agar enfanta Ismaël à Abram.
Ary efa enina amby valo-polo taona Abrama, raha Hagara niteraka an’ Isimaela taminy.

< Genèse 16 >