< Isaiah 24 >

1 Behold, the LORD makes the earth empty, makes it waste, turns it upside down, and scatters its inhabitants.
Indro, Jehovah mahafoana ny tany ka mahalao azy ary mampihohoka azy ka manely izay mponina ao aminy.
2 It will be as with the people, so with the priest; as with the servant, so with his master; as with the maid, so with her mistress; as with the buyer, so with the seller; as with the creditor, so with the debtor; as with the taker of interest, so with the giver of interest.
Koa ho sahala ihany ny hanjo ny mpisorona sy ny vahoaka, ny tompolahy sy ny mpanompolahiny, ny tompovavy sy ny mpanompovaviny, ny mpivarotra sy ny mpividy, ny mpampisambotra sy ny mpisambotra, ny mpampanàna vola sy ny mpanana vola.
3 The earth will be utterly emptied and utterly laid waste; for the LORD has spoken this word.
Hatao foana dia foana ny tany, ary hobaboina dia hobaboina tokoa izy, fa Jehovah no efa niteny.
4 The earth mourns and fades away. The world languishes and fades away. The lofty people of the earth languish.
Misaona sy malazo ny tany; Milofika sy malazo izao tontolo izao; Milofika ny lehibe indrindra amin’ ny olona etỳ an-tany.
5 The earth also is polluted under its inhabitants, because they have transgressed the laws, violated the statutes, and broken the everlasting covenant.
Ary ny tany dia efa voavetavetan’ ny mponina ao aminy, satria nandika ny lalàna sy nanota ny didy izy ary nivadika ny fanekena mandrakizay.
6 Therefore the curse has devoured the earth, and those who dwell therein are found guilty. Therefore the inhabitants of the earth are burned, and few men are left.
Ary noho izany dia ozona no mandevona ny tany, ary ny mponina ao dia valiana noho ny helony, sady voadotra ny mponina amin’ ny tany ka dia olona vitsy foana no sisa ao.
7 The new wine mourns. The vine languishes. All the merry-hearted sigh.
Misaona ny ranom-boaloboka, milofika ny taro-boaloboka, misento avokoa ilay nifaly am-po;
8 The mirth of tambourines ceases. The sound of those who rejoice ends. The joy of the harp ceases.
Mitsahatra ny firavoravoana amin’ ny ampongatapaka, tapitra ny fitabataban’ ny niravoravo; Mitsahatra ny fifaliana amin-dokanga;
9 They will not drink wine with a song. Strong drink will be bitter to those who drink it.
Tsy mihira eo am-pisotroan-divay intsony izy, mangidy amin’ izay misotro azy ny toaka;
10 The confused city is broken down. Every house is shut up, that no man may come in.
Rava ny tanana be fikorontanana, mirindrina ny trano rehetra ka tsy azo idiran’ olona;
11 There is a crying in the streets because of the wine. All joy is darkened. The mirth of the land is gone.
Misy fitarainana divay eny an-tsaha, tafalentika toy ny masoandro ny fifaliana rehetra; Voaroaka ny faharavoravoan’ ny tany.
12 The city is left in desolation, and the gate is struck with destruction.
Fahafoanana ihany no sisa ao an-tanàna, satria rava sady montsamontsana ny vavahady,
13 For it will be so within the earth among the peoples, as the shaking of an olive tree, as the gleanings when the vintage is done.
Fa ao amin’ ny tany, ao amin’ ny olona, dia hisy toy ny amin’ ny fikapohana hazo oliva sy ny fitsimpontsimponam-boaloboka, rehefa tapitra ny andro fiotazana azy.
14 These shall lift up their voice. They will shout for the majesty of the LORD. They cry aloud from the sea.
Ireo dia hanandratra ny feony ka hihoby; Noho ny fahalehibiazan’ i Jehovah dia hiantso mafy eny amin’ ny ranomasina izy hoe:
15 Therefore glorify the LORD in the east, even the name of the LORD, the God of Israel, in the islands of the sea!
Mankalazà an’ i Jehovah any amin’ ny tany atsinanana, dia ny anaran’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, any amin’ ny amoron-dranomasina.
16 From the uttermost part of the earth have we heard songs. Glory to the righteous! But I said, “I pine away! I pine away! woe is me!” The treacherous have dealt treacherously. Yes, the treacherous have dealt very treacherously.
Hatrany am-paran’ ny tany no nandrenesanay hira hoe: Voninahitra ho an’ ny marina. Fa hoy izaho: Indrisy izato halevonako! Indrisy ity halevonako! Ny mpamitaka dia mamitaka; Eny, ny mpamitaka dia mamitaka fatratra.
17 Fear, the pit, and the snare are on you who inhabit the earth.
Tahotra sy longoa ary fandrika no mahazo anao, ry mponina amin’ ny tany.
18 It will happen that he who flees from the noise of the fear will fall into the pit; and he who comes up out of the middle of the pit will be taken in the snare; for the windows on high are opened, and the foundations of the earth tremble.
Ary izay mandositra noho ny fandrenesana ny tahotra dia ho latsaka any an-davaka; Ary izay miakatra avy ao anatin’ ny lavaka dia ho voan’ ny fandrika; Fa misy varavarana mivoha any amin’ ny avo, ary mihorohoro ny fanorenan’ ny tany.
19 The earth is utterly broken. The earth is torn apart. The earth is shaken violently.
Rava dia rava ny tany; Mitresaka dia mitresaka ny tany; Mihorohoro dia mihorohoro ny tany;
20 The earth will stagger like a drunken man, and will sway back and forth like a hammock. Its disobedience will be heavy on it, and it will fall and not rise again.
Mivembena dia mivenbena tahaka ny mamo ny tany ka mitsingevaheva toy ny fandriana mihantona; ary mitambesatra aminy ny fahadisoany, dia potraka izy ka tsy ho tafarina intsony.
21 It will happen in that day that the LORD will punish the army of the high ones on high, and the kings of the earth on the earth.
Ary amin’ izany andro izany dia any an-danitra no hamalian’ i Jehovah ny antokon’ ny lanitra, ary etỳ an-tany kosa ny mpanjakan’ ny tany.
22 They will be gathered together, as prisoners are gathered in the pit, and will be shut up in the prison; and after many days they will be visited.
Dia hangonina ao an-davaka tahaka ny mpifatotra ireny ka hohidiana ao an-trano-maizina, ary rehefa afaka andro maro, dia hovangiana ihany izy.
23 Then the moon will be confounded, and the sun ashamed; for the LORD of Hosts will reign on Mount Zion and in Jerusalem; and glory will be before his elders.
Dia hivoara-mena ny volana, ary hivaloarika ny masoandro, fa Jehovah, Tompon’ ny maro, no Mpanjaka ao an-tendrombohitra Ziona sy any Jerosalema, ary eo anatrehan’ ny loholony dia misy voninahitra.

< Isaiah 24 >