< Judges 15 >

1 But after a while, in the time of wheat harvest, Samson visited his wife with a young goat. He said, “I will go in to my wife’s room.” But her father wouldn’t allow him to go in.
Ary nony afaka kelikely, tamin’ ny taom-pijinjana ny vary tritika, dia nitondra zanak’ osy Samsona ho entiny mamangy ny vadiny, ka hoy izy: Hiditra ao amin’ ny vadiko ao an-efi-trano aho. Nefa tsy namela azy hiditra ny rafozany,
2 Her father said, “I most certainly thought that you utterly hated her; therefore I gave her to your companion. Isn’t her younger sister more beautiful than she? Please, take her instead.”
fa hoy izy: Nataoko fa halanao mihitsy izy, ka dia nomeko ho an’ ny namanao; moa tsy tsara tarehy noho izy va ny zandriny? Masìna ianao, aoka izy halainao ho solony.
3 Samson said to them, “This time I will be blameless in the case of the Philistines when I harm them.”
Dia hoy Samsona taminy: Tsy hanan-tsiny aho izao, na dia hanisy ratsy ny Filistina aza.
4 Samson went and caught three hundred foxes, and took torches, and turned tail to tail, and put a torch in the middle between every two tails.
Dia nandeha Samsona ka nisambotra amboahaolo telon-jato; dia naka zavatra hatao fanilo izy, ary nampifanendreny ny rambon’ ny amboahaolo tsiroaroa avy ka nafehiny teo anelanelan’ ny rambony ilay hatao fanilo.
5 When he had set the torches on fire, he let them go into the standing grain of the Philistines, and burned up both the shocks and the standing grain, and also the olive groves.
Ary rehefa nampirehetiny ny fanilo, dia nalefany ho any amin’ ny varin’ ny Filistina ireny, ka nandoro ny amboara sy ny vary mbola mitsangana ary ny voli-oliva koa.
6 Then the Philistines said, “Who has done this?” They said, “Samson, the son-in-law of the Timnite, because he has taken his wife and given her to his companion.” The Philistines came up, and burned her and her father with fire.
Ary hoy ny Filistina: Iza no nanao izany? Ary nisy nanao hoe: Samsona, vinanton’ ilay Timnita, satria ny rafozany efa nanome ny vadiny ho an’ ny sakaizany. Dia niakatra ny Filistina ka nandoro an-dravehivavy sy ny ankohonan-drainy tamin’ ny afo.
7 Samson said to them, “If you behave like this, surely I will take revenge on you, and after that I will cease.”
Ary hoy Samsona taminy: Raha manao tahaka izany ianareo, dia mbola hamaly anareo tokoa aho, koa rehefa afaka izany, vao hitsahatra aho.
8 He struck them hip and thigh with a great slaughter; and he went down and lived in the cave in Etam’s rock.
Dia namely azy izy ka nahatapaka ranjo sy fe ary nahafaty be dia be; dia nidina izy ka nitoetra teo an-tsefatsefak’ ilay harambato mitresaka any Etama.
9 Then the Philistines went up, encamped in Judah, and spread themselves in Lehi.
Ary niakatra ny Filistina, dia nitoby teo amin’ ny Joda ka niely tany Lehy.
10 The men of Judah said, “Why have you come up against us?” They said, “We have come up to bind Samson, to do to him as he has done to us.”
Ary hoy ny lehilahy amin’ ny Joda: Nahoana no miakatra hamely anay ianareo? Dia hoy izy Hamatotra an’ i Samsona no niakaranay, mba hanao aminy tahaka izay efa nataony taminay.
11 Then three thousand men of Judah went down to the cave in Etam’s rock, and said to Samson, “Don’t you know that the Philistines are rulers over us? What then is this that you have done to us?” He said to them, “As they did to me, so I have done to them.”
Dia nandeha ny lehilahy telo arivo amin’ ny Joda nankany amin’ ilay tsefatsefaky ny harambato mitresaka any Etama ka nanao tamin’ i Samsona hoe: Tsy fantatrao va fa manapaka antsika ny Filistina? Inona izao nataonao taminay izao? Dia hoy izy taminy: araka izay nataony tamiko no mba nataoko taminy.
12 They said to him, “We have come down to bind you, that we may deliver you into the hand of the Philistines.” Samson said to them, “Swear to me that you will not attack me yourselves.”
Dia hoy kosa izy ireo taminy: Hamatotra anao no nidinanay, mba hatolotray ho eo an-tànan’ ny Filistina ianao. Dia hoy Samsona taminy: Mianiana amiko ary fa tsy hamely ahy ianareo.
13 They spoke to him, saying, “No, but we will bind you securely and deliver you into their hands; but surely we will not kill you.” They bound him with two new ropes, and brought him up from the rock.
Dia niteny taminy izy ireo ka nanao hoe: Tsia; fa hamatotra anao fotsiny ihany izahay ka hanolotra anao eo an-tànany; fa tsy hamono anao tsy akory izahay. Dia namatotra azy tamin’ ny mahazaka roa vaovao izy ka nitondra azy niala tamin’ ilay harambato.
14 When he came to Lehi, the Philistines shouted as they met him. Then the LORD’s Spirit came mightily on him, and the ropes that were on his arms became as flax that was burned with fire; and his bands dropped from off his hands.
Ary raha tonga tany Lehy izy, dia nanakora azy ny Filistina; ary ny Fanahin’ i Jehovah nilatsaka taminy, dia tonga tahaka ny rongony izay nodorana tamin’ ny afo ny mahazaka teny amin’ ny sandriny ary afaka tamin’ ny tànany ny fatorana.
15 He found a fresh jawbone of a donkey, put out his hand, took it, and struck a thousand men with it.
Ary nahita valanoranom-boriky vaovao izy, dia naninjitra ny tànany naka azy, ka iny no namonoany arivo lahy.
16 Samson said, “With the jawbone of a donkey, heaps on heaps; with the jawbone of a donkey I have struck a thousand men.”
Ary hoy Samsona: Tamin’ ny valanoranom-boriky no nahafatesako ho antontany iray, eny, antontany roa; Tamin’ ny valanoranom-boriky no nahafatesako arivo lahy.
17 When he had finished speaking, he threw the jawbone out of his hand; and that place was called Ramath Lehi.
Ary rehefa nitsahatra niteny izy, dia nariany ilay valanoranom-boriky teny an-tànany; ary ny anaran’ izany tany izany dia natao hoe Ramata-lehy.
18 He was very thirsty, and called on the LORD and said, “You have given this great deliverance by the hand of your servant; and now shall I die of thirst, and fall into the hands of the uncircumcised?”
Ary nangetaheta indrindra izy, dia nitaraina tamin’ i Jehovah ka nanao hoe: Hianao no nanome izao famonjen-dehibe izao tamin’ ny tanan’ ny mpanomponao; ary ankehitriny efa ho fatin-ketaheta aho ka hianjera ho eo an-tànan’ ny tsy mifora!
19 But God split the hollow place that is in Lehi, and water came out of it. When he had drunk, his spirit came again, and he revived. Therefore its name was called En Hakkore, which is in Lehi, to this day.
Dia nampitresahin’ Andriamanitra ilay fitoerana hoboka tany Lehy, ka niboiboika teo ny rano; ary rehefa nisotro izy, dia nody ny ainy, ka velona Izy; ka izany no nanaovany ny anarany hoe En-hakore, izay any Lehy mandraka androany.
20 He judged Israel twenty years in the days of the Philistines.
Dia nitsara ny Isiraely roa-polo taona tamin’ ny andron’ ny Filistina izy.

< Judges 15 >